Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy

Tahafo ny Finoan’izy Ireo:

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra Izy

NIEZAKA ny ho tony i Estera rehefa nanatona ny tokotanin’ilay lapa tao Sosana, satria nampatahotra izany. Nisy sarina ombilahy manan’elatra sy mpandefa zana-tsipìka ary liona ny rindrina biriky mihosotra verinia. Nivohitra sy maro loko ireny sary ireny. Nisy andry vato sy sarivongana ngezabe koa tao. Avo toerana koa ilay lapa, satria teny akaikin’ny Tendrombohitra Zagros rakotra lanezy, ary nahatazana ny Renirano Choaspès. Vao nahita an’izany rehetra izany ireo vahiny tonga tao dia nahatsapa hoe tena manana fahefana lehibe ilay mpanjaka ao. Niantso ny tenany ho “mpanjaka lehibe” mihitsy aza izy. Vadin’i Estera izy io ary handeha ho any izy.

I Ahasoerosy io mpanjaka io. * Tsy toa azy mihitsy angamba no vady noeritreretin’ny ankizivavy jiosy tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Tsy mba toa an’i Abrahama, ohatra, izy. Nanetry tena mantsy i Abrahama ka nihaino an’i Saraha vadiny, rehefa nasain’Andriamanitra nanao izany. (Genesisy 21:12) I Ahasoerosy kosa, zara raha nahafantatra na tsy nahafantatra mihitsy momba an’i Jehovah, Andriamanitr’i Estera, sy ny Lalàny. Ny lalàna persianina no fantany, anisan’izany ilay lalàna mandrara ny zavatra tadiavin’i Estera hatao. Milaza ilay lalàna fa izay mankeo anatrehan’ny mpanjaka nefa tsy nantsoiny akory dia hovonoina ho faty. Tsy nantsoin’ny mpanjaka i Estera, kanefa ho any ihany izy. Mety ho nahatsapa izy hoe handeha hitono tena ho faty, rehefa nihananatona an’ilay tokotany anatiny mba ho hitan’ny mpanjaka avy teo amin’ny seza fiandrianany.—Estera 4:11; 5:1.

Nahoana i Estera no nanao vivery ny ainy? Inona no ianarantsika avy amin’ny finoan’io vehivavy tena niavaka io? Hojerentsika aloha hoe ahoana no nahatonga azy ho lasa vadin’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persa.

“Tsara tarehy”

Kamboty i Estera. Tsy dia fantatsika ny momba ny ray aman-dreniny, izay nanome anarana hebreo azy hoe Hadasa. Midika hoe “mirta”, hazo madinika mamony fotsifotsy tsara tarehy, ny hoe Hadasa. Rehefa maty ny ray aman-dreniny, dia niantra azy ny lehilahy iray tena tsara fanahy atao hoe Mordekay. Zanak’olo-mpirahalahy izy ireo, saingy zokin’i Estera kokoa i Mordekay. Nentiny tany an-tranony àry i Estera ary nataony toy ny zanany.—Estera 2:5-7, 15.

Anisan’ny Jiosy natao sesitany tao Sosana renivohitr’i Persa i Mordekay sy Estera. Azo inoana fa tsy tian’ny ankamaroan’ny olona tany ny fivavahana sy ny Lalàna narahin’izy ireo, ka tsy maintsy niaritra an’izany izy ireo. Azo antoka fa vao mainka niraiki-po tamin’i Mordekay i Estera. I Mordekay mantsy no nampianatra azy momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be famindram-po, izay namonjy ny vahoakany imbetsaka taloha sady mbola hanao an’izany koa.—Levitikosy 26:44, 45.

Toa niasa tao amin’ny lapan’i Sosana i Mordekay, ka nipetraka matetika teo am-bavahady niaraka tamin’ireo tandapa hafa. (Estera 2:19, 21; 3:3) Tsy fantatsika kosa hoe inona no nataon’i Estera tamin’izy mbola kely kokoa. Azo inoana anefa fa nikarakara tsara an’i Mordekay sy ny tranony izy. Mety ho tao amin’ny faritra mahantra teny ampitan’ilay renirano tandrifin’ilay lapa izy ireo no nipetraka. Angamba tian’i Estera ny nankany an-tsenan’i Sosana, izay nahitana mpivarotra volamena sy volafotsy ary zavatra hafa. Mety tsy ho tonga tao an-tsainy mihitsy hoe ho lasa hahazatra azy ireny zava-tsarobidy ireny indray andro any. Tsy fantany mantsy hoe inona no niandry azy.

