Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Tia Fihavanana i Jehovah

Andriamanitra Tia Fihavanana i Jehovah

Andriamanitra Tia Fihavanana i Jehovah

‘Tia fihavanana ny fahendrena avy any ambony.’ —JAK. 3:17.

1, 2. Inona no olana natrehin’i Jakoba, ary ahoana no niafaran’ilay izy?

REN’I Esao fa hody any an-tanindrazany i Jakoba rahalahiny. Nandeha nitsena an’i Jakoba àry izy sy ny lehilahy 400. Any akaikin’i Penoela ry zareo no hihaona, tsy lavitra ny lohasahan’i Jaboka, any atsinanan’ny reniranon’i Jordana. Natahotra i Jakoba hoe mbola tezitra aminy i Esao, ka hamono azy. Namidin’i Esao taminy mantsy ny zony hahazo tsodrano, 20 taona talohan’izay, nefa nanenina izy avy eo ary sosotra tamin’i Jakoba. Naniraka mpanompo maromaro àry i Jakoba hitondra fanomezana ho an’i Esao. Nasainy nandeha tsirairay izy ireo, ary nasainy niteny hoe avy aminy ireo fanomezana. Biby 550 mahery no nomeny an’i Esao.

2 Nihaona amin’izay àry izy mirahalahy. Tonga dia nanatona an’i Esao i Jakoba, ary niankohoka impito be izao teo anatrehany. Mbola nisy zava-dehibe lavitra noho izany anefa nataony talohan’izay. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hiaro azy amin’i Esao. Namaly ny vavaka nataony ve i Jehovah? Izany tokoa. “Nihazakazaka nitsena azy i Esao, ka namihina azy sady nanankina ny lohany teo amin’ny vozony, ary nanoroka azy.”—Gen. 32:11-20; 33:1-4.

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Esao sy Jakoba?

3 Hitantsika avy amin’io tantara io fa tokony hiezaka mafy isika handamina ny olana misy eo amintsika sy ny mpiara-manompo amintsika. Mety tsy hiray saina intsony mantsy ny fiangonana, raha tsy izany. Nataon’i Jakoba izay hihavanana tamin’i Esao, na dia tsy izy aza no diso. I Esao mantsy no nanao tsinontsinona ny zony hahazo tsodrano, ka nanakalo izany tamin’ny sakafo indray mihinana. (Gen. 25:31-34; Heb. 12:16) Tokony hanao izay rehetra azontsika atao àry isika, mba hihavanana foana amin’ny rahalahy sy anabavintsika. Hitantsika avy amin’io tantara io koa fa manampy antsika amin’izany i Jehovah, rehefa mivavaka aminy isika. Andeha isika handinika tantara hafa ao amin’ny Baiboly azontsika andraisana lesona.

Ilay modely tsara indrindra

4. Inona no nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olona?

4 Tena tia fihavanana i Jehovah, ka izy no modely tsara indrindra ho antsika. (Jak. 3:17) Eritrereto ange izay nataony mba hihavanantsika aminy e! Mpanota isika satria taranak’i Adama sy Eva, ka mendrika ny ho faty. (Rom. 6:23) Tena tia antsika anefa i Jehovah, ka naniraka ny Zanany malalany tetỳ an-tany, mba hamonjy antsika. Nanaiky izany an-tsitrapo i Jesosy. Nanaiky hovonoin’ny fahavalon’Andriamanitra izy. (Jaona 10:17, 18) Natsangana tamin’ny maty izy taorian’izay. Niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy avy eo, ka nampiseho fa efa avy nanolotra ny ainy lavorary ho sorona. Inona no soa entin’io sorona io? Tsy ho ringana izay olona tena mibebaka fa ho voavonjy.Vakio ny  Hebreo 9:14, 24.

5, 6. Inona no vokatry ny sorona nataon’i Jesosy?

