Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaraka ny Fampitandreman’i Jehovah ve Ianao?

Manaraka ny Fampitandreman’i Jehovah ve Ianao?

Manaraka ny Fampitandreman’i Jehovah ve Ianao?

“Ity no lalana ka andehano.”—ISAIA 30:21.

1, 2. Tapa-kevitra ny hanao inona i Satana, ary manampy antsika hanao inona ny Tenin’Andriamanitra?

METY ho voafitaka na hidiran-doza ianao, raha manaraka izay voalazan’ny takela-by diso. Ahoana àry raha mampitandrina anao ny namanao hoe nisy olon-dratsy nanova ny soratra eo amin’ny takela-by iray, mba hamitahana izay tsy mailo? Tsy hanaraka ny fampitandremany ve ianao?

2 Toa an’io olon-dratsy io i Satana. Tapa-kevitra ny hamitaka antsika izy. (Apok. 12:9) Tiany hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana isika, ka ampirisihiny hanao an’ireo zava-dratsy voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. (Mat. 7:13, 14) Tsara fanahy anefa i Jehovah, ka mampitandrina antsika. Hodinihintsika izao ny fitaka telo hafa ataon’i Satana. Hojerentsika koa hoe ahoana no hanampian’ny Baiboly antsika mba tsy ho voafitany. Afaka maka sary an-tsaina isika hoe eo aoriantsika i Jehovah, ary miteny hoe: “Ity no lalana ka andehano.” (Isaia 30:21) Ho tapa-kevitra kokoa hanaraka izay lazainy isika, raha mandinika an’ireo fampitandremana mazava tsara omeny.

Aza manaraka an’ireo “mpampianatra sandoka”

3, 4. a) Nahoana ny mpampianatra sandoka no toy ny lavadrano tsy misy rano? b) Avy aiza matetika no ipoiran’ny mpampianatra sandoka, ary inona no tanjon’izy ireo?

3 Eritrereto hoe mamakivaky tany karakaina ianao, ary mangetaheta be. Tazanao hoe misy lavadrano tsy lavitra eo, ka mankeny ianao. Diso fanantenana anefa ianao, satria hay tsy misy rano ilay izy! Toa an’io lavadrano io koa ny mpampianatra sandoka. Ho diso fanantenana izay miantehitra amin’izy ireny, satria tsy manana ny ranon’ny fahamarinana izy ireny. Nampiasa ny apostoly Paoly sy ny apostoly Petera i Jehovah, mba hampitandrina antsika momba azy ireny. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:1-3.) Iza àry ireo mpampianatra sandoka? Avy aiza izy ireo ary ahoana no amitahany ny olona?

4 Hoy i Paoly tamin’ireo anti-panahy tao Efesosy: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny.” Nilaza tamin’ny Kristianina hafa koa i Petera hoe: ‘Hisy mpampianatra sandoka eo aminareo.’ Midika izany fa avy eo anivon’ny fiangonana ihany matetika ny mpampianatra sandoka. Olona nivadi-pinoana ny mpampianatra sandoka avy eo anivon’ny fiangonana. * Tsy vitan’ny hoe niala tamin’ny fandaminana izy ireo. Nilaza i Paoly fa te ‘hitaona ny mpianatra hanaraka azy’ koa izy ireny. Iza no tian’i Paoly horesahina amin’ny hoe “mpianatra”? Ny mpianatr’i Kristy. Ny mpianatra eo anivon’ny fiangonana àry no taomin’ireo mpivadi-pinoana, fa tsy ny olon-kafa any ivelany. Toy ny “amboadia mpiremby” mitady ondry harapaka izy ireo. Te handrava ny finoan’ireo Kristianina tsy mailo izy ireo, ka hitarika azy ireny hiala amin’ny fahamarinana.—Mat. 7:15; 2 Tim. 2:18.

5. Ahoana no fomba amitahan’ny mpampianatra sandoka ny olona?

5 Ahoana no fomba amitahan’ny mpampianatra sandoka? Tena fetsy izy ireo. ‘Mampiditra mangingina’ ny heviny eo anivon’ny fiangonana izy ireo, toy ny olona mampiditra entana an-tsokosoko ao amin’ny tany iray. Mampiasa “teny mamitaka” koa izy ireo. Diniho ny ataon’ny mpanao hosoka. Manamboatra taratasy hosoka izy ireo ary ataony toy ny tena izy ilay izy. Toy izany no ataon’ny mpampianatra sandoka. Milaza zavatra toa marina izy ireo mba hahatonga ny hevi-disony ho toy ny tena marina. Mampiely “fampianarana mamitaka” koa ny mpampianatra sandoka, sady ‘manolana ny Soratra Masina’ mba hahatonga ny olona hino ny hevi-disony. (2 Pet. 2:1, 3, 13; 3:16) Tsy mitady izay hahasoa antsika àry ny mpivadi-pinoana. Hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana isika, raha manaraka azy ireo.

