Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2 Marina ve fa Tsy Tena Miraharaha Antsika Andriamanitra?

2 Marina ve fa Tsy Tena Miraharaha Antsika Andriamanitra?

2 Marina ve fa Tsy Tena Miraharaha Antsika Andriamanitra?

Inona no nolazaina taminao? “Tokony hesorin’Andriamanitra ny faharatsiana sy ny fijaliana raha tena miraharaha ny olombelona izy. Ary na atao aza hoe miahy ny olona amin’ny ankapobeny izy, dia tsy miraharaha ahy mihitsy.”

Inona no lazain’ny Baiboly? Tsy avy amin’i Jehovah ny faharatsiana. (Jakoba 1:13) Vitany ny manala avy hatrany ny faharatsiana. Navelany hisy anefa aloha ity tontolo ratsy ity, mba handaminany raharaha lehibe iray nipoitra tany am-piandohan’ny tantaran’olombelona. Hanao zavatra ho an’ny olombelona izy amin’ny hoavy, ary hanala tanteraka ny zava-dratsy nataon’ireo tsy manaiky azy ho mpitondra.—Genesisy 3:1-6; Isaia 65:17. *

Tsy hoe miahy ny olona amin’ny ankapobeny fotsiny Andriamanitra, fa tena miahy antsika tsirairay koa. Mahadinika ny tsipiriany tsy fantatsika akory aza izy, araka ny Matio 10:29-31 hoe: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo. Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.”

Nahoana no manampy anao ny mahafantatra ny marina? Matetika no itsoahantsika ny olona masiaka na tsy miraharaha antsika. Nampianarina lainga ny olona maro hoe tsy miraharaha Andriamanitra. Tsy mahagaga àry izy ireo raha tsy te hahafantatra azy na tsy manatona azy raha tsy rehefa voatery. Lasa te hianatra momba an’Andriamanitra sy te ho namany anefa isika rehefa mahalala fa tena miahy izy.

Mety ho efa nivavaka tamin’Andriamanitra ianao kanefa nisalasala raha nohenoiny ilay vavaka nataonao na hovaliany. Manome toky anefa ny Baiboly fa “Mpihaino vavaka” izy, ka avelany hiresaka aminy amin’ny fotoana rehetra izay manatona azy amin’ny fo manontolo.—Salamo 65:2.

Manasa anao Andriamanitra mba ‘hametraka aminy izay rehetra mampanahy anao, satria miahy anao izy.’ (1 Petera 5:7) Afaka matoky isika fa hiahy antsika izy na dia ao anatin’ny fotoana sarotra indrindra aza. Hoy mantsy ny Teniny: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Manazava bebe kokoa ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny toko 11 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 5]

Raha tsy miraharaha antsika Andriamanitra, nahoana isika no asainy hivavaka aminy?