Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manova ny Fiainanao ny Marina

Afaka Manova ny Fiainanao ny Marina

Afaka Manova ny Fiainanao ny Marina

EFA nandre na nampianarina ny iray amin’ireo lainga noresahina tato amin’ity andian-dahatsoratra ity angamba ianao. Mety ho mbola tsy te hiova hevitra anefa ianao, indrindra raha efa ela be no nino azy ireny.

Ara-dalàna izany. Misy fiangonana tsy tia mampitaha ny zavatra ampianariny amin’izay lazain’ny Baiboly. Misy indray miaro ny fampianarany, na dia diso aza, ka milaza fa saro-takarina ny Baiboly ary tsy natao ho azon’ny besinimaro. Tonga dia nahatakatra izay nampianarin’i Jesosy anefa ny mpianany, na dia olon-tsotra sy tsy dia nahita fianarana aza ny ankamaroany.—Asan’ny Apostoly 4:13.

Miahotra ny hamakafaka ny zavatra inoanao angamba ianao, satria mihevitra fa tsy ampy finoana raha manao an’izany. Dia ho tezitra aminao ve Andriamanitra raha mandinika ny Baiboly ianao mba hamantaranao izay takiny aminao? Mampirisika anao mihitsy aza ny Teniny mba hamakafaka ny Soratra Masina. Hoy izy io: ‘Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’—Romanina 12:2.

Tsy hoe hahafanta-javatra vaovao fotsiny ianao raha mianatra momba an’Andriamanitra, fa hihatsara koa ny fiainanao. (Jaona 8:32) Lasa manana finoana matanjaka izao i Deanne, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra voalohany. Hoy izy: “Tsy tsapako mihitsy hoe hay mazava be izay lazain’ny Soratra Masina, raha tsy rehefa nianatra Baiboly aho. Fantatro tsara izao i Jehovah. Tsy Andriamanitra tsy manana fihetseham-po izy, fa Ray be fitiavana any an-danitra. Lasa misy dikany ny fiainako.”

Mety ho efa nianatra Baiboly ianao taloha fa tsy nahatsapa mihitsy hoe nandray soa. Aza kivy raha izany. Aoka hatao hoe handeha any amin’ny toerana mbola tsy nalehanao mihitsy ianao, ary nisy nanoro lalana anao. Diso anefa ilay fanazavana azonao. Toy izany no manjo anao raha mianatra momba an’Andriamanitra ianao, nefa lainga ilay zavatra ampianarina anao. Hoatran’ny tena izy ilay lalana amin’ny voalohany, kanefa sorena ianao avy eo satria very. Mila mandeha any amin’ilay lalana tena izy àry ianao, raha tsy te ho very.

Te hianatra ny marina momba an’Andriamanitra ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na manorata amin’ny adiresy ao amin’ny pejy 4 amin’ity gazety ity, raha tianao ny hianatra Baiboly maimaim-poana any an-tranonao.

[Teny notsongaina, pejy 9]

‘Fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’—ROMANINA 12:2