6. Inona no torohevitra mazava tsara omen’ny Baiboly momba ny mpampianatra sandoka?

6 Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny mpampianatra sandoka? Hoy ny Baiboly: “Halaviro ireny.” (Vakio ny Romanina 16:17; 2 Jaona 9-11.) Toy izao no andikana izany ao amin’ny Baiboly hafa: ‘Mialà aminy’, “aza manatonatona azy.” Eritrereto hoe misy olona iray voan’ny areti-mifindra mahafaty. Milaza aminao ny dokotera hoe: ‘Aza manatonatona an’io olona io.’ Azo inoana fa ho azonao ny tiany holazaina, ka hanaraka ny teniny ianao. Toy ny olona voan’ny areti-mifindra mahafaty ny mpivadi-pinoana. Tiany hafindra amintsika anefa ny toe-tsaina ratsiny, ka mampiasa ny zavatra ampianariny izy mba hanatanterahana izany. (1 Tim. 6:3, 4) Mampitandrina antsika àry i Jehovah, ilay Dokotera Lehibe, mba hanalavitra azy ireny. Tapa-kevitra ny hanaraka ny fampitandremany ve ianao?

7, 8. a) Inona no tokony hataontsika mba hanalavirana ny mpampianatra sandoka? b) Nahoana ianao no tapa-kevitra ny hanalavitra an’ireo mpampianatra sandoka?

7 Inona no tokony hataontsika mba hanalavirana ny mpampianatra sandoka? Tsy mampiditra azy ireny ao an-trano, tsy miresaka aminy, tsy mamaky ny bokiny, ary tsy mijery ny fandaharany ao amin’ny tele. Tsy mamaky na mamaly ny zavatra soratan’izy ireo amin’ny Internet koa isika. Nahoana isika no hentitra be toy izany? Satria tia an’ilay “Andriamanitry ny fahamarinana” isika, ka tsy te hihaino fampianarana manohitra ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. (Sal. 31:5; Jaona 17:17) Tiantsika koa ny fandaminan’i Jehovah. Izy io no nampianatra antsika ny marina, izay tena sarobidy tokoa. Nampianariny antsika, ohatra, hoe iza no anaran’Andriamanitra ary inona no dikan’ny anarany, inona no fikasany momba ny tany, ary manao ahoana ny olona rehefa maty. Nampahafantariny koa hoe mbola hatsangana ny maty. Azo antoka fa faly be ianao tamin’ny ianao vao nahalala an’ireo sy ny fampianarana hafa. Aza avela hanimba ny toe-tsainao àry ny olona manambany ny fandaminana, dia ilay fandaminana nampianatra anao an’ireo fampianarana sarobidy ireo.—Jaona 6:66-69.

8 Tsy hanaraka ny mpampianatra sandoka isika, na inona na inona lazain’izy ireny! Lavadrano tsy misy rano izy ireny, ka ho diso fanantenana isika raha miantehitra aminy. Tapa-kevitra isika fa tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Mbola tsy nandiso fanantenana antsika ny fandaminana. Nampianatra antsika ny marina avy ao amin’ny Baiboly foana izy io, ka toy ny hoe manome antsika rano madio sy manala hetaheta.—Isaia 55:1-3; Mat. 24:45-47.

Aza mihaino “tantara tsy marina”

9, 10. Inona no nolazain’i Paoly tamin’i Timoty momba ny “tantara tsy marina”? Inona no mety ho tao an-tsain’i Paoly rehefa niresaka momba ny “tantara tsy marina”? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

9 Mora hita indraindray hoe nisy nanova ny soratra eo amin’ny takela-by iray manondro lalana. Mety tsy ho mora hita koa anefa ilay izy. Toy izany ny fitak’i Satana. Anisan’ny fitaka tsy dia miharihary ampiasainy ny “tantara tsy marina.” Izany no nahatonga an’i Paoly hampitandrina momba azy io. (Vakio ny 1 Timoty 1:3, 4.) Inona àry no atao hoe “tantara tsy marina”, ary inona no hanampy antsika tsy hihaino azy ireny? Hanampy antsika ny valin’izany mba tsy hiala amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana.

