Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te Hahomby ve Ianao?

Te Hahomby ve Ianao?

Te Hahomby ve Ianao?

TE HAHOMBY ny olona rehetra. Nisy olona niezaka mafy ny hisondrotra ka lasa mpanankarena na malaza. Nisy kosa anefa tsy nahomby mihitsy na dia naniry mafy an’izany aza.

Miankina be dia be amin’izay zavatra ifantohanao no mahatonga anao hahomby na tsia. Zava-dehibe koa anefa ny fomba ampiasanao ny fotoananao sy ny herinao, ary ny fahasahianao mandray andraikitra.

Maro ny Kristianina mahatsiaro ho sambatra satria mazoto manompo. Anisan’izany ireo manompo manontolo andro. Manampy azy ireo hahita fahombiazana ny fanompoana ataony, na tanora izy na antitra. Misy indray anefa mahita hoe mankaleo ny fanompoana ka tanjona hafa indray no ataony loha laharana. Inona no mahatonga izany? Inona no hanampy anao tsy hanadino izay tena zava-dehibe? Ary inona no azonao atao mba “hahomby izay hataonao”?—Jos. 1:8.

Fanatanjahan-tena sy fialam-boly

Mila mahay mandanjalanja ny tanora eo amin’ny zavatra ataony mba tsy ho lasa ambanin-javatra ny fanompoana an’Andriamanitra. Hahomby izay tanora manao toy izany.

Mendri-piderana tokoa ny tanora mahay mandanjalanja. Misy tanora kristianina anefa lasa variana amin’ny fanatanjahan-tena na fialam-boly atao any am-pianarana. Mety tsy ho ratsy ilay fanatanjahan-tena na fialam-boly ataony. Mila manontany tena anefa izy ireny hoe: ‘Toy inona ny fotoana laniko amin’ilay izy? Olona manao ahoana no ifaneraserako any? Manao ahoana ny toetran’izy ireny? Inona no mety hibahana eo amin’ny fiainako, raha manao azy io foana aho?’ Tsapanao angamba fa raha manjary variana be amin’ny fialam-boly ny olona iray, dia mety tsy hanam-potoana sy hery hanolokoloana ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tena ilaina àry ny mamaritra izay hatao loha laharana eo amin’ny fiainana.—Efes. 5:15-17.

Diniho ny zavatra niainan’i Viktor. * Hoy izy: “Niditra ho anisan’ny ekipa mpanao voley tany am-pianarana aho, tamin’izaho 12 taona. Nahazo loka sy mari-pankasitrahana maro aho, rehefa nandeha ny fotoana. Mety ho lasa olo-malaza aho, raha nanohy.” Nikorontan-tsaina anefa i Viktor satria hitany fa nisy vokany ratsy teo amin’ny fanompoany sy ny fifandraisany tamin’i Jehovah ilay fanatanjahan-tena. Hitany fa tsy faly firy intsony izy teny amin’ny fanompoana. Resin-tory koa izy indray mandeha, teo am-pamakiana Baiboly. Hoy izy: “Lany tamin’ny fanatanjahan-tena ny heriko, ary tsapako fa lasa tsy narisika teo amin’ny lafiny ara-panahy intsony aho. Nahatsapa aho fa tsy nanao izay fara heriko.”

Fianarana ambony

Milaza ny Soratra Masina fa tsy maintsy mikarakara ny ankohonany ny Kristianina, ka tafiditra amin’izany ny famelomana azy ireo. (1 Tim. 5:8) Tsy maintsy manana diplaoma eny amin’ny oniversite ve anefa, vao hahavita an’izany?

Tsara ny mandinika izay mety ho vokatry ny fanaovana fianarana ambony, eo amin’ny fifandraisana amin’i Jehovah. Andeha isika haka lesona avy amin’ny tantara iray ao amin’ny Baiboly.

Mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany i Baroka. Nisy fotoana anefa izy tsy nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, izay tombontsoa tokoa. Voamarik’i Jehovah izany, ka nampiasa an’i Jeremia izy mba hampitandrina an’i Baroka hoe: ‘Mikatsaka zavatra lehibe ho anao ianao. Aza mikatsaka izany intsony.’—Jer. 45:5.

Inona no “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka? Mety ho nalaim-panahy hitady laza teo amin’ny tontolo jiosy izy, na mety ho naniry hanan-karena. Hadinony hoe inona no zava-dehibe kokoa, dia ireo zavatra manampy azy ho akaiky an’i Jehovah foana. (Fil. 1:10) Azo inoana fa nankatò ny fampitandreman’i Jehovah i Baroka, ka avotra izy rehefa noravana i Jerosalema.—Jer. 43:6.

Inona no lesona raisintsika amin’izany? Nisy tsy nety ny nataon’i Baroka matoa izy nahazo torohevitra. Nikatsaka zavatra lehibe ho an’ny tenany izy. Mila mandini-tena koa isika hoe: ‘Raha efa mahavelon-tena aho, moa ve tena ilaiko ny mandany fotoana sy vola ary hery hanaovana fianarana ambony na fianarana fanampiny mba hahatsapako hoe mahavita zavatra aho, na mba hampifaliana ny ray aman-dreniko sy ny havako?’

