Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Namorona ny Lalàna Mifehy An’izao Rehetra Izao?

Iza no Namorona ny Lalàna Mifehy An’izao Rehetra Izao?

Iza no Namorona ny Lalàna Mifehy An’izao Rehetra Izao?

HOY Andriamanitra tamin’ilay mpanompony sahiran-tsaina atao hoe Joba: “Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra?” (Joba 38:33) Tiany ho takatr’i Joba mantsy hoe tena kely dia kely ny zavatra fantatry ny olombelona, raha oharina amin’ny fahalalana tsy manam-petra ananan’ny Mpamorona. Ary ahoana ny hevitrao momba izany?

Be dia be ny zavatra efa fantatry ny olombelona momba ny lalàna mifehy ny zavaboary eny amin’ny lanitra. Miaiky anefa ny ankamaroan’ny mpahay siansa fa betsaka ny zavatra mbola tsy hainy. Mahita zava-baovao foana izy ireo, ka lasa te hanamarina indray ny zavatra efa nolazainy momba an’izao rehetra izao. Tsy mitombina intsony àry ve ilay fanontanian’Andriamanitra tamin’i Joba, noho ireny zava-baovao hita ireny? Sa porofoin’izy ireny kosa fa i Jehovah no namorona ny lalàn’ny lanitra?

Tena mahaliana izay lazain’ny Baiboly momba an’ireo. Marina aloha fa tsy boky momba ny siansa izy io. Mahagaga anefa fa tena marina izay lazainy momba ny lanitra feno kintana, nefa taona maro be tatỳ aoriana matetika ny mpikaroka vao nahita fa marina izany.

Hevitra fahiny momba an’izao rehetra izao

Hojerentsika ny hevitry ny olona sasany tamin’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.), izany hoe 100 taona teo ho eo taorian’ny nahavitana ny Testamenta Taloha na ny Soratra Hebreo. Nampianarin’i Aristote, filozofa grika, momba ny zavatra eny amin’ny lanitra ireo manam-pahaizana niavaka, tamin’izany. Anisan’ny mpahay siansa miavaka indrindra hatramin’izay i Aristote. (Jereo ny  efajoro eo amin’ny pejy 25.) Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “I Aristote no tena mpahay siansa voalohany indrindra teo amin’ny tantara. ... Tokony hankasitraka azy ny mpahay siansa rehetra noho ny zava-bitany.”

Nataon’i Aristote kisarisary ny endrik’izao rehetra izao, ary niangaliany fatratra izany. Nihevitra izy fa bola kristaly 50 mahery izao rehetra izao, ka ny bola iray dia ao anatin’ny bola iray hafa, ary ny tany no ao anatiny indrindra. Eo amin’ilay bola ivelany indrindra no miraikitra ny kintana, ary eo amin’ireo bola akaikikaikin’ny tany no misy ny planeta hafa rehetra. Maharitra mandrakizay, izany hoe tsy miovaova, ny zava-drehetra ankoatra ny tany. Mety ho hafahafa amintsika izany hevitra izany. Mpahay siansa maro anefa no nino an’izany nandritra ny 2 000 taona teo ho eo.

Inona anefa no lazain’ny Baiboly? Inona no tena marina? Handinika fanontaniana telo momba ny lalàna mifehy an’izao rehetra izao isika. Hanampy antsika izany hino an’ilay Nampanoratra ny Baiboly, dia ilay nanao ny “lalàn’ny lanitra.”—Joba 38:33.

1. Tsy mihetsika ve izao rehetra izao?

Nilaza i Aristote fa tsy mihetsika ireo bola eny amin’ny lanitra. Tsy mifintina sady tsy mitatra ilay bola mihazona ny kintana, toy ireo bola hafa rehetra ihany.