10 Nampitandrina momba ny “tantara tsy marina” i Paoly, ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty, anti-panahy kristianina. Nasainy hiaro ny fahadiovan’ny fiangonana i Timoty tamin’izay, ary hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy mba tsy hivadika. (1 Tim. 1:18, 19) Midika hoe “lainga” na “angano” ilay teny grika nadika hoe “tantara tsy marina.” Milaza ny rakipahalalana iray hoe ‘tantara ara-pivavahana tsy misy ifandraisany amin’ny tena zava-misy’ izy io. Niteraka lainga ara-pivavahana maro ireo angano na tantara mampitolagaga fahiny, ary mety ho izany no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy niresaka hoe “tantara tsy marina.” * Nilaza izy fa “miteraka fanontaniana ilana fikarohana” ireny tantara ireny. Lasa miteraka fanontaniana tsy misy dikany izy ireny, ka mahatonga ny olona hanadihady momba ny zavatra tsy marina akory. Tetika ampiasain’i Satana ny tantara tsy marina. Mampiasa tantara noforomporonina sy lainga ara-pivavahana izy mba hanadinoan’ny olona hoe inona no tena zava-dehibe. Mazava àry ny torohevitr’i Paoly: Aza mihaino tantara tsy marina!

11. Ahoana no ampiasan’i Satana ny fivavahan-diso mba hamitahana ny olona, ary inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaka?

11 Inona, ohatra, ny tantara tsy marina mety hamitaka an’izay tsy mailo? Izay fampianarana ara-pivavahana mety hahatonga antsika “tsy hihaino ny fahamarinana.” (2 Tim. 4:3, 4) Tena fetsy i Satana, ka mampiasa ny fivavahan-diso mba hamitahana ny olona. Miseho ho toy ny “anjelin’ny mazava” izy amin’izany. (2 Kor. 11:14) Milaza ho manara-dia an’i Kristy, ohatra, ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, nefa mampianatra zavatra diso, toy ny Andriamanitra telo izay iray, ny afobe mirehitra, ary ny fanahy tsy mety maty. Mampirisika ny olona hankalaza fety toy ny Krismasy sy ny Paka koa izy ireo. Avy aiza anefa ny fanao amin’ireny fety ireny? Avy amin’ny fanompoan-tsampy. Inona àry no tokony hataontsika? Mila manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra isika, ka misaraka amin’ny fivavahan-diso ary ‘tsy mikasika intsony izay maloto.’—2 Kor. 6:14-17.

12, 13. a) Inona ny lainga sasany aelin’i Satana, ary inona no tena marina mahakasika azy ireny? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voafitaky ny tantara tsy marina aelin’i Satana?

12 Misy lainga hafa koa aelin’i Satana, ary ho voafitaka isika raha tsy mitandrina. Anisan’izany ny hoe afaka manao izay tianao ianao. Ianao ihany no mamaritra izay tsara sy ratsy aminao. Averimberina ao amin’ny tele, filma, boky, gazety, ary Internet izany hevitra izany, ka mety hanaraka an’ilay izy isika. Mety tsy hiraharaha ny fitsipik’i Jehovah intsony isika amin’ny farany. Raha ny marina anefa, dia tena mila an’Andriamanitra isika hilaza amintsika izay tsara sy ratsy. (Jer. 10:23) Aelin’i Satana koa hoe tsy hanova na inona na inona eto an-tany Andriamanitra. Mino izany ny olona, ka tsy miraharaha ny hoavy ary tsy miezaka mampifaly an’Andriamanitra. Mety hanjary hieritreritra toa azy ireo isika, ka “hipetra-potsiny na tsy hahavokatra” eo amin’ny fanompoana. (2 Pet. 1:8) Efa tena akaiky anefa ny andron’i Jehovah, raha ny marina. Mila asehontsika amin’ny fomba fiainantsika fa mino izany isika. (Mat. 24:44) Tian’i Satana hieritreritra koa ianao hoe tsy miraharaha anao Andriamanitra. Mety tsy hanompo an’i Jehovah intsony isika raha mino an’izany. Mety hihevi-tena ho tsy mendrika mantsy isika, ka hino hoe tsy ho tia antsika mihitsy Andriamanitra. Tian’i Jehovah anefa ny mpanompony tsirairay sady sarobidy aminy.—Mat. 10:29-31.

