Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho Hitanao ny Fahalalana An’Andriamanitra”

“Ho Hitanao ny Fahalalana An’Andriamanitra”

Manatòna An’andriamanitra

“Ho Hitanao ny Fahalalana An’Andriamanitra”

MISY harena tena sarobidy tian’i Jehovah omena antsika, ary tena iriny ho azontsika izy io. Tsy mahatonga antsika ho lasa mpanefohefo izy io, kanefa mahatonga antsika hiadan-tsaina sy ho sambatra ary ho afa-po amin’ny fiainana. Tsy voavidim-bola mihitsy izany. Inona izany harena izany? Hazavain’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Ohabolana 2:1-6 izany.

Milaza i Solomona fa izany harena izany dia “ny fahalalana an’Andriamanitra” na ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ao amin’ny Baiboly. (Andininy 5) Ireto avy no tafiditra amin’io harena sarobidy io:

Fampianarana tena marina. Hita ao amin’ny Baiboly ny valin’ireto fanontaniana ireto: Iza no anaran’Andriamanitra? (Salamo 83:18) Manao ahoana ny olona rehefa maty? (Salamo 146:3, 4) Inona no antony hahavelomantsika? (Genesisy 1:26-28; Salamo 115:16) Tsy voavidim-bola mihitsy ny valin’ireo raha tombanana.

Torohevitra tena mahasoa. Manoro antsika ny fomba fiaina tsara indrindra ny Baiboly. Atorony, ohatra, hoe: Ahoana no hampaharitra ny fanambadiana? (Efesianina 5:28, 29, 33) Ahoana no hitaizana ny ankizy mba ho hendry? (Deoteronomia 6:5-7; Efesianina 6:4) Inona no mahasambatra eo amin’ny fiainana? (Matio 5:3; Lioka 11:28) Raha tena misy valiny marina ireo fanontaniana ireo, tsy tena sarobidy ve izany araka ny hevitrao?

Fahalalana an’Andriamanitra sy ny toetrany. Ny Baiboly no tena manazava ny marina momba an’Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika. Lazainy ao, ohatra, hoe: Hoatran’ny ahoana izy? (Jaona 1:18; 4:24) Miahy antsika ve izy? (1 Petera 5:6, 7) Inona avy no toetra tena mampiavaka azy? (Eksodosy 34:6, 7; 1 Jaona 4:8) Raha mahita fanazavana marina momba izany ianao, tsy hitanao hoe tena sarobidy ve izany?

Harena sarobidy tokoa araka izany “ny fahalalana an’Andriamanitra.” Ahoana anefa no ahazoana azy io? Ampitahain’i Solomona amin’ny “harena miafina” izy io ao amin’ny Ohabolana toko faha-2 andininy faha-4. Tsy hipoitra ho azy avy any anaty tany ny harena miafina na ho tonga ho azy eo an-tanan’ny olona kamo. Mila miezaka mitady izay te hahazo azy io. Hoatran’izany mihitsy koa ny fahalalana an’Andriamanitra. Mila miezaka mafy isika raha te hahazo azy io.

Hazavain’i Solomona ny fomba hahitana “ny fahalalana an’Andriamanitra.” Tokony ho vonona hanaiky isika araka ilay teny hoe ‘henoy ny teny’ sy ilay hoe ‘ataovy izay hananan’ny fonao.’ (Andininy 1, 2) Tsy tokony hikely soroka mihitsy koa isika fa hanana finiavana, araka ilay teny hoe “miantsoantso”, “tsy mitsahatra mitady”, ary “tsy mitsahatra mikaroka.” (Andininy 3, 4) Mila mazoto mianatra Baiboly amin’ny fo manontolo àry isika, raha te hahita an’io harena sarobidy io.—Lioka 8:15.

Hampian’i Jehovah isika raha manao izany. Milaza ny andininy faha-6 fa izy no “manome fahendrena.” Izy ihany àry no afaka manampy antsika hahatakatra tsara ny marina lazain’ny Baiboly. (Jaona 6:44; Asan’ny Apostoly 16:14) Afaka matoky ianao fa hahita an’ilay harena sarobidy, dia “ny fahalalana an’Andriamanitra”, raha mikaroka azy io amin’ny fo manontolo ao amin’ny Baiboly. Izany no tena hanatsara ny fiainanao mandrakizay.—Ohabolana 2:10-21. *

Famakiana Baiboly Amin’ny Oktobra:

Ohabolana 1-21

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Manasa ny olona hianatra Baiboly maimaim-poana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, raha tian’ilay olona ny hahalala izay raketin’ny Baiboly. Miresaha amin’izy ireo na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 4.