Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andraso ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

“Andraso ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

“Andraso ny Andian’ondrin’Andriamanitra”

“Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo.”—1 PET. 5:2.

1. Nahoana i Petera no naniry hampahery an’ireo mpiray finoana taminy?

TALOHA kelin’ny nanenjehan’i Néron (mpanjaka romanina) an’ireo Kristianina tany Roma, no nanoratan’ny apostoly Petera ny taratasiny voalohany. Te hampahery ny mpiray finoana taminy izy, satria ‘nandehandeha’ nitady Kristianina harapaka ny Devoly. Mba hahafahan’ireo Kristianina hanohitra ny Devoly, dia nampirisika azy ireo i Petera mba “hisaina tsara” sy ‘hanetry tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra.’ (1 Pet. 5:6, 8) Nila niray saina foana koa izy ireo. Mila mitandrina izy ireo mba tsy ‘hifandramatra sy hifamely’, satria mety hahatonga azy ireo ‘hifandringana’ izany.—Gal. 5:15.

2, 3. Iza no fahavalo tsy maintsy iadiantsika, ary inona no hodinihintsika?

2 Toy izany koa ankehitriny. Mitady handrapaka antsika ny Devoly. (Apok. 12:12) Efa mananontanona koa ny “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao.” (Mat. 24:21) Toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hifanditra. Mila an’ireo anti-panahy isika indraindray, mba hahavitana izany.

3 Andraikitry ny anti-panahy ny ‘miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketany.’ (1 Pet. 5:2) Inona anefa no hanampy azy ireo hankasitraka kokoa an’io andraikiny io, ary ahoana no fomba hikarakarana araka ny tokony ho izy ny andian’ondry? Hovaliana ato amin’ity lahatsoratra ity ireo, ary hodinihina amin’ny manaraka hoe ahoana no hampisehoantsika Kristianina fa ‘manisy fiheverana an’ireo miasa mafy sy mitarika’ eo anivon’ny fiangonana isika. (1 Tes. 5:12) Raha mandinika an’ireo isika dia ho afaka hanohitra ny Devoly, dia ilay Fahavalo lehibe indrindra tsy maintsy iadiantsika.—Efes. 6:12.

Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra

4, 5. Ahoana no tokony hiheveran’ny anti-panahy ny andian’ondry? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Nampirisika an’ireo anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany i Petera, mba hihevitra ny andian’ondry toy ny iheveran’Andriamanitra azy. (Vakio ny 1 Petera 5:1, 2.) Tsy nanambany an’ireo anti-panahy i Petera rehefa niresaka tamin’izy ireo, na dia noheverina ho andrin’ny fiangonana aza izy. (Gal. 2:9) Nandray azy ireo ho mpiara-miasa taminy i Petera, rehefa nananatra azy ireo. Toy ny toe-tsain’i Petera ihany ny toe-tsain’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, rehefa mampirisika an’ireo anti-panahy hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra, izay andraikitra lehibe tokoa.

5 Nilaza i Petera hoe “andian’ondrin’Andriamanitra.” Tena mila manaiky àry ny anti-panahy fa an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ny andian’ondry asaina andrasan’izy ireo. Mbola hatao ampamoaka ny amin’ny fomba ikarakarany ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo. Aoka hatao hoe miangavy anao ny namanao akaiky mba hiandry ny zanany satria tsy ho eo izy. Tsy hikarakara tsara an’ireo ankizy sy hanome sakafo azy ireo ve ianao? Raha misy marary amin’izy ireo, tsy hanao zavatra ve ianao mba hitsaboana azy? Toy izany koa no tokony hataon’ny anti-panahy, rehefa ‘miandry ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.’ (Asa. 20:28) Tokony hotadidin’izy ireo fa novidina tamin’ny ra sarobidin’i Kristy Jesosy ny ondry tsirairay. Mbola hatao ampamoaka koa izy ireo, ka tsy maintsy miezaka manome sakafo sy miaro ary mikarakara ny andian’ondry.