13 Mila mitandrina foana isika, mba tsy hitovy fisainana amin’ny olona eo amin’ny tontolon’i Satana. Hoatran’ny marina mantsy indraindray ny zavatra lazain’izy ireny sy eritreretiny. Tadidio anefa fa mpamitaka gaigilahy i Satana. Mila manaraka ny fampitandreman’ny Baiboly isika, raha tsy te ho voafitany amin’ny “tantara tsy marina noforonina tamin-kafetsena.”—2 Pet. 1:16.

Aza ‘manaraka an’i Satana’

14. Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ny vehivavy sasany, ary nahoana isika rehetra no mila manaraka izany fampitandremana izany?

14 Iza amintsika no handeha amin’ny lalana misy soratra hoe: “Ity no lalana raha hanaraka an’i Satana”? Mazava ho azy fa tsy misy! Nampitandrina anefa i Paoly hoe misy zavatra maromaro mety hahatonga ny Kristianina ‘hivily hanaraka an’i Satana.’ (Vakio ny 1 Timoty 5:11-15.) “Ny vehivavy mpitondratena tanora” tamin’izany, no tena voakasika tao amin’ilay tenin’i Paoly, kanefa azontsika ampiharina ny toro lalana nomeny. Tsy nieritreritra ireo vehivavy ireo hoe nanaraka an’i Satana, nefa hita tamin’ny zavatra nataony fa tena nanaraka azy izy ireo. Inona àry no tokony hataontsika mba tsy hahatonga antsika hanaraka tsy nahy an’i Satana? Mila manaraka ny fampitandreman’i Paoly isika ka hitandrina amin’ny resaka ataontsika.

15. Inona no tanjon’i Satana, ary inona no tetika ampiasainy mba hanatratrarana izany?

15 Tian’i Satana raha tsy mitory ny vaovao tsara intsony isika, ka tsy miresaka momba izay inoantsika. (Apok. 12:17) Ataony àry izay handaniantsika fotoana amin’ny zavatra tsy misy dikany sy mampisaratsaraka. Manampy antsika hamantatra ny tetika ampiasainy ny tenin’i Paoly. Nilaza i Paoly fa “tsy manao na inona na inona” ny vehivavy sasany, “ka mitety tranon’olona.” Lany andro nitsidika ny namany sy niresaka zavatra tsy misy dikany izy ireo. Mila mitandrina isika satria mety hanao toy izany. Mety handany ny fotoanantsika sy ny fotoanan’ny olon-kafa isika, raha mandefa hafatra tsy dia ilaina sady mety ho tsy marina, na amin’ny telefaonina izany na amin’ny Internet. Nilaza koa i Paoly hoe “mpifosafosa” ireo vehivavy ireo. Rehefa mifosa ny olona, dia mety hanendrikendrika amin’ny farany. Mampifanditra anefa matetika ny fanendrikendrehana. (Ohab. 26:20) Mitovy amin’i Satana Devoly ny olona manendrikendrika, na fantatr’izy ireo izany na tsia. * Nilaza koa i Paoly hoe “mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona” ireo vehivavy ireo. Tsy misy manana zo hibaiko ny hafa amin’izay fomba tokony hitondrany ny fiainany anefa isika. Raha manao an’ireo zava-dratsy telo ireo isika, dia mety tsy hahavita ny asa nasain’Andriamanitra nataontsika, dia ny fitoriana. Raha tsy mitory intsony anefa isika, dia manaraka an’i Satana. Ary raha manaraka an’i Satana isika, dia manohitra an’i Jehovah. Tsy maintsy mifidy isika: Na i Jehovah, na i Satana.—Mat. 12:30.

