Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Handoa Hetra ve Ianao?

Tokony Handoa Hetra ve Ianao?

Tokony Handoa Hetra ve Ianao?

TSY tia mandoa hetra ny ankamaroan’ny olona. Maro no mahatsapa fa lanilany amin’ny tsy misy dikany ny volany, na misy manodinkodina sy mangalatra. Tsy mety mandoa hetra kosa ny sasany noho ny antony hafa. Nilaza toy izao, ohatra, ny mponina any amin’ny tanàna iray any Moyen-Orient: “Tsy izahay mihitsy no handoa vola hividianana bala hitifirana ny zanakay.”

Maro no mihevitra toy izany. Tsy nety nandoa hetra, ohatra, i Mohandas Gandhi, filoha karàna taloha, satria tsy neken’ny sainy izany. Hoy izy: “Manota izay manohana Fanjakana manana tafika, na mivantana izany na an-kolaka. Manota daholo izay rehetra mandoa hetra hanohanana an’ilay Fanjakana, na antitra izy na tanora.”

Tsy nety nandoa hetra koa i Henry Thoreau, filozofa tamin’ny taonjato faha-19, satria fantany fa hanohanana ady izany. Hoy izy: “Avelanao hibaiko anao hanao zavatra tsy eken’ny eritreritrao ve ny mpanao lalàna? Dia inona no ilana feon’ny fieritreretana raha izany?”

Mahakasika ny Kristianina izany, satria milaza ny Baiboly fa tokony hanana fieritreretana madio amin’ny zava-drehetra izy ireo. (2 Timoty 1:3) Milaza koa anefa ny Baiboly fa manana fahefana hitaky hetra ny fanjakana. Izao no voalaza ao: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana. Koa misy antony tsy maintsy anekenareo fahefana àry, tsy noho izany fahatezerana izany ihany, fa noho ny feon’ny fieritreretanareo koa. Izany koa no antony andoavanareo hetra, fa mpanompon’Andriamanitra miasa ho an’ny besinimaro izy ireo, ary manao izany foana. Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra.”—Romanina 13:1, 5-7.

Nalaza ho mpandoa hetra àry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, na dia hanohanana ny tafika aza ny ankabetsahan’ilay vola. Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah. * Mety ve anefa izany? Tokony hamono eritreritra ve ny Kristianina rehefa handoa hetra?

Ny hetra sy ny feon’ny fieritreretana

Nanohanana ny tafika ny sasany tamin’ny hetra nasaina naloan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Izany no nahatonga an’i Gandhi sy Thoreau tsy nety nandoa hetra tatỳ aoriana.

Nankatò an’ilay Romanina toko faha-13 ny Kristianina ka nandoa hetra, tsy noho ny tahotra sazy fotsiny, fa ‘noho ny feon’ny fieritreretany’ koa. (Romanina 13:5) Ny feon’ny fieritreretany àry no mahatonga ny Kristianina handoa hetra, na dia zavatra tsy eken’ny sainy aza no hampiasana an’ilay izy. Tsy mifanohitra ve izany? Mba hanazavana an’izany, dia misy zavatra mila fantarintsika aloha momba ny feon’ny fieritreretana na ilay feo anaty izay mibitsika amintsika hoe mety na tsy mety ny ataontsika.

Nilaza i Thoreau fa samy manana feon’ny fieritreretana ny olon-drehetra. Tsy voatery ho azo itokisana anefa izy io. Tokony hifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny feon’ny fieritreretantsika raha tiantsika ny hampifaly azy. Mila ampifanarahana amin’izay eritreretiny na ny fomba fiheviny foana ny antsika, satria ambony noho ny antsika ny azy. (Salamo 19:7) Tokony hiezaka àry isika hahatakatra ny fiheveran’Andriamanitra ny fanjakan’olombelona.

Nilaza ny apostoly Paoly fa “mpanompon’Andriamanitra miasa ho an’ny besinimaro” ny mpitondra olombelona. (Romanina 13:6) Midika izany fa mitandro filaminana sy manao adidy mahasoa ny vahoaka izy ireo. Manampy amin’ny fanaterana taratasy, fampianarana, famonoana afo, ary fampiharana lalàna, ohatra, na dia ny fanjakana faran’izay tsy manao ny marina aza. Hitan’Andriamanitra ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitondra olombelona. Avelany hitondra anefa aloha izy ireo, ary mandidy antsika izy mba handoa hetra ho fanajana an’izany fandaharana nataony izany.

Tsy avelan’Andriamanitra haharitra ela be anefa ny fitondran’olombelona. Ny Fanjakany any an-danitra mantsy no tiany hisolo azy ireo, ka hanafoana ny vokatry ny nataon’izy ireo nandritra ny taonjato maro. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy tian’Andriamanitra raha mikomy amin’ny fanjakana toy ny ataon’ny sasany ny Kristianina, ka tsy mety mandoa hetra na tsy mankatò amin’ny zavatra hafa.