6. Inona no andraikitry ny mpiandry ondry fahiny?

6 Eritrereto ny andraikitr’ireo mpiandry ondry fahiny. Tsy maintsy niaritra ny hafanana amin’ny antoandro sy ny hatsiaka amin’ny alina izy ireo. (Gen. 31:40) Nanao vivery ny ainy mihitsy aza izy ireo. Mpiandry ondry i Davida, tamin’izy mbola tovolahy. Nisy fotoana niadiany tamin’ny bibidia, toy ny liona sy orsa, mba hamonjena ny andian’ondriny. Nitantara izy fa ‘notazoniny ny volombavan’ilay bibidia, ary nasiany ilay biby ka matiny.’ (1 Sam. 17:34, 35) Tsy maintsy nanatona akaiky kely ny vavan’ilay biby izy, nefa tsy nahasakana azy tsy hamonjy an’ilay ondry izany. Be herim-po tokoa izy!

7. Inona no mety hataon’ny anti-panahy mba hisintonana ny ondry efa eny am-bavan’ny Devoly?

7 Manafika toy ny liona koa ny Devoly ankehitriny, ka tsy maintsy mailo ny anti-panahy. Mila manao zavatra amin-kerim-po izy ireo indraindray, toy ny hoe misintona ondry efa eny am-bavan’ny Devoly. Ampisaintsainin’izy ireo, ohatra, ireo rahalahy voasariky ny fandrik’i Satana. (Vakio ny Joda 22, 23.) Mila ny fanampian’i Jehovah anefa izy ireo amin’izany. Karakarain’izy ireo amin-katsaram-panahy ny ondry maratra, ka fonosin’izy ireo ny ratrany sady hosorany menaka mampitony fanaintainana, dia ny Tenin’Andriamanitra.

8. Tarihin’ny anti-panahy ho aiza ny andian’ondry? Amin’ny fomba ahoana?

8 Mitarika ny andian’ondry any amin’ny toerana misy rano sy ahi-maitso ny mpiandry ondry. Mitarika ny andian’ondry ho eo anivon’ny fiangonana koa ny anti-panahy. Amin’ny fomba ahoana? Mampirisika ny ondry izy ireo mba hivory tsy tapaka. Ho ampy sakafo tsara ny andian’ondry amin’izay, sady hahazo ‘sakafo amin’ny fotoana mety.’ (Mat. 24:45) Mila manokana fotoana fanampiny ny anti-panahy indraindray, mba hanampiana an’ireo marary ara-panahy handray sakafo avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana anefa raha misy ondry nania ka maniry hiverina? Tsy manao izay hampatahotra azy ireny ny anti-panahy. Hazavainy aminy amin-katsaram-panahy kosa ny toro lalan’ny Soratra Masina sy ny fomba azony ampiharana izany.

9, 10. Ahoana no tokony hikarakaran’ny anti-panahy an’ireo marary ara-panahy?

9 Aoka hatao hoe zara raha mihaino anao ny dokotera iray, sady maika hanoratra taratasim-panafody fotsiny mba hahafahany handray ny marary manaraka. Te hotsaboin’ny dokotera toy izany ve ianao? Tsy aleonao kokoa ve tsaboin’ny dokotera iray tena mihaino anao sy manazava izay aretina mahazo anao ary miresaka izay fitsaboana azo atao?

10 Tokony hihaino tsara an’ireo marary ara-panahy koa ny anti-panahy, ary hanampy azy ho sitrana, ka “hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Vakio ny Jakoba 5:14, 15.) Toy ny menaka balsama avy any Gileada ny Tenin’Andriamanitra, ka afaka mampitony fanaintainana. (Jer. 8:22; Ezek. 34:16) Raha mampihatra ny toro lalan’izy io ilay marary, dia hanjary harisika indray hanompo an’i Jehovah. Ilaina àry ny mihaino tsara an’izay manahiran-tsaina an’ireo ondry marary, ary miara-mivavaka amin’izy ireo. Ho afaka hanampy tsara azy ireny ny anti-panahy raha manao izany.

Tsy an-tery, fa an-tsitrapo

11. Inona no mandrisika ny anti-panahy hiandry an-tsitrapo ny andian’ondry?

11 Nampatsiahivin’i Petera an’ireo anti-panahy koa ny toe-tsaina tokony hananana rehefa miandry ny andian’ondry. Tokony hatao “an-tsitrapo” izany, fa “tsy an-tery.” Inona no hanampy ny anti-panahy hanompo an’ireo rahalahiny an-tsitrapo? Inona tokoa moa no nandrisika an’i Petera hiandry sy hamahana ny ondrin’i Jesosy? Tiany ny Tompo sady niraiki-po taminy izy. (Jaona 21:15-17) Tian’ny anti-panahy koa ny Tompo ka ‘tsy velona ho an’ny tenany intsony izy ireo, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo.’ (2 Kor. 5:14, 15) Izany fitiavana izany sy ny fitiavana an’Andriamanitra ary ny fitiavana an’ireo rahalahy no mandrisika ny anti-panahy hikarakara ny andian’ondry. Mahafoy ny heriny sy ny fananany ary ny fotoanany izy ireo, amin’izany. (Mat. 22:37-39) Manao izany an-tsitrapo izy ireo, fa tsy an-tery.

