Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Misy Dikany Dieny Izao ka ho Mandrakizay

Fiainana Misy Dikany Dieny Izao ka ho Mandrakizay

Fiainana Misy Dikany Dieny Izao ka ho Mandrakizay

HISY dikany ny fiainanao dieny izao raha arahinao ny toro lalan’ny Baiboly. Andeha isika handinika ny sasany amin’izany.

TORO LALANA: Hoy i Solomona: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.”MPITORITENY 2:24.

Natao ho afa-po amin’ny asa tsara ataontsika isika. Ho afa-po amin’ny fiainana ianao dieny izao, na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra aza, raha mazoto sy manao ny marina rehefa miasa.

TORO LALANA: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

Maro no nahita fa tena afa-po izy ireo sady nisy dikany ny fiainany rehefa nanao zavatra ho an’ny hafa, ohatra hoe nanome ny fotoanany sy ny heriny hanampiana ny hafa tamin’ny sarotra. Hoy i Solomona: “Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa raha mbola azon’ny tananao atao ihany.”—Ohabolana 3:27.

Diniho ohatra i Ralph. Lasa mpitory manontolo andro hoatran’ny vadiny izy rehefa nisotro ronono. Samy miezaka mafy mandany ora maro be isam-bolana izy mivady, mba hampianarana Baiboly ny hafa. Hoy i Ralph: “Tsy hoe reraka noho ny fahanterana fotsiny izahay rehefa tonga ao an-trano ny hariva, fa reraka koa noho izahay nampiasa ny herinay rehetra mba hanompoana an’ilay Rainay any an-danitra. Tena faly anefa izahay fa zavatra tsara no mandreraka anay!” Sambatra izy mivady satria manome foana izy ireo eo amin’ny fiainana.

TORO LALANA: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”OHABOLANA 17:17.

Entan-jaraina, hono, mora zaka. Nilaza i Francis Bacon, filozofa anglisy, fa “toy ny tany efitra izao tontolo izao” ho an’ireo tsy manana tena namana. Ho mora zakanao kokoa ny fiainana raha manana tena namana sy miezaka ny ho namana tsara ianao. Mety hahafinaritra anao sy hankafizinao ny fiainana amin’izay.

TORO LALANA: ‘Sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.’LIOKA 11:28.

Nasehon’i Jesosy izay tokony hataonao raha te ho eo ianao rehefa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Mila mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy mankatò an’izany ianao. Amin’ny alalan’ny Baiboly izy no manampy antsika hahalala ny tena antony ahavelomantsika sy ny dikan’ny fiainana. Hitantsika teo aloha fa miresaka momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany ny Baiboly. Lazainy ao ny antony iainantsika sy ny antony isian’ny fijaliana maro be ary izay antenain’Andriamanitra amintsika. Ilaintsika fantarina izany raha te hanana fiainana mahafa-po sy misy dikany isika. Sambatra izay manokana fotoana hianarana Baiboly sy mampihatra izay nianarany, satria lasa manana fifandraisana azo antoka amin’ny Mpamorona izy, dia i Jehovah, ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Timoty 1:11.

TORO LALANA: ‘Tsarovy ilay Mpamorona anao, dieny mbola tsy tonga ny andro mahory sy ireo taona izay hitenenanao hoe: “Tsy tiako izao mahazo ahy izao.”’MPITORITENY 12:1.

Nosoratan’i Solomona ho an’ny tanora io torohevitra io. Tsy fantatry ny tanora sasany mantsy fa mety hisy loza lehibe hitranga eo amin’ny fiainana. Na izany aza, dia mahasoa antsika rehetra koa izy io. Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao ny Mpamorona, dia tena hisy dikany ny fiainanao. Halaviro ilay toe-tsaina hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintianina 15:32) “Ho tsara fiafara” ianao, raha ataonao loha laharana Andriamanitra.—Mpitoriteny 8:12.

Tsapan’i Wendi fa marina izany. Nianatra espaniola izy sy ny rahavaviny tamin’izy ireo mbola tanora, mba hahafahan’izy ireo nifindra tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Nila mpitory ny vaovao tsara maro kokoa mantsy tany. Hoy izy: “Faly be mihitsy izahay na dia namoy zavatra be dia be aza mba hanitarana ny fitorianay. Tsy misy fotoana hatakaloko an’iny enim-bolana iny mihitsy! Betsaka lavitra noho ny zavatra nafoinay ny fitahiana azonay.”

Aza mivadika amin’Andriamanitra

Vao mainka hisy dikany sy hiavaka ny fiainanao raha mifandray tsara amin’i Jehovah ianao. Tsy vitan’ny hoe nitarika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra fotsiny mantsy i Satana, fa toy ny nilaza koa izy hoe hivadika daholo ny olona rehefa misy fitsapana. (Joba 1:9-11; 2:4) Azonao porofoina àry fa mpandainga i Satana, raha tsy mivadika amin’Andriamanitra ianao, mankatò ny toro lalany, ary mampiseho fa manaiky hoe i Jehovah no tena manana zo hamaritra izay tsara sy ratsy.—Apokalypsy 4:11.

Mety ho voatery hiatrika olana isika raha te hanao ny tsara foana. Izany ve anefa no hahatonga ny fiainantsika tsy hisy dikany? Alao sary an-tsaina hoe misy fahavalo ratsy fanahy manendrikendrika ny namanao tena tianao na ny iray amin’ny fianakavianao. Dia tsy hisy dikany ve ny fiainanao raha tsy maintsy miatrika olana ianao mba hiarovana ny lazany? Ho faly kosa aza ianao hiaritra zava-tsarotra mba tsy hahafa-baraka azy. Toy izany koa ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Tena faly izy raha tsy mivadika aminy ao anatin’ny sarotra isika.—Ohabolana 27:11.

Fiainana misy dikany ho mandrakizay

Ataovy tanjonao àry ny hianatra momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Hoy i Jesosy Kristy: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Hankafy “fiainana mandrakizay” ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo tsy mivadika, rehefa hotanterahin’Andriamanitra ny fikasany tany am-boalohany ho an’ny tany sy ny olombelona. Tena hisy dikany sy hahafa-po ny fiainana amin’izay.—Salamo 145:16.

Aiza no hahazoanao an’izany fahalalana resahin’i Jesosy izany? Ao amin’ny Baiboly. Manorata any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity raha mila fanampiana ianao. Ho faly izy ireo handefa olona hanampy anao hianatra izay tena ampianarin’ny Baiboly.