Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3 Marina ve fa Mamaly Faty Andriamanitra?

3 Marina ve fa Mamaly Faty Andriamanitra?

3 Marina ve fa Mamaly Faty Andriamanitra?

Inona no nolazaina taminao? “Manara-maso ny tsy mety rehetra ataon’ny olona Andriamanitra, ary manasazy azy ireo mandrakizay any amin’ny afobe.”

“Mandefa loza voajanahary Andriamanitra mba hanasaziana ny mpanota.”

Inona no lazain’ny Baiboly? Milaza ny 2 Petera 3:9 fa ‘tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny rehetra fa mba ho tonga amin’ny fibebahana.’ Tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika izy, fa amin’ny toetra tsarantsika. Ny masony dia “mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.”—2 Tantara 16:9.

Tsy mampianatra mihitsy ny Baiboly hoe mampijalijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe Andriamanitra. Maharikoriko azy izany. Fandringanana no sazy mafy indrindra omeny ny ratsy fanahy. (Jeremia 7:31; Romanina 6:7) Tsy Andriamanitra no mahatonga ny loza voajanahary izay mamono olona tsy an-kanavaka. Sampona mety hitranga amin’ny rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina kosa izy ireny.—Mpitoriteny 9:11.

Nahoana no manampy anao ny mahafantatra ny marina? “Vonona hamela heloka” Andriamanitra, fa tsy maika hanameloka. (Salamo 86:5) Lasa te hifandray aminy isika rehefa mahafantatra an’izany. Tsy tokony hoe noho ny fahatsapana ho meloka na noho ny tahotra ny ho voasazy anefa no antony hanompoantsika azy. Tokony ho noho ny fitiavantsika azy kosa no hanaovantsika izany. Izany no mandrisika antsika hiezaka mafy hampifaly azy.—Matio 22:36-38; 1 Jaona 5:3.

Fantatr’Andriamanitra fa hisy hanao ratsy ihany ny olona, na dia tiany hiova sy hanao ny tsara daholo aza. Raha tsy saziny anefa ny mpanao ratsy, dia hitovy amin’ny mpitondra iray manao lalàna izy nefa tsy manao izay hanarahan’ny olona an’izany, fa mamela ny tsy rariny sy ny fijaliana hanjaka. (Mpitoriteny 8:11) Lasa manana fanantenana tsara isika rehefa mahalala fa tsy havelan’Andriamanitra hisy mandrakizay ny faharatsiana. Mampanantena izy fa handringana an’izay mikiry manao ratsy, ary ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany ny “mpandefitra.” Izany mantsy no nokasainy hatrany am-boalohany.—Salamo 37:10, 11, 29. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Manazava bebe kokoa ny fomba hanovan’Andriamanitra ny tany ho paradisa ny toko 3 sy 8 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 6]

Ho tian’Andriamanitra ve raha manompo azy isika satria fotsiny hoe matahotra ny ho voasazy?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Sary nataon’i Doré