Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana sy ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana sy ny Fijaliana Hisy?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Faharatsiana sy ny Fijaliana Hisy?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Ahoana no niandohan’ny faharatsiana?

Lasa nisy faharatsiana teto an-tany rehefa nilaza ny lainga voalohany i Satana. Tsy ratsy toetra izy tamin’ny vao noforonina. Anjely lavorary izy, saingy “tsy nifikitra tamin’ny marina.” (Jaona 8:44) Naniry ny hivavahana izy, nefa Andriamanitra irery no tokony hivavahana. Nandaingany i Eva, ilay vehivavy voalohany, ary noreseny lahatra mba hankatò azy fa tsy an’Andriamanitra. Tsy nankatò koa i Adama, ka lasa nisy ny fijaliana sy ny fahafatesana.—Vakio ny Genesisy 3:1-6, 17-19.

Nitaona an’i Eva hikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra i Satana, rehefa nandrisika azy tsy hankatò. Nanaraka an’i Satana koa ny ankamaroan’ny olona, ka tsy nanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra. Lasa “mpitondra an’izao tontolo izao” àry i Satana.—Vakio ny Jaona 14:30; Apokalypsy 12:9.

2. Nisy tsy nety ve ny zavatra noforonin’Andriamanitra?

Afaka nankatò tanteraka an’Andriamanitra ny olombelona sy ny anjely noforoniny. (Deoteronomia 32:4, 5) Noforoniny ho afaka hisafidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy isika. Afaka maneho ny fitiavantsika azy àry isika.—Vakio ny Jakoba 1:13-15; 1 Jaona 5:3.

3. Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?

Mbola mandefitra amin’ireo mikomy amin’ny fitondrany i Jehovah, mba hampisehoana fa tsy hahomby mihitsy ny olombelona raha tsy Izy no mitondra. (Jeremia 10:23) Manamarina izany ny zava-nisy nandritra ny 6 000 taona. Tsy nahavita nanafoana ady, heloka bevava, tsy rariny, ary aretina ny mpitondra olombelona.—Vakio ny Mpitoriteny 7:29; 8:9; Romanina 9:17.

Mandray soa kosa ireo manaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra. (Isaia 48:17, 18) Hofaranany tsy ho ela ny fitondran’olombelona rehetra. Ireo mifidy azy ho Mpitondra ihany no hiaina eto an-tany.—Isaia 2:3, 4; 11:9; vakio ny Daniela 2:44.

4. Afaka manao inona isika noho Andriamanitra manam-paharetana?

Nilaza i Satana fa tsy hisy olona hankatò an’i Jehovah. Manam-paharetana Andriamanitra, ka afaka mampiseho isika hoe iza no ekentsika ho mpitondra: Andriamanitra sa olombelona. Ny fomba fiainantsika no ahitana an’izany.—Vakio ny Joba 1:8-11; Ohabolana 27:11.

5. Ahoana no ampisehoantsika fa Andriamanitra no fidintsika ho Mpitondra?

Manao izany isika rehefa mitady sy manaraka ny fivavahana marina, mifanaraka amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. (Jaona 4:23) Tsy manao politika sy tsy miady koa isika, toy ny nataon’i Jesosy.—Vakio ny Jaona 17:14.

Mampiasa ny heriny i Satana mba handrisihana ny olona haloto fitondran-tena sy hanao zava-dratsy. Mety hisy namantsika sy havantsika haneso na hanohitra antsika, rehefa tsy manao an’ireo isika. (1 Petera 4:3, 4) Mila misafidy àry isika. Hiaraka amin’ny olona tia an’Andriamanitra ve isika? Hankatò ny fitsipiny feno fitiavana sy fahendrena ve isika? Izany no anaporofoantsika fa nandainga i Satana rehefa nilaza hoe tsy hisy hankatò an’Andriamanitra.—Vakio ny 1 Korintianina 6:9, 10; 15:33.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 11, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 16]

Nanao safidy ratsy i Adama

[Sary, pejy 17]

Ny safidintsika no ahitana raha Andriamanitra no tiantsika ho Mpitondra