16. Inona ny torohevitra tokony harahintsika, raha tsy te ‘hivily hanaraka an’i Satana’ isika?

16 Tsy ‘hivily hanaraka an’i Satana’ isika, raha mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Paoly hoe: ‘Aoka ianareo ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.’ (1 Kor. 15:58) Tsy hipetra-potsiny isika, raha be atao amin’ny asan’ilay Fanjakana. Tsy ho lany fotoana amin’ny zavatra tsy misy dikany koa isika. (Mat. 6:33) Nampirisika antsika koa izy mba hilaza “teny tsara ho fampaherezana.” (Efes. 4:29) Tokony ho tapa-kevitra isika mba tsy hihaino fosafosa sy hampiely izany. * Mila miezaka kosa isika mba hatoky sy hanaja an’ireo mpiray finoana amintsika. Hanampy antsika izany mba hilaza teny mampahery fa tsy mahakivy. Nilaza koa i Paoly fa tokony ‘hataontsika tanjona ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.’ (1 Tes. 4:11) Tena tsara ny miahy ny hafa, nefa ilaina ny manaja azy. Tadidio fa mety tsy ho tian’ny olona ho fantatry ny hafa na horesadresahina ny zavatra sasany momba ny fiainany. Tadidio koa fa tsy tokony hoterentsika hanaraka ny hevitsika ny olona, rehefa anjarany ny manapa-kevitra.—Gal. 6:5.

17. a) Nahoana i Jehovah no mampitandrina antsika? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

17 Misaotra an’i Jehovah Andriamanitra isika, noho izy milaza mazava tsara amintsika izay tsy tokony hataontsika! Aza hadinoina mihitsy fa tena tia antsika i Jehovah, matoa manome an’ireo fampitandremana rehetra hitantsika tato sy tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Tsy tiany ho voafitak’i Satana isika ka hijaly. Tery ny lalana tian’i Jehovah handehanantsika, nefa io ihany ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Mat. 7:14) Koa enga anie isika ho tapa-kevitra ny hanaraka foana ny tenin’i Jehovah hoe: “Ity no lalana ka andehano.”—Isaia 30:21.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny hoe “mivadi-pinoana” dia midika hoe mikomy ary miala amin’ny fivavahana marina.

^ feh. 10 Anisan’ny tantara tsy marina nisy tamin’ny andron’i Paoly ny bokin’i Tobia, izay eritreretin’ny olona sasany hoe anisan’ny Baiboly. Nosoratana tamin’ny taonjato fahatelo T.K. tany ho any izy io. Feno finoanoam-poana sy tantara momba ny mazia sy famosaviana ao amin’izy io. Tantara tsy mampino ilay izy, nefa lazaina hoe marina.—Jereo ny Tilikambo 1 Aprily 1994, pejy 29.

^ feh. 15 Antsoina koa hoe Devoly i Satana. Diabôlôs no teny grika ilazana ny hoe “devoly”, ary midika hoe “mpanendrikendrika” izy io. Izy no mpanendrikendrika voalohany.—Jaona 8:44; Apok. 12:9, 10.

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no hampiharanao ny fampitandremana ao amin’ny:

2 Petera 2:1-3?

1 Timoty 1:3, 4?

1 Timoty 5:11-15?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 19]

 Naparitany teny Amin’ny Rivotra Ireo Volom-borona

Misy tantara jiosy iray ity mampiseho ny vokatry ny fifosana.

Nisy lehilahy iray nandehandeha eran’ny tanàna, nanendrikendrika ny lehilahy hendry indrindra tao. Tonga saina anefa izy hoe tsy nety ny nataony, ka nandeha nangata-pamelana tamin’ilay lehilahy izy. Nilaza izy fa vonona hanao izay rehetra tokony hatao, mba hanonerana ny fahadisoany. Izao no navalin’ilay lehilahy azy: “Makà ondana nosesefana volom-borona, dia sokafy ilay izy, ary aparitaho eny amin’ny rivotra ireo volom-borona.” Gaga ilay lehilahy, nefa nataony ihany ilay izy. Nankany amin’ilay lehilahy izy avy eo, ary nilaza hoe:

“Mamela ahy amin’izay ve ianao?”

“Mandehana aloha angony daholo ireo volom-borona naparitakao”, hoy ilay lehilahy hendry taminy.

“Ahoana no hanaovako an’izany? Efa lasan’ny rivotra ange ilay izy e!”

“Hoatr’izay koa ny lainga rehetra efa naparitakao!”, hoy ilay lehilahy hendry taminy. “Sarotra be ny manao izay hanadinoan’ny olona azy.”

Mazava ny lesona raisintsika avy amin’izany. Tsy azontsika ovana intsony izay teny efa voalazantsika. Mety tsy ho vitantsika koa ny hanafoana ny alahelo naterak’izany. Isaky ny te hifosa àry ianao, dia mila mitadidy fa hanaparitaka volom-borona eny amin’ny rivotra ianao.

[Sary, pejy 16]

Ahoana no mety hahatonga antsika hampiditra mpivadi-pinoana ao an-trano?