Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Azo Atao Batisa ve ny Zanakao?

Efa Azo Atao Batisa ve ny Zanakao?

Efa Azo Atao Batisa ve ny Zanakao?

HOY i Carlos, * any Philippines: “Tena faly aho hoe lasa mpanompon’i Jehovah ny zanako vavy. Fantatro koa hoe tena faly izy.” Hoy koa ny raim-pianakaviana iray any Gresy: “Faly be izahay mivady hoe mbola kely ny zanakay telo mianadahy dia efa vita batisa sy lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mandroso tsara izy ireo izao, ary faly manompo an’i Jehovah.”

Tokony ho faly tokoa ny ray aman-dreny kristianina rehefa atao batisa ny zanany. Faly sahirana ihany anefa izy ireny indraindray. Nahoana? Hoy ny anabavy iray rehefa natao batisa ny zanany lahy: “Tena faly aho nefa koa nitaintaina. Tsapako mantsy hoe lasa tompon’andraikitra tanteraka eo anatrehan’i Jehovah ny zanako.”

Tanjona tokony hotratrarin’ny ankizy rehetra tokoa ny hoe ho lasa mpanompon’i Jehovah vita batisa. Mety hieritreritra anefa ireo ray aman-dreny hoe: ‘Fantatro fa mandroso tsara ny zanako, nefa matanjaka ara-panahy tsara ve izy ka hahatohitra ny fitaomana haditra ary hadio foana eo anatrehan’i Jehovah?’ Misy koa mieritreritra hoe: ‘Hahavita hanohitra ny fitiavana vola aman-karena ve ny zanako, ka hazoto hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana foana?’ Manome tari-dalana ho an’ny ray aman-dreny ny Baiboly, mba hamantarany raha efa azo atao batisa ny zanany na tsia.

Tokony ho efa mpianatr’i Jesosy izy

Tsy milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe firy taona ny olona iray no azo atao batisa. Lazainy kosa hoe inona avy no fepetra takina amin’izany. Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa.” (Mat. 28:19) Tokony ho efa mpianatr’i Kristy àry ny olona iray vao azo atao batisa.

Inona no dikan’ny hoe mpianatra, ao amin’ny Baiboly? Hoy ny boky Fandalinana ny Soratra Masina (frantsay): “Ampiasaina io teny io matetika mba hilazana an’ireo olona mino ny fampianaran’i Kristy sy mampihatra izany.” Afaka ny ho mpianatr’i Kristy àry ve ny ankizy? Izany tokoa, raha dinihina izay nolazain’ny anabavy iray, misionera any Amerika Latinina nandritra ny 40 taona mahery. Mbola kely izy telo mirahavavy dia nanokan-tena ho an’i Jehovah. Hoy izy: “Na dia mbola kely aza izahay, dia efa fantatray fa te hanompo an’i Jehovah, ary te hiaina ao amin’ny Paradisa. Tsy nanenina mihitsy izahay hoe mbola kely dia nanokan-tena ho an’i Jehovah. Nanampy anay izany mba hanana herim-po hanoherana an’ireo fakam-panahy mpahazo ny tanora.”

Ahoana àry no ahafantaranao raha tena efa mpianatr’i Kristy ny zanakao? Hoy ny Baiboly: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” (Ohab. 20:11) Hodinihintsika izao hoe inona ny zavatra sasany tokony ho efa ataon’ny ankizy iray, ka ahitana hoe ‘mandroso’ izy ary efa mpianatr’i Kristy.—1 Tim. 4:15.

Porofo hoe mpianatr’i Kristy

Mankatò anao ve ny zanakao? (Kol. 3:20) Manao ny raharaha ampanaovina azy ve izy ao an-trano? Tantarain’ny Baiboly ny nataon’i Jesosy tamin’izy 12 taona teo ho eo. ‘Nankatò foana’ ny ray aman-dreniny izy. (Lioka 2:51) Marina aloha fa tsy hahavita hankatò anao amin’ny fomba feno ny zanakao. Tokony ‘hanaraka akaiky ny dian’i’ Jesosy anefa ny tena Kristianina. Raha misy ankizy te hatao batisa àry, dia tokony ho fantatra hoe mankatò ray aman-dreny izy.—1 Pet. 2:21.

