Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoavy Mahafinaritra Tsy ho Ela!

Hoavy Mahafinaritra Tsy ho Ela!

Hoavy Mahafinaritra Tsy ho Ela!

“Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”—SALAMO 37:10, 11.

TIANAO ve raha eo ianao rehefa ho tanteraka io faminaniana io? Misy antony marim-pototra inoana fa ho tanteraka tsy ho ela izy io.

Faminaniana maro no manaporofo fa miaina amin’ny “andro farany” isika. Vao ny sasany tamin’izy ireo fotsiny no nodinihintsika. (2 Timoty 3:1-5) Nasain’Andriamanitra nilaza mialoha an’ireo ny mpanoratra ny Baiboly mba hananantsika fanantenana. (Romanina 15:4) Efa hifarana tsy ho ela ny olana mahazo antsika matoa tanteraka ireny faminaniana ireny.

Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny olombelona, aorian’ny andro farany. (Matio 6:9, 10) Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany amin’izany? Hoy ny Baiboly:

Hofoanana ny mosary. “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.

Hofoanana ny aretina. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

Hohavaozina ny tany. “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.”—Isaia 35:1.

Santionany fotsiny amin’ireo faminaniana ho tanteraka tsy ho ela ireo. Nahoana raha anontaniana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe nahoana izy ireo no tena mino fa hisy zavatra tsara hitranga tsy ho ela?