Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

NAHOANA ny vehivavy iray 60 taona mahery no tsy nanompo sampy intsony? Inona no nahatonga ny pretra iray hiala tamin’ny asany tao amin’ny toerana masin’ny Shintoista, ka ho lasa mpitory? Inona no nanampy ny vehivavy iray, izay natsangana hatramin’ny vao teraka, tsy hahatsiaro intsony hoe nafoy? Araho ny tantaran’izy ireo.

‘Tsy mpanompo sampy intsony aho.’—ABA DANSOU

TERAKA: 1938

FIRENENA: BÉNIN

FIAINANY TALOHA: MPANOMPO SAMPY

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tany So-Tchahoué aho, tanàna iray mando lava sy mamotaka, akaikin’ny farihy. Mpanjono ny mponina any, miompy omby, osy, ondry, kisoa, ary vorona. Tsy misy lalana any, fa sambo sy lakana no ivezivezen’ny olona. Hazo sy bozaka mazàna no anamboaran’izy ireo trano, saingy misy ihany mampiasa biriky. Mahantra ny ankamaroan’ny olona. Na izany aza, dia tsy dia misy heloka bevava toy ny any an-tanàn-dehibe any.

Nalefan’ny raiko nipetraka tany amin’ny foiben’ny fivavahana amin’ny sampy izaho sy ny zokiko vavy, tamin’izaho mbola kely. Lasa nivavaka tamin’i Dudua (Oduduwa), andriamanitry ny foko yorobà, aho rehefa nihalehibe. Nanao trano ho azy aho ary nanolotra fanatitra tsy tapaka, toy ny oviala, menaka palmie, sifotra, akoho, voromailala, ary biby hafa isan-karazany. Tena lafo be izany, ka saika ny fananako rehetra matetika no najifa.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Rehefa nianatra Baiboly aho, dia fantatro fa i Jehovah ihany no tena Andriamanitra. Fantatro koa fa tsy tiany ny mampiasa sampy mba hivavahana. (Eksodosy 20:4, 5; 1 Korintianina 10:14) Takatro àry hoe inona no tokony hataoko, ka nariako daholo ny sampiko. Nesoriko tao an-tranoko koa izay zava-drehetra nifandray tamin’ny fanompoan-tsampy. Tsy nankany amin’ny mpisikidy intsony aho, ary tsy nandray anjara tamin’ny fombafomba teo an-tanàna sy ny fombafomba rehefa mandevina.

Efa 60 taona mahery aho, ka sarotra tamiko ny nanao an’izany. Nanohitra sy naneso ahy ny namako sy ny havako ary ny mpiray tanàna tamiko. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa aho, mba homeny hery hanaovana ny tsara. Nampahery ahy ny Ohabolana 18:10, hoe: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.”

Nanampy ahy koa ny niara-nivory tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsapako fa tena be fitiavana izy ireo. Nampiaiky ahy ny nahita azy ireo miezaka mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Izany no nandresy lahatra ahy fa ny fivavahan’izy ireo no tena marina.

NY SOA NORAISIKO: Nihatsara ny fifandraisako tamin’ny zanako rehefa nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho. Toy ny nisy enta-mavesatra nesorina koa teo an-tsoroko. Zatra nandany ny fananako tamin’ny sampy tsy mananaina aho taloha, nefa tsy nahasoa ahy akory izany. Manompo an’i Jehovah aho izao. Izy no afaka mamaha tanteraka ny olana rehetra mahazo antsika. (Apokalypsy 21:3, 4) Faly be aho satria tsy mpanompo sampy intsony fa mpanompon’i Jehovah. Tena milamin-tsaina sy voaro aho izao.

“Efa hatramin’ny mbola kely aho no nitady an’Andriamanitra.” —SHINJI SATO

TERAKA: 1951

FIRENENA: JAPON

FIAINANY TALOHA: PRETRA SHINTOISTA

NY FIAINAKO TALOHA: Lehibe tany ambanivohitry ny Faritanin’i Fukuoka aho. Mpivavaka be ny ray aman-dreniko. Nobeaziny hivavaka tamin’ireo andriamanitry ny Shintoista aho. Nieritreritra foana aho, tamin’izaho tovolahy, hoe ahoana no ataoko mba ho voavonjy. Tena te hanampy ny olona sahirana koa aho. Nanontany anay, indray mandeha, ny mpampianatra tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra hoe inona no hataonay rehefa lehibe. Samy nilaza zavatra voafaritra tsara ny iray kilasy, toy ny hoe ho lasa mpahay siansa. Izaho kosa nilaza hoe te hanompo an’Andriamanitra. Nihomehezan’izy rehetra aho.

