Faminaniana 1. Horohoron-tany

Faminaniana 1. Horohoron-tany

Faminaniana 1. Horohoron-tany

“Hisy horohoron-tany lehibe.”—LIOKA 21:11.

● Avy tao ambany korontam-bato, tany Haïti, no nosokirina i Winnie, herintaona sy efa-bolana. Ireo mpanao gazety nitatitra an’ilay loza no nandre ny feony nitoreo. Avotra soa aman-tsara izy, fa maty kosa ny ray aman-dreniny.

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Nisy horohoron-tany nirefy 7,0 amin’ny maridrefy Richter tany Haïti, tamin’ny Janoary 2010. Maherin’ny 300 000 no maty, ary 1,3 tapitrisa no lasa tsy nanan-kialofana tao anatin’ny indray mipy maso. Tsy hoe naningana anefa io horohoron-tany io, na dia tena nahery vaika aza. Horohoron-tany lehibe 18, fara fahakeliny, no nitranga eran-tany teo anelanelan’ny Aprily 2009 sy Aprily 2010.

INONA NO HEVITRY NY OLONA? Tsy betsaka noho ny taloha ny horohoron-tany ankehitriny. Fantatsika kokoa fotsiny ny fisian’izy ireny raha oharina amin’ny taloha, satria efa mandroso be ny teknolojia.

MITOMBINA VE IZANY? Tsy lazain’ny Baiboly hoe firy ny isan’ny horohoron-tany hitranga amin’ny andro farany. Resahiny anefa fa “any amin’ny toerana samy hafa” no hisy “horohoron-tany lehibe”, ka izany no mahatonga azy io ho anisan’ny mampiavaka ny androntsika.—Marka 13:8; Lioka 21:11.

AHOANA NY HEVITRAO? Misy horohoron-tany lehibe, araka ny lazain’ny Baiboly, ve amin’izao?

Mety tsy hampiaiky raha ny horohoron-tany fotsiny no anaporofoana fa andro farany izao. Vao iray amin’ireo faminaniana tanteraka anefa io. Diniho indray ny faharoa.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Horohoron-tany lehibe no iantsoanay [manam-pahaizana momba ny tany] azy ireny. Zava-mahatsiravina kosa no iantsoan’ny maro azy ireny.”—KEN HUDNUT, FIKAMBANANA AMERIKANINA MANADIHADY MOMBA NY TANY.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

© William Daniels/Panos Pictures