Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Jehovah no Anjarako sy Lovako

I Jehovah no Anjarako sy Lovako

I Jehovah no Anjarako sy Lovako

“Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny zanak’Israely.”—NOM. 18:20.

1, 2. a) Ahoana no nizaran’i Josoa ny lovan’ny zanak’Israely? b) Inona no toky nomen’i Jehovah an’ireo Levita?

NANOMBOKA nizara tany i Josoa, rehefa azon’ny Israelita ny ankamaroan’ireo tany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nanampy azy tamin’izany i Eleazara Mpisoronabe sy ireo mpiadidy isam-poko. (Nom. 34:13-29) Nomena anjara tany ny foko rehetra mba ho lovany, kanefa tsy mba nahazo ny Levita. (Jos. 14:1-5) Nahoana izy ireo no tsy nomena anjara tany, na lova? Hadino ve izy ireo?

2 Tsy izany mihitsy! Nanome toky azy ireo i Jehovah hoe: ‘Izaho no anjaranareo sy lovanareo eo amin’ny zanak’Israely.’ (Nom. 18:20) Ahoana raha ianao no tenenin’i Jehovah an’izany? Mety hieritreritra angamba ianao hoe: ‘Mendrika an’izany fanomezan-toky izany ve aho?’ Ahoana izany hoe i Jehovah no anjara omena anao na lovanao? Ahoana no hetezan’izany nefa isika olombelona mpanota? Mila mahafantatra ny valin’izany ianao, satria mahakasika anao sy ny fianakavianao izany. Mila mieritreritra an’izany isika, na manantena ho any an-danitra na ho eto an-tany.

Nikarakara ny Levita i Jehovah

3. Inona no nitranga ka nahatonga ny Levita ho voatokana hanao ny asan’Andriamanitra?

3 Ny loham-pianakaviana israelita no nanao ny asa fisoronana ho an’ny fianakaviany, taloha. Niova anefa izany rehefa nanome ny Lalàna i Jehovah. Ny lehilahy sasany avy amin’ny fokon’i Levy indray no nasain’i Jehovah natao mpisorona, na mpanampy ny mpisorona. Fa inona no nitranga ka nahatonga izany fiovana izany? Rehefa avy novonoin’i Jehovah ny lahimatoan’ny Ejipsianina, dia nohamasininy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, izany hoe natokany ho azy. Nilaza indray anefa izy tatỳ aoriana hoe: ‘Alaiko ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny zanak’Israely.’ Nisaina àry ny lahimatoa teo amin’ny foko rehetra ankoatra ny Levita. Hita fa betsaka kokoa noho ny lehilahy levita izy ireo, ka nasain’i Jehovah nandoa vola ny Israelita, ho takalon’ireo lahimatoa nihoatra. (Nom. 3:11-13, 41, 46, 47) Nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy ny Levita nanomboka teo.

4, 5. a) Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah tamin’ny Levita hoe: “Izaho no anjaranao sy lovanao”? b) Ahoana no nikarakaran’Andriamanitra ny Levita?

4 Natokana ho an’i Jehovah ny Levita, ka nampanantena azy ireo i Jehovah hoe: “Izaho no anjaranao sy lovanao.” Inona no dikan’izany? Tsy nomen’i Jehovah anjara tany izy ireo ho lovany, fa nomeny zava-tsarobidy hafa. Nomeny asa tena tsara izy ireo. “Ny asa fisoronana ho an’i Jehovah” no lova, na anjara nomena azy ireo. (Jos. 18:7) Tsy lasa nahantra anefa ny Levita, na izany aza. (Vakio ny Nomery 18:19, 21, 24.) Nomena azy ireo ‘ny ampahafolon-karena rehetra teo amin’ny Israely, ho tambin’ny fanompoana ataony.’ Anisan’izany ny ampahafolon’ny vokatry ny tany sy ny ampahafolon’ny biby vao teraka. Nasaina nanome ny ampahafolon’ny zavatra nomena azy kosa ny Levita, mba hanampiana ny mpisorona, ary “ny tsara indrindra” no nomeny. (Nom. 18:25-29) Natokana ho an’ny mpisorona koa “ny fanomezana masina rehetra” naterin’ny Israelita ho an’Andriamanitra, tao amin’ny toeram-pivavahana. Afaka natoky àry ny mpisorona hoe nikarakara azy ireo i Jehovah.