Niongana ny mpanjakavavy

Nandeha ny resaka tao Sosana, indray andro, hoe nisy olana tao an-tranon’ny mpanjaka. Nanao fanasambe i Ahasoerosy ka nampifalifaly ny olona ambony tamin’ny hanim-pito loha sy divay. Nanao fety nitokana niaraka tamin’ny vehivavy hafa kosa i Vasty, mpanjakavavy tsara tarehy. Nasain’ny mpanjaka nantsoina izy nefa tsy nety nankany. Tezitra be ny mpanjaka sady afa-baraka. Nanontaniany àry ny mpanolo-tsainy hoe ahoana no hanasaziana an’i Vasty. Naongana tsy ho mpanjakavavy izy. Nitady ankizivavy virjiny tsara tarehy eran’ilay tany àry ireo mpanompon’ny mpanjaka, mba hahafahan’ny mpanjaka mifidy vady vaovao.—Estera 1:1–2:4.

Alao sary an-tsaina i Mordekay nandinika an’i Estera tsindraindray sady nirehareha kely no nanahy, satria nihalehibe ilay anabaviny ary lasa tena tsara tarehy. Hoy ny Baiboly: “Sady tsara bika no tsara tarehy razazavavy.” (Estera 2:7) Mahafinaritra jerena ny olona tsara tarehy. Tokony ho hendry sy hanetry tena anefa izy, raha tsy izany dia mety hieboebo sy hirehareha ary hanana toetra ratsy hafa. (Ohabolana 11:22) Efa hitanao angamba hoe marina izany. Ahoana kosa ny amin’i Estera? Hanampy azy ve sa hanimba azy ny hatsaran-tarehiny? Aleo ny fotoana no hitsara.

Voamariky ny mpanompon’ny mpanjaka i Estera. Nalain’izy ireo tany amin’i Mordekay izy, ary nentin’izy ireo tany amin’ilay lapa niaraka tamin’ireo tovovavy maro hafa. (Estera 2:8) Tsy maintsy ho mafy tamin’i Mordekay sy Estera ny nisaraka, satria toy ny ray sy zanaka izy ireo. Tsy tian’i Mordekay raha nanambady tsy mpivavaka tamin’i Jehovah ilay zazavavy natsangany, na dia mpanjaka aza ilay ho vadiny. Tsy afa-nanoatra anefa izy. Tsy maintsy ho nihaino tsara ny torohevitr’i Mordekay i Estera talohan’ny nitondrana azy. Nisy fanontaniana maro nifamahofaho tao an-tsainy, teny an-dalana ho any amin’ny lapan’i Sosana. Hanao ahoana ny fiainany?

Nahazo sitraka “tamin’izay rehetra nahita azy” izy

Tena vaovao be tamin’i Estera ny fiainana tao an-dapa. Anisan’ireo “tovovavy maro” voangona eran’ny Fanjakana Persianina izy. Azo antoka fa samy hafa be ny fombafomban’izy ireo sy ny fiteniny ary ny toe-tsainy. I Hegay tandapa no niandraikitra azy ireo. Nokarakaraina tsara nandritra ny herintaona ny bika aman’endrik’izy ireo, ka tafiditra tamin’izany ny otra tamin’ny menaka manitra. (Estera 2:8, 12) Mety ho nahatonga an’ireo tovovavy hifantoka be loatra tamin’ny bika aman’endriny sy hieboebo ary ho tia mifaninana izany. Nisy vokany tamin’i Estera koa ve izany?

Nitebiteby be momba an’i Estera i Mordekay. Nandalondalo teny akaikin’ny tranon’ireo tovovavy izy isan’andro, mba hahazoana vaovao momba an’i Estera. (Estera 2:11) Azo antoka fa nirehareha erỳ izy isaky ny nahazo vaovao kely, angamba avy tamin’ny mpanompo tsara fanahy tao an-trano. Nahoana izy no nirehareha?

Tena nampiaiky volana an’i Hegay i Estera, ka nanehoany hatsaram-panahy sady nomeny mpanompovavy fito sy ny toerana tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy. Hoy ny Baiboly: “Nahazo sitraka foana tamin’izay rehetra nahita azy i Estera.” (Estera 2:9, 15) Ny hatsaran-tarehy ihany ve no nampiaiky ny olon-drehetra tamin’i Estera? Tsia, nisy zavatra tsara lavitra noho izany.

Hoy, ohatra, ny Baiboly: “Tsy niteniteny momba ny fireneny na ny havany i Estera, satria efa nofeperan’i Mordekay mba tsy hilaza an’izany.” (Estera 2:10) Noferan’i Mordekay i Estera mba tsy hilaza mihitsy hoe Jiosy izy. Hitan’i Mordekay angamba fa navakavahan’ny olona ambony tany Persa ny Jiosy. Tsy maintsy ho faly erỳ izy nahafantatra fa na tsy teo imasony aza i Estera, dia mbola hendry sy nankatò ihany.

