Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

5 Marina ve fa Eken’Andriamanitra ny Fivavahana Rehetra?

5 Marina ve fa Eken’Andriamanitra ny Fivavahana Rehetra?

5 Marina ve fa Eken’Andriamanitra ny Fivavahana Rehetra?

Inona no nolazaina taminao? “Be dia be ny lalana azo aleha mba hahatongavana any amin’ny toerana iray. Be dia be toy izany koa ny lalana mankany amin’Andriamanitra. Samy afaka manaraka izay lalana tiany ny tsirairay.”

Inona no lazain’ny Baiboly? Tsy tokony hihatsaravelatsihy isika rehefa manompo an’Andriamanitra. Nilaza tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy hoe nahoana Andriamanitra no nanda azy ireo. Hoy izy: “Marina ny naminanian’i Isaia momba anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: ‘Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy.’ ” (Marka 7:6) Tsy voatery hekeny anefa ny fanompoantsika, na dia ataontsika amin’ny fo aza.

Nasehon’i Jesosy fa marina izany rehefa naharihariny ny tsy nety tamin’ny fanompoana nataon’ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanara-dia azy ireo. Nampiharin’i Jesosy tamin’izy ireo izao tenin’Andriamanitra izao: “Very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.” (Marka 7:7) “Very maina” na tsy misy dikany àry ny fivavahan’izy ireo, satria ny fomban-drazana no zava-dehibe kokoa tamin’izy ireo noho ny fitsipik’Andriamanitra.

Milaza ny Baiboly fa iray ihany ny lalana azo anatonana an’Andriamanitra, fa tsy be dia be akory. Hoy ny Matio 7:13, 14: “Midira amin’ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ka maro no miditra any. Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”

Nahoana no manampy anao ny mahafantatra ny marina? Aoka hatao hoe efa amam-bolana ianao no nampiofanina hanao hazakazaka lavitra ezaka. Ianao no tonga voalohany, saingy nolavina izany satria nisy fitsipika iray voadikanao izay tsy fantatrao. Inona no ho tsapanao? Azo antoka fa hihevitra ianao hoe very maina ny ezaka rehetra nataonao. Mety hihatra amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra koa ve izany?

Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny fifaninanana mihazakazaka ny fanompoantsika. Hoy izy: “Raha misy mandray anjara amin’ny lalao fifaninanana, dia tsy hahazo satroboninahitra izy raha tsy nanaraka ny fitsipi-dalao.” (2 Timoty 2:5) Tsy afaka manantena ny hahazo loka ny mpihazakazaka iray, raha mandeha any amin’izay tiany. Mitovy amin’izany koa fa tsy afaka manaraka izay lalana tiantsika harahina isika, rehefa manompo an’Andriamanitra. Hekeny kosa ny fanompoantsika raha ‘manaraka fitsipi-dalao’ isika, izany hoe manompo azy amin’ny fomba ankasitrahany.

Mila manaraka fivavahana tsy mampianatra lainga momba an’Andriamanitra isika raha te hampifaly azy. Hoy i Jesosy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23) Ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny lalana marina ahafahantsika manatona azy.—Jaona 17:17. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa momba ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra ny toko 15 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 8]

Mampianatra ny olona hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany ve ny fivavahana rehetra?