12. Nanao ahoana ny fahafoizan-tenan’i Paoly ho an’ny andian’ondry?

12 Tokony hanao ahoana ny fahafoizan-tenan’ny anti-panahy ho an’ny andian’ondry? Manahaka ny apostoly Paoly izy ireo, toy ny nanahafan’i Paoly an’i Jesosy. (1 Kor. 11:1) Tena tia an’ireo rahalahy tany Tesalonika i Paoly sy ny namany, ka faly nanome ho azy ireo ‘tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainy koa.’ Nalemy fanahy izy ireo, “tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana ny zanany naterany.” (1 Tes. 2:7, 8) Fantatr’i Paoly tsara ny fihetseham-pon’ny reny amin’ny zanany mbola minono. Vonona hanao izay rehetra azony atao ny reny mba hikarakarana ny zanany, ary mety hifoha amin’ny misasakalina mihitsy aza mba hampinono azy.

13. Ahoana no hampisehoan’ny anti-panahy fa mahay mandanjalanja izy?

13 Mila mahay mandanjalanja ny anti-panahy eo amin’ny fikarakarany ny andian’ondry sy ny ankohonany. (1 Tim. 5:8) Fotoana sarobidy tokony hiarahany amin’ny ankohonany mantsy ny fotoana atokany hikarakarana ny fiangonana. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampifandanjana an’ireo andraikiny roa ireo? Azony atao, ohatra, indraindray ny manasa olon-kafa hanatrika ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviany. Nanao toy izany nandritra ny taona maro i Masanao, anti-panahy any Japon. Mpitovo sy fianakaviana kamboty ara-panahy no nasainy. Lasa anti-panahy ny sasany amin’ireny olona ireny, ary manahaka ny nataon’i Masanao koa.

Aza tia tombony azo amin’ny tsy marina

14, 15. Nahoana ireo anti-panahy no mila mitandrina mba tsy ho ‘tia tombony azo amin’ny tsy marina’? Ahoana no azon’izy ireo anahafana an’i Paoly?

14 Nampirisihin’i Petera koa ny anti-panahy mba hiandry ny andian’ondry, “tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina, fa amim-paharisihana kosa.” Marina fa mandany fotoana be ny asan’ny anti-panahy, kanefa tsy tokony hanantena hahazo vola avy amin’izany izy ireo. Nilaza i Petera fa tsy tokony ho ny “fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina” no manosika azy ireo hiandry ny andian’ondry. Tena mety hitranga izany, rehefa jerena ny zava-misy eo anivon’ny “Babylona Lehibe.” Teren’ny mpitondra fivavahana hanome vola na dia ny mpiangona mahantra aza. Izy ireo kosa lasa mpanefohefo. (Apok. 18:2, 3) Mila mitandrina àry ny anti-panahy, sao mitady ho lasa tia tombony azo amin’ny tsy marina.

15 Modely ho an’ny anti-panahy i Paoly. Apostoly izy sady afaka nampitondra “enta-mavesatra” ho an’ny Kristianina tany Tesalonika. “Tsy nihinam-potsiny ny sakafon’olona” anefa izy, fa “niasa mafy sy nisasatra andro aman’alina.” (2 Tes. 3:8) Ohatra tsara amin’izany lafiny izany ny anti-panahy maro ankehitriny, anisan’izany ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Marina fa mankasitraka ny fitiavan’ireo rahalahy mandray vahiny izy ireo, kanefa tsy ‘mampitondra enta-mavesatra’ na amin’iza na iza.—1 Tes. 2:9.

