Faminaniana 5. Fanimbana ny Tany

Faminaniana 5. Fanimbana ny Tany

Faminaniana 5. Fanimbana ny Tany

“[Haringan’Andriamanitra] izay manimba ny tany.”—APOKALYPSY 11:18.

● Mpanangona divay vita amin’ny palmie, any Kpor any Nizeria, Atoa Pirri. Tsy nandeha intsony anefa ny asany, satria nisy solitany nihanaka tany amin’ny Vinanin’i Niger. Hoy izy: “Maty ny trondro, maloto ny renirano, ary simba ny hoditray. Very asa aho.”

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Milaza ny manam-pahaizana sasany fa 6,5 tapitrisa taonina ny fako ariana any an-dranomasina isan-taona. Plastika ny 50 isan-jato eo ho eo, ka mitsingevana mandritra ny an-jatony taona izay vao levona. Tsy vitan’izany fa ataon’ny olona tsy misy miangana koa ny harena voajanahary. Asehon’ny fandinihana anefa fa mila herintaona sy dimy volana ny tany vao mahavita mamokatra izay lanin’ny olona ao anatin’ny herintaona. Hoy ny gazety aostralianina Mpanambara ny Marainan’i Sydney (anglisy): “Raha mitombo foana ny mponina, ka mitohy izao fandaniana izao, dia harena voajanahary vokarin’ny Tany roa vao ho ampy antsika amin’ny taona 2035.”

INONA NO HEVITRY NY OLONA? Tia karokaroka ny olombelona. Afaka mahita vahaolana isika ary manavotra ny tany.

MITOMBINA VE IZANY? Olona sy fikambanana maro no miasa mafy mba hampisehoana hoe tena simba ny tontolo iainana. Mihasimba be aoka izany foana anefa ny tany.

AHOANA NY HEVITRAO? Mila ny fanampian’Andriamanitra ve isika mba hanavotana ny tany tsy ho simba, araka ny efa nampanantenainy?

Misy zavatra tsara koa nolazain’ny Baiboly fa ho tanteraka amin’ny andro farany, ankoatra ireo faminaniana dimy nodinihintsika teo. Hojerentsika ny iray amin’izany.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Toy ny hoe avy tany amin’ny paradisa aho no nalefa tany amin’ny fanariana fako mahafaty.”—TENIN’I ERIN TAMBER, MPONINA ANY AMORON-TSIRAK’I ETAZONIA, MOMBA NY VOKATRY NY SOLITANY NIHANAKA TANY AMIN’NY HOALAN’I MEKSIKA TAMIN’NY 2010.

[Efajoro, pejy 8]

Andriamanitra ve no Tompon’andraikitra?

Efa nolazain’ny Baiboly ireo zava-dratsy mitranga ankehitriny. Midika ve izany fa Andriamanitra no tompon’andraikitra amin’izy ireny? Izy ve no mahatonga antsika hijaly? Misy valiny mahafa-po momba izany ao amin’ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

U.S. Coast Guard photo