Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hisolo ny fitondram-panjakana hafa rehetra izy io, ary hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra sy etỳ an-tany. Mila fitondram-panjakana mahomby isika, ka ny Fanjakan’Andriamanitra no vahaolana amin’izany.—Vakio ny Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.

Tsy maintsy misy mpitondra ny fanjakana iray. Nanendry an’i Jesosy Zanany àry i Jehovah, mba ho Mpanjakan’ilay Fanjakany.—Vakio ny Lioka 1:30-33.

2. Nahoana no mety tsara raha i Jesosy no Mpitondra?

Mety tsara raha ny Zanak’Andriamanitra no Mpanjaka, satria tsara fanahy izy, hentitra rehefa manao ny rariny, ary manana hery hanampiana ny olona. (Matio 11:28-30) Nankany an-danitra i Jesosy taorian’ny nananganana azy, ary niandry teo ankavanan’i Jehovah. (Hebreo 10:12, 13) Nomen’Andriamanitra fahefana hanjaka avy any an-danitra izy tamin’ny farany.—Vakio ny Daniela 7:13, 14.

3. Iza no hiara-manjaka amin’i Jesosy?

Misy antokon’olona antsoina hoe ‘olona masina’ nofidin’Andriamanitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. (Daniela 7:27) Ireo apostoliny tsy nivadika no voalohany voafidy ho anisan’izy ireo. Mbola mifidy lehilahy sy vehivavy tsy mivadika ho anisan’ny olona masina i Jehovah hatramin’izao. Hatsangana ho vatana ara-panahy toa an’i Jesosy izy ireo.—Vakio ny Jaona 14:1-3; 1 Korintianina 15:42-45.

Firy no mankany an-danitra? Nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” izy ireo. (Lioka 12:32) Hiisa 144 000 izy ireo amin’ny farany, ary ho mpanjaka hitondra ny tany miaraka amin’i Jesosy.—Vakio ny Apokalypsy 5:9, 10; 14:1.

4. Oviana no nanomboka nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra?

Lasa Mpanjaka i Jesosy tamin’ny 1914. * Natsipiny tetỳ an-tany i Satana sy ny demoniany, taoriana kelin’izay. (Apokalypsy 12:7-10, 12) Vao mainka nihabetsaka ny olana nanomboka teo. Ny ady, horohoron-tany, mosary, aretina, ary fandikan-dalàna no anisan’ny famantarana fa efa hifarana ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1-5) Tsy maintsy mianatra izay tokony hatao mba ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy àry izay maniry hahazo fitahiana avy amin’io Fanjakana io.—Vakio ny Lioka 21:7, 10, 11, 31, 34, 35.

5. Inona no ataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Olona an-tapitrisany avy amin’ny firenena rehetra no efa ampianarin’ilay Fanjakana ny fitsipik’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny asa fitoriana eran-tany. (Matio 24:14) Hiaro an’ilay “vahoaka be” tsy mivadika anisan’ny olom-pehezin’i Jesosy io Fanjakana io, rehefa horavany ity tontolo ratsy ity.—Vakio ny Apokalypsy 7:9, 10, 13-17.

Hovan’ilay Fanjakana tsikelikely ho paradisa ny tany mandritra ny 1 000 taona. Haverin’i Jesosy amin’ny Rainy ilay Fanjakana, amin’ny farany. (1 Korintianina 15:24-26) Misy olona tianao hiresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ve?—Vakio ny Salamo 37:10, 11, 29.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 8 sy 9, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ny faminanian’ny Baiboly momba ny taona 1914, dia jereo ny pejy 215-218 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.