Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankany An-danitra Daholo ve ny Kristianina Tsy Mivadika?

Mankany An-danitra Daholo ve ny Kristianina Tsy Mivadika?

Manontany ny Mpamaky

Mankany An-danitra Daholo ve ny Kristianina Tsy Mivadika?

▪ Maro no efa namaky an’ity tenin’i Jesosy ity: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Te hilaza ve i Jesosy fa hiaina sy ho sambatra mandrakizay any an-danitra ny mpivavaka rehetra amin’i Jehovah Andriamanitra Rainy, izay tsy mivadika?

Mariho ity teny mampisaintsaina nolazain’i Jesosy ity: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy any, dia ny Zanak’olona.” (Jaona 3:13) Midika izany fa tsy nankany an-danitra ireo olona tsy nivadika fahiny toa an-dry Noa, Abrahama, Mosesy, ary Davida. (Asan’ny Apostoly 2:34) Ao am-pasana daholo izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, fa miandry ny hananganana azy amin’ny maty.—Mpitoriteny 9:5, 6; Asan’ny Apostoly 24:15.

Araka ny Baiboly, dia i Jesosy no voalohany nilaza fa hisy maty hatsangana ho any an-danitra. Nilaza tamin’ny apostoliny izy fa hanomana toerana ho azy ireo any. (Jaona 14:2, 3) Zava-baovao tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izany. Nohazavain’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana fa ‘nisantatra lalam-baovao sy velona’ ho an’ny mpianany i Jesosy, taorian’ny nananganana azy ho any an-danitra. Tsy mbola nisy olombelona nandalo tamin’izany lalana izany mihitsy.—Hebreo 10:19, 20.

Midika ve izany fa nankany an-danitra ny olona tsy mivadika rehetra, nanomboka tamin’izay? Tsia, satria hanao asa manokana no antony hananganana olona ho any an-danitra, ka vitsivitsy ihany no voatendry hanao izany. Nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy tamin’ny alina farany niarahan’izy ireo fa “hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana” ao amin’ny Fanjakany any an-danitra izy ireo, ary “hitsara.” Nasaina hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra àry izy ireo.—Lioka 22:28-30.

Misy olon-kafa koa anefa asaina hanao an’io andraikitra lehibe io. Nahita olona vitsivitsy natsangana ho any an-danitra niaraka tamin’i Jesosy ny apostoly Jaona, tao amin’ny fahitana. Ho ‘mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany’ izy ireo. (Apokalypsy 3:21; 5:10) Firy no isany? Voafetra ny mpitondra ao amin’ny fanjakan’olombelona, ary toy izany koa ny ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ireo 144 000, “novidina avy teo amin’ny olombelona”, no hiara-manjaka amin’i Jesosy, ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.—Apokalypsy 14:1, 4, 5.

Marina fa vitsy ireo 144 000 raha oharina amin’ireo olona tsy nivadika rehetra fahiny sy ankehitriny. Ara-dalàna izany satria mba hanao asa masina sy manokana no antony hananganana azy ireo ho any an-danitra. Raha hanao trano, ohatra, ianao, ny olona mahay manao trano rehetra ve no hokaramainao? Mazava ho azy fa izay tena ilainao amin’ilay asa ihany no hampiasainao. Toy izany koa fa tsy izay olona tsy mivadika rehetra akory no omen’Andriamanitra an’ilay tombontsoa manokana hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.

Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olombelona io Fanjakana any an-danitra io. Hanara-maso ny hanovana ny tany manontolo ho paradisa mantsy i Jesosy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy. Hisy olona tsy mivadika tsy hita isa hiaina sy ho sambatra mandrakizay ao amin’io paradisa io. (Isaia 45:18; Apokalypsy 21:3, 4) Ho anisan’izany ireo ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, izany hoe ireo hatsangana amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29.

Afaka ny hiaina mandrakizay ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika rehetra, na fahiny na ankehitriny. (Romanina 6:23) Hiaina any an-danitra mba hanao asa manokana ny vitsivitsy amin’izy ireo, fa hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany kosa ny ankamaroany.