Izany koa ve no ampianarin’ny Baiboly? Tsy milaza zavatra hentitra momba izany ny Baiboly. Tena mahaliana anefa ny sarin-teny ampiasainy ao, hoe: “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany. Izy no mamelatra ny lanitra toy ny lamba manify, sy mamelatra azy toy ny tranolay fonenana.”—Isaia 40:22. *

Ny hevitr’i Aristote àry sa izay lazain’ny Baiboly no mitombina kokoa ankehitriny? Ahoana ny hevitr’ireo mpandinika momba an’izao rehetra izao? Gaga izy ireo rehefa nahita, tamin’ny taonjato faha-20, fa mitatra izao rehetra izao, ary mihamifanalavitra haingana amin’izy samy izy ny vahindanitra. Vitsy anefa, raha nisy, ny mpahay siansa nieritreritra an’izany. Maro amin’izy ireo ankehitriny no mino fa kely izao rehetra izao tamin’ny voalohany, ary nihanitatra nanomboka teo. Tsy mitombina intsony àry ny hevitr’i Aristote noho ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa.

Rehefa mamaky izay voalazan’ny Baiboly kosa isika, dia afaka maka sary an-tsaina an’i Isaia mpaminany nandinika ny lanitra feno kintana voaravaka tsara. Nieritreritra izy tamin’izay fa toy ny tranolay mivelatra tsara izy io. * Mety ho voamariny mihitsy aza fa misy itovizana amin’ny “lamba manify” ny Vahindanitra Mivolondronono.

Mety ho tonga ao an-tsaintsika ny tranolay fampiasa fahiny, rehefa mamaky ny tenin’i Isaia isika. Lamba matevina mivalombalona kely izy io amin’ny voalohany, ary velarina tsara avy eo, izay vao hatsangana amin’ny andry maromaro ka lasa tranokely. Mety ho tonga ao an-tsaintsika koa ny horonan-damba manify velarin’ny mpivarotra iray mba hojeren’ny mpividy. Samy kelikely tamin’ny voalohany, na ilay tranolay na ilay lamba manify, fa lasa lehibe kokoa rehefa novelarina.

Tsy hoe natao hanazavana ny fitaran’izao rehetra izao akory ireo teny an’ohatra resahin’ny Baiboly ireo. Tsy mahavariana ve anefa ny hoe mifanaraka tsara amin’ny zavatra hitan’ny mpahay siansa ankehitriny ny fanazavan’ny Baiboly momba an’izao rehetra izao? Efa 300 taona mahery talohan’i Aristote no niainan’i Isaia. Efa an’arivony taona tatỳ aoriany koa ny mpahay siansa vao nahita ny marina. Tsy nila naverina nodinihina toy ilay hevitr’i Aristote, izay niangaliany fatratra, anefa ny zavatra nosoratan’io mpaminany hebreo nanetry tena io.

2. Inona no mihazona ny zavatra eny amin’ny lanitra?

Feno zavatra be dia be izao rehetra izao, araka ny hevitr’i Aristote. Eo ny planeta tany sy ny manodidina azy, izay ahitana singa efatra dia ny vovo-tany, rano, rivotra, ary afo. Feno bola kristaly kosa ny faritra hafa. Feno ranoka nantsoiny hoe etera, izay maharitra mandrakizay, ao amin’izy ireny. Miraikitra amin’ny bola tsy hita maso ny zavatra eny amin’ny lanitra. Efa hatramin’ny ela ny mpahay siansa maro no niombon-kevitra tamin’i Aristote, satria toa mifanaraka amin’izao hevitra lehibe izao ny heviny: Hianjera ny zavatra iray raha tsy afatotra amin’ny zavatra hafa na apetraka eo amboniny.

Inona kosa no lazain’ny Baiboly? Hoy i Joba momba an’i Jehovah: “Ahantony eo amin’ny tsy misy ny tany.” (Joba 26:7) Azo antoka fa hevitra adaladala izany tamin’i Aristote.

Mpahay siansa maro no nihevitra tamin’ny taonjato faha-17, izany hoe 3 000 taona teo ho eo taorian’i Joba, hoe feno zavatra izao rehetra izao saingy tsy bola kristaly fa ranoka. Nahita hevitra hafa tanteraka anefa Atoa Isaac Newton, mpahay fizika, tamin’ny faramparan’io taonjato io. Nilaza izy fa misy hery mahatonga ny zavatra eny amin’ny lanitra hifampisintona ka tsy hilatsaka. Kely sisa dia takany fa mitsingevana ny tany sy ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra, izany hoe mihantona amin’ny “tsy misy”, raha araka ny fijerin’olombelona.

