Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no niheveran’ny mpitondra fivavahana jiosy ny sarambabem-bahoaka tamin’ny andron’i Jesosy?

Tamin’ny taonjato voalohany, dia nambanin’ny olona ambony sy ny mpitondra fivavahana tany Israely ny olona zara raha nianatra na tsy nianatra mihitsy. Hoy ireo Fariseo: “Olom-boaozona ireo vahoaka tsy mahalala ny Lalàna ireo.”—Jaona 7:49.

Asehon’ny boky tsy ara-baiboly maro fa nanamavo an’ireo tsy nahita fianarana ny olona ambony ka niantso azy ireny hoe ʽam-haʼarets, na “olon’ny tany.” Teny manaja nilazana ny mponina tao amin’ny faritra iray voafaritra tsara izy io tany am-boalohany, ary niantsoana ny mahantra sy ny olona ambany ary ny olona ambony.—Genesisy 23:7; 2 Mpanjaka 23:35; Ezekiela 22:29, fanamarihana ambany pejy.

Tamin’ny andron’i Jesosy anefa izy io, dia natao hanambaniana ny olona noheverina ho tsy nahalala ny Lalàn’i Mosesy na tsy nahavita nankatò an’ireo tsipiriany rehetra tamin’ny lovantsofin’ny Raby. Milaza ny Mishnah (fanazavana natambatambatra izay nanaovana ny Talmoda) fa tsy azo atao ny matory ao an-tranon’ny ʽam-ha’arets. Araka ny rakipahalalana iray, dia hoy ny Raby Meir, manam-pahaizana tamin’ny taonjato faharoa: “Toy ny hoe mamatotra sy mametraka ny zanany vavy eo anoloan’ny liona izay mihamanatona handrapaka azy ny lehilahy iray, raha manome azy ho vadin’ny ʽam-ha’aretz.” Milaza koa ny Talmoda fa nisy raby niteny hoe: “Tsy hatsangana amin’ny maty ny olona tsy nahita fianarana.”

Inona no dikan’ilay anarana ao amin’ny Baiboly hoe Kaisara?

Kaisara no anaram-pianakavian’i Caius Julius Kaisara (Jules César), izay voatendry ho mpanjakan’i Roma, tamin’ny taona 46 T.K. Nifidy ny hantsoina hoe Kaisara koa ny mpanjaka romanina maro nifandimby tatỳ aoriana, anisan’izany ireo mpanjaka telo voalazan’ny Baiboly, dia i Aogosto sy Tiberio ary Klaodio.—Lioka 2:1; 3:1; Asan’ny Apostoly 11:28.

Lasa mpanjaka i Tiberio tamin’ny taona 14, ary izy no nitondra nandritra ny fotoana nanompoan’i Jesosy. Izy àry no Kaisara nanjaka tamin’i Jesosy nilaza toy izao, rehefa namaly an’ilay fanontaniana momba ny hetra: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17) Tsy i Tiberio ihany akory no tian’i Jesosy holazaina. Nanondro ny manam-pahefana na ny Fanjakana kosa ilay hoe “Kaisara.”

Nampiasa ny zony tamin’ny naha romanina azy ny apostoly Paoly tamin’ny taona 58 tany ho any, ka nampiakatra fitsarana tany amin’i Kaisara. Notandindomin-doza mantsy ny ainy satria tsy ara-drariny ny fomba nitsarana azy. (Asan’ny Apostoly 25:8-11) Tsy ny hotsarain’i Néron, mpanjaka tamin’izany, akory no nangatahiny fa ny hotsarain’ny fitsarana tampony tany Roma.

Lasa nisy ifandraisany be tamin’ny fitondrana ilay hoe Kaisara, ka na taorian’ny nitondran’ny mpanjaka farany avy tamin’ny tena fianakavian’i Kaisara aza, dia mbola io anarana io ihany no niantsoana ny mpanjaka.

[Sary, pejy 29]

Denaria volafotsy misy sarin’i Tiberio