Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vaovao Tsara ho An’ny Mahantra

Vaovao Tsara ho An’ny Mahantra

Vaovao Tsara ho An’ny Mahantra

MANOME toky ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Tsy hohadinoina foana ny mahantra.” (Salamo 9:18) Hoy koa izy io momba ny Mpamorona: “Manokatra ny tananao ianao, ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.” (Salamo 145:16) Tsy nofinofy fotsiny izany. Mahavita manome izay ilaina hanafoanana ny fahantrana ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Inona àry no ilain’ny mahantra?

Nisy mpandinika ny toe-karena any Afrika nilaza fa tena tsara raha misy “mpitondra tsara fanahy” any amin’ny tany mahantra. Te hilaza izy fa tokony hisy mpitondra mahavita manafoana ny fahantrana ary tsara fanahy ka maniry hanao izany. Mety hilaza koa isika fa izao tontolo izao no mila entin’io mpitondra io, satria ny tsy fitoviana eran-tany matetika no mahatonga ny fahantrana faraidiny. Tokony ho vitany koa ny hanala ny antony mahatonga ny fahantrana, dia ny fitiavan-tena izay voajanahary amin’ny olombelona. Aiza àry no ahitana mpitondra toy izany?

Nirahin’Andriamanitra hitondra vaovao tsara ho an’ny mahantra i Jesosy. Hoy izy momba izany: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy.”—Lioka 4:16-18.

Inona ilay vaovao tsara?

Nanendry an’i Jesosy ho Mpanjaka Andriamanitra. Izany ka vaovao tsara! Izy no Mpitondra mety tsara, afaka manafoana ny fahantrana, satria 1) hitondra ny olombelona rehetra izy ary mahay manafoana ny fahantrana. 2) Mangoraka ny mahantra izy ary mampianatra ny mpanara-dia azy mba hikarakara azy ireny. 3) Vitany ny manafoana ny antony mahatonga ny fahantrana, dia ny fitiavan-tena izay toetra nolovantsika. Hodinihintsika tsirairay ireo.

1. Manana fahefana eo amin’ny firenena rehetra i Jesosy Hoy ny Tenin’Andriamanitra momba azy: ‘Nomena azy ny fitondrana mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.’ (Daniela 7:14) Eritrereto ange ny soa ho azo raha fitondram-panjakana iray ihany no hitondra ny olombelona rehetra e! Tsy hisy hiady na hifandrombaka harena voajanahary intsony. Samy hahazo tombontsoa mitovy ny rehetra. Nanome toky mihitsy i Jesosy fa hitondra an’izao tontolo izao izy, ary ho vitany ny hanafoana ny fahantrana. Hoy izy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Matio 28:18.

2. Mangoraka ny mahantra i Jesosy Nanao izany izy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Nisy vehivavy iray, ohatra, nandeha ra nandritra ny 12 taona, ary azo antoka fa tena hatsatra. Efa nandany ny fananany rehetra izy mba hitsaboana tena. Nikasika ny akanjon’i Jesosy àry izy, satria nanantena ny ho sitrana. Araka ny Lalàna, dia lasa maloto izay olona kasihiny. Tsara fanahy taminy anefa i Jesosy. Hoy izy: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!”—Marka 5:25-34.

Afaka manova ny fon’ny olona ny fampianaran’i Jesosy, ka lasa mangoraka koa izy ireo. Nisy lehilahy iray, ohatra, te hahafantatra ny fomba ampifaliana an’Andriamanitra. Efa fantany fa tokony ho tia ny namantsika isika, nefa mbola nanontany an’i Jesosy ihany izy hoe: “Iza marina moa no namako?”

