Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahasambatra ny Tokantranonao?

Ahoana no Hahasambatra ny Tokantranonao?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra:

Ahoana no Hahasambatra ny Tokantranonao?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Nahoana no mahasambatra ny misoratra ara-dalàna?

I Jehovah, ilay Andriamanitra sambatra, no namorona ny fanambadiana. Tena ilaina izy io mba hahasambatra ny fianakaviana. Lasa mana-namana mantsy na ny lehilahy na ny vehivavy rehefa manambady. Ny tokantrano koa no toerana azo antoka hitaizana zanaka. Ahoana àry no fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana? Tiany hisoratra ara-dalàna ny mpivady, ary hiaraka mandrakizay. (Lioka 2:1-5) Tsy tiany hivadika amin’ny vadiny izy ireo. (Hebreo 13:4) Tsy avelan’i Jehovah hisaraka mihitsy ka hanambady indray ny Kristianina raha tsy hoe mijangajanga ny vadiny.—Vakio ny Matio 19:3-6, 9.

2. Ahoana no tokony hifampitondran’ny mpivady?

Nataon’i Jehovah hifameno ny mpivady. (Genesisy 2:18) Ny lehilahy no loham-pianakaviana, ka izy no tokony hanome izay ilain’ny vady aman-janany sy hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra. Tokony ho tena tia ny vadiny sy hahafoy tena ho azy izy. Tokony hifankatia sy hifanaja izy mivady. Samy tsy lavorary izy ireo ka tokony hifamela heloka. Izany no tena mahasambatra ny tokantrano.—Vakio ny Efesianina 4:31, 32; 5:22-25, 33; 1 Petera 3:7.

3. Tokony hisaraka ve ianao raha mijaly am-panambadiana?

Miezaha foana hifankatia sy hifanaja raha miatrika olana lehibe ianareo mivady. (1 Korintianina 13:4, 5) Tsy mampirisika ny mpivady hisaraka mba hamahana olana ny Tenin’Andriamanitra. Anjaran’ny Kristianina iray anefa ny mandinika hoe tsara kokoa ve ny misintaka kely aloha, raha toa ka tafahoatra loatra ny ataon’ny vadiny.—Vakio ny 1 Korintianina 7:10-13.

4. Inona no irin’Andriamanitra ho anareo ankizy?

Tian’i Jehovah ho sambatra ianareo. Manome torohevitra faran’izay tsara ho anareo izy mba hankafizanareo ny fahatanoranareo. Tiany handray soa avy amin’ny traikefa sy fahalalana ananan’ny ray aman-dreninareo ianareo. (Kolosianina 3:20) Hitan’i Jehovah rehefa mankatò ianareo mba hiderana azy, ary tena tiany izany.—Vakio ny Mpitoriteny 11:9–12:1; Matio 19:13-15; 21:15, 16.

5. Ry ray aman-dreny, inona no tokony hataonareo mba hahasambatra ny zanakareo?

Mila miasa mafy ianareo mba hanomezana sakafo sy fitafiana ary fialofana ho an’ny zanakareo. (1 Timoty 5:8) Mba hahasambatra azy ireo anefa, dia mila ampianarinareo ho tia an’Andriamanitra sy hianatra momba azy izy ireo. (Efesianina 6:4) Raha asehonareo amin’ny zanakareo fa tia an’Andriamanitra ianareo, dia tena hisy vokany eo aminy izany. Hanatsara ny fomba fisainany ny toromarika omenareo azy raha avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany.—Vakio ny Deoteronomia 6:4-7; Ohabolana 22:6.

Mihatsara toetra ny ankizy rehefa mandrisika sy midera azy ny ray aman-dreny. Mila ahitsy sy faizina koa izy ireo. Tsy haditra izy ireo raha atao an’izany ka ho sambatra foana. (Ohabolana 22:15) Tsy tokony hasiaka loatra anefa ianareo rehefa manafay azy ireo.—Vakio ny Kolosianina 3:21.

Mamoaka boky be dia be natao hanampiana ny ray aman-dreny sy zanaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Avy ao amin’ny Baiboly daholo ny torohevitra ao amin’izy ireny.—Vakio ny Salamo 19:7, 11.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 14, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.