5 Lasa fahavalon’Andriamanitra ny olombelona rehefa nanota. Noho ny soron’i Jesosy anefa, dia afaka mihavana aminy indray izay mankatò. Hoy ny Isaia 53:5 momba an’i Jesosy: “Nihatra taminy ilay sazy nahazoanay fihavanana, ary ny ratrany no nahazoanay fanasitranana.” Hoy koa ny Efesianina 1:7: ‘Izy no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika.’

6 Milaza ny Baiboly hoe ‘sitrak’Andriamanitra hitoetra ao amin’i Jesosy ny fahafenoana rehetra.’ Midika izany fa i Jesosy no ampiasain’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Inona izany fikasany izany? Ny hampihavana aminy indray ny zavatra any an-danitra sy ny etỳ an-tany, amin’ny alalan’ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy.Vakio ny  Kolosianina 1:19, 20.

7. Iza ireo ‘zavatra any an-danitra’, ary iza ireo ‘zavatra etỳ an-tany’?

7 ‘Ambara ho marina’ ny Kristianina voahosotra, noho ny soron’i Jesosy, ka ‘mihavana amin’Andriamanitra’ sady lasa zanany. (Vakio ny Romanina 5:1.) Izy ireo no ‘zavatra any an-danitra’, satria manantena ho any an-danitra, mba ho mpisorona sy ho “mpanjaka hitondra ny tany.” (Apok. 5:10) Iza kosa ireo ‘zavatra etỳ an-tany’? Izay olona mibebaka ka hiaina mandrakizay eto an-tany.—Sal. 37:29.

8. Nahoana ianao no mila mitadidy izay nataon’i Jehovah, rehefa manana olana amin’ny mpiara-manompo?

8 Tena nankasitraka ny soron’i Jesosy i Paoly, ka nanoratra tamin’ny Kristianina voahosotra tao Efesosy hoe: ‘Manankarena famindram-po Andriamanitra, ary namelona antsika niaraka tamin’i Kristy, na dia fony mbola maty tao amin’ny helotsika aza isika. Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no namonjena anareo.’ (Efes. 2:4, 5) Tena misaotra an’i Jehovah isika rehetra, na voahosotra na hiaina eto an-tany. Mamindra fo sy tena tsara fanahy amintsika mantsy izy. Ankasitrahantsika izay rehetra nataony mba hihavanantsika aminy. Tokony hitadidy izay nataony isika, rehefa manana olana amin’ny mpiara-manompo. Hanampy antsika hihavana amin’ilay olona izany, ka hiray saina foana ny fiangonana.

Modely ho antsika i Abrahama sy Isaka

9, 10. Inona no porofo fa tena tia fihavanana i Abrahama?

9 Hoy ny Baiboly: “ ‘I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina izy.’ Koa nantsoina hoe ‘naman’i Jehovah’ izy.” (Jak. 2:23) Ahoana no nampisehoan’i Abrahama hoe nino an’i Jehovah izy? Niezaka foana izy nihavana tamin’ny olona. Nifanditra, ohatra, ny mpiandry ny biby fiompiny sy ny an’i Lota zana-drahalahiny. (Gen. 12:5; 13:7) Nihamaro mantsy ny biby fiompin’i Abrahama. Nanapa-kevitra àry izy sy Lota hoe aleo misaraka. Ahoana no nataon’i Abrahama? Marina fa zokin’i Lota izy sady naman’Andriamanitra, nefa tsy nibaikobaiko hoe aiza i Lota no tokony hifindra. Hita tamin’izany fa tena tia fihavanana izy.

10 Hoy i Abrahama tamin’i Lota: “Aoka re mba tsy hisy fifandirana intsony eo amintsika, sy eo amin’ny mpiandry ny biby fiompiko sy ny anao, fa mpirahalahy isika. Tsy eo anoloanao angaha moa ny tany rehetra ka azonao aleha? Aoka re mba hisaraka amiko ianao. Raha miankavia ianao, izaho hiankavanana. Fa raha miankavanana kosa ianao, izaho hiankavia.” Nifidy ny faritra lonaka indrindra i Lota, nefa tsy tezitra taminy i Abrahama. (Gen. 13:8-11) Mbola novonjeny aza i Lota tatỳ aoriana, rehefa nisy naka ho babo.—Gen. 14:14-16.