Diniho koa ireto fanontaniana ireto: Moa ve ny zanakao miezaka ‘hikatsaka an’ilay Fanjakana’ eo amin’ny toerana voalohany, ka mazoto manompo? (Mat. 6:33) Tia miresaka ny vaovao tsara ve izy, sa tsy maintsy ampirisihinao be vao mandeha manompo sy miteny rehefa eny am-pitoriana? Zava-dehibe aminy ve ny andraikiny amin’ny maha mpitory tsy vita batisa azy? Maniry hiverina hitsidika ny olona liana ve izy? Ampahafantariny amin’ny mpiara-mianatra aminy sy amin’ny mpampianatra azy ve hoe Vavolombelon’i Jehovah izy?

Zava-dehibe aminy ve ny fanatrehana fivoriana? (Sal. 122:1) Mahafinaritra azy ve ny manome valin-teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana? Mazoto mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ve izy?—Heb. 10:24, 25.

Miezaka ho hendry ve ny zanakao, ka manalavitra ny naman-dratsy any am-pianarana sy any an-toeran-kafa? (Ohab. 13:20) Karazana hira, na filma, na lalao video manao ahoana no tena tiany? Inona no zavatra tena ankafiziny ao amin’ny tele na Internet? Hita amin’izay lazainy sy ataony ve fa te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy?

Mahalala tsara ny Baiboly ve ny zanakao? Hainy ve ny milaza amin’ny fomba fiteniny izay zavatra ianarany mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo? Mahay manazava an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ve izy? (Ohab. 2:6-9) Tiany ve ny mamaky Baiboly sy mianatra an’ireo boky avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? (Mat. 24:45) Manontany momba ny fampianarana ara-baiboly sy ny andinin-teny sasany ve izy?

Ho hitanao amin’ny fandinihana an’ireo fanontaniana ireo hoe manao ahoana ny fandrosoan’ny zanakao. Mety hanatsoaka hevitra ianao rehefa avy mandinika an’ireo hoe mbola misy zavatra sasany tokony hiezahany aloha. Mety ho azonao avela atao batisa kosa anefa izy, raha efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra sady hita amin’ny fomba fiainany hoe mpianatr’i Kristy tokoa izy.

Afaka midera an’i Jehovah ny ankizy

Maro tamin’ny mpanompon’i Jehovah no tsy nivadika, na dia tamin’ny mbola kely aza. Anisan’izany i Josefa, Samoela, Josia, ary Jesosy. (Gen. 37:2; 39:1-3; 1 Sam. 1:24-28; 2:18-20; 2 Tan. 34:1-3; Lioka 2:42-49) Azo inoana koa hoe efa nahazo fiofanana tsara hatramin’ny mbola kely ireo zanakavavin’i Filipo efatra, izay naminany.—Asa. 21:8, 9.

Hoy ny rahalahy iray any Gresy: “Natao batisa aho tamin’izaho 12 taona, ary tsy nanenenako mihitsy izany. Efa 24 taona izay no lasa, ary 23 taona no nanaovako ny fanompoana manontolo andro. Nanampy ahy foana mba hiatrika ny olana mpahazo ny tanora ny fitiavako an’i Jehovah. Marina fa tsy nahalala tsara ny Baiboly toy ny amin’izao fotoana izao aho, tamin’izaho 12 taona. Fantatro anefa tamin’izany hoe tia an’i Jehovah aho ary te hanompo azy mandrakizay. Faly aho fa nanampy ahy mba hanompo azy foana i Jehovah.”

Tokony hatao batisa ny olona iray, rehefa hita hoe tena mpianatr’i Kristy izy, na mbola kely izy na efa lehibe. Hoy ny apostoly Paoly: “Amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.” (Rom. 10:10) Rehefa atao batisa ny ankizy iray efa mpianatr’i Kristy, dia nahavita dingana lehibe izy sy ny ray aman-dreniny. Aza avela hisy na inona na inona àry hisakana anareo tsy hahatsapa izany fifaliana izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro, pejy 5]

Fomba Fihevitra Mety

Mieritreritra ny ray aman-dreny sasany hoe mahasoa ny batisa, nefa koa mampahatahotra, toy ny fanaovana dia lavitra. Mety hahafinaritra ilay izy, nefa mety hahitan-doza koa. Manimba ny hoavin’ny olona iray tokoa ve anefa ny batisa sy ny fanompoana masina? Tsia! Hoy ny Ohabolana 10:22: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” Hoy koa i Paoly tamin’i Timoty tanora: “Fomba hahazoan-tombony be tokoa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.”—1 Tim. 6:6.

