Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatr’i Jehovah ve Ianao?

Fantatr’i Jehovah ve Ianao?

Fantatr’i Jehovah ve Ianao?

“Fantatr’i Jehovah ny azy.”—2 TIM. 2:19.

1, 2. a) Nahoana i Jesosy no tsy nivadika mihitsy? b) Inona no fanontaniana mila eritreretintsika?

NISY Fariseo nanontany an’i Jesosy, indray andro, hoe: “Inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?” Namaly i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Mat. 22:35-37) Hita tamin’ny fiainan’i Jesosy fa tena tiany ilay Rainy any an-danitra. Tsy nivadika mihitsy koa izy satria tiany hankasitraka azy foana i Jehovah. Fantatr’i Jehovah àry i Jesosy hoe nitandrina foana ny didiny. Nanamafy an’izany i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: ‘Nitandrina ny didin’ny Ray aho, [ka] tsy niala tamin’ny fitiavany.’—Jaona 15:10.

2 Be dia be ny olona milaza hoe tia an’Andriamanitra, ary na isika koa aza miteny an’izany. Mieritrereta anefa hoe: ‘Ahoana no fahitan’i Jehovah ahy? “Fantany” ve aho, izany hoe ankasitrahany sy raisiny ho namany?’ (2 Tim. 2:19) Tena mahafinaritra mantsy ny hoe naman’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao.

3. Nahoana no misy mihevitra hoe tsy tian’i Jehovah, ary inona no hanampy azy tsy hieritreritra an’izany?

3 Misy miteny anefa hoe: ‘Tia an’i Jehovah aho, nefa izy ve dia tena handray ahy ho namany?’ Mahatsiaro tena ho tsy misy dikany izy ireo, ka mihevitra hoe tsy tia azy i Jehovah. Izany ve anefa no fahitan’Andriamanitra azy? Tsia! (1 Sam. 16:7) Hoy ny apostoly Paoly: ‘Raha misy tia an’Andriamanitra, dia fantatr’Andriamanitra izy.’ (1 Kor. 8:3) Raha tia an’i Jehovah àry ianao, dia ho ‘fantany’, izany hoe horaisiny ho namany. Diniho izao: Nahoana ianao no mamaky an’ity gazety ity? Nahoana ianao no manompo an’i Jehovah amin’ny fonao sy sainao ary herinao manontolo? Raha efa nanokan-tena sy natao batisa ianao, nahoana ianao no nanao izany? Tsy noho ianao tia azy ve? Fantatr’i Jehovah izany satria resahin’ny Baiboly fa mandinika ny ao am-po izy. Hitany izay olona ‘sarobidy’ aminy, ka ‘taominy’ ho namany. (Vakio ny Hagay 2:7; Jaona 6:44.) Matokia àry fa notaomin’i Jehovah ianao matoa lasa mpanompony. Tsy hafoiny mihitsy ianao raha tsy mivadika aminy. Sarobidy aminy ianao sady tena tiany!—Sal. 94:14.

4. Nahoana isika no tokony hitandrina tsara rehefa lasa naman’i Jehovah?

4 Raha efa notaomin’i Jehovah àry ianao, dia miezaha ho tiany foana. (Vakio ny Joda 20, 21.) Milaza ny Baiboly fa mety hiala tsikelikely na hivadika aminy isika, raha tsy mitandrina. (Heb. 2:1; 3:12, 13) Izany no nanjo an’i Hymeneo sy Fileto. Niresaka momba azy ireo i Paoly talohan’ny nilazany an’ilay teny ao amin’ny 2 Timoty 2:19. Efa naman’i Jehovah izy roa lahy, nefa nivadika tatỳ aoriana. (2 Tim. 2:16-18) Lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony koa ny Kristianina sasany tany Galatia. (Gal. 4:9) Aza hadinoina mihitsy àry fa tena zava-dehibe ny hoe naman’Andriamanitra.

5. a) Inona no toetra mila ananantsika mba ho tian’i Jehovah isika? b) Inona no hojerentsika izao?

5 Misy toetra mila ananantsika anefa raha te ho naman’i Jehovah isika. (Sal. 15:1-5; 1 Pet. 3:4) Anisan’izany ny finoana sy ny fanetren-tena. Hijery tantaran’olona telo isika izao. Nanana an’ireo toetra ireo ny roa, ka tian’i Jehovah. Ilay fahatelo kosa nanambony tena, ka lasa tsy tiany intsony. Hodinihintsika koa hoe inona no azo ianarana avy amin’izy ireo.

Rain’izay manam-pinoana

6. a) Inona no nataon’i Abrahama noho izy nino ny fampanantenan’i Jehovah? b) Inona no fitahiana azon’i Abrahama?

6 “Naneho finoana an’i Jehovah” i Abrahama. Nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” mihitsy aza izy. (Gen. 15:6; Rom. 4:11) Nino ny fampanantenan’i Jehovah izy, ka nankany an-tany lavitra. Nafoiny ny tranony sy ny namany ary ny fananany sasany. (Gen. 12:1-4; Heb. 11:8-10) Mbola nanana finoana matanjaka foana izy, na ela be tatỳ aoriana aza. Nanaiky, ohatra, izy, rehefa nasain’i Jehovah nanolotra an’i Isaka ho sorona. (Heb. 11:17-19) Tena nino ny fampanantenan’i Jehovah i Abrahama, ka tena tiany. Nilaza àry i Jehovah hoe fantany tsara izy. (Vakio ny Genesisy 18:19.) Tsy hoe fantany tsotra fotsiny anefa izy fa noraisiny ho namana mihitsy.—Jak. 2:22, 23.

7. Tanteraka tamin’i Abrahama mbola velona ve ny zavatra nampanantenain’i Jehovah azy? Inona anefa no nataon’i Abrahama?

7 Nampanantena an’i Abrahama i Jehovah fa ho be dia be toy ny “fasika eny amoron-dranomasina” ny taranany, ary hahazo tany honenana izy ireo. (Gen. 22:17, 18) Tsy tanteraka izany tamin’i Abrahama mbola velona. Tena nino an’i Jehovah foana anefa izy, ary nasehony tamin’izay nataony izany. Natoky izy fa tsy maintsy tanteraka ny tenin’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 11:13.) Ary ianao? Hitan’i Jehovah ve hoe manam-pinoana toa an’i Abrahama ianao?

Asehoy fa tena manam-pinoana ianao

8. Inona no irin’ny ankamaroantsika?

8 Maro ny zavatra irintsika ho tanteraka. Ohatra hoe hanambady na hanan-janaka na ho salama tsara. Tsy misy maharatsy an’izany. Ahoana anefa raha tsy mety tanteraka ilay izy? Inona no hataontsika? Miankina amin’izay mantsy no ahitana raha tena manam-pinoana isika na tsia.

9, 10. a) Inona no ataon’ny olona sasany mba hahazoany izay iriny? b) Mino ve ianao fa manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah? Nahoana?

9 Tsy mety raha mandika ny fitsipik’i Jehovah isika, satria hoe tena te hahazo an’ilay zavatra irintsika. Tsy ho naman’i Jehovah intsony isika raha manao izany. Misy, ohatra, manaraka karazana fitsaboana raran’ny Baiboly. Misy indray zara raha miaraka amin’ny fianakaviany sady tsy mivory intsony, satria variana mitady vola. Ny hafa mampiaraka amin’ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah. Tena miezaka ny ho fantatr’i Jehovah ve ny olona manao izany? Eritrereto ange e! Ahoana raha tsy nanam-paharetana i Abrahama? Ahoana raha tsy niandry an’i Jehovah izy fa tonga dia nitady tany hipetrahana sy nanao izay hampahalaza ny tenany? (Ampitahao amin’ny Genesisy 11:4.) Inona no ho vokatr’izany teo amin’i Jehovah? Mbola nandray an’i Abrahama ho namana ve izy?

10 Ary ianao? Inona no tena irinao? Mampanantena i Jehovah fa hanatanteraka ny faniriantsika izy. (Sal. 145:16) Tena mino an’izany ve ianao, ka vonona hiandry azy? Tsy voatery hotanterahiny eo no ho eo foana ny fampanantenany. Tsy hanadino antsika anefa izy, raha asehontsika foana fa manana finoana toa an’i Abrahama isika. Hamaly soa antsika i Jehovah.—Heb. 11:6.

