Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Milantolanto toy ny Mihira Izy Ireo Rehefa Miteny

Milantolanto toy ny Mihira Izy Ireo Rehefa Miteny

Taratasy Avy any Madagasikara

Milantolanto toy ny Mihira Izy Ireo Rehefa Miteny

VOATENDRY ho misionera atỳ amin’ny nosy Madagasikara izahay mivady. Niainga àry izahay, rehefa avy nanao veloma ny havana aman-tsakaiza. Niezaka ny hatanja-tsaina izahay, sady natoky fa mety aminay io fanendren’i Jehovah io ary hanampy anay izy.

Tsy hohadinoinay mihitsy ny fivoriana voalohany natrehinay tatỳ. Toy ny nitarika antoko-mpihira ilay ranadahy nitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Zara raha nahazo an’ilay fiteny izahay, ka toy ny hira milantolanto no fandrenesanay ny fitenin’izy ireo. Efa ela be tatỳ aoriana vao azonay tsara ilay fiteny.

Nametraka fanontaniana fanampiny ilay mpitarika fianarana, indray mandeha, ary sambany aho mba nahazo ny tiany holazaina. Voateniko tsy nahy mafy be ny valin’ilay izy, ka henon’ny olona teo akaikiko. Toran’ny hehy aho ka nanampim-bava. Menatra be aho, kanefa faly satria nahazo resaka amin’izay.

Izaho no tokony ho modely ho an’ny hafa eny amin’ny fanompoana, kanefa tsapako fa izaho indray no nampiana. Be fitiavana ireo ranadahy sy rahavavy ka nanoro ahy izay holazaina sy ny andinin-teny hampiasaina, mba ho azon’ny olona ny teniko rehefa mitory.

Nandeha nitory aho indray andro izay, ary nisy ankizilahy iray niantsoantso hoe “Vazaha! Vazaha!” Izany no fiantson’ny Malagasy ny “vahiny.” Nandeha haingana be izahay sao hisy ankizy hafa koa ho tonga hiantsoantso toy izany. Nobedesin’ny ankizilahy iray hafa izy avy eo hoe: “Tsy vazaha izany iny, fa izy aza mahay miteny gasy!” Nadikan’ilay rahavavy niaraka tamiko ny tenin’izy ireo. Niteny haingana loatra mantsy izy ireo ka tsy azoko. Nahafaly ahy anefa ny tenin’izy ireo, satria hay efa mba nihanahay aho. Lasa toy ny fonenako ihany i Madagasikara tamin’ny farany.

Imbetsaka no nisy ankizy nanatona ahy rehefa nahatsiaro ho manirery aho. Noraisiny tamin’ny tanan-keliny ny tanako sady nitsiky izy, toy ny te hilaza hoe tena faly izy mahita ahy na dia tsy afaka mifampiresaka tsara aza izahay. Tena fitahiana avy amin’i Jehovah ireo tanora ao amin’ny fiangonana. Ankizivavy kely, atao hoe Hasina, no lasa mpandika ny teniko. Izy ihany indraindray no toa mahazo izay tiako holazaina. Izy foana koa no mamonjy ahy rehefa miezaka miresaka amin’ny namako ao amin’ny fiangonana aho. Izy no manazava amin’izy ireo izay tena tiako holazaina.

Efa hizara ny fiangonana nisy anay mivady tamin’izay. Midika izany fa tsy maintsy nafindran’ireo mpitory izay fampianarana Baiboly tsy ao amin’ny faritanin’ny fiangonany. Nasain’ny rahavavy iray hampianatra ny iray tamin’ny mpianany àry aho. Natahotra aho ka nandresy lahatra azy fa mbola tsy mahay tsara. Nisisika ihany anefa izy, ary nomeny toky aho fa ho vitako izany noho ny fanampian’i Jehovah. Nilaza izy fa tsy ho ela aho dia ho afaka hampianatra araka izay hitiavako azy. Nalefaka erỳ ny fijeriny tamin’izay ary teny faran’izay tsotra no nampiasainy. Tena nampahery ahy ny teniny.

Nandroso tsara ilay mpianatra, nanomboka tamin’izay. Niantso ahy izy, indray andro, tamin’izaho teny an-dalana. Handeha hisora-panambadiana izy mivady tamin’io. Efa mianatra Baiboly koa ilay rangahy, ary manana tanjona ara-panahy be dia be izy mivady, anisan’izany ny batisa. Faly be aho, na dia fantatro aza hoe tsy izahay, fa i Jehovah no mitaona ny olona hanatona azy.

Betsaka ny zavatra nianaranay avy amin’ity fanendrena vaovao ity. Marina fa malahelo ny namana sy ny fianakaviana any aminay izahay. Toy ny hoe nentinay atỳ anefa ny sasany amin’izy ireo. Miresaka matetika momba azy ireo amin’ireo ranadahy sy rahavavy izahay. Lasa manontany momba azy ireo sy ny fahasalamany mihitsy aza ireo namanay atỳ ireo. Tsy andrinay izay hihaonan’ny “fianakavianay” rehetra, na ny atỳ Madagasikara na ny any amin’ny tany niavianay.

Mbola toy ny mihira ihany no fandrenesako ny olona atỳ rehefa miresaka. Efa mahazo resaka anefa aho izao. Tsy andriko izay hahaizana tsara an’ilay fiteny, amin’izay aho mba ho anisan’ny mampiara-peo amin-dry zareo koa. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.” (Matio 6:34) Hianatra tsikelikely an’ilay fiteny àry izahay, toy ny hoe mianatra “naoty” iray isaky ny mandeha. Hiezaka hanazatra ny sofiko sy ny saiko aho, mba hahay hiara-hiasa amin’ireo ranadahy sy rahavavy atỳ Madagasikara, izay manam-paharetana sy be fitiavana.

[Sary, pejy 25]

Miara-mitory amin’i Hasina