Inona no navalin’i Jesosy? Nilaza fanoharana malaza momba ny lehilahy iray avy any Jerosalema ho any Jeriko izy. Nisy nanendaka izy io ka “saika maty.” Nisy mpisorona nandalo teo, kanefa niampita rehefa nahita azy. Nanao toy izany koa ny Levita iray. “Nandeha tamin’ilay lalana kosa ny Samaritanina anankiray ka tonga teo aminy, ary nangoraka rehefa nahita azy.” Nanadio ny ratrany izy, nitondra azy tany amin’ny tranombahiny, ary nanakarama an’ilay tompon’ny tranombahiny mba hikarakara azy. Hoy i Jesosy: “Iza amin’izy telo ireo no heverinao fa lasa naman’ilay azon’ny jiolahy?” Hoy ilay lehilahy: “Ilay niantra azy.” Hoy àry i Jesosy avy eo: “Mba manaova toy izany koa.”—Lioka 10:25-37.

Mianatra an’izany fampianaran’i Jesosy izany ny olona lasa Vavolombelon’i Jehovah, ka miova ny toe-tsainy ary lasa manampy ny mahantra izy ireo. Niresaka momba ny aretiny tamin’izy tao amin’ny toby tany Potma tamin’ny 1965 tany ho any, ohatra, ny mpanoratra letonianina iray. Hoy izy tao amin’ny bokiny hoe Ny Vehivavy Tany Amin’ireo Fonja Sovietika: ‘Tena nazoto nikarakara ahy [ireo Vavolombelona] tamin’izaho narary. Izany no fikarakarana tsara indrindra azoko. Mino izy ireo fa adidiny ny manampy ny olon-drehetra, na inona na inona fivavahany na fiaviany.’

Nitotongana ny toe-karena tany Ancón, Ekoatera, ka very asa sy tsy nanam-bola ny Vavolombelon’i Jehovah sasany. Nitady vola hanampiana azy ireo àry ny Vavolombelona namany, ka nahandro sakafo mba hamidy amin’ireo mpanjono avy niasa alina (sary ankavanana). Niara-niasa ny fiangonana manontolo, hatramin’ny ankizy. Tamin’ny 1.00 maraina izy ireo dia efa niasa, isan’andro, mba ho vonona ny sakafo rehefa tonga ireo sambo tamin’ny 4.00 maraina. Nozaraina araka izay nilain’ny tsirairay ny vola azo avy eo.

Tena mahavita manova ny toe-tsain’ny olona àry ny modelin’i Jesosy sy ny fampianarany, ka mandrisika azy ireo hanampy ny mahantra.

3. Mahavita manova ny toetra ratsin’ny olona i Jesosy Miaiky ny rehetra fa manana fironan-dratsy ho tia tena ny olombelona. Antsoin’ny Baiboly hoe ota izany. Na ny apostoly Paoly aza nilaza hoe: ‘Hitako amin’ny tenako izao lalàna izao: Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. Iza no hanafaka ahy amin’ity vatako ity, satria izy ity no mitarika ahy ho amin’izany fahafatesana izany? Hisaorana anie Andriamanitra, noho izy mamonjy ahy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy!’ (Romanina 7:21-25) Resahin’i Paoly eo fa hampiasa an’i Jesosy Andriamanitra mba hanafahana ny tena mpivavaka aminy amin’ny fironan-dratsy nolovan’izy ireo, anisan’izany ny fitiavan-tena izay tena mahatonga ny fahantrana. Ahoana no hitrangan’izany?

Taoriana kelin’ny batisan’i Jesosy, dia hoy i Jaona Mpanao Batisa momba azy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29) Tsy ho ela ny tany dia ho feno olona afaka amin’ny fahotana nolovana, anisan’izany ny fitiavan-tena. (Isaia 11:9) Ho efa nofoanan’i Jesosy ny antony mahatonga ny fahantrana amin’izay.

Mahafaly tokoa ny mieritreritra hoe hanana izay ilainy ny olon-drehetra! Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.” (Mika 4:4) Asehon’ireo teny ireo fa hanana asa mahafa-po ny rehetra, tsy hanana ahiahy, ary hankafy tontolo tsy misy fahantrana. Ho voninahitr’i Jehovah izany.