Tokony hampifaly ny ray aman-dreniny sy ny mpitaiza azy koa ny tanora ankehitriny. Afaka mitandrina mba tsy haditra sy ho tsara fitondran-tena foana izy ireo, na tsy hitan’ny ray aman-dreniny aza, ary na dia ratsy toetra sy ratsy fitondran-tena aza ny olona manodidina azy ireo. Raha manao an’izany izy ireo dia hampifaly ny fon’ilay Rainy any an-danitra, toa an’i Estera.—Ohabolana 27:11.

Tonga ny fotoana isehoan’i Estera teo anatrehan’ny mpanjaka. Afaka nangataka izay nilainy izy, angamba zavatra hanatsarana ny tarehiny. Nanaraka ny tenin’i Hegay anefa izy, ka nanetry tena ary tsy nangataka zavatra hafa ankoatra an’izay nomena azy. (Estera 2:15) Takany angamba fa tsy hambabo ny fon’ny mpanjaka raha ny hatsaran-tarehy fotsiny, fa tena nilaina koa ny fanetren-tena. Nety ve ny nataony?

Hoy ny Baiboly: “Tian’ny mpanjaka mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Estera, ka nahazo sitraka taminy sy nanehoany hatsaram-panahy mihoatra noho ireo virjiny rehetra. Dia napetrany teo an-dohan’i Estera ny diadema, ary nataony vadin’ny mpanjaka hisolo an’i Vasty izy.” (Estera 2:17) Tsy maintsy ho sarotra tamin’io tovovavy jiosy nanetry tena io ny nanova ny fiainany. Lasa mpanjakavavy mantsy izy, dia vadin’ilay mpanjaka nahery indrindra tamin’izany. Nahatonga azy hirehareha ve izany?

Tsy izany velively! Mbola nankatò an’i Mordekay, ilay nitaiza azy foana i Estera. Mbola nohazoniny ho tsiambaratelo ny naha Jiosy azy. Nankatò azy koa i Estera rehefa nasainy nampitandrina ny mpanjaka, tamin’izy io nisy saika hamono. Tsy nahomby àry ny tetik’ireo nikasa hamono ny mpanjaka. (Estera 2:20-23) Naneho finoana an’Andriamanitra foana koa i Estera ka nanetry tena sy nankatò. Tsy tian’ny olona intsony izao ny mankatò, fa aleon’izy ireo mikomy. Tena tia mankatò anefa ny olona manam-pinoana, toa an’i Estera.

Voasedra ny finoan’i Estera

Lasa olona ambony tao an-dapan’i Ahasoerosy ny lehilahy iray atao hoe Hamana. Notendren’ny mpanjaka ho praiminisitra izy, ka lasa mpanolo-tsainy sy nanana fahefana manarakaraka azy. Namoaka didy mihitsy aza ny mpanjaka hoe tsy maintsy miankohoka eo anatrehan’i Hamana izay mifanena aminy. (Estera 3:1-4) Sarotra tamin’i Mordekay izany. Nanaiky hankatò ny mpanjaka izy, saingy tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy. “Agagita” mantsy i Hamana izany hoe taranak’i Agaga, ilay mpanjaka amalekita novonoin’i Samoela mpaminanin’Andriamanitra. (1 Samoela 15:33) Tena ratsy fanahy ny Amalekita, satria nanao ny tenany ho fahavalon’i Jehovah sy ny Israelita. Mbola nomelohin’Andriamanitra àry ny Amalekita manontolo. * (Deoteronomia 25:19) Tsy hiankohoka eo anatrehan’ny Amalekita mihitsy ny Jiosy tsy nivadika, toa an’i Mordekay. Olona maro manam-pinoana koa ankehitriny no mankatò an’ity toro lalana ity, na dia hamoizany ny ainy aza izany: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

Romotra i Hamana, ka te hamono an’i Mordekay. Tsy ampy azy anefa izany, fa te handripaka ny mpiray firenena tamin’i Mordekay mihitsy koa izy. Nanaratsy ny Jiosy tany amin’ny mpanjaka izy. Tsy nanonona an’ireo Jiosy izy, fa nilaza an-kolaka hoe olona tsy misy vidiny izy ireo, dia vahoaka “miparitaka any amin’ireo firenena.” Nilaza mihitsy aza izy fa tsy nankatoavin’ny Jiosy ny lalàn’ny mpanjaka. Mikomy, hono, izy ireo ka mety hampidi-doza. Nanolo-kevitra i Hamana fa hanome vola ho an’ny tahirim-bolam-panjakana mba handripahana azy ireo. * Nomen’i Ahasoerosy azy àry ny peratra fanombohan-kaseny, mba hasian’i Hamana tombo-kase izay didy tiany havoaka.—Estera 3:5-10.

