Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“I Jehovah no Mpiandry Ahy”

“I Jehovah no Mpiandry Ahy”

Manatòna An’Andriamanitra

“I Jehovah no Mpiandry Ahy”

JEREO ilay sary etsy ankavanana. Tsy manana ahiahy erỳ ilay zanak’ondry eo an-tratran’ilay mpiandry azy. Ampitovin’ny Baiboly amin’ny mpiandry ondry miahy ny ondriny i Jehovah, ao amin’ny Salamo 23, rehefa miahy ny mpanompony. Tiany tsy hanana ahiahy isika, ka ho anisan’ireo ho afaka hilaza amin-toky toa an’i Davida mpanao salamo hoe: “I Jehovah no Mpiandry ahy.” *Andininy 1.

I Davida no nanoratra an’io, ary mpiandry ondry izy tamin’izy mbola tanora. Fantany ny zavatra ilain’ny ondry sy ny andraikitry ny mpiandry ondry. Tsapany koa fa niahy azy Andriamanitra, ka nanoratra an’ilay antsoina hoe “salamo manome toky na fanantenana” izy. Hita eo amin’ny andininy voalohany sy farany amin’io salamo io ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. (Andininy 1, 6) Resahiny eo antenatenany kosa ny fomba telo anehoan’i Jehovah fiahiana ny vahoakany, toy ny ataon’ny mpiandry ondry amin’ny ondriny.—Salamo 100:3.

Mitarika ny ondriny i Jehovah. Mazàna no very ny ondry raha tsy misy mpiandry. Mila fanampiana koa isika mba hahalalana ny lalan-kizorana eo amin’ny fiainana. (Jeremia 10:23) Nilaza i Davida fa mitondra ny vahoakany “eny amin’ny toerana rakotra ahi-maitso” sy “eny amin’ny toeram-pialan-tsasatra azon-drano tsara” i Jehovah. Mitarika azy ireo “amin’ny lalan’ny fahamarinana” koa izy. (Andininy 2, 3) Antoka ho antsika izany fa afaka matoky an’Andriamanitra isika. Hahafa-po sy hahafinaritra ary hilamina ny fiainantsika, raha manaiky hotarihin’ny fanahiny isika, ka manaraka ny tari-dalany ao amin’ny Baiboly.

Miaro ny ondriny i Jehovah. Matahotra sy tsy manam-piarovana ny ondry raha tsy eo ny mpiandry azy. Milaza amin’ny vahoakany i Jehovah fa tsy tokony hatahotra izy ireo, na dia “mamakivaky lohasaha maizim-pito aza”, izany hoe mandritra ny fotoan-tsarotra indrindra eo amin’ny fiainany. (Andininy 4) Miambina azy ireo i Jehovah, ary vonon-kanampy rehefa mila fanampiana izy ireo. Afaka manome fahendrena sy hery hiatrehan’izy ireo fitsapana izy.—Filipianina 4:13; Jakoba 1:2-5.

Manome sakafo ny ondriny i Jehovah. Tsy mahita sakafo ny ondry raha tsy ampian’ny mpiandry azy. Tsy mahazo izay ilaintsika ara-panahy koa isika raha tsy ampian’Andriamanitra. (Matio 5:3) Soa ihany fa malala-tanana i Jehovah, ilay Mpanome izay ilaina, ka manomana latabatra feno sakafo eo anoloan’ny mpanompony. (Andininy 5) Ao amin’ny Baiboly sy ireo boky ara-baiboly, toa an’ity gazety vakinao ity, no misy ny sakafo ara-panahy ilaintsika. Manampy antsika izy ireny mba hahafantatra ny dikan’ny fiainana sy ny fikasan’Andriamanitra ho antsika.

Tsy nanana ahiahy i Davida, satria fantany fa raha mifandray akaiky foana amin’ilay Mpiandry azy any an-danitra izy, dia ho tiany sy hahiny ‘mandritra ny androm-piainany.’ (Andininy 6) Maniry an’izany koa ve ianao? Fantaro àry hoe inona no tokony hataonao mba ho akaiky an’i Jehovah ianao. Tsy hanana ahiahy ianao amin’izay, eo an-tsandrin’ilay Mpiandry Lehibe, izay mitarika sy miaro ary manome sakafo ho an’izay tsy mivadika aminy.—Isaia 40:11.

Famakiana Baiboly amin’ny Mey:

Joba 38Salamo 25

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mahazatra ny olona ny hoe “Ny TOMPO no Mpiandry ahy.” Nisy fandikan-tenin’ny Baiboly sasany nanala ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Manazava ny anton’izany ny pejy 195-197 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.