Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tena Vokatra any Amin’ilay Tany Soa?

Inona no Tena Vokatra any Amin’ilay Tany Soa?

Inona no Tena Vokatra any Amin’ilay Tany Soa?

RESAHIN’NY Baiboly fa misy havoana, lohasaha, lemaka, lembalemba, renirano, ary loharano any Israely. Misy tany efitra koa any atsimo, ary tendrombohitra rakotra lanezy any avaratra. Tsy mitovy àry ny toetany sy toetrandro any, ka isan-karazany ny vokatra hita any. Nilaza tamin’ny Israelita i Mosesy fa hanome an’io “tany soa” io ho azy ireo Andriamanitra. Tian’i Mosesy hiandrandra an’izany ry zareo, ka nitanisa vokatra fito fahita any izy. Ireto avy izany: ‘Varimbazaha, vary orza, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra, oliva fanaovana menaka, ary tantely.’—Deoteronomia 8:7, 8.

Lasa nantsoina hoe “vokatra fito” ireo karazan-tsakafo ireo, ary mbola izany foana no teny ampiasain’ny olona rehefa miresaka an’izay zavatra tena vokatra any Israely izy ireo. Nasiana sarin’ireo sakafo ireo mihitsy aza tamin’ny vola madinika sy hajia, mba hampisehoana fa lonaka ilay tany. Inona no natao mba hamokarana azy ireo? Tena nilain’ny Israelita ve izy ireo?

“Varimbazaha sy vary orza” Faramparan’ny taona no fambolena azy ireo. Masaka iray volana alohan’ny varimbazaha anefa ny orza. Rehefa miakatra ny orza, dia nakana fehezany iray hatao fanatitra ho an’i Jehovah. Ny volana Martsa na Aprily no nanaovana izany, nandritra ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. Rehefa volana Mey kosa no miakatra ny varimbazaha, ary nanamboarana mofo mba hatao fanatitra, nandritra ny Fetin’ireo Herinandro na Pentekosta.—Levitikosy 23:10, 11, 15-17.

Rehefa namafy vary orza ny Israelita, dia nataony tao anaty akanjony ilay izy ary nafafifafiny fotsiny. Ny varimbazaha kosa nila nalentika tao anaty tany rehefa avy nafafy. Nasaina nohosen’ny omby na biby hafa àry ilay tany, na naverina nasaina. Tato ho ato ny olona any vao mampiasa fitaovana maoderina.

Niasa mafy ny Israelita. Namafy izy, nijinja, nively, nanala ny akofa, ary nitoto an’ilay vary. Miresaka imbetsaka an’ireo ny Baiboly. Tsy maintsy nitoto vary ny Israelita isan’andro, satria nila lafarinina hanaovana mofo. Mofo vita tamin’ny varimbazaha na orza mantsy no foto-tsakafon’izy ireo tamin’izany. Tsy mahagaga àry i Jesosy raha nampianatra ny mpianany hivavaka mba homen’Andriamanitra “mofo” isan’andro.—Matio 6:11, fanamarihana ambany pejy.

‘Voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra’ Rehefa avy nitondra ny Israelita nandritra ny 40 taona tany an-tany efitra i Mosesy, dia nilaza fa hahazo “tany soa” ry zareo, ary hankafy sakafo be. Efa nisy olona nirahina talohan’izay mba hijery an’ilay tany. Inona no nentin’izy ireo avy any? Voaloboka navesatra be! “Sampahony iray” fotsiny ilay izy, nefa “roa lahy” vao nahabata azy. Nitondra ampongabendanitra sy aviavy koa izy ireo. (Nomery 13:20, 23) Azo antoka fa tsy andrin’ny Israelita ny ho tonga any amin’ilay tany rehefa nahita an’ireo sakafo ireo izy. Efa ela mantsy ry zareo no tany an-tany efitra.

Nila norantsanana sy notondrahina ary notazana foana ny voaloboka mba hamokatra tsara. Teny amin’ny havoana mazàna no nisy tanimboaloboka. Voakarakara tsara ny sasany satria natao nikitohatohatra sy nasiana fefy ary tranokely ho an’ny mpiambina. Hain’ny Israelita tsara ireo asa rehetra ireo, ary fantany ny vokany raha tsy arahina ireo.—Isaia 5:1-7.

