Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hankaleo ve ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa?

Hankaleo ve ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa?

Manontany ny Mpamaky

Hankaleo ve ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa?

▪ Mampanantena ny Baiboly fa ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany isika. (Salamo 37:29; Lioka 23:43) Hankaleo ve ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo iray tonga lafatra?

Zava-dehibe izany fanontaniana izany. Hitan’ny mpikaroka fa raha leo be foana ny olona iray, dia mety ho lasa mitebiteby sy kivy ary sahisahy ratsy. Ny olona tsy manana tanjona eo amin’ny fiainana na sasatry ny fiainana andavanandro no mety ho leo miaina. Tsy hisy tanjona àry ve ny fiainan’ny olona ao amin’ny Paradisa? Hankaleo ve ny zavatra fanao andavanandro?

Mariho fa i Jehovah Andriamanitra, ilay Nampanoratra ny Baiboly, no mampanantena fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16; 2 Timoty 3:16) Ny fitiavana no toetra tena mampiavaka azy. (1 Jaona 4:8) Tena tia antsika i Jehovah, ary izy no nanome antsika an’ireo zavatra tsara rehetra ankafizintsika ankehitriny.—Jakoba 1:17.

Fantatr’ilay Mpamorona antsika fa tokony hisy tanjona ny zavatra ataontsika raha te ho sambatra isika. (Salamo 139:14-16; Mpitoriteny 3:12) Tsy hahatsapa hoe miasa maina fotsiny ny olona rehefa ao amin’ny Paradisa. Hitondra soa ho azy sy ny olona tiany mantsy ny asa ataony. (Isaia 65:22-24) Dia ho leo miaina ve ianao raha mahaliana sy mampahavitribitrika ny asanao mandritra ny tontolo andro?

Mariho koa fa tsy ny olon-drehetra akory no havelan’i Jehovah Andriamanitra hiaina ao amin’ny Paradisa. Izay manahaka an’i Jesosy Zanany ihany no omeny fiainana mandrakizay. (Jaona 17:3) Nahafinaritra an’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’ny Rainy, tamin’izy teto an-tany. Nampianariny an’ireo mpanara-dia azy tamin’ny teny sy ny atao fa ny manome no tena mahasambatra noho ny mandray. (Asan’ny Apostoly 20:35) Ho tia an’Andriamanitra sy ny namany, araka ny didy roa lehibe indrindra, ny olona rehetra hiaina ao amin’ilay Paradisa. (Matio 22:36-40) Alao sary an-tsaina hoe olona tsy tia tena no manodidina anao, ary tia anao sy tia ny asany izy ireo! Dia ho leo ve ianao hiaraka amin’ny olona toy izany?

Hanao ahoana koa ny fiainana ao amin’ny Paradisa? Hianatra zava-baovao momba ny Mpamorona isika isan’andro. Efa be dia be ny zavatra mahagaga momba ny zavaboarin’i Jehovah hitan’ny mpikaroka. (Romanina 1:20) Mbola zara raha mahafantatra ny zavaboary anefa isika hatramin’izao. Nandinika indray izay fantany momba izany i Joba, an’arivony taona maro lasa izay, ka hoy izy: “Vao ampahany kely amin’ny zava-bitany izany, ary vao bitsibitsika ihany no mba rentsika momba azy! Fa raha ny kotroka mafy avy aminy kosa, iza no mahalala izany?” (Joba 26:14) Mbola marina foana ireo teniny ireo.

Tsy ho fantatsika mihitsy izay rehetra tokony ho fantatra momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny asany, na hiaina mandrakizay aza isika. Milaza ny Baiboly fa efa napetrak’Andriamanitra tao am-pontsika ny faniriana hiaina mandrakizay. Lazainy koa fa ‘tsy ho fantatsika mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.’ (Mpitoriteny 3:10, 11) Dia ho leo ve ianao hianatra zava-baovao momba ny Mpamorona?

Na ankehitriny aza, dia tsy leo miaina ny olona variana manao asa mba hahasoa ny hafa sy hiderana an’Andriamanitra. Azo antoka koa fa tsy ho leo miaina mihitsy isika, na dia miaina mandrakizay aza, raha variana manao asa toy izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Tany: Image Science and Analysis Laboratory, NASA-Johnson Space Center; Vahindanitra: The Hubble Heritage Team (AURA/STScI/NASA)