5 Toa nila nanome ampahafolon-karena hafa koa ny zanak’Israely, araka ny Lalàn’i Mosesy. Niara-nihinana sy nankafy azy io ny fianakaviana, isaky ny tonga ireo fivoriambe masina fanao isan-taona. (Deot. 14:22-27) Natao hanampiana ny mahantra sy ny Levita koa anefa izy io. Fantatsika fa mankalaza ny sabata taona ny Zanak’Israely isaky ny fito taona. Isaky ny nifarana anefa ny telo taona amin’izy io sy ny fahenin-taona, dia nasain’i Jehovah hanampiana ny Levita sy ny mahantra ny ampahafolon-karena. Nahoana ny Levita no nomena tamin’izy io? Satria ‘tsy nanana anjara na lova’ teo amin’ny Israely izy ireo.—Deot. 14:28, 29.

6. Taiza ny Levita no nipetraka?

6 Koa satria tsy nahazo anjara tany ny Levita, taiza izy ireo no nipetraka? Natokan’i Jehovah ho azy ireo ny tanàna 48 sy ny kijana manodidina azy, ka anisan’izany ny tanàna fialokalofana enina. (Nom. 35:6-8) Tany amin’ireny tanàna ireny ny Levita no nipetraka, rehefa tsy nanompo tany amin’ny toerana masin’Andriamanitra. Nokarakarain’i Jehovah tokoa ny olona nanokan-tena hanompo azy. Ahoana àry no azon’ny Levita ampisehoana fa nankasitrahany ilay hoe i Jehovah no anjarany, izany hoe nankasitrahany ilay fanompoana nomen’i Jehovah azy? Nila natoky izy ireo fa mahavita manome izay ilainy i Jehovah sady vonona hikarakara azy ireo.

7. Inona foana no tokony hatokisan’ny Levita, raha nihevitra izy ireo fa i Jehovah no anjarany?

7 Marina fa tsy nosazin’ny Lalàna ny Israelita, raha tsy nanome ny ampahafolon-karena. Nijaly anefa ny mpisorona sy ny Levita, rehefa tsy nanao izany izy ireo. Izany no nitranga tamin’ny andron’i Nehemia. Tsy nanome ny ampahafolon-karena ny olona, ka voatery niasa tany an-tsaha ny Levita, ary tsy nahavita ny fanompoany. (Vakio ny Nehemia 13:10.) Midika izany fa tsy afaka nahazo izay nilainy ny Levita, raha tsy nankatò ny Lalàna ny vahoaka. Nila nino an’i Jehovah koa anefa ny mpisorona sy ny Levita, ary nila natoky hoe mahavita manome izay ilainy foana i Jehovah.

Levita nilaza hoe i Jehovah no anjarany

8. Inona no nampiady saina an’ilay Levita atao hoe Asafa?

8 Marina fa ny Levita amin’ny fitambarany no nomena an’i Jehovah ho anjarany na lovany. Nisy Levita tsirairay anefa nilaza hoe ‘i Jehovah no anjarany’, satria tena tia an’Andriamanitra izy sady natoky azy. (Fitom. 3:24) Anisan’izany ny Levita mpihira sady mpamoron-kira antsoina hoe Asafa. Angamba izy io ilay Asafa mpitarika ny mpihira tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, nefa koa mety ho iray amin’ny taranany. (1 Tan. 6:31-43) Milaza ny Salamo faha-73 fa nitsiriritra ny mpanao ratsy izy io, ary sahiran-tsaina hoe nahoana izy ireny no miadana. Niteny mihitsy aza izy hoe: “Very maina mihitsy ny nanadiovako ny foko, sy ny nanasako ny tanako ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.” Toa hadinony hoe i Jehovah no anjarany, izany hoe hadinony fa sarobidy ny fanompoana nasain’i Jehovah nataony. Tsy nilamina ny sainy raha tsy rehefa niditra tao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” izy.—Sal. 73:2, 3, 12, 13, 17.

9, 10. Nahoana i Asafa no nilaza hoe Andriamanitra no ho ‘anjarany mandritra ny fotoana tsy voafetra’?

9 Efa nitranga taminao koa angamba ny nanjo an’i Asafa. Hadinodinonao angamba hoe tena sarobidy ny fanompoana an’i Jehovah, ka lasa nieritreritra be an’ireo zavatra ara-nofo tsy anananao ianao. Lasa nitovy fomba fihevitra tamin’i Jehovah anefa ianao, rehefa nianatra ny Teniny sy namonjy fivoriana. Nanjary nitovy fomba fihevitra tamin’i Jehovah koa i Asafa, rehefa tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra. Nanjary azony hoe hanao ahoana no hiafaran’ny ratsy fanahy. Nisaintsaina ny fitahiana azony izy, ary lasa natoky fa hotantanan’i Jehovah ny tanany havanana. Niteny tamin’i Jehovah àry izy hoe: “Tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao.” (Sal. 73:23, 25) Nitaraina izy avy eo hoe ‘trotraka ny vatany sy ny fony.’ Nilaza indray anefa izy hoe: ‘Andriamanitra no ho anjarako mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ (Vakio ny Salamo 73:26.) Fantany mantsy fa ho namany foana Andriamanitra ary tsy hahafoy azy na oviana na oviana, sady tsy hanadino ny fanompoana nataony sy ny tsy fivadihany. (Mpito. 7:1) Azo antoka fa nampahery an’i Asafa izany! Nihira izy hoe: “Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.”—Sal. 73:28.