11. Inona no nataon’i Abrahama mba hihavanana foana tamin’ny Filistinina?

11 Niezaka foana koa i Abrahama hihavana tamin’ireo Filistinina niara-nonina taminy, tao Kanana. Marina fa olona tena nahay niady izy. Mpanjaka efatra no indray nambabo an’i Lota, nefa resiny! Nangina fotsiny anefa izy rehefa nalain’ny Filistinina sasany “an-keriny” ny lavadrano iray nolavahan’ny mpanompony tao Beri-sheba. Tonga hanao fifanekem-pihavanana taminy ny mpanjakan’ny Filistinina tatỳ aoriana. Nasainy nianiana i Abrahama fa ho tsara fanahy amin’ny taranany. Taorian’izay i Abrahama vao nitaraina taminy momba ilay lavadrano. Taitra be ilay mpanjaka nahare izany, ka naveriny ilay lavadrano. Tsy nisy olana intsony teo amin’i Abrahama sy ny mpiara-monina taminy taorian’izay, na dia vahiny aza izy.—Gen. 21:22-31, 34.

12, 13. a) Inona no porofo hoe tia fihavanana hoatran’ny rainy i Isaka? b) Inona no valisoa nomen’i Jehovah an’i Isaka?

12 Tia fihavanana hoatran’i Abrahama rainy koa i Isaka. Niezaka foana izy mba hifandray tsara tamin’ny Filistinina. Nipetraka tany Bera-lahai-roy, any Negeba, izy sy ny fianakaviany tamin’izany. Maina be sady nisy mosary anefa tany ka nifindra tany amin’ny tanin’ny Filistinina, any Gerara, izy ireo satria lonaka io faritra io. Nataon’i Jehovah namokatra be ny tanin’i Isaka sady lasa be dia be ny biby fiompiny. Nialona azy àry ny Filistinina. Nototofan’izy ireo ny lavadranony, satria tsy tiany hanan-karena i Isaka. Noroahin’ny mpanjakan’ny Filistinina i Isaka avy eo, ary nanaiky satria tsy te hiady.—Gen. 24:62; 26:1, 12-17.

13 Nifindra lavidavitra izy, ary nandavaka lavadrano hafa ny mpanompony. Nolazain’ireo mpiandry ondrin’ny Filistinina anefa hoe an-dry zareo ilay izy. Tsy te hiady i Isaka, toa an’i Abrahama ihany, ka nasainy nandavaka lavadrano hafa fotsiny ny mpanompony. Mbola nolazain’ny Filistinina hoe an-dry zareo ihany ilay izy. Nifindra indray àry i Isaka sy ny fianakaviany niaraka tamin’ny fananany rehetra. Nandavaka lavadrano hafa ny mpanompony, ary nataon’i Isaka hoe Rehobota ny anaran’ilay izy. Nankany amin’ny faritra lonaka kokoa tany Beri-sheba izy tatỳ aoriana. Notahin’i Jehovah izy ary nilazany hoe: “Aza matahotra, fa momba anao aho. Ary hitahy anao aho ka hataoko maro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.”—Gen. 26:17-25.

14. Inona no porofo fa nitandro fihavanana i Isaka, rehefa tonga tao aminy ny mpanjakan’ny Filistinina?

14 Nanana zo hampiasa an’ireo lavadrano nohadin’ny mpanompony i Isaka. Resiny koa ny Filistinina raha notafihiny. Notahin’i Jehovah mantsy izy tamin’izay rehetra nataony. Nahafantatra an’izany rahateo ilay mpanjakan’ny Filistinina, satria nilaza hoe: “Hitanay tokoa fa momba anao i Jehovah.” Naleon’i Isaka anefa nandefitra, ary nifindra toerana imbetsaka. Mbola tsy nila ady koa izy, rehefa tonga hanao fifanekem-pihavanana taminy ilay mpanjaka. Hoy ny Baiboly: ‘Nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ary nihinana sy nisotro ireo. Ary nifoha maraina izy ireo ny ampitso, ka nianiana tamin’ny andaniny ny ankilany. Taorian’izay, dia nalefan’i Isaka izy ireo ka lasa soa aman-tsara.’—Gen. 26:26-31.

