Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy Dikany ve ny Fiainana?

Tena Misy Dikany ve ny Fiainana?

Tena Misy Dikany ve ny Fiainana?

“MBA misy dikany ihany ve ny fiainana?” Olona maro tsy hita isa no manontany an’izany. Mampalahelo fa maro no mahatsapa toa an’i Viktor Frankl, manam-pahaizana aotrisianina, hoe “tsy misy dikany sy poakaty” ny fiainana.

Nahoana no maro no mahatsapa toy izany? Satria tena mampahonena sy mahavaky fo ny fiainan’ny olona an-tapitrisany. Efa anisan’ny fiainan’izy ireo andavanandro ny fahantrana, aretina, herisetra, ary fijaliana. ‘Tebiteby lava’ tokoa ny fiainan’izy ireo, araka ny ilazan’i Joba azy. (Joba 14:1) Izay tsy hahafaty azy androany fotsiny no tanjony.

Olona an-tapitrisany hafa kosa no mpanefohefo. Toa ananan’izy ireo daholo izay ilaina rehetra. Maro amin’izy ireo anefa no mbola tsy afa-po ihany eo amin’ny fiainana. Matetika mantsy no mandrava ny fanantenany sy ny nofinofiny ny “zava-tsarotra sy fijaliana.” (Salamo 90:10) Anisan’izany, ohatra, ny olana ara-bola na fahoriana tampoka toy ny fahafatesan’ny zanany.

Fohy loatra koa ny fiainana, ka vao mainka ny olona mihevitra azy io ho “tsy misy dikany sy poakaty.” Maro no mihevitra fa tsy mitombina mihitsy ny hoe omena fahaizana be dia be ny olombelona, kanefa vetivety dia maty. Tsy mety takatr’izy ireo mihitsy ilay zava-misy tsy maintsy hatrehintsika rehetra hoe: Na dia tsy tratran’ny loza mpitranga eo amin’ny fiainana aza isika, dia tsy maintsy ho faty ihany na ho ela na ho haingana ka hamoy ny zava-drehetra.—Mpitoriteny 3:19, 20.

Ho toy izao foana ve ny fiainana?

Niresaka ny zava-misy tamin’ny androny i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny. Hitany mantsy ny ezaka mafy nataon’ny olona mba hampiasana ny fahaizany sy ny talentany. Namboly izy ireo, niompy, nanorina trano, ary nikarakara fianakaviana, toy ny ataontsika amin’izao. Toy ny nanontany izy avy eo hoe: ‘Inona no hiafaran’izany rehetra izany?’ Niaiky mantsy izy fa “zava-poana sy toy ny misambo-drivotra” ny zava-drehetra ataon’ny olona.—Mpitoriteny 2:17.

Nihevitra ve anefa i Solomona fa ho “zava-poana sy toy ny misambo-drivotra” foana ny zava-drehetra ataon’ny olombelona? Tsia. Nilaza ny zava-misy fotsiny izy. Manome toky anao anefa ny Tenin’Andriamanitra fa tsy ho toy izao foana akory ny fiainana!

Hanampy anao hino an’izany ny lahatsoratra roa manaraka. Ho takatrao hoe nahoana ny fiainana no toa tsy misy dikany, inona no vahaolana, ary ahoana no hanananao fiainana misy dikany dieny izao.