Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ampisehoanao fa i Jehovah no Anjara Lovanao?

Ahoana no Ampisehoanao fa i Jehovah no Anjara Lovanao?

Ahoana no Ampisehoanao fa i Jehovah no Anjara Lovanao?

‘Katsaho foana aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo izany rehetra izany.’—MAT. 6:33.

1, 2. a) Iza ilay hoe “Israelin’Andriamanitra” ao amin’ny Galatianina 6:16? b) Iza no antsoina hoe “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” ao amin’ny Matio 19:28?

IZA no tonga ao an-tsainao rehefa mandre hoe Israely? I Jakoba zanak’i Isaka ve? Sa ny taranany, izay nantsoina hoe firenen’Israely? Misy koa ny hoe Israely ara-panahy, na “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ireo 144 000 voahosotra ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra.—Gal. 6:16; Apok. 7:4; 21:12.

2 Misy Israely hafa koa anefa resahina ao amin’ny Matio 19:28. Hoy i Jesosy: “Amin’ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona. Amin’izay fotoana izay dia hipetraka eo ambony seza fiandrianana roa ambin’ny folo koa ianareo izay efa nanaraka ahy, ka hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” Voalaza eo hoe hitsara ny “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” ny voahosotra mpianatr’i Kristy. Ireo olona hiaina mandrakizay eto an-tany àry no antsoina hoe “foko roa ambin’ny folon’ny Israely” ao amin’io andininy io. Handray soa avy amin’ny asan’ny mpisorona ataon’ireo voahosotra izy ireo.

3, 4. Inona no modely avelan’ireo voahosotra ho antsika?

3 Toa an’ireo Levita sy mpisorona fahiny ny Kristianina voahosotra. Mihevitra izy ireo fa sarobidy ny fanompoana ataony. (Nom. 18:20) Tsy manantena hahazo tany ho lovany ny voahosotra, fa miandrandra kosa ny ho tonga mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Hita ao amin’ny Apokalypsy 4:10, 11 fa mbola hanompo an’i Jehovah izy ireo rehefa any.—Ezek. 44:28.

4 Hita eo amin’ny fomba fiainan’ireo voahosotra fa i Jehovah no anjarany na lovany. Ny fanompoany an’i Jehovah no ataony loha laharana. Mino ny sorom-panavotan’i Kristy sy manaraka azy mandrakariva izy ireo, “mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo. (2 Pet. 1:10) Tsy mitovy ny toe-javatra misy ny voahosotra, ary samy hafa ny fahaizany. Mety ho voafetra koa ny zavatra vitany. Tsy ataony fialan-tsiny anefa izany, ka hoe zara raha manompo izy. Ny fanompoana no ataony loha laharana, sady manao izay fara heriny izy ireo. Modely ho an’ireo manantena hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo.

5. Inona no tokony hataon’ny Kristianina tsirairay, raha tiany hoe i Jehovah no anjarany na lovany? Nahoana izany no mety ho sarotra?

5 Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ‘mandà tena ka mitondra ny hazo fijaliana, ary manaraka azy mandrakariva’ ny tena Kristianina, na manantena ho any an-danitra izy na ho eto an-tany. (Mat. 16:24) Efa manao izany ireo olona an-tapitrisany manantena hiaina eto an-tany. Manompo an’i Jehovah izy ireo, ary manara-dia an’i Kristy. Tsy ampy azy raha kely ny fanompoana ataony, raha mbola hitany hoe afaka manao bebe kokoa izy. Maro no manatsotra ny fiainany ka lasa mpisava lalana. Ny hafa indray mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy tsindraindray ao anatin’ny taona. Misy koa tsy afaka ny ho mpisava lalana, fa miezaka mafy eo amin’ny fanompoana. Mahafoy tena izy ireny, sahala amin’i Maria izay nahafoy menaka lafo vidy mba hosorana tamin’i Jesosy. Hoy i Jesosy momba azy: ‘Tsara ny nataony tamiko. Nanao izay azony natao ravehivavy.’ (Mar. 14:6-8) Mila manao izay rehetra azontsika atao koa isika amin’ny fanompoana. Tsy mora izany satria miaina eo anivon’ny tontolon’i Satana isika. Mila miezaka mafy anefa isika, ary mitoky amin’i Jehovah. Hodinihina ato ny fomba efatra azontsika ampisehoana fa mitoky amin’i Jehovah isika.

Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra

6. a) Ahoana no ampisehoan’ny ankamaroan’ny olona fa tsy misy afa-tsy ity fiainana ity no anjarany? b) Inona no fomba fihevitr’i Davida tokony hananantsika?

