Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ny Torotoro Fo

Fampiononana ho An’ny Torotoro Fo

Manatòna An’Andriamanitra

Fampiononana ho An’ny Torotoro Fo

‘TSY ho tia ahy mihitsy i Jehovah.’ Izany no nolazain’ny vehivavy kristianina iray, izay ketraka lava teo amin’ny fiainany. Nino tanteraka izy fa lavitra azy i Jehovah. Lavitra ny mpanompony ketraka tokoa ve izy? Ao amin’ny Salamo 34:18, teny nasain’Andriamanitra nosoratan’i Davida, no ahitana ny valin’izany.

Fantatr’i Davida ny mety hanjo ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, rehefa mijaly loatra izy ireo. Nirenireny foana mantsy izy tamin’ny fahatanorany, satria nialona azy i Saoly Mpanjaka ka nanenjika sy nitady hamono azy foana. Tany Gata, tanànan’ny Filistinina fahavalony, i Davida no niafina. Nihevitra angamba izy hoe tsy hitady azy tany mihitsy i Saoly. Fantatry ny Filistinina anefa izy ka saika maty. Mody nanao adala àry izy ka afa-nandositra. Nanome voninahitra an’Andriamanitra i Davida noho izy nanafaka azy. Izany no antony nanoratany ny Salamo faha-34.

Ketraka na mahatsiaro ho tsy mendrika ny fiahian’Andriamanitra ny olona rehefa mijaly. Nihevitra ve i Davida fa lavitra ny olona toy izany Andriamanitra? Hoy izy: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.” (Andininy 18) Mampionona sy manome fanantenana tokoa izany! Nahoana?

‘Akaiky i Jehovah.’ Milaza ny boky iray fa izany no “fomba itenenana hoe miahy sy mandinika ny vahoakany ny Tompo, ary vonon-kanampy sy hiaro azy ireo foana.” Mampahery ny mahafantatra fa mandinika ny vahoakany i Jehovah. Hitany ny olana diavin’izy ireo amin’izao “fotoan-tsarotra” izao, sady takany izay tena ao am-pon’izy ireo.—2 Timoty 3:1; Asan’ny Apostoly 17:27.

“Izay torotoro fo.” Amin’ny kolontsaina sasany, dia ny olona malahelo vokatry ny fitia tsy mifamaly no atao hoe “torotoro fo.” Milaza anefa ny manam-pahaizana iray fa ny olona “malahelo amin’ny ankapobeny” no tian’ny mpanao salamo horesahina. Na ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika aza, dia mety hiaritra fahoriana mafy indraindray ka ho torotoro fo.

“Izay ketraka.” Mety hihevi-tena ho ambany ny olona kivy ka vetivety dia tsy manana fanantenana intsony. Misy boky ho an’ny mpandika Baiboly milaza fa azo adika hoe “ireo tsy manan-javatra tsara antenaina mihitsy” ilay hoe “ketraka.”

Ahoana àry no fiheveran’i Jehovah ny “torotoro fo” sy ny “ketraka”? Moa ve izy mihatakataka, ka mihevitra fa tsy mendrika ny fitiavany sy ny fiahiany izy ireo? Tsy izany velively. Toy ny ray be fitiavana mitrotro sy manambitamby an-janany marary izy. Akaiky an’ireo mpanompony mitady fanampiana aminy izy, ary tena te hampionona sy hanamaivana an’ireo torotoro fo sy ketraka. Afaka manome fahendrena sy hery hiatrehan’izy ireo ny zava-tsarotra rehetra izy.—2 Korintianina 4:7; Jakoba 1:5.

Nahoana àry raha mianatra hoe ahoana no hanatonanao akaiky kokoa an’i Jehovah? Izao mantsy no ampanantenain’io Andriamanitra mangoraka io: ‘Mitoetra eo amin’ireo torotoro fo sy manetry tena aho, mba hamelombelona ny sain’ireo manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.’—Isaia 57:15.

Famakiana Baiboly amin’ny Jona:

Salamo 26-59