Tsy ela dia nandeha eran’ny faritany rehetran’ilay fanjakana ireo iraka nitaingin-tsoavaly, mba hampiely haingana an’ilay didy hamonoana ny Jiosy. Alao sary an-tsaina ange ny vokany rehefa nandre an’izany ireo Jiosy tany Jerosalema e! Vao tafaverina avy tany an-tsesitany tany Babylona izy ireo sady vao teo am-panorenana indray an’ilay tanàna. Mbola tsy nisy manda niaro azy akory aza ilay tanàna. Mety ho nahatsiaro azy ireo i Mordekay rehefa nandre an’ilay vaovao ratsy, sady nieritreritra an’ireo namany sy havany tao Sosana. Kivy be sy nanahy izy ka nandrovitra ny akanjony sy nitafy lamba gony ary nanosotra lavenona teo tamin’ny lohany, sady nidradradradra teo afovoan’ilay tanàna. I Hamana kosa nisotrosotro niaraka tamin’ny mpanjaka. Tsy nihontsina akory izy nahita ny fahorian’ny Jiosy sy ireo namany tao Sosana.—Estera 3:12–4:1.

Fantatr’i Mordekay fa nila nanao zavatra izy. Inona anefa no azony atao? Henon’i Estera fa niady saina be izy ka nandefasany akanjo. Tsy nety nampiononina anefa izy ka tsy nety nandray an’ilay akanjo. Nieritreritra angamba izy hatramin’izay hoe maninona no navelan’i Jehovah halaina taminy i Estera ary nataony ho vadin’ny mpanjaka mpanompo sampy. Toa nazava anefa izao ny antony. Nandefa hafatra ho an’i Estera àry i Mordekay, ka niangavy azy handresy lahatra ny mpanjaka mba hiaro ny ‘fireneny.’—Estera 4:4-8.

Nivadi-po i Estera rehefa nandre an’ilay hafatra. Izany no fisedrana mafy indrindra taminy. Natahotra izy ary notsoriny tamin’i Mordekay izany. Nampahatsiahiviny azy ilay lalàna hoe hovonoina ho faty izay mankany amin’ny mpanjaka nefa tsy nantsoiny akory. Ary raha misy tonga tsy nantsoina, dia izay tondroin’ny mpanjaka amin’ny tehiny volamena ihany no tsy hovonoina. Afaka nanantena an’izany ve i Estera, indrindra raha jerena izay nanjo an’i Vasty? Nilaza tamin’i Mordekay izy fa efa 30 andro ny mpanjaka no tsy niantso azy. Nampieritreritra azy izany hoe tsy tia azy intsony angamba ilay mpanjaka mora niova hevitra. *Estera 4:9-11.

Namaly tamin’ny fomba hentitra i Mordekay mba hanatanjahana ny finoan’i Estera. Nilaza izy fa hisy fomba hafa foana hamonjena ny Jiosy na tsy hanao zavatra aza i Estera. Tena nino tokoa i Mordekay hoe tsy hamela ny vahoakany ho fongotra i Jehovah ary tsy maintsy hanatanteraka ny teniny. (Josoa 23:14) Tsy afaka manantena ny ho voavonjy anefa i Estera rehefa tonga ilay fotoana handripahana ny Jiosy, satria Jiosy koa izy. Hoy i Mordekay avy eo: “Iza no mahalala raha ho amin’ny toe-javatra toy izao indrindra no nisandratanao ho vadin’ny mpanjaka?” (Estera 4:12-14) Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny i Mordekay. Manahaka azy ve isika?—Ohabolana 3:5, 6.

Nanam-pinoana na dia natahotra ny ho faty aza

Tonga amin’izay ilay fotoan-tsarotra ho an’i Estera. Nasainy nilaza tamin’ny mpiray firenena taminy i Mordekay mba hifady hanina hiaraka aminy mandritra ny telo andro. Izao no teniny farany: “Raha tsy maintsy ho faty aho, dia aoka ho faty.” (Estera 4:15-17) Nalaza nandritra ny taonjato maro mihitsy io teniny io satria hita avy amin’izy io fa tena nanam-pinoana sy herim-po izy. Tsy maintsy ho nivavaka imbetsaka kokoa i Estera nandritra ireo telo andro ireo. Tonga àry ilay fotoana hankanesany any amin’ny mpanjaka. Nanaovany ny akanjony tsara indrindra ary nataony izay hamaboana ny fon’ny mpanjaka.

Nankany amin’ny lapa i Estera, araka ny voalaza terỳ am-piandohana. Mety ho nitebiteby be sy nivavaka mