Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olivétan—‘Ilay Mpandika Teny Nanetry Tena’

Olivétan—‘Ilay Mpandika Teny Nanetry Tena’

Olivétan—‘Ilay Mpandika Teny Nanetry Tena’

Nisava ny tranon’ny lehilahy iray antsoina hoe Collin Pellenc ny polisy, tamin’ny 13 Septambra 1540, ary nahita taratasy sy boky tsara afina. Nisy boky lehibe iray tamin’ireo, ary izao no voasoratra teo amin’ny pejy faharoa: “P. Robert Olivetanus, ilay mpandika teny manetry tena.” Baiboly navoakan’ny antokom-pivavahana atao hoe Vaudois izy io. Nosamborina i Pellenc satria hoe nivadi-pinoana, ary nodorana velona.

NISY olona nahita tany Eoropa hoe diso ny fampianarana katolika. Mpitondra Fanavaozana no iantsoana azy ireny, ary anisan’ny nitarika azy i Martin Luther. Nenjehin’ny Katolika anefa izy ireo satria, hono, “mamitaka olona.” Mbola te hitarika ny Frantsay hino ny hevitr’i Luther anefa ny lehilahy iray atao hoe Guillaume Farel. Tena nafana fo i Farel. Avy any Dauphiné, any Frantsa izy. Hitany fa mila mamoaka boky sy bokikely ary Baiboly amin’ny teny frantsay izy raha tena te handresy lahatra olona. Nilana vola be anefa izany. Inona àry no nataony? Nangataka fanampiana tamin’ny Vaudois izy satria nazoto nitory momba ny Baiboly izy ireo.

Nivory tany Chanforan

Efa an-taonany maro no nifanakalo hevitra ny pasitera vaudois sy ny Mpitondra Fanavaozana. Tian’ny Vaudois ho fantatra raha nitovy tamin’ny fampianarany ny an-dry Luther, ka nasainy nivory niaraka taminy i Farel sy ny namany. * Tany Chanforan, tanàna kely any akaikin’i Turin, any Italia no natao ilay izy, tamin’ny Septambra 1532.

Hain’i Farel ny nandresy lahatra ny pasitera vaudois, mba hanome vola hamoahana Baiboly frantsay. Efa antitra be mantsy ny Baibolin’ny Vaudois. Natao sora-tanana koa ilay izy, sady tamin’ny tenim-paritra frantsay. Efa namoaka Baiboly frantsay ihany i Lefèvre d’Étaples, tamin’ny 1523, nefa avy tamin’ny teny latinina no nandikany azy. Baiboly avy amin’ny teny hebreo sy grika kosa no tian’i Farel havoaka. Iza anefa no hahavita handika an’ilay izy?

Tovolahy iray atao hoe Pierre Robert no efa noeritreretin’i Farel. Mpampianatra izy, ary avy any Picardie, any Frantsa. Olivétan * no fiantsoana azy, ary havan’i Jean Calvin izy. Mpitondra Fanavaozana koa i Olivétan, sady azo atokisana. Nianatra teny hebreo sy grika an-taonany maro tany Strasbourg izy.

Efa elaela i Olivétan sy Farel ary ny namany hafa no nitsoaka tany Soisa. Niangavy azy handika an’ilay Baiboly ireo namany ireo. Tsy nety izy tamin’ny voalohany, nefa nanaiky ihany avy eo. Nasaina hadikany “avy amin’ny teny hebreo sy grika” ilay izy. Nanome vola hanaovana pirinty an’ilay Baiboly koa ny Vaudois, sady vola be mihitsy satria ny antsasany mahery tamin’ny vola nilaina!

‘Vorona manga feo terena hanao feona goaika’

Nandika an’ilay Baiboly i Olivétan tamin’ny voalohandohan’ny 1534, ka nipetraka irery tany Alpes. Nanana “mpampianatra be dia be tsy mamoaka feo” izy tany. Tsy inona izany fa ny bokiny. Mety ho nitsiriritra azy ny manam-pahaizana ankehitriny, raha nahita ny boky nananany. Tao ny Baiboly tamin’ny teny syriàka sy grika ary latinina, boky fitsipi-pitenenana aramianina, ary boky misy fanazavan’ny mpitondra fivavahana jiosy. Nanana Baiboly tamin’ny teny hebreo natao pirinty tany Venise mihitsy aza izy.

Avy tamin’ilay Baiboly navoakan’i Lefèvre no nandikany ny Testamenta Vaovao. Nijery matetika ny Baiboly amin’ny teny grika navoakan’i Érasme koa anefa izy. Hita tamin’ny voambolana nampiasainy hoe tsy nanohana ny Katolika izy. Naleony, ohatra, nampiasa ny hoe “mpiandraikitra” fa tsy “eveka”, ary “zava-miafina” fa tsy “mistery.”

Nadikan’i Olivétan ara-bakiteny avy tamin’ny teny hebreo kosa ny Testamenta Taloha. Sahirana be izy nandika an’ilay izy satria mazava tsara, hono, ny teny hebreo, fa hafahafa be kosa ny teny frantsay. Nivazivazy izy hoe toy ny ‘vorona manga feo’ ny teny hebreo, nefa ‘terena hanao feona goaika.’

Voamarik’i Olivétan fa an’arivony ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ao amin’ny Baiboly hebreo. Nadikany hoe “Ilay Mandrakizay” izy io, ary lasa fahita ao amin’ny Baiboly protestanta frantsay izany. Nataony hoe “Jehovah” kosa ilay izy tao amin’ny andininy sasany, anisan’izany ny Eksodosy 6:3.