Nianatra tany amin’ny sekoly mampiofana ho mpitondra fivavahana aho, taorian’ny fianarako teny amin’ny lise. Nahita pretra shintoista iray aho tany. Namaky boky mifono mainty izay foana izy io isaky ny andro tsy fiasana. Hoy izy indray andro: “Fantatrao ve ry Sato ity boky ity?” Hitako ny fonon’ilay boky ka hoy aho hoe: “Baiboly.” Hoy izy: “Tsy maintsy mamaky an’ity boky ity izay te ho lasa pretra shintoista.”

Lasa haingana aho avy eo nividy Baiboly. Napetrako teo amin’ny toerana mora tazana teo amin’ny talantalana ilay izy, ary nokajiko tsara. Tsy nanokana fotoana hamakiana azy io anefa aho, satria be atao foana tamin’ny fianarako. Nanao ny asan’ny pretra tany amin’ny toerana masin’ny Shintoista aho rehefa vita ny fianarako. Tanteraka ilay nofinofiko tamin’ny mbola kely.

Hitako anefa, tsy ela taorian’izay, fa tsy araka ny niheverako azy ny pretra shintoista. Zara raha naneho fitiavana sy fiahiana ny hafa ny ankamaroany. Maro koa no tsy nanam-pinoana. Nilaza toy izao mihitsy aza ny iray tamin’ny lehibeko: “Momba ny filozofia ihany no azonao resahina raha te hateza amin’ny asanao ianao. Tsy azo atao ny miresaka momba ny finoana.”

Lasa diso fanantenana tamin’ny fivavahana shintoista aho. Nanomboka namotopototra fivavahana hafa àry aho, na dia mbola niasa tao amin’ilay toerana masina ihany aza. Tsy nisy nampianatra zavatra tsara kokoa anefa na ny iray aza. Vao mainka aho kivy arakaraka ny nandinihako fivavahana maromaro. Tsapako fa tsy nisy fivavahana nampianatra ny marina.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nihaona tamin’ny Bodista iray aho tamin’ny 1988. Nampirisihiny hamaky Baiboly aho. Tsaroako ilay pretra shintoista, izay nampirisika ahy toy izany koa, taona vitsivitsy lasa izay. Tapa-kevitra ny hanaraka an’ilay torohevitra àry aho. Tonga dia nankafiziko izay novakiko raha vao namaky azy io aho. Indraindray aza aho namaky nandritra ny alina manontolo, mandra-piposaky ny masoandro.

Nandrisika ahy hivavaka tamin’ilay Andriamanitra voaresaka ao amin’ny Baiboly izay novakiko. Ilay vavaka modely ao amin’ny Matio 6:9-13 no nataoko. Naverimberiko isaky ny adiny roa izy io, na dia teo am-panaovana ny asako tao amin’ilay toerana masina aza aho.

Nanana fanontaniana maro momba izay novakiko tao amin’ny Baiboly aho. Fantatro fa mampianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah satria efa nitsidika ny vadiko izy ireo taloha. Nitady Vavolombelona aho ka nahita vehivavy iray, izay nototofako fanontaniana. Niaiky mihitsy aho satria novaliany avy tao amin’ny Baiboly izay nanontaniako azy rehetra. Nataony àry izay hihaonako tamin’ny Vavolombelona afaka nampianatra ahy.

Nanatrika ny fivorian’izy ireo aho, tsy ela taorian’izay. Nasiaka tamin’ny Vavolombelona sasany aho taloha. Nanatrika tao koa izy ireo nefa tsy tsikaritro akory. Niarahaba sy nandray tsara ahy anefa izy ireo.

Nianarako tany amin’ireny fivoriana ireny fa tian’Andriamanitra ho tia sy hanaja ny ankohonany ny lehilahy manambady. Nifantoka loatra tamin’ny asako aho talohan’izay, ka tsy niraharaha ny vadiko sy ny zanako mianadahy. Takatro izao fa tsy mba nihaino ny vadiko mihitsy aho, nefa nihaino tsara an’izay olona tonga nivavaka tao amin’ilay toerana masina.