Natao divay ny voaloboka, rehefa vokatra. Nohitsakitsahina na nopotehina ilay izy, mba hakana ranony. Navela hiotrika ilay ranony avy eo mba ho lasa divay. Tena mety tsara hambolena voaloboka sy hanaovana divay any Israely, noho ny toetrandro sy toetany any. Nampangotrahina koa ny ranom-boaloboka indraindray mba hanamboarana zava-mamy. *

Aviavy efa maina sy efa noporetina mazàna no mba hitan’ny olona any amin’ny tany tsy misy aviavy. Tsy hoatr’izany anefa izy io raha vao avy otazana, fa malemilemy sy be ranony. Tsy maintsy hamainina sy atao anaty boaty na zavatra hafa ilay izy raha tiana haharitra. Resahin’ny Baiboly hoe nanao ‘mofo vita tamin’ny aviavy noporetina’ ny Israelita.—1 Samoela 25:18.

Mafy be ny hoditry ny ampongabendanitra. Rehefa vakina ilay izy, dia feno voany kely be dia be ao anatiny. Tonga dia azo hanina izy ireny na anaovana ranom-boankazo. Mahasalama sy mahafaka hetaheta ilay izy! Tena tian’ny Israelita ny ampongabendanitra, ka nasiana sarin’izy io ny akanjon’ny mpisoronabe sy ny andrin’ny tempolin’i Solomona.—Eksodosy 39:24; 1 Mpanjaka 7:20.

‘Oliva sy tantely’ Enimpolo eo ho eo ny isan’ny teny hoe oliva ao amin’ny Baiboly. Azo atao sakafo na menaka izy io. Mbola be dia be ny oliva maniry any Israely, ary isaky ny Oktobra no vokatra. (Deoteronomia 28:40) Mifarimbona ny fianakaviana amin’izay, ka mively an’ilay hazo mba hampihintsana ny voany. Tehirizina ny oliva mba hatao sakafo, na koa totoina amin’ny milina mba hakana menaka. Efa nisy hatry ny ela ny milina toy izany, ary nahita karazany maro ny mpikaroka. Maitsomaitso kely ny lokon’ny menaka oliva, ka mahafinaritra erỳ ny mijery azy araraka ao anaty tavoahangy. Ampiasaina mandritra ny taona ilay izy na amidy. Nohosorana tamin’ny tarehy sy ny vatana koa izy io, na natao fandrehetana jiro.

Ary ahoana ny tantely? Mety ho tena tantely no tian’i Mosesy holazaina, nefa koa mety ho zava-mamy avy amin’ny antrendry na voaloboka. Mbola be mpampiasa io zava-mamy io hatramin’izao. Tena tantely kosa anefa ilay resahin’ny Baiboly hoe nalain’i Samsona sy Jonatana. (Mpitsara 14:8, 9; 1 Samoela 14:27) Efa hatramin’ny andron’i Solomona no niompy tantely ny Israelita. Nisy tranon-tantely 30 mahery mantsy hita vao haingana, tany Tel Rehov, any amin’ny faritra avaratr’i Israely.

Raha mandehandeha eny an-tsena any Israely ianao amin’izao, dia ho variana amin’ireo karazan’entana misy eny. Hahita fivarotana mofo sy voankazo ary legioma ianao, ka mbola ho tazanao eny ireo “vokatra fito.” Santionany fotsiny amin’ireo vokatra isan-karazany misy any Israely anefa ireo. Nivoatra mantsy ny fambolena, ka lasa misy zavamaniry avy any an-tany hafa koa any. Be dia be ny vokatra any, ka tena “tany soa” tokoa ilay tany, na dia kely aza ny velarany.—Nomery 14:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Nohamainina koa ny voaloboka.—2 Samoela 6:19.

[Sary, pejy 11]

Varimbazaha

[Sary, pejy 11]

Vary orza

[Sary, pejy 12]

Voaloboka

[Sary, pejy 12]

Aviavy

[Sary, pejy 12]

Ampongabendanitra

[Sary, pejy 13]

Oliva

[Sary, pejy 13]

Tantely