Maro no nanohitra ny hevitr’i Newton. Mbola sarotra tamin’ny mpahay siansa maro ny nino hoe tsy misy zavatra azo tsapain-tanana mihazona ny kintana sy ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra. Ahoana, hono, no hetezan’ny hoe mitsingevana fotsiny ity tanintsika mavesatra be ity na ny zavatra eny amin’ny lanitra? Hafahafa izany tamin’ny olona sasany. Efa hatramin’ny andron’i Aristote ny mpahay siansa maro no nino fa feno zavatra izao rehetra izao.

Mazava ho azy fa tsy fantatr’i Joba hoe inona no mahatonga ny tany tsy hiovaova lalana rehefa manodidina ny masoandro. Inona àry no nahatonga azy hilaza fa mihantona “amin’ny tsy misy” ny tany?

Raha mihantona amin’ny tsy misy tokoa ny tany, inona no mampihetsika azy sy ireo zavatra hafa eny amin’ny lanitra? Mariho ireto tenin’Andriamanitra tamin’i Joba ireto: “Moa ve ianao mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha, na mahavaha ny tadin’ny antokon-kintana Kesila?” (Joba 38:31) Nahita an’ireo kintana ireo nipoitra sy nilentika i Joba, nandritra ny androm-piainany. * Nahoana anefa izy ireny no tsy niova mihitsy na dia taona maro atỳ aoriana aza? Inona no ‘tady’ mihazona azy ireny sy ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra? Azo antoka fa tena gaga i Joba rehefa nieritreritra an’izany.

Tsy misy ilana an’ireo ‘tady’ mihazona ny kintana, raha miraikitra amin’ny bola izy ireny. Efa an’arivony taona tatỳ aoriana ny mpahay siansa vao nahafantatra fa misy toy ny ‘tady’ tsy hita maso mihazona ny zava-drehetra eny amin’ny lanitra, rehefa mihetsika izy ireny. I Isaac Newton, ary tatỳ aoriana i Albert Einstein, no nahita an’izany, ka nanjary nalaza izy ireo. Mazava ho azy fa tsy fantatr’i Joba ny hery nampiasain’Andriamanitra mba hamatorana ny zavatra eny amin’ny lanitra. Voaporofo anefa hoe marina ireo teny ao amin’ny bokin’i Joba ireo, taona maro be tatỳ aoriana, fa tsy toy ny hevitr’i Aristote. Tsy misy afa-tsy Ilay nanao ny lalàna eny amin’ny lanitra ihany no manam-pahaizana be toy izany.

3. Maharitra mandrakizay sa mety simba?

Nino i Aristote fa tena samy hafa be mihitsy ny lanitra sy ny tany. Nilaza izy fa mety miova sy mihasimba ny tany, fa maharitra mandrakizay sady tsy miovaova kosa ny etera mahaforona ny lanitra feno kintana. Tsy mety miova mihitsy, hono, na lasa tonta na maty ireo bola kristaly sy ireo zavatra miraikitra aminy.

Izany ve no ampianarin’ny Baiboly? Hoy ny Salamo 102:25-27: “Efa hatramin’ny ela ianao no nametraka ny fototry ny tany, ary asan’ny tananao ny lanitra. Ho levona ireo fa ianao kosa haharitra, ary ho tonta toy ny akanjo ireo rehetra ireo. Hosoloanao toy ny fitafiana ireo, ka hifarana hatreo ny aminy. Fa ianao kosa tsy miova, ary ny taonanao tsy hisy farany.”

Mety ho 200 taona talohan’i Aristote no nanoratan’ny mpanao salamo an’io. Mariho fa tsy nilaza izy hoe mety simba ny tany fa maharitra mandrakizay kosa ny lanitra feno kintana. Samy nampifanoheriny tamin’ilay Andriamanitra mahery namorona ny zavaboary kosa ny tany sy ny lanitra. * Lazain’io salamo io fa mety simba toy ny zava-drehetra etỳ an-tany ny kintana. Inona kosa no hitan’ny mpahay siansa?