Nahafantatra zavatra betsaka momba an’i Jehovah aho rehefa nandroso ny fianarako, ka izany no nahasarika ahy hanatona azy. Nisy andininy maro nanohina ny foko, toy ny Romanina 10:13, hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.” Efa hatramin’ny mbola kely aho no nitady an’Andriamanitra, ka nahita azy ihany tamin’ny farany.

Lasa tsapako fa tsy tokony hiasa ao amin’ilay toerana masina intsony aho. Natahotra aho tamin’ny voalohany hoe ahoana no hiheveran’ny olona ahy raha miala amin’ny fivavahana shintoista aho. Niteny anakampo foana anefa aho hoe hiala aho raha mahita an’ilay tena Andriamanitra. Tapa-kevitra ny hanao izay tato an-tsaiko aho tamin’ny 1989. Niala aho, ary nitoky tamin’i Jehovah.

Tsy mora ny niala tao. Nandevilevy ahy ireo lehibeko sady nanery ahy hijanona. Mbola mafy noho izany anefa ny niresaka tamin’ny ray aman-dreniko. Nitebiteby be aho teny an-dalana ho any, ka narary ny tratrako sady nalemy ny lohaliko. Nijanona matetika aho ka nivavaka mba hanomezan’i Jehovah hery ahy.

Natahotra ny hampiditra an’ilay resaka aho tamin’ny voalohany, rehefa tonga tany. Lasa ihany ny fotoana. Nivavaka foana aho, ka nohazavaiko tamin’ny raiko ihany tamin’ny farany ny zava-drehetra. Nilaza taminy aho fa niala tamin’ny fivavahana shintoista, satria nahafantatra an’ilay tena Andriamanitra ka hanompo azy. Tezitra izy sady nalahelo. Tonga tao koa ny havanay sasany ary niezaka nampiova hevitra ahy. Tsy te hampalahelo ny fianakaviako aho, nefa fantatro fa tokony hanompo an’i Jehovah aho. Nanaja ahy ihany izy ireo tatỳ aoriana, ka nanaiky ny fanapahan-kevitro.

Efa nanahirana ny niala tany amin’ilay toerana masina, nefa tena sarotra koa ny nanavao ny fomba fisainako. Efa zatra loatra ny fiainana tany mantsy aho. Niezaka mafy aho mba hanadino an’izany, nefa toa nisy zavatra nampahatsiahy an’ilay izy foana tany amin’izay nalehako rehetra.

Zavatra roa no nanampy ahy hanadino an’izany. Notadiaviko daholo aloha izay zava-drehetra tao an-trano nifandray tamin’ilay fivavahako taloha. Nodorako daholo ireny, na boky na sary, eny fa na dia ireo fahatsiarovana lafo vidy aza. Niezaka koa aho mba hifanerasera matetika tamin’ireo Vavolombelona araka izay azoko natao. Tena nanampy ahy ny fitiavana sy ny fanohanan’izy ireo. Hadinoko tsikelikely ny lasa.

NY SOA NORAISIKO: Tsy niraharaha ny vady aman-janako aho taloha, ka nahatsiaro ho irery izy ireo. Nanokana fotoana iarahana tamin’izy ireo anefa aho, araka ny asain’ny Baiboly ataon’ny lehilahy manambady, ka lasa nifankatia kokoa izahay. Nanompo an’i Jehovah koa ny vadiko, tatỳ aoriana. Tafaray ao amin’ny fivavahana marina izao izahay mivady sy ny zanakay lahy ary ny zanakay vavy sy ny vadiny.

Ny hanompo an’Andriamanitra sy hanampy ny hafa no nofinofiko tamin’ny mbola kely. Rehefa mieritreritra an’izany aho, dia tsapako fa hitako izay rehetra notadiaviko, ary mihoatra noho izany aza. Tsy misy teny mahalaza ny fankasitrahako an’i Jehovah.