6 Nampianatra i Jesosy hoe ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany no tokony hokatsahina voalohany. Izay hahasoa ny tenany anefa no katsahin’ireo “olona eto amin’ity tontolo ity, izay tsy manana anjara afa-tsy amin’izao fiainana izao.” (Vakio ny Salamo 17:1, 13-15.) Tsy miraharaha an’i Jehovah izy ireo, fa variana manao izay hahametimety ny fiainany, sy mikarakara ny ankohonany, ary mifofotra mafy mba hamelana lova ho an’ny taranany. Tsy misy afa-tsy ity fiainana ity no anjarany. Ny hanana “laza tsara” eo anatrehan’i Jehovah kosa no nokatsahin’i Davida. Izany koa no nasain’i Solomona zanany hataontsika. (Mpito. 7:1) Toa an’i Asafa i Davida, ka nihevitra fa zava-dehibe kokoa noho ny tombontsoany manokana ny hoe ho naman’i Jehovah foana. Faly izy niara-nandeha tamin’Andriamanitra. Kristianina maro koa ankehitriny no mihevitra fa zava-dehibe kokoa noho ny asa fivelomana ny fanompoana an’i Jehovah.

7. Inona no soa azon’ny rahalahy iray noho izy nanao loha laharana an’ilay Fanjakana?

7 Diniho i Jean-Claude, anti-panahy any amin’ny République centrafricaine. Manambady izy ary manan-janaka telo. Sarotra ny mahita asa any, ka manao izay rehetra azony atao ny olona mba tsy ho very asa. Niteny tamin’i Jean-Claude anefa ny lehibeny, fa tsy maintsy miasa alina izy, manomboka amin’ny 6.30 hariva, anisan’izany ny asabotsy sy alahady. Nohazavain’i Jean-Claude fa mila mikarakara ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-panahy izy, ankoatra ny famelomana azy ireo. Nolazainy koa fa manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana izy. Hoy àry ilay lehibeny: “Tsara vintana ianao matoa manana asa, ka hadinoy ny zavatra hafa rehetra, na ny vadinao izany, na ny zanakao, na ny olana mahazo anao. Tsy maintsy manokana ny fiainanao amin’ny asanao ianao. Fidio izay tianao: Na ny asanao, na ny fivavahanao.” Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany? Fantatr’i Jean-Claude fa hanampy azy i Jehovah, raha very asa izy. Ho be hatao amin’ny fanompoana foana izy, ary hokarakarain’i Jehovah izy mianakavy. Namonjy ny fivoriana andavanandro, izay natao amin’ny hariva, àry izy. Niomana handeha hiasa anefa izy rehefa nirava, sady nanahy ihany hoe ho voaroaka. Tamin’izay indrindra izy no nisy niantso an-telefaonina hoe voaroaka ilay lehibeny, fa izy tsy voaroaka.

8, 9. Ahoana no anahafantsika ny mpisorona sy ny Levita, ka ahitana fa mihevitra an’i Jehovah ho anjara sy lovantsika isika?

8 Mety ho efa niatrika toe-javatra toy izany ianao, ka nieritreritra hoe: ‘Ahoana no hamelomako ny vady aman-janako, raha very asa aho?’ (1 Tim. 5:8) Na efa nitranga taminao anefa izany na tsia, dia azo inoana fa efa nisy zava-nitranga teo amin’ny fiainanao nahitanao fa tsy handiso fanantenana anao mihitsy i Jehovah, rehefa mihevitra azy ho anjara sy lovanao ianao, ka manao ny fanompoana ho loha laharana. Rehefa niteny tamin’ny mpianany i Jesosy hoe ‘katsaho foana aloha ny fanjakany’, dia nanome toky azy ireo izy hoe ‘homena azy ireo izany rehetra izany’, izany hoe homena azy ireo izay ilainy, anisan’izany ny sakafo sy fitafiana.—Mat. 6:33.

9 Eritrereto ny Levita, izay tsy nomena anjara tany ho lovany. Natao hitarika ny Israelita teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo, ka izay no nataony loha laharana. Tsy maintsy nihevitra an’i Jehovah ho anjarany sy lovany àry izy ireo, ka niantehitra taminy mba hahazoana izay nilainy. (Nom. 18:20) Marina fa tsy manompo ao amin’ny tempoly ara-bakiteny, toa an’ireo mpisorona sy Levita, isika. Afaka matoky toa azy ireo anefa isika hoe hanome izay ilaintsika i Jehovah. Efa tena akaiky ny farany, ka hihasarotra ny fiainantsika, noho isika tsy mandray ny ‘mariky’ ny bibidia. Vao mainka ilaina àry ny matoky an’i Jehovah.—Apok. 13:17.

Katsaho aloha ny fahamarinan’Andriamanitra

10, 11. Ahoana no nampisehoan’ny olona sasany hoe natoky an’i Jehovah izy teo amin’ny resaka asa?