Olona roa tsy nitovy toetra

11. Inona avy no fitahiana nananan’i Kora, ary midika inona izany?

11 Andeha isika hijery ny tantaran’i Mosesy sy Kora. Nanaiky ny lamina napetrak’i Jehovah i Mosesy sady nankatò ny fanapahan-keviny. I Kora anefa tsy nanao izany. Ho hitantsika hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah azy ireo. Levita Kehatita i Kora. Nahazo fitahiana maro izy tamin’ny voalohany. Azo inoana, ohatra, fa nahita ny namonjen’i Jehovah ny Israelita teo amin’ny Ranomasina Mena izy. Anisan’ireo nitondra ny vata misy ny fifanekena koa angamba izy, sady nirahin’i Jehovah hamono an’ireo Israelita nanompo sampy, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eks. 32:26-29; Nom. 3:30, 31) Azo antoka àry fa tsy nivadika tamin’i Jehovah an-taonany maro izy, sady nohajain’ny Israelita.

12. Inona no vokany rehefa nanambony tena i Kora? (Jereo koa ny sary eo amin’ny pejy 28.)

12 Nanakiana an’i Mosesy anefa i Kora, teny an-dalana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy tokony hitarika ny Israelita intsony, hono, i Mosesy. Nisy olona ambony 250 nanohana an’i Kora. Natoky ry zareo fa fantatr’i Jehovah, na hoe nankasitrahany. Hoy izy ireo tamin’i Mosesy sy Arona: “Efa tofoka aminareo izahay, fa masina avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy.” (Nom. 16:1-3) Natoky tena loatra ry zareo sady nanambony tena. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “I Jehovah no hampahafantatra hoe iza no azy.” (Vakio ny Nomery 16:5.) Ny ampitson’iny ihany, dia noringanin’i Jehovah i Kora sy izay niara-nikomy taminy.—Nom. 16:31-35.

13, 14. Inona no porofo fa nanetry tena i Mosesy?

13 Tsy nitovy tamin’i Kora i Mosesy, satria izy no ‘be fandeferana indrindra tamin’ny olona teto an-tany.’ (Nom. 12:3) Nandefitra sy nanetry tena izy, ka nankatò an’izay rehetra nasain’i Jehovah nataony. (Eks. 7:6; 40:16) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe namalivaly an’i Jehovah i Mosesy, na tezitra satria tsy maintsy nanaraka ny toromarika nomeny. Be pitsipitsiny, ohatra, ny tranolay nasainy naorin’i Mosesy. Nolazainy hatramin’ny lokon’ny kofehy sy ny isan’ny vona hatao eo amin’ny lamban’ilay tranolay. (Eks. 26:1-6) Sorena isika indraindray rehefa be tsipiriany ny toromarika omen’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Tadidio anefa fa toromarika avy amin’i Jehovah ireny. Mpiandraikitra lavorary izy, ka fantany tsara hoe ho vitantsika ny hanaraka ny toromarika omeny. Izany no mahatonga azy ho tia mampanao zavatra antsika. Misy antony tsara matoa izy manome tsipiriany be dia be indraindray. Tsy tezitra tamin’i Jehovah àry i Mosesy, sady tsy nihevitra hoe manambany azy i Jehovah na tsy mba mamela azy hitady hevitra. Nanaraka tsara ny toromarik’Andriamanitra izy sy izay niara-niasa taminy. (Eks. 39:32) Tena nanetry tena i Mosesy! Fantany fa asan’i Jehovah ilay izy, ary nirahina hamita an’izany fotsiny izy.