Diniho izay nitranga tamin’i Gregor, mpamorona programa amin’ny ordinatera. Nanao fianarana fanampiny momba ny asany izy rehefa nampirisihin’ny mpiara-miasa taminy. Nianatra be izy, ka lasa tsy nanam-potoana hanaovana ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana. Hoy izy: “Nanenjika ahy foana ny eritreritro satria tsy nahatratra ireo tanjona ara-panahy nezahiko notratrarina aho.”

Variana tanteraka amin’ny asa

Ampirisihin’ny Tenin’Andriamanitra ny tena Kristianina mba hiasa mafy sy ho mendri-pitokisana, na mpiasa izy na mpampiasa. Hoy ny apostoly Paoly: “Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” (Kol. 3:22, 23) Na dia ilaina aza anefa ny miasa mafy, dia tsy ampy izany. Ilaina koa ny mifandray tsara amin’ny Mpamorona. (Mpito. 12:13) Raha lasa variana amin’ny asa fivelomana anefa ny Kristianina, dia mety tsy ho loha laharana intsony ny fanompoana an’i Jehovah.

Mety tsy hanana hery hanaovana ny fanompoana sy hanampiana ny ankohonany intsony ny olona variana amin’ny asany. Nilaza i Solomona Mpanjaka fa matetika ny “asa mafy eran-tanan-droa” no “toy ny misambo-drivotra fotsiny.” Mety ho tratran’ny adin-tsaina mafy sy maharitra ny Kristianina iray raha miasa tafahoatra. Mety ho lasa andevozin’ny asa mihitsy aza izy, ka ho trotraka tanteraka ny vatany sy ny sainy amin’ny farany. Mbola ho afaka “hifaly noho ny asa mafy nisasarany” ihany ve izy amin’izay? (Mpito. 3:12, 13; 4:6) Ary ny mbola zava-dehibe kokoa noho izany, moa ve izy mbola hanana herim-batana sy herin-tsaina hanaovana ny andraikiny eo anivon’ny fianakaviany sy hanaovana an’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana?

Nanana orinasa mpikarakara zaridaina i Janus, any Eoropa Atsinanana, ary nanjary variana tanteraka tamin’izany. Hoy izy: “Tena tia ahy ny olona tsy Vavolombelona, satria nahita hevitra tsara aho mba hanaovana an’ilay asa sady vitanay foana izay nampanaovina anay. Lasa nalemy ara-panahy anefa aho, ary tsy nitory intsony. Tsy nivory koa aho tatỳ aoriana. Lasa nanambony tena aho, ka tsy nanaraka ny torohevitry ny anti-panahy ary tsy nifanerasera intsony tamin’ny fiangonana.”

Afaka ny hahomby ianao

Hitantsika teo ny zavatra telo mety hahavariana ny Kristianina, ka hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah. Raha misy mahakasika anao ireo zavatra telo ireo, dia diniho ireto fanontaniana sy andinin-teny ary fanazavana manaraka ireto. Hanampy anao izy ireo hahita, raha tena hitarika anao amin’ny fahombiazana ireo zavatra mahavariana anao.

Fanatanjahan-tena na fialam-boly: Lasa variana amin’ny zavatra toy izany ve ianao? Zavatra toy izany indray ve no maka ny fotoana natokanao hanaovana an’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana? Lasa tsy dia mahafinaritra anao ve ny miaraka amin’ny mpiray finoana aminao, rehefa nanao azy io ianao? Raha izany no izy, nahoana raha manahaka an’i Davida Mpanjaka, izay nitalaho tamin’i Jehovah hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalana tokony halehako”?—Sal. 143:8.

Nanampy an’i Viktor, voaresaka tetsy aloha, ny mpiandraikitra mpitety faritany. Hoy ilay mpiandraikitra taminy: “Hitako amin’ny resakao hoe miraiki-po be amin’ilay voley ianao an!” Nahatonga saina an’i Viktor izany. Hoy izy: “Nanjary tsapako fa lasa tafahoatra ny fitiavako voley. Tsy nifandray tamin’ireo mpiara-milalao tamiko intsony àry aho, ary nitady namana teo anivon’ny fiangonana.” Mafana fo amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonany izao i Viktor. Nanoro hevitra izy hoe: “Anontanio ny namanao na ny ray aman-dreninao na ny anti-panahy ao aminareo, raha lasa nahatonga anao ho lavitra kokoa an’i Jehovah ny fanatanjahan-tena na ny fialam-boly ataonao any am-pianarana.”

Nahoana koa raha miresaka amin’ny anti-panahinareo hoe te hahazo tombontsoam-panompoana bebe kokoa ianao na hampitombo ny fanompoanao? Nahoana raha manampy an’ireo zokiolona mila namana sy fanampiana? Azonao atao ny miantsena ho azy, na manampy azy amin’ny raharaha ao an-tranony. Afaka manao ny fanompoana manontolo andro koa ianao, na firy taona na firy taona. Ho afaka hiresaka amin’ny hafa ny antony mahafaly ny Kristianina ianao amin’izay.