10 Nilaza koa i Jesosy hoe: ‘Katsaho foana aloha ny fahamarinan’Andriamanitra.’ (Mat. 6:33) Midika izany fa mila miezaka manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy isika, fa tsy manaraka ny fomba fihevitr’olombelona. (Vakio ny Isaia 55:8, 9.) Maro ny olona namboly paraky, na nivarotra sigara sy paraky talohan’ny nahalalany ny fahamarinana. Nisy koa nampianatra ady, na nanamboatra sy nivarotra fitaovam-piadiana. Niova asa anefa ny ankamaroan’izy ireo rehefa nahalala ny fahamarinana, ka nahafeno fepetra hatao batisa.—Isaia 2:4; 2 Kor. 7:1; Gal. 5:14.

11 Diniho, ohatra, i Andrew. Tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah izy sy ny vadiny, rehefa nahalala momba azy. Na dia tiany be àry ny asany, dia nialany. Nahoana? Satria mpitondra sambo mpisitrika an’ny tafika izy, ary te hikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra. Lasa tsy an’asa àry izy. Nanan-janaka roa izy ireo, nefa tsy nanana afa-tsy vola kely ampy nandritra ny volana vitsivitsy. Toa tsy nanana na inona na inona intsony izy ireo tamin’izay. Nitady asa àry i Andrew, ary natoky an’i Jehovah. Niaiky i Andrew sy ny fianakaviany tatỳ aoriana fa tsy fohy tokoa ny tanan’i Jehovah. (Isaia 59:1) Afaka nanompo manontolo andro mihitsy aza izy mivady, rehefa nanatsotra ny fiainany. Hoy i Andrew: “Marina fa misy zavatra mampanahy anay ihany indraindray. Anisan’izany ny vola, trano, fahasalamana, ary ny fahanterana. Nanampy anay foana anefa i Jehovah.” Hoy koa izy: “Tsy misy asa ambony sy tsara noho ny manompo an’i Jehovah.” *Mpito. 12:13.

12. Inona no ilaintsika mba hahafahantsika hanaraka foana ny fitsipik’i Jehovah? Mitantarà zava-nitranga teo an-toerana manaporofo izany.

12 Hoy i Jesosy: “Raha manam-pinoana ianareo, na bitika toy ny voan-tsinapy aza, ary hilaza amin’irỳ tendrombohitra irỳ hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra izy ary tsy hisy tsy ho vitanareo.” (Mat. 17:20) Ho vitanao ve ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah, raha mety hiteraka olana ho anao izany? Raha misalasala ianao, dia miresaha amin’ny mpiara-manompo. Hahazo fampaherezana ianao, rehefa tantarainy aminao ny fomba nanampian’i Jehovah azy.

Ankasitraho ny sakafo ara-panahy

13. Inona no toky ananantsika, raha miezaka mafy isika manompo an’i Jehovah?

13 Nanome izay nilain’ny Levita i Jehovah, ka matokia fa hanome izay ilainao ara-nofo sy ara-panahy koa izy, raha mihevitra ny fanompoana azy ho sarobidy ianao. Eritrereto i Davida. Natoky izy hoe hikarakara azy i Jehovah, na dia tamin’izy tao anaty lava-bato aza. Afaka miantehitra amin’i Jehovah koa isika, na dia rehefa mahatsiaro ho tsy afa-manoatra aza. Tsarovy koa fa tao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” i Asafa vao nahafantatra ny valin’ny fanontaniana nanahiran-tsaina azy. (Sal. 73:17) Toy izany koa fa tsy maintsy mitodika amin’i Jehovah isika mba hahazoana sakafo ara-panahy. Asehontsika amin’izany hoe sarobidy amintsika ny fanompoana azy, na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika. Hita hoe mihevitra an’i Jehovah ho anjara sy lovantsika isika amin’izay.

14, 15. Inona no tokony hataontsika rehefa ahitsy ny fahazoantsika ny andinin-teny sasany, ary nahoana?

14 Manao ahoana ny fihetsikao, rehefa manazava an’ireo “zava-dalin’Andriamanitra” ao amin’ny Baiboly i Jehovah? (1 Kor. 2:10-13) Ohatra tsara amin’izany ny apostoly Petera. Nilaza i Jesosy, indray andro, hoe: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo.” Nandray an’ireo teny ireo ho ara-bakiteny ny mpianatra maro, ka nilaza hoe: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?” “Tsy niara-nandeha” tamin’i Jesosy intsony àry izy ireo. Hoy anefa i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:53, 60, 66, 68.