Ahoana anefa raha mbola mahatsapa toa an’i Gandhi ihany ianao hoe fahotana ny mandoa hetra hanohanana ady? Tsy ho tazantsika tsara, ohatra, ny toerana iray raha tsy miakatra ambony kokoa isika. Toy izany koa fa ho vonona kokoa hanitsy ny toe-tsaintsika hifanaraka amin’ny an’Andriamanitra isika, raha misaintsaina fa ambony lavitra noho ny antsika ny azy. Hoy Andriamanitra: “Toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.”—Isaia 55:8, 9.

Manana fahefana feno ve ny fanjakana?

Marina fa mampirisika ny olona handoa hetra ny Baiboly. Tsy midika anefa izany hoe manana fahefana feno ny mpitondra olombelona. Nilaza i Jesosy fa voafetra ihany ny fahefana nomen’Andriamanitra azy ireo. Nisy nanontany izy, indray mandeha, raha azo atao ny mandoa hetra ho an’ny fanjakana romanina. Hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”—Marka 12:13-17.

Ny fanjakana, izay antsoina koa hoe “Kaisara”, no manamboatra vola sy mamaritra ny sandany. Amin’Andriamanitra àry, dia manan-jo hitaky hetra izy ireo mba hiverenan’ny vola any aminy. Nilaza anefa i Jesosy fa tsy azo omena ny fitondran’olombelona “izay an’Andriamanitra”, dia ny fiainantsika sy ny fanompoana azy. Ahoana àry raha mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra ny lalàn’ny fanjakana? “Andriamanitra no mpitondra” antsika ka ‘izy no tsy maintsy ankatoavintsika, fa tsy olona.’—Asan’ny Apostoly 5:29.

Mety hanahy ny Kristianina hoe hanaovana inona ny hetra aloan’izy ireo. Tsy manakantsakana ny zavatra ataon’ny fanjakana anefa izy ireo, ka tsy mikomy na manda tsy handoa hetra. Raha izany mantsy, dia toy ny hoe tsy atokisan’izy ireo hamaha ny olana mahazo ny olombelona Andriamanitra. Maharitra kosa izy ireo, ka miandry izay hataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakany. Hoy i Jesosy Zanany izay Mpanjakan’izy io: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.”—Jaona 18:36.

Ny soa azo rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly

Handray soa be dia be ianao raha mandoa hetra. Tsy ho voasazy toy ny mpandika lalàna ianao sady tsy hatahotra ny ho tratra. (Romanina 13:3-5) Hadio foana koa ny eritreritrao eo anatrehan’Andriamanitra, ary izany no tena zava-dehibe. Hanome voninahitra azy ianao satria mankatò lalàna. Mety tsy dia hanam-bola ianao raha oharina amin’ireo tsy mandoa hetra na manao hosoka. Mampanantena anefa Andriamanitra fa hikarakara ny mpanompony tsy mivadika. Hoy i Davida, mpanoratra Baiboly: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina.”—Salamo 37:25.

Hilamin-tsaina koa ianao raha takatrao sy ankatoavinao ilay didin’ny Baiboly hoe tokony handoa hetra. Tsy ianao, ohatra, no enjehin’ny lalàna amin’izay andanian’ny tompon-trano ny hofan-trano aloanao. Toy izany koa fa tsy ianao no heverin’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’izay andanian’ny fanjakana ny hetra aloanao. Nanohana politika nandritra ny taona maro, ohatra, i Stelvio, mba hisian’ny fiovana tany amin’ny faritra atsimon’i Eoropa. Tsy nanao an’izany intsony anefa izy rehefa nianatra Baiboly. Niaiky mantsy izy fa “tsy mahavita mampihatra ny rariny sy fiadanana ary firaisan-kina maneran-tany ny olombelona, fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena hanova ny fiainana ho tsara kokoa.”

‘Aloavy amin’Andriamanitra’ foana àry “izay an’Andriamanitra”, dia hatoky toa an’i Stelvio ianao. Ho hitanao ny hanafoanana ny tsy rariny sy ny zava-dratsy vokatry ny nataon’ny mpitondra olombelona, rehefa hitondra ny tany manontolo araka ny rariny Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah izay malaza ho mpandoa hetra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2002, pejy 13, fehintsoratra 15, sy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1996, pejy 17, fehintsoratra 7.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Mila ampifanarahana amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny antsika, satria ambony noho ny antsika ny azy

[Teny notsongaina, pejy 23]

Raha mandoa hetra ny Kristianina, dia hadio eo anatrehan’Andriamanitra foana ny feon’ny fieritreretany. Matoky koa izy ireo amin’izany hoe izy no manome izay ilain’izy ireo

[Sary, pejy 22]

“Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra”

[Sary nahazoan-dalana]

Copyright British Museum