Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

1 Marina ve fa Mistery Andriamanitra?

1 Marina ve fa Mistery Andriamanitra?

1 Marina ve fa Mistery Andriamanitra?

Inona no nolazaina taminao? “Tsy takatry ny saina ny fiasan’Andriamanitra.”

“Tsy takatry ny sain’olombelona ny mombamomba ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.”—Fanekem-pinoan’i Athanase manazava ny fampianaran’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, momba ny Andriamanitra telo izay iray.

Inona no lazain’ny Baiboly? Nilaza i Jesosy fa hahazo fitahiana maro izay ‘mianatra hahalala an’ilay hany tena Andriamanitra.’ (Jaona 17:3) Ahoana anefa no hahalalana an’Andriamanitra raha mistery izy? Tsy manafina ny maha izy azy mihitsy izy, fa tiany hahalala azy isika rehetra.—Jeremia 31:34.

Marina aloha fa tsy ho fantatsika daholo ny zava-drehetra momba an’Andriamanitra. Ambony lavitra noho ny antsika mantsy ny eritreriny sy ny fomba fanaovany zavatra.—Mpitoriteny 3:11; Isaia 55:8, 9.

Nahoana no manampy anao ny mahafantatra ny marina? Raha mistery tokoa Andriamanitra, nahoana isika no mbola miezaka mianatra momba azy ihany? Tsy hoe avelany hahafantatra azy fotsiny anefa isika, fa avelany hifandray akaiky aminy koa. Nantsoiny hoe “namako” mihitsy aza i Abrahama, noho izy io tsy nivadika. (Isaia 41:8) Hoy koa i Davida, mpanjakan’ny Israely: “Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy.”—Salamo 25:14.

Mety ho sarotra izany hoe ho lasa naman’Andriamanitra izany amin’ny voalohany. Hoy anefa ny Asan’ny Apostoly 17:27: “Tsy lavitra antsika tsirairay [Andriamanitra].” Ampiany hahafantatra tsara azy isika, amin’ny alalan’ny Baiboly. *

Ampahafantariny antsika hoe Jehovah no anarany. (Isaia 42:8) Noraketiny ao amin’ny Baiboly ny zavatra nataony ho an’ny olombelona, mba ho fantatsika hoe Andriamanitra manao ahoana izy. Asehony antsika koa ny toetrany. “Mamindra fo sy tsara fanahy [izy], tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.” (Eksodosy 34:6) Misy vokany aminy izay ataontsika. “Nampalahelo” azy, ohatra, ny firenen’Israely fahiny rehefa nikomy taminy. Mampifaly azy kosa izay rehetra mankatò azy.—Salamo 78:40; Ohabolana 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Manazava bebe kokoa an’izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra ny toko 1 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Raha anisan’ny Andriamanitra telo izay iray izay tsy takatry ny saina tokoa Andriamanitra, ahoana no hahalalantsika azy?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

The Trinity c.1500, Flemish School, (16th century) / H. Shickman Gallery, New York, USA / The Bridgeman Art Library International