10 Inona no tian’i Asafa holazaina, rehefa niteny izy hoe i Jehovah no anjarany? Tsy ny fikarakaran’i Jehovah azy noho izy Levita fotsiny no tiany horesahina, fa ny hoe sarobidy aminy ny fanompoana nampanaovina azy. Tiany holazaina koa hoe nifandray akaiky tamin’i Jehovah izy. (Jak. 2:21-23) Tsy maintsy niezaka hanana finoana matanjaka sy hatoky an’i Jehovah foana i Asafa, mba hahafahany mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. Nila natoky izy hoe homen’i Jehovah hoavy tsara izy, raha mankatò azy. Afaka matoky an’i Jehovah toy izany koa ianao.

11. Inona no nanahiran-tsaina an’i Jeremia, ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy?

11 Nisy Levita iray hafa koa nilaza hoe ‘i Jehovah no anjarany.’ Tsy iza izany fa i Jeremia mpaminany. Inona no tiany holazaina tamin’izany? Alohan’ny hamaliana izany, dia andeha aloha hojerentsika ny zavatra niainany. Nipetraka tao Anatota, tanànan’ny Levita tsy lavitra an’i Jerosalema, i Jeremia. (Jer. 1:1) Sahiran-tsaina izy rehefa nahita izay nitranga tao Jerosalema sy Joda, ary nieritreritra hoe nahoana ny ratsy fanahy no miadana, fa mijaly ny olona manao ny marina. (Jer. 12:1) ‘Nitaraina’ tamin’i Jehovah àry i Jeremia, satria fantany fa manao ny marina Izy. Ahoana no nanampian’i Jehovah azy hilamin-tsaina? Nasain’i Jehovah nitory izy hoe horinganina ny ratsy fanahy. Ary notanterahiny avy eo izany faminaniana izany. Ringana tokoa ireo ratsy fanahy tsy nanaraka an’ilay fampitandremana, fa tafavoaka velona ireo nankatò an’i Jehovah.—Jer. 21:9.

12, 13. a) Inona no nahatonga an’i Jeremia hiteny hoe: “I Jehovah no anjarako”, ary vonona hanao inona izy? b) Nahoana ny Israelita avy amin’ny foko hafa no tokony hiandry an’i Jehovah koa?

12 Nalahelo be anefa i Jeremia tatỳ aoriana rehefa nandinika ny faharavan’ny tanindrazany, ka nilaza hoe: ‘Napetrak’i Jehovah tao amin’ny toerana maizina aho, toy ny olona maty efa ela.’ (Fitom. 1:1, 16; 3:6) Efa nampirisika an’ireo Israelita izy mba hiverina amin’ilay Rainy any an-danitra. Ratsy loatra anefa ny zavatra nataon’izy ireo, ka tsy maintsy nandringana an’i Jerosalema sy Joda Andriamanitra. Tena nampalahelo an’i Jeremia izany, na dia tsy anisan’ireo nanao ratsy aza izy. Tsaroany anefa fa be famindram-po i Jehovah. Nilaza izy hoe “vaovao isa-maraina” ny famindram-pon’i Jehovah, ka ‘tsy ripaka tanteraka’ izy ireo. Tamin’izay izy no niteny hoe ‘i Jehovah no anjarany’, satria tsapany fa mbola nanana zava-tsarobidy izy, dia ny asan’ny mpaminany.—Vakio ny Fitomaniana 3:22-24.

13 Ho rava sy lao mandritra ny 70 taona ny tanin’ny Israely. (Jer. 25:11) Hita hoe natoky ny famindram-pon’i Jehovah anefa i Jeremia, tamin’ilay teniny hoe: “I Jehovah no anjarako.” “Vonona hiandry” an’i Jehovah izy, noho izany. Tokony hiandry an’i Jehovah koa ny Israelita avy amin’ny foko hafa, satria namoy ny anjara lovany daholo izy ireo. I Jehovah ihany no azon’izy ireo antenaina hanampy azy. Nampodin’i Jehovah tany an-tanindrazany ny vahoakany rehefa tapitra ny 70 taona, ary afaka nanompo azy tany.—2 Tan. 36:20-23.

Olon-kafa nilaza hoe i Jehovah no anjarany

14, 15. Iza, ankoatra an’ireo Levita, no niteny hoe: ‘I Jehovah no anjarako’, ary nahoana izy no nilaza izany?