Hitan’ireo manam-pahaizana fa marina ny lazain’ny Baiboly sy Aristote hoe mety simba ny tany. Kaohin’ny riaka foana mantsy ny nofon-tany ka mihasimba. Tafaverina amin’ny laoniny foana koa anefa izy io, noho ny volkano na ny zavatra hafa mampihetsika ny tany.

Ary ny kintana? Mety simba araka ny lazain’ny Baiboly ve izy ireny sa maharitra mandrakizay araka ny tenin’i Aristote? Lasa nisalasala momba ilay hevitr’i Aristote ireo manam-pahaizana eoropeanina, rehefa nahita kintana nipoaka tamin’ny taonjato faha-16. Izay izy ireo vao nahita toy izany. Hitan’izy ireo fa mety ho faty ny kintana rehefa mipoaka, ary mety hahery vaika be ny fitrangan’izany. Mety ho faty tsikelikely koa izy ireny na hianjera ho azy. Hitan’izy ireo koa anefa fa nisy kintana vaovao niforona tao amin’ireo gazy matevina avy amin’ireo kintana nipoaka. Tena mety tsara àry ilay sarin-teny ampiasain’ny mpanoratra Baiboly hoe toy ny akanjo tonta ka soloana ny zavatra eny amin’ny lanitra. * Mahavariana tokoa ny hoe mifanaraka tsara amin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ankehitriny ny zavatra nosoratan’ilay mpanao salamo fahiny.

Mety mbola hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Milaza àry ve ny Baiboly fa tsy hisy intsony na tokony hosoloana ny tany sy ny lanitra feno kintana indray andro any?’ Tsia! Mampanantena ny Baiboly fa hisy foana izy ireny. (Salamo 104:5; 119:90) Tsy midika anefa izany hoe tsy mety simba mihitsy izy ireny. Ilay Andriamanitra namorona azy ireny kosa no mampanantena fa hampaharitra azy ireny. (Salamo 148:4-6) Tsy lazainy hoe ahoana no hanaovany an’izany. Izy anefa no nanao an’izao rehetra izao, ka azo antoka fa ho vitany izany. Tsy toy izany koa ve no ataon’ny mpanao trano tena mahay? Tsy hanao izay hampahateza ny trano nataony ho an’ny ankohonany ve izy?

Iza no tokony homena voninahitra sy haja?

Ho haintsika ny valin’izany raha mandinika ny sasantsasany amin’ireo lalàn’ny lanitra isika. Iza, ohatra, no nanao an’ireo kintana tsy hita isa mameno ny lanitra midadasika? Iza no mihazona azy ireny amin’ny alalan’ny hery misintona? Iza no mampaharitra azy ireny? Tsy talanjona ve isika rehefa misaintsaina an’izany?

Inona no mahatonga antsika ho talanjona? Mety hitovy amin’ity voalazan’ny Isaia 40:26 ity izany: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy.” Ampitovina amin’ny tafika misy miaramila be dia be ny kintana eo. Hikorontana izy ireo raha tsy misy mpitarika manome toromarika. Tsy hanaraka ny lalana tokony harahiny koa ny planeta sy ny kintana ary ny vahindanitra, raha tsy manome lalàna i Jehovah. Alao sary an-tsaina kosa ny tafika iray misy miaramila an’arivony tapitrisa. Manana Mpitarika izy ireo, ary tsy hoe manome toromarika momba izay tokony hatao fotsiny izy io, fa hainy tsianjery koa ny anaran’izy ireo, ny misy azy, ary ny manjo azy.

Hita amin’ireo lalàn’ny lanitra fa tsy manam-petra ny fahaizan’io Mpitarika io. Tena marina koa ny zavatra nasainy nosoratan’ireo mpanoratra Baiboly momba an’izao rehetra izao, nefa taona maro be tatỳ aoriana vao fantatry ny mpahay siansa izany. I Jehovah ihany no mahavita toy izany. Tena ara-dalàna àry raha izy no homena ‘voninahitra sy haja.’—Apokalypsy 4:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Milaza ny Baiboly fa boribory na bola ny tany, araka ny mety handikana ny teny hebreo. Nilaza i Aristote sy ny manam-pahaizana grika hafa fahiny fa boribory ny tany. Mbola nampiady hevitra anefa izany, an’arivony taona tatỳ aoriana.

