Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ento Ireo Horonam-boky’

‘Ento Ireo Horonam-boky’

‘Ento Ireo Horonam-boky’

HOY ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’i Timoty, misionera namany: “Rehefa mankatỳ ianao, dia ento ilay akanjo ivelany navelako tany amin’i Karpo any Troasy. Ento koa ireo horonam-boky, indrindra fa ny horonam-boky hoditra.” (2 Tim. 4:13) Inona no noraketin’ireo horonam-boky sy horonam-boky hoditra ireo? Nahoana izy no nangataka an’ireo? Ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tamin’ny taona 60 tany ho any i Paoly no nanoratra an’ireo teny ireo. Nizara ho boky 22 na 24 ireo boky 39 ao amin’ny Soratra Hebreo tamin’izany fotoana izany. Natao tamin’ny horonam-boky samihafa ny ankamaroan’izy ireo. Nilaza ny manam-pahaizana atao hoe Alan Millard, fa lafo vidy ireny horonam-boky ireny, nefa ‘nisy ihany ny olona nanan-karena afaka nividy azy.’ Nisy aza nanana mihoatra ny iray. Nanana horonam-boky iray ny tandapa etiopianina iray, tao anatin’ny kalesiny, ary “namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany” izy. “Olona ambony teo ambany fahefan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina” izy io, sady “niadidy ny harenany rehetra.” Azo inoana fa nanan-karena izy ka afaka nividy ampahany tamin’ny Soratra Masina.—Asa. 8:27, 28.

Nilaza tamin’i Timoty i Paoly mba hitondra an’ireo “horonam-boky, indrindra fa ny horonam-boky hoditra.” Midika izany fa nanana horonam-boky maromaro izy. Azo inoana fa tamin’ireo horonam-bokiny rehetra, dia izay nirakitra ny Tenin’Andriamanitra no sarobidy indrindra taminy. Hoy i A. Robertson, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Azo inoana fa horonam-boky nisy an’ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha ireo horonam-boky hoditra ireo. Lafo [sy mateza] kokoa noho ny taratasy vita tamin’ny zozoro [papyrus] ny horonam-boky hoditra.” ‘Nampianarina teo an-tongotr’i Gamaliela’ i Paoly tamin’izy mbola tanora. Mpampianatra ny Lalàn’i Mosesy io Gamaliela io, sady nohajain’ny rehetra. Tsy mahagaga àry raha nanana horonam-boky misy ny Tenin’Andriamanitra i Paoly.—Asa. 5:34; 22:3.

Ahoana no nampiasan’ny Kristianina ny horonam-boky?

Vitsy mpanana ny horonam-boky misy ny Soratra Masina. Ahoana àry no nataon’ny ankamaroan’ny Kristianina, mba hahafahany mandre na mamaky ny Tenin’Andriamanitra? Manampy antsika hamaly izany ny tenin’i Paoly ho an’i Timoty. Hoy izy: “Mandra-pahatongako, dia miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso.” (1 Tim. 4:13) Nisy vakiteny ampahibemaso natao nandritra ny fivoriana kristianina. Efa fanaon’ny vahoakan’Andriamanitra izany nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy.—Asa. 13:15; 15:21; 2 Kor. 3:15.

Anti-panahy i Timoty, ka tsy maintsy ‘niezaka mafy’ namaky teny tamin’ny feo avo, mba hanampiana ny olona tsy nanana ny Soratra Masina. Azo antoka fa nanongilan-tsofina tsara daholo ny olona nandritra ny vakiteny toy ireny. Tsy isalasalana koa fa niara-nidinika izay novakina tany am-pivoriana ireo ray aman-dreny sy ny zanany, rehefa tonga tany an-trano.

Azo inoana hoe tsy afaka nitondra maro tamin’ireny horonam-boky ireny ny Kristianina rehefa nitory. Nahoana? Mahatratra fito metatra eo ho eo, ohatra, ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia. Misy hazo koa ny andaniny roa amin’ny horonam-boky, ary matetika ilay izy no nasiana fonony mba hiarovana azy. Mavesatra be àry ny horonam-boky. Koa na dia nanana horonam-boky misy ny Soratra Masina aza i Paoly, dia azo inoana hoe tsy nitondra ny horonam-bokiny rehetra izy rehefa nanao dia lavitra. Toa navelany tany amin’i Karpo, namany tany Troasy, ny sasany.

Inona no ianarantsika tamin’ny fangatahan’i Paoly?

Nigadra fanindroany tany Roma i Paoly tamin’izy nangataka an’ireo horonam-boky. Hoy izy taloha kelin’io fangatahany io: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho ... Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.” (2 Tim. 4:7, 8) Toa tamin’ny taona 65 tany ho any izy no nanoratra an’ireo teny ireo, izany hoe rehefa nanenjika ny Kristianina i Néron, mpanjaka romanina. Tena mafy taminy ny fanagadrana azy tamin’izay. Tsapany mihitsy aza hoe kely sisa izy dia hovonoina. (2 Tim. 1:16; 4:6) Tsy mahagaga àry raha nilaza izy fa tena te hahazo an’ireo horonam-bokiny. Na dia natoky aza izy hoe nahavita niady ny ady tsara, dia mbola naniry mafy hianatra ny Tenin’Andriamanitra izy mba hanatanjahana ny finoany.

Toa mbola tany Efesosy i Timoty tamin’izay. (1 Tim. 1:3) Tokotokony ho 1 600 kilaometatra ny elanelan’i Efesosy sy Roma, raha mandalo any Troasy. Nampirisika an’i Timoty anefa i Paoly hoe: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina.” (2 Tim. 4:21) Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly raha nahita sambo handehanana tany Roma i Timoty, ka tonga tamin’ilay fotoana nolazain’i Paoly.

Inona no ianarantsika tamin’ilay fangatahan’i Paoly? Naniry mafy hianatra ny Tenin’Andriamanitra foana izy, na dia tao anatin’ny fotoana nangidy indrindra aza. Azo antoka fa izany no nanampy azy hifandray akaiky tamin’i Jehovah foana, hazoto hanompo, ary hampahery ny hafa.

Manana tombony tokoa isika ankehitriny, satria manana ny Baiboly manontolo! Misy amintsika aza manana Baiboly maromaro na manana fandikan-teny samihafa. Mila manahaka an’i Paoly isika, ka hazoto handalina ny Soratra Masina. Ny taratasy faharoa nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty no farany amin’ireo taratasy 14 nosoratany. Eo amin’ny faramparan’io taratasiny io izy no nangataka an’ireo horonam-boky. Azo lazaina àry hoe anisan’ireo fiangaviana farany nosoratan’i Paoly io fangatahana io.

Tena maniry hiady ny ady tsaran’ny finoana koa ve ianao, ka hamita azy io hatramin’ny farany, toa an’i Paoly? Tianao ve ny hoe hazoto hanompo foana, sy ho vonona hitory foana raha mbola izany no tian’i Jehovah hataontsika? Araho àry ny fampirisihan’i Paoly ho an’ny Kristianina hoe: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.” (1 Tim. 4:16) Hahavita izany ianao raha mazoto mianatra ny Baiboly foana. Efa miely be izao ny Baiboly, sady mora ampiasaina kokoa, fa tsy toy ny horonam-boky!

[Sarintany/Sary, pejy 18, 19]

(Jereo ny gazety)

Efesosy

Troasy

Roma