Modely ho antsika koa i Josefa

15. Nahoana ny rahalahin’i Josefa no nasiaka taminy?

15 “Lehilahy tsy nanan-tsiny” i Jakoba, zanak’i Isaka. (Gen. 25:27) Efa hitantsika fa niezaka nihavana tamin’i Esao rahalahiny izy. Azo antoka fa nanahaka an’i Isaka izy. Ary ahoana ireo zanany 12 lahy? I Josefa no tian’i Jakoba indrindra. Nankatò sy nanaja azy i Josefa, ary tena natokisany. (Gen. 37:2, 14) Nialona an’i Josefa anefa ny rahalahiny ka nasiaka taminy. Lasa nankahala azy mihitsy izy ireo, ka nivarotra azy ho andevo. Nofitahin-dry zareo ny rainy avy eo hoe matin’ny bibidia i Josefa.—Gen. 37:4, 28, 31-33.

16, 17. Inona no nataon’i Josefa mba hihavanana tamin’ny rahalahiny?

16 Nampian’i Jehovah i Josefa, ka lasa praiminisitra tany Ejipta. Izy no manam-pahefana ambony indrindra nanarakaraka an’i Farao. Tonga tany ny rahalahiny rehefa nisy mosary nefa tsy nahafantatra azy, angamba noho izy nanao akanjo ejipsianina. (Gen. 42:5-7) Azony natao tsara àry ny namaly faty, satria nampijaly azy sy ny rainy ireo rahalahiny ireo. Tsy nanao izany anefa izy, fa niezaka nihavana tamin’izy ireo. Rehefa hitany hoe tena nanenina izy ireo, dia nolazainy hoe izy no Josefa. Hoy izy avy eo: ‘Aza malahelo, ary aza tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo. Ary nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo amin’ny vozon’izy ireo.’—Gen. 45:1, 5, 15.

17 Natahotra ny rahalahiny hoe hamaly faty i Josefa, taorian’ny nahafatesan’i Jakoba. Noresahin-dry zareo tamin’i Josefa izany, ka “tsy nahatana ny ranomasony” i Josefa, sady nilaza hoe: “Aza matahotra, fa izaho no hamatsy sakafo anareo sy ny zanakareo madinika.” Mbola “nampionona sy nanome toky azy ireo” koa izy. Tena tia fihavanana i Josefa!—Gen. 50:15-21.

“Nosoratana ho fianarantsika”

18, 19. a) Inona no ianarantsika avy amin’i Jehovah sy ireo olona tia fihavanana noresahintsika tato? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hoy i Paoly: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Rom. 15:4) Inona no ianarantsika avy amin’ny modely tsara indrindra navelan’i Jehovah sy ny tantaran’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa?

19 Hiezaka mafy hihavana amin’ny hafa isika, raha misaintsaina izay rehetra nataon’i Jehovah mba hihavanantsika aminy. Hitantsika tamin’ny tantaran’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa kosa fa misy vokany tsara eo amin’ny ankizy ny modely omen’ny ray aman-dreny. Ampian’i Jehovah koa ny olona miezaka hihavana amin’ny hafa. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly fa “tia fihavanana” ilay Raintsika any an-danitra. (Vakio ny Jakoba 3:17.) Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe nahoana isika no tena mila mitandro fihavanana, ary ahoana no hanaovantsika izany.

Inona no Nianaranao?

• Inona no nataon’i Jakoba mba hihavanana tamin’i Esao?

• Nahoana ianao no mila mitadidy izay nataon’i Jehovah, rehefa manana olana amin’ny mpiara-manompo?

• Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Inona no zava-dehibe indrindra nataon’i Jakoba mba hihavanana tamin’i Esao?