16. Inona no dikan’ny hoe miandry ny andian’ondry “amim-paharisihana”?

16 Miandry ny andian’ondry “amim-paharisihana” koa ny anti-panahy. Midika izany fa mahafoy tena manampy an’ireo andian’ondry izy ireo. Ny hoe marisika anefa tsy midika hoe manery ny hafa hanompo an’i Jehovah. Tsy mampirisika ny hafa ho tia mifaninana koa ny anti-panahy, eo amin’ny fanompoana. (Gal. 5:26) Fantatr’izy ireo kosa fa samy manana ny maha izy azy ny ondry tsirairay. Marisika na mazoto manampy an’ireo rahalahiny ny anti-panahy, mba hahatonga azy ireny ho faly manompo an’i Jehovah.

Tsy tokony hanjakazaka, fa ho modely

17, 18. a) Nahoana no sarotra tamin’ny apostoly ny nampihatra ny torohevitr’i Jesosy momba ny fanetren-tena? b) Inona no lesona tsoahantsika avy amin’izany?

17 Efa hitantsika teo fa tokony hitadidy ny anti-panahy hoe an’Andriamanitra ny andian’ondry, fa tsy an’izy ireo. Mila mitandrina àry izy ireo mba tsy ‘hanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra.’ (Vakio ny 1 Petera 5:3.) Naniry hahazo andraikitra ny apostoly nefa tsy tsara indraindray ny antony nanosika azy ireo. Te hahazo toerana ambony izy ireo, toa an’ireo mpitondra firenena.—Vakio ny Marka 10:42-45.

18 Mila mandini-tena àry ireo rahalahy “miezaka ho tonga mpiandraikitra” hoe: ‘Nahoana aho no maniry hahazo an’io andraikitra io?’ (1 Tim. 3:1) Mila mandini-tena amim-pahatsorana koa ireo efa anti-panahy hoe: ‘Te hahazo fahefana na toerana ambony ve aho?’ Nila niezaka tamin’io lafiny io, na dia ny apostoly aza. Tokony ho tsapan’ny anti-panahy àry fa mila miezaka mafy izy mba tsy ho tia fahefana, toy ny olona eto amin’ity tontolo ity.

19. Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy, rehefa manao zavatra mba hiarovana ny andian’ondry?

19 Marina aloha fa mila hentitra ny anti-panahy indraindray. Ilaina izany mba hiarovana ny andian’ondry amin’ny “amboadia masiaka.” (Asa. 20:28-30) Nilaza tamin’i Titosy i Paoly mba tsy ‘hitsahatra handrisika sy hananatra, araka ny fahefana nomena azy.’ (Tit. 2:15) Na dia mila manao an’izany aza anefa ny anti-panahy, dia tokony hanaja an’ilay olona anarina. Takatr’izy ireo mantsy fa tsy dia mandaitra ny fanakianana mafy. Aleo kosa mandresy lahatra amin-katsaram-panahy, raha te hanohina ny fon’ilay olona sy handrisika azy hanao ny tsara.

20. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Jesosy?

20 Mandrisika ny anti-panahy ho tia ny andian’ondry ny fandinihana ny modely navelan’i Kristy. (Jaona 13:12-15) Nampiofana ny mpianany, ohatra, izy teo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana. Nanetry tena foana koa izy. Nanohina ny fon’ny mpianany izany, ka nandrisika azy ireo hanao zavatra “amim-panetren-tena” sy “hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Fil. 2:3) Tapa-kevitra ny hanahaka an’i Jesosy ny anti-panahy ankehitriny, sady maniry ho “modely ho an’ny andian’ondry.”

21. Inona no valisoa miandry an’ireo anti-panahy?

21 Niresaka fampanantenana momba ny hoavy i Petera, rehefa namarana ny toroheviny ho an’ny anti-panahy. (Vakio ny 1 Petera 5:4.) “Hahazo satroboninahitra tsy mety malazo” ireo anti-panahy voahosotra, ary hiaraka amin’i Kristy any an-danitra. Ireo mpiandry lefitra anisan’ny “ondry hafa” kosa, hahazo tombontsoa hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra eto an-tany, eo ambany fahefan’ilay “lehiben’ny mpiandry.” (Jaona 10:16) Ahoana anefa no hampisehoantsika Kristianina fa manohana an’ireo voatendry hitarika isika? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Famerenana

• Nahoana no nila nampirisika an’ireo anti-panahy toa azy i Petera, mba hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra?

• Ahoana no tokony hikarakaran’ny anti-panahy an’ireo marary ara-panahy?

• Inona no mandrisika ny anti-panahy hiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Toa an’ireo mpiandry ondry fahiny, dia tsy maintsy miaro ny ondry eo ambany fiandraiketany ireo anti-panahy