14 Tsy ireo Levita ihany anefa no nanana tombontsoa hanompo an’i Jehovah. Hoy i Davida tamin’izy mbola tanora: ‘I Jehovah no anjarako eo amin’ny tanin’ny velona.’ (Vakio ny Salamo 142:1, 5.) Tsy tao anaty lapa, na tao anaty trano, i Davida tamin’izy nanoratra an’io, fa tao anaty lava-bato, ary niafina ny fahavalony. Indroa izy, fara fahakeliny, no niafina tao anaty lava-bato, ka tany akaikin’ny tanànan’i Adolama ny iray, ary tany an-tany efitr’i En-jedy ny iray. Mety ho tao anatin’ny iray amin’ireo izy no namorona ny Salamo faha-142.

15 Raha tao anaty lava-bato tokoa izy no nanoratra an’io salamo io, dia nandositra an’i Saoly Mpanjaka izy tamin’izay. Nialona azy mantsy i Saoly, ka te hamono azy. Izany no nahatonga azy handositra tany amin’ny lava-bato sarotra haleha. (1 Sam. 22:1, 4) Mety ho nieritreritra i Davida tao amin’io toerana mitokana io hoe tsy mba nana-namana hiaro azy, ka nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy. (Sal. 142:4) Natoky an’i Jehovah izy, ka tamin’izay izy no nilaza hoe i Jehovah no anjarany.

16, 17. a) Inona no mety ho nahatonga an’i Davida hahatsiaro ho irery sy tsy nisy mpanampy? b) Iza anefa no azony nianteherana?

16 Mety ho efa ren’i Davida ny nanjo an’i Ahimeleka Mpisoronabe, tamin’izy nanoratra ny Salamo faha-142. Nasain’i Saoly Mpanjaka novonoina i Ahimeleka sy ny fianakaviany, satria nanampy an’i Davida i Ahimeleka tamin’izy nandositra an’i Saoly. (1 Sam. 22:11, 18, 19) Nahatsiaro ho tompon’andraikitra tamin’izany àry i Davida. Toy ny hoe izy no namono an’ilay mpisoronabe nanampy azy. Tsy ho nahatsapa toy izany koa ve ianao, raha ianao no teo amin’ny toerany? Tsy vitan’izany fa mbola nanenjika an’i Davida foana i Saoly.

17 Maty koa i Samoela mpaminany, tsy ela taorian’izay. Izy no nanosotra an’i Davida ho mpanjaka. (1 Sam. 25:1) Vao mainka angamba i Davida nahatsiaro ho irery sy tsy nisy nanampy. Fantany anefa fa afaka niantehitra tamin’i Jehovah izy. Tsy nanao fanompoana toy ny an’ny Levita i Davida, nefa tsapany fa voahosotra mba hanao fanompoana manokana izy, dia ny ho mpanjakan’ny vahoakan’i Jehovah. (1 Sam. 16:1, 13) Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah àry i Davida, ary nitoky taminy foana. Afaka matoky an’i Jehovah koa ianao, sady afaka manao izay tsara indrindra vitanao eo amin’ny fanompoana azy. Ho anjaranao na lovanao koa i Jehovah amin’izay.

18. Inona no nataon’ireo olona voaresaka tato amin’ity lahatsoratra ity, mba hampisehoana fa i Jehovah no anjarany na lovany?

18 Hita tamin’ity lahatsoratra ity fa i Jehovah no anjara, na lovan’ny Levita sy ny olona avy amin’ny foko hafa toa an’i Davida. Midika izany hoe nisy asa sarobidy nampanaovin’i Jehovah azy ireo, ary natoky izy ireo fa hokarakarain’i Jehovah eo am-panatanterahany izany asa izany. Ary ianao? Inona no azonao atao mba hampisehoana fa i Jehovah no anjaranao, na lovanao? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah tamin’ny Levita hoe: ‘Izaho no anjaranareo sy lovanareo’?

• Ahoana no ahitana fa nihevitra an’i Jehovah ho anjarany, na lovany i Asafa sy Jeremia ary Davida?

• Inona foana no tokony hatokisanao, raha tianao hoe i Jehovah no ho anjaranao, na lovanao?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 8]

Tsy nomena anjara tany ny Levita ho lovany. I Jehovah kosa no anjarany, na lovany, satria nomen’i Jehovah asa manokana izy

[Sary, pejy 7]

Nahoana no lazaina hoe i Jehovah no anjara na lova nomena an’ireo mpisorona sy Levita?

[Sary, pejy 9]

Inona no nanampy an’i Asafa hitadidy fa i Jehovah no anjarany?