^ feh. 13 Imbetsaka ny Baiboly no mampiasa an’io teny an’ohatra io.—Joba 9:8; Salamo 104:2; Isaia 42:5; 44:24; 51:13; Zakaria 12:1.

^ feh. 22 Mety ho ilay andian-kintana atao hoe Pléiades na “Ikotokelimiadilaona” (Fandikan-teny Protestanta) ilay hoe “antokon-kintana Kimaha.” Mety ho ilay andian-kintana atao hoe Orion na “Telonohorefy” (Prot.) kosa ilay “antokon-kintana Kesila.” An-taonany maro be anefa vao miova ny filaharan’ireo kintana ireo.

^ feh. 27 Nampiasa ny Zanany lahitokana, izay “mpiasa tena mahay”, i Jehovah rehefa namorona ny zava-drehetra. Mety ho azo ampiharina amin’io Zanany io koa àry ireo teny ireo.—Ohabolana 8:30, 31; Kolosianina 1:15-17; Hebreo 1:10.

^ feh. 29 Hitan’i William Thomson, mpahay siansa antsoina koa hoe Lord Kelvin, tamin’ny taonjato faha-19, ilay lalàna manazava hoe nahoana ny zavatra hita eo amin’ny natiora no mety hihalò sy hihasimba. Nandinika tsara ny Salamo 102:25-27 izy, ka izany no anisan’ny nahatonga azy hiaiky toy izany.

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

 Tena Nanan-kery Izy

Hoy ny boky Ny Filaharan’ireo Olona 100 Niavaka Indrindra teo Amin’ny Tantara (anglisy): “I Aristote no niavaka indrindra tamin’ireo filozofa sy mpahay siansa fahiny.” Nahoana io boky io no nilaza an’izany? Mpianatr’ilay filozofa grika nalaza atao hoe Platon i Aristote (384-322 T.K.), ary nampianatra an’ilay printsy lasa nantsoina hoe Aleksandra Lehibe izy tatỳ aoriana. Be dia be ny zavatra nosoratany, anisan’izany ny boky 170 eo ho eo, araka ny lisitr’ireo boky fahiny, ary ny 47 amin’ireo no mbola misy. Nanoratra betsaka momba ny kintana sy ny planeta izy, ny zavamananaina, ny fizika sy simia, ny biby, ny tany, ary ny fiasan’ny atidoha. Maro ny tsipiriany madinika nosoratany momba ny zavamananaina, kanefa efa taonjato maro tatỳ aoriana vao nahamarika azy ireny ny manam-pahaizana hafa. Hoy ilay boky Ny Filaharan’ireo Olona 100: “Tena nisy fiantraikany tamin’ny toe-tsain’ny Tandrefana tatỳ aoriana ny fomba fihevitr’i Aristote.” Hoy koa anefa izy io: “Lasa nanaja loatra an’i Aristote ny olona ... ka efa saika lasa fanompoan-tsampy izany.”

[Sary nahazoan-dalana]

Royal Astronomical Society / Photo Researchers, Inc.

Avy amin’ny boky A General History for Colleges and High Schools, 1900

[Sary, pejy 26, 27]

Ny hery misintona no mihazona ny zavatra eny amin’ny lanitra

[Sary nahazoan-dalana]

NASA and The Hubble Heritage Team (AURA/STScl)

[Sary, pejy 26, 27]

Antokon-kintana Pléiades

[Sary, pejy 28]

Mipoaka ny kintana sasany rehefa mandeha ny fotoana

[Sary nahazoan-dalana]

ESA/Hubble

[Sary, pejy 28]

Misy kintana vaovao miforona rehefa mipoaka ny kintana

[Sary nahazoan-dalana]

J. Hester and P. Scowen (AZ State Univ.), NASA

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

© Peter Arnold, Inc./Alamy