14 Mbola nanetry tena koa i Mosesy, na dia rehefa nisy zavatra nandiso fanantenana azy aza. Nimenomenona taminy, ohatra, ny olona, indray mandeha, ka tezitra be izy ary lasa tsy nanome voninahitra an’i Jehovah. Notenenin’i Jehovah àry izy hoe tsy mahazo mankany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 20:2-12) Efa an-taonany maro izy sy Arona rahalahiny no niaritra ny vavan’ny Israelita. Vao mba tamin’io indray mandeha io anefa izy no tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, dia tsy navela hahita an’ilay zavatra efa niriny hatry ny ela! Tena diso fanantenana izy nefa nanetry tena, ary nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. Natoky izy fa manao ny marina sy ny rariny foana i Jehovah. (Deot. 3:25-27; 32:4) Azo antoka àry fa tena nankasitrahan’i Jehovah i Mosesy. Tena fantany tsara izy!—Vakio ny Eksodosy 33:12, 13.

Miezaha hanetry tena

15. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Kora?

15 Mila manaiky ny fanitsiana ataon’ny fandaminana isika, sady manaja ny fanapahan-kevitry ny mpiandraikitra voatendrin’i Jehovah. Amin’izay ihany i Jehovah vao hankasitraka antsika. Tsy nankasitrahany intsony i Kora sy ny namany satria natoky tena be, nanambony tena, ary tsy ampy finoana. Nihevitra i Kora hoe nanao izay tiany fotsiny i Mosesy, sady efa hazo amoron-tevana. Hadinony fa ny baikon’i Jehovah no narahin’i Mosesy, satria i Jehovah no tena nitarika an’ilay firenena. Lasa tsy nanaja an’io mpiandraikitra voatendrin’Andriamanitra io àry i Kora. Tokony ho nanam-paharetana izy, satria raha nisy fanazavana na fanitsiana nila natao, dia tsy maintsy ho nanao izany i Jehovah. Naleon’i Kora anefa nikomy. Lasa izany no ahafantarana azy, fa tsy ilay izy nanompo an’i Jehovah an-taonany maro.

16. Inona no ho vokany raha manetry tena toa an’i Mosesy isika?

16 Mandray lesona avy amin’izany isika sy ny anti-panahy. Mila manetry tena isika raha te hahavita hiandry an’i Jehovah sy hankatò an’ireo mpiandraikitra notendreny. Manetry tena sy mandefitra toa an’i Mosesy ve isika? Ekentsika ve fa i Jehovah no nanendry an’ireny mpiandraikitra ireny, ka mankatò azy ireny isika? Miezaka mifehy tena ve isika, rehefa diso fanantenana? Hankasitraka antsika i Jehovah, raha manao an’ireo isika. Tena ho tiany isika raha manetry tena sy mankatò.

“Fantatr’i Jehovah ny azy”

17, 18. Inona no hataontsika mba ho naman’i Jehovah foana isika?

17 Tena nahasoa antsika ny nandinika ny tantaran’i Abrahama sy Mosesy. Tian’i Jehovah izy ireo ka notaominy ho lasa namany. Tsy lavorary sy nanao fahadisoana toa antsika izy ireo, nefa fantatr’i Jehovah na hoe nankasitrahany. Nianarantsika avy amin’i Kora indray fa mety hivadika amin’i Jehovah isika raha tsy mitandrina. Tokony hieritreritra àry isika tsirairay hoe: ‘Ahoana no fahitan’i Jehovah ahy? Inona no ianarako avy amin’ireo tantara ireo?’

18 Mampahery ny mahafantatra fa raisin’i Jehovah ho namany isika raha tsy mivadika aminy. Miezaha foana àry hanana toetra tsara, toy ny finoana sy fanetren-tena. Vao mainka isika ho sarobidy amin’i Jehovah amin’izay. Voninahitra lehibe ny hoe fantany na hoe namany. Ho sambatra isika dieny izao, ary hahazo fitahiana maro amin’ny hoavy.—Sal. 37:18.

Tadidinao Ve?

• Inona no dikan’ny hoe “fantatr’i Jehovah”?

• Inona no ianaranao avy amin’i Abrahama?

• Inona no ianaranao avy amin’i Kora sy Mosesy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Tena mino toa an’i Abrahama ve ianao fa tanteraka foana izay ampanantenain’i Jehovah?

[Sary, pejy 28]

Tsy nanetry tena i Kora sady tsy nankatò

[Sary, pejy 29]

Hitan’i Jehovah ve hoe manetry tena sy mankatò toromarika ianao?