‘Tsapako fa nisy banga ny fiainako.’ —LYNETTE HOUGHTING

TERAKA: 1958

FIRENENA: AFRIKA ATSIMO

FIAINANY TALOHA: NAHATSIARO HO NAFOY

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany Germiston aho. Antonontonony ny fari-piainan’ny olona, ary tsy dia misy heloka bevava any. Nihevitra ny ray aman-dreniko fa tsy ho vitany ny hikarakara ahy, ka nomeny hatsangan’olona aho. Vao 14 andro monja aho dia natsangan’ny mpivady iray ho zanany. Be fitiavana izy ireo ary noheveriko ho tena dada sy mamako. Rehefa fantatro anefa ny tantarako, dia lasa nahatsiaro ho nafoy aho. Nanjary nieritreritra aho hoe tsy zanak’izy ireo, ary tsy tena takatr’izy ireo ny fihetseham-poko.

Vao 16 taona teo ho eo aho, dia efa nandeha tany amin’ny bara niaraka tamin’ny namako, ka nandihy sy nihaino mozika nafanain’ny orkesitra. Nanomboka nifoka sigara aho tamin’izaho 17 taona. Te hahia toy ireo olona hitako tamin’ny dokam-barotra momba ny sigara aho. Niasa tany Johannesburg aho raha vao feno 19 taona, ary tsy ela dia nifanerasera tamin’ny naman-dratsy. Lasa niteny ratsy aho, nifoka sigara be, ary niboboka toaka rehefa faran’ny herinandro.

Nampiasa vatana ihany anefa aho, na izany aza. Nanao fanatanjahan-tena tsy tapaka aho, toy ny lalao baolina kitra. Nilofo tamin’ny asako koa aho, ka nalaza ho nahay tao amin’ilay orinasa momba ny ordinatera niasako. Lasa nanam-bola be aho noho izany, ary noheverin’ny olona maro ho tafita. Tsy tena sambatra anefa aho, satria tsy afa-po tamin’ny fiainana ary nahatsiaro ho manirery. Tsapako tato anatiko tato fa nisy banga ny fiainako.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Rehefa nianatra Baiboly aho, dia lasa fantatro fa Andriamanitra fitiavana i Jehovah, ary nanome ny Teniny izy mba hanehoana an’izany. Toy ny taratasy nosoratany mba hitari-dalana antsika izy io. (Isaia 48:17, 18) Takatro fa tsy maintsy nanao fiovana lehibe aho raha te handray soa amin’ny tari-dalan’i Jehovah feno fitiavana.

Tsy maintsy niova namana aloha aho. Nieritreritra lalina ny Ohabolana 13:20 aho, hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Nandrisika ahy tsy hiaraka intsony tamin’ny namako taloha io toro lalana io, fa haka namana vaovao eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny niala tamin’ny sigara no tena sarotra, satria efa tena mpifoka be mihitsy aho. Nisy olana hafa nipoitra koa anefa rehefa teo am-pialana tsikelikely tamin’ilay izy aho. Lasa nitombo 13 kilao mahery aho. Nisy vokany lalina teo amin’ny fomba fiheverako ny tenako izany. Efa ho folo taona vao niverina tamin’ny taloha ny lanjako. Fantatro anefa fa tsy tokony hifoka intsony aho. Nivavaka tamin’i Jehovah foana àry aho, ka nomeny hery mba hahavitana izany.

NY SOA NORAISIKO: Salama kokoa aho izao, ary afa-po amin’ny fiainana satria tsy variana amin’ny asa na ny fikatsahana laza sy harena intsony. Tsy mahasambatra akory mantsy ireo. Sambatra kosa aho miresaka amin’ny hafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Telo amin’ny mpiara-miasa tamiko taloha izao no manompo an’i Jehovah miaraka aminay mivady. Efa maty ireo ray aman-dreniko nanangana ahy. Afaka niresaka tamin’izy ireo anefa aho talohan’izay fa mampanantena ny Baiboly hoe hitsangana ny maty rehefa ho lasa paradisa ny tany.

Tsy nahatsiaro ho nafoy intsony aho rehefa nifandray akaiky tamin’i Jehovah. Nomeny fianakaviana be dia be aho, dia ireo mpiray finoana amiko eran-tany, ka lasa manana reny, ray, anadahy, ary rahavavy be dia be.—Marka 10:29, 30.

[Sary, pejy 12]

Tsapako fa tena be fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 13]

Ilay toerana masin’ny Shintoista nivavahako taloha