Nahavariana fa tamin’ny 12 Febroary 1535, dia vitany ilay Baiboly, izany hoe herintaona teo ho eo monja. Faly izy rehefa vita ilay izy. Nitsotra mantsy izy hoe nitohitohy be loatra ilay asa, sady tsy mora ilay niasa irery. Hita hoe nanetry tena izy satria hoy izy: “Izay mba kely vitako no nataoko.” Hatao pirinty sisa ilay Baiboly, dia izay. Sambany vao nisy hoe Baiboly frantsay ka teny hebreo sy grika no tena nampiasaina handikana azy!

Natao pirinty

Nanana namana antsoina hoe Pierre de Vingle na Pirot Picard i Farel. Mpanao pirinty izy io, sady Mpitondra Fanavaozana. Nankany Neuchâtel, any Soisa, izy tamin’ny 1533, satria noroahin’ny Katolika tao Lyon. Efa nanao pirinty lahatsoratra be dia be “hanoherana” ny Katolika izy, ary ny Vaudois no niantoka ny lany. Nanao peta-drindrina lehibe hanaratsiana ny Lamesa, ohatra, izy. Nasiany an’ilay izy hatrany amin’ny lapan’ilay mpanjaka katolika atao hoe François I.

Baiboly mihitsy kosa no hasaina hataony pirinty amin’ity indray mandeha ity, ka vonona erỳ izy! Tiany ho vita haingana ilay asa, ka milina roa no nampiasainy, ary olona efatra na dimy no teo amin’ny milina tsirairay. Ny sasany nandahatra ny zavatra hatao pirinty, ary ny hafa nanao pirinty. Vita ilay izy tamin’ny 4 Jona 1535, ary nataon’i Pierre de Vingle sonia. Nanoratra tao amin’ny sasin-teny kosa i Olivétan hoe atolony an’ireo mpivavaka “kivy sy mijaly” ilay Baiboly. Terena hanaraka “fampianarana tsy misy dikany” mantsy izy ireo.

Tena tsara io Baiboly io. Mazava sy mora vakina ilay izy sady mizarazara ho toko sy fehintsoratra. Endri-tsoratra hafakely no nanoratana azy, ary misy tsanganana roa eo amin’ny pejy tsirairay. Misy fanamarihana koa eny amin’ny sisim-pejy, ka hita hoe tena nahay i Olivétan. Ahitana teny fampidirana, fanazavana fanampiny, tabilao, ary tononkalo koa ao. Izao, ohatra, no voasoratra any amin’ny pejy farany: “Ny Vaudois, izay mpitory ny Filazantsara, dia manolotra anareo rehetra an’izato harena tena tsara.”

Sangan’asa niavaka nefa tsy dia nisy nividy

Nampalahelo fa tsy dia nisy tia ilay Baiboly. Miaiky anefa ny olona amin’izao hoe sangan’asa miavaka ilay izy. Io koa no nampiasain’ny mpandika Baiboly protestanta, nandritra ny taonjato telo.

Arivo eo ho eo no natao pirinty nefa vitsy kely no nividy azy, satria tsy voalamina tsara hoe ahoana no hivarotana azy. Nanomboka niova be koa ny teny frantsay tamin’izay. Dimy kilao koa no lanjan’ilay Baiboly, ka sarotra afenina sady tsy nety tamin’ny mpitory nitety tanàna.

Tsy dia nandeha ilay Baiboly, na dia nahazo iray tamin’ilay izy aza i Collin Pellenc, araka ny voalaza teny aloha. Mbola nisy iray tsy lafo tao amin’ny fivarotam-boky iray tany Genève, tamin’ny 1670, izany hoe efa ho 150 taona taorian’ny nivoahany.

“Ilay Tsy Fantatra Anarana sy Tsy Fanta-piaviana”

Tsy re firy intsony i Olivétan taorian’ny nandikany an’ilay Baiboly. Nohavaoziny ny Testamenta Vaovao sy ny ampahany amin’ny Testamenta Taloha, ary tsy tena anarany no napetany tao fa solon’anarana. Anisan’ny solon’anarana nampiasainy ny hoe Belisem de Belimakom, izay midika hoe “Ilay Tsy Fantatra Anarana sy Tsy Fanta-piaviana.” Nazoto nampianatra koa izy, satria tena tiany izany. Te hanampy ny ankizy izy, ka nohavaoziny ny boky iray hoe Torohevitra ho An’ny Ankizy (frantsay). Nataony hampianarana ankizy ho hendry sy hahay hamaky teny frantsay izy io. Andininy ao amin’ny Baiboly daholo no ao.

Tany Roma angamba izy no maty. Vao 30 taona mahery kely izy tamin’izay, tamin’ny 1538. Tsy dia misy mahalala ankehitriny hoe tena nandray anjara be tamin’ny fielezan’ny Baiboly frantsay io tovolahy manam-pahaizana io. Vitsy ihany ny diksionera miresaka momba azy, na tsy misy mihitsy aza. Azo inoana anefa fa tsy ho nampaninona azy izany. ‘Mpandika teny nanetry tena’ mantsy izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Lasa Protestanta ny Vaudois, tatỳ aoriana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2002, pejy 20-23.

^ feh. 7 Louys Robert no tena anarany, fa novany hoe Pierre Robert. Niasa alina foana izy, ka nampiasa menaka oliva be dia be mba handrehetana jiro. Izany angamba no antony niantsoana azy hoe Olivétan.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Archives de la Ville de Neuchâtel, Suisse /Sary: Stefano Iori

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Havia: Alain Leprince - La Piscine-musée, Roubaix / Courtesy of the former Bouchard Museum, Paris

Afovoany sy havanana: Société de l’Histoire du Protestantisme Français, Paris

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Société de l’Histoire du Protestantisme Français, Paris