Fianarana ambony: Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy mba tsy ‘hitady voninahitra.’ (Jaona 7:18) Na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny fianarana tianao hatao, dia ‘fantaro’ hoe inona no “zava-dehibe kokoa.”—Fil. 1:9, 10.

Nanao fanovana teo amin’ny fiainany i Gregor, ilay mpamorona programa amin’ny ordinatera. Hoy izy: “Narahiko ny torohevitry ny anti-panahy, ka notsoriko ny fiainako. Tsapako fa tsy nila nanohy fianarana aho, satria ho lany fotoana sy hery amin’izany fotsiny.” Nandray anjara bebe kokoa tamin’ny asa teo anivon’ny fiangonana i Gregor. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo izy, tatỳ aoriana. ‘Nanararaotra tsara ny fotoana’ izy mba hampitomboany ny fahalalany an’Andriamanitra.—Efes. 5:16.

Asa fivelomana: Lasa variana amin’ny asanao ve ianao ka ataonao an-kilabao ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana? Ampy ve ny fotoana atokanao hifampiresahana amin’ny ankohonanao? Moa ve ianao manatsara ny anjaranao any am-pivoriana? Manao resadresaka mampahery ve ianao? “Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny”, dia hahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah ianao, sady ‘hifaly noho ny asa mafy ataonao.’—Mpito. 2:24; 12:13.

Tsy nahomby ilay asa nataon’i Janus, voaresaka etsy aloha. Tsy nanam-bola izy sady bokan’ny trosa, ka niverina tamin’i Jehovah. Niezaka nandamina ny fiainany i Janus ka lasa mpisava lalana maharitra sady anti-panahy. Hoy izy: “Miezaka ny ho afa-po amin’ireo zavatra tena ilaina aho, ary mampiasa ny heriko mba hanaovana asa ara-panahy. Tony sy miadan-tsaina aho vokatr’izany.”—Fil. 4:6, 7.

Manokàna fotoana àry mba handinihana izay tena mibahana ao am-ponao sy izay loha laharana eo amin’ny fiainanao. Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao ny fanompoana an’i Jehovah, satria hahomby foana izay manompo azy.

Raha manao fanitsiana ianao, na manajanona an’ireo zavatra tsy dia ilaina, dia ho hitanao fa ‘tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra ny sitrapon’Andriamanitra.’ (Rom. 12:2) “Hahomby izay hataonao”, raha manompo azy amin’ny fonao manontolo ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Novana ny anarana sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 31]

Fomba Ahitana Fahombiazana

Maro ankehitriny ny zavatra mety haka ny fotoananao. Inona anefa no hanampy anao tsy hanadino izay tena zava-dehibe? Ho fantatrao izay tena mibahana ao am-ponao sy izay ataonao loha laharana raha mandinika an’ireto fanontaniana ireto ianao:

FANATANJAHAN-TENA SY FIALAM-BOLY ANY AM-PIANARANA

▪ Inona no toe-tsaina ho hitanao eo am-panaovana an’ilay fialam-boly?

▪ Manao ahoana ny fotoana laninao amin’ilay izy?

▪ Mety ho variana loatra amin’ilay izy ve ianao?

▪ Io zavatra io indray ve no maka ny fotoana natokanao hanaovana an’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana?

▪ Olona manao ahoana no ifaneraseranao any?

▪ Mahafinaritra anao kokoa noho ny mpiara-manompo ve izy ireo?

FIANARANA AMBONY

▪ Raha efa mahavelon-tena ianao, moa ve tena ilainao ny mandany fotoana sy vola ary hery hanaovana fianarana fanampiny?

▪ Tsy maintsy manana diplaoma eny amin’ny oniversite ve ianao, vao hahavita hamelon-tena?

▪ Mbola hahavita hivory tsy tapaka ve ianao, raha manao an’ilay fianarana?

▪ Efa ‘namantatra tsara izay zava-dehibe kokoa’ ve ianao?

▪ Mila miezaka mba hatoky kokoa ve ianao hoe hahavita hanome izay ilainao i Jehovah?

ASA FIVELOMANA

▪ Moa ve ny asa fidinao mbola mamela anao hifaly amin’ny fiainana?

▪ Moa ve ianao rehefa avy miasa, mbola manana herim-batana sy herin-tsaina hanaovana ny andraikitrao eo anivon’ny fianakavianao sy hanaovana an’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana?

▪ Ampy ve ny fotoana ifampiresahanao amin’ny ankohonanao?

▪ Lasa variana amin’ny asanao ve ianao ka ataonao an-kilabao ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana?

▪ Misy fiantraikany amin’ny anjara ataonao any am-pivoriana ve ny asanao?

[Sary, pejy 30]

Nampitandrina an’i Baroka i Jehovah mba tsy hikatsaka zavatra lehibe ho an’ny tenany