15 Tsy azon’i Petera tsara ny dikan’ilay tenin’i Jesosy, kanefa natoky izy hoe hanampy ny olona hahalala ny fahamarinana i Jehovah. Ary ianao? Ahoana no ataonao rehefa ahitsy ny fahatakarantsika ny fahamarinana? Miezaka ve ianao mba hahazo hoe inona no antony ara-baiboly nahatonga an’ilay fanitsiana? (Ohab. 4:18) “Faran’izay nazoto nandray ny teny” ireo Berianina tamin’ny taonjato voalohany, ka “nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro.” (Asa. 17:11) Hankasitraka kokoa ny fanompoanao an’i Jehovah ianao, raha manahaka azy ireo. Ho faly koa ianao hoe i Jehovah no anjaranao sy lovanao.

Manambadia ao amin’ny Tompo ihany

16. Inona no didy tokony hotandremantsika, raha tiantsika hoe i Jehovah no ho anjarantsika na lovantsika?

16 Anisan’ny fitsipik’i Jehovah tokony hankatoavin’ny Kristianina koa ilay hoe manambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Maro no nifidy ny tsy hanambady, toy izay tsy hankatò an’io didin’Andriamanitra io. Karakarain’i Jehovah tsara ny olona toy izany. Mety hahatsiaro ho manirery na tsy misy manampy anefa isika indraindray, toa an’i Davida ihany. Ahoana no niatrehan’i Davida izany? Hoy izy: ‘Teo anatrehan’i Jehovah no namborahako ny zavatra mampanahy ahy, ary izy foana no nilazako ny fahoriako. Izany no nataoko rehefa rera-tsaina aho.’ (Sal. 142:1-3) Nety ho nahatsapa toy izany koa i Jeremia. Mpitovo izy ary tsy nivadika mihitsy. Afaka mianatra momba azy ianao ao amin’ny toko faha-8 amin’ilay boky hoe Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany.

17. Inona no ataon’ny anabavy mpitovo iray rehefa mahatsiaro ho manirery?

17 Hoy ny anabavy iray any Etazonia: “Tsy nieritreritra ny hijanona ho mpitovo mihitsy aho. Hanambady aho raha mahita olona mety amiko. Nampirisika ahy mafy hanambady ny reniko, izay tsy Vavolombelona. Tsy noraharahainy izay ho vadiko fa tiany hanambady fotsiny aho. Nanontaniako àry izy hoe manaiky ho tompon’andraikitra ve izy raha mikorontana ny tokantranoko. Hitany anefa tatỳ aoriana hoe nanana asa tsara aho, nahavita nikarakara tena, ary sambatra, ka tsy nanery ahy hanambady intsony izy.” Hoy koa io anabavy io: ‘Miezaka mitoky amin’i Jehovah aho rehefa mahatsiaro ho manirery, ary tsy mahafoy ahy mihitsy izy.’ Inona no nanampy azy hatoky an’i Jehovah? Hoy ihany izy: “Mivavaka aho, ka tsapako fa tena misy i Jehovah ary tsy irery aho. Ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao no mihaino ahy, ka faly aho ary mahatsiaro ho sarobidy.” Matoky io anabavy io fa ‘mahasambatra ny manome noho ny mandray’, ka miezaka izy hanampy ny hafa, ary tsy manantena tambiny amin’izany. Hoy koa izy: “Faly aho mieritreritra izay azoko atao ho an’ny hafa.” (As 20:35) I Jehovah tokoa no anjara na lovan’io anabavy io, ka faly izy manompo Azy.

18. Inona no tokony hataonao, raha tianao ny ho lasa anjara lovan’i Jehovah?

18 Na inona na inona toe-javatra atrehinao, dia azonao aseho hoe i Jehovah no anjaranao na lovanao. Ho anisan’ireo vahoakany sambatra ianao raha manao izany. (2 Kor. 6:16, 17) Ho anjara lovan’i Jehovah koa ianao amin’izay, toy ireo mpanompony fahiny. (Vakio ny Deoteronomia 32:9, 10.) Toy ny nakan’i Jehovah ny firenen’Israely teo amin’ny firenen-kafa, ka nifidianany azy ireo ho anjara lovany, dia afaka mifidy anao koa i Jehovah mba ho anjara lovany. Hikarakara anao amim-pitiavana izy.—Sal. 17:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

Ahoana no Havalinao?

Raha tianao ho anjara lovanao i Jehovah,

• ahoana no ampisehoanao fa ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany no ataonao loha laharana?

• ahoana no ampisehoanao fa mankasitraka ny sakafo ara-panahy ianao?

• ahoana no ampisehoanao fa ankatoavinao ilay didy hoe: ‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 13]

Ho lasa anjaranao na lovanao i Jehovah, raha ny fanompoana azy no ataonao loha laharana

[Sary, pejy 15]

Mampahery ny ohatr’i Jeremia