Marina fa tsy mora ny manompo an’i Jehovah. Niatrika olana maro, ohatra, i Jeremia mpaminany. Hoy anefa izy momba ny fanompoany: “Maharavoravo ahy ny teninao sady mahafaly ny foko. Fa antsoina amin’ny anaranao aho, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!” (Jer. 15:16) Fantatr’i Jeremia fa mahafaly ny manompo an’Andriamanitra. Tsy toy izany anefa ny any amin’ny tontolon’i Satana. Tsy ahitana fahasambarana any, fa ahitana olana. Mila manampy ny zanany ny ray aman-dreny mba hahatakarany tsara izany.—Jer. 1:19.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Mbola Tsy Tokony Hatao Batisa ve ny Zanakao?

Tsy avelan’ny ray aman-dreny hatao batisa ny zanany indraindray, na dia efa mahafeno fepetra aza. Nahoana? Ireto misy hevitry ny ray aman-dreny sasany:

Matahotra aho hoe raha hatao batisa ny zanako, dia mety hanao fahotana lehibe izy any aoriana any, ka ho voaroaka. Raha tsy atao batisa anefa ny zanakao, moa ve izany midika hoe tsy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izy amin’izay ataony? Nampitandrina ny tanora i Solomona hoe: ‘Fantaro fa hotsarain’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.’ (Mpito. 11:9) Rehefa nilaza koa i Paoly hoe “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy”, dia tsy noferany ny taonan’ny olona voakasik’izany.—Rom. 14:12.

Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka daholo àry na ny mpanompony vita batisa, na ny tsy vita batisa. Aza hadinoina fa harovan’i Jehovah ny mpanompony, ka ‘tsy havelany halaim-panahy mihoatra noho izay zakany.’ (1 Kor. 10:13) Afaka matoky ny mpanompony hoe hampian’Andriamanitra izy, raha miezaka “hisaina tsara” sy hanohitra fakam-panahy. (1 Pet. 5:6-9) Hoy ny renim-pianakaviana iray: ‘Tapa-kevitra kokoa ny tsy hanao ratsy ny ankizy vita batisa. Natao batisa tamin’izy 15 taona ny zanako lahy, ary tsapany hoe miaro azy izany. Nilaza izy hoe nanampy azy tsy handika ny lalàn’i Jehovah izany. Manampy ny olona ho tapa-kevitra hanao ny tsara ny batisa.’

Raha nampianatra ny zanakao hankatò an’i Jehovah ianao, sady niezaka mba ho modely ho azy ireo, dia afaka matoky ianao hoe hankatò an’i Jehovah foana izy na dia aorian’ny batisany aza. Hoy ny Ohabolana 20:7: “Tsy mivadika ny olo-marina, ary sambatra izay zanany mandimby azy.”

Mbola misy tanjona sasany tiako hotratrarin’ny zanako aloha, izay izy vao tokony hatao batisa. Marina aloha hoe tokony hianatra asa ny tanora, mba hahaleo tena rehefa lehibe. Mety hisy vokany ratsy anefa, raha ny fianarana na ny fitadiavam-bola no ampirisihantsika hataony loha laharana. Hoy i Jesosy momba ny “voa” (teny momba ilay Fanjakana) tsy namoa: “Ilay nafafy teny amin’ny tsilo, dia izay mandre ny teny, kanefa ny fanahiana eto amin’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena dia mangeja ny teny, ka manjary tsy mamoa izy.” (Mat. 13:22) Tsy ho zava-dehibe amin’ny ankizy intsony ny fifandraisany amin’i Jehovah, raha tanjona eto amin’ity tontolo ity no asaina tratrariny voalohany. Mety hihena ny faniriany hanompo an’Andriamanitra.

Hoy ny anti-panahy za-draharaha iray momba ireo tanora mahafeno fepetra, nefa sakanan’ny ray aman-dreniny tsy hatao batisa: “Raha tsy avelanao hatao batisa ny zanakao, dia mety hisakana ny fandrosoany ara-panahy izany, ka mety ho kivy izy.” Hoy koa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Mety hieritreritra ilay ankizy hoe tsy mandroso tsara ara-panahy izy, na hoe tsy mahavita be toy ny olon-kafa. Mety hanjary hieritreritra izy hoe any amin’ity tontolo ity izy no hahavita zavatra tsara.”

[Sary]

Ho eny amin’ny oniversite ve aloha, vao hatao batisa?

[Sary, pejy 3]

Afaka mampiseho ny ankizy hoe mpianatr’i Kristy izy

[Sary, pejy 3]

Manomana sy mandray anjara amin’ny fivoriana

[Sary, pejy 4]

Mankatò ray aman-dreny

[Sary, pejy 4]

Mandeha manompo

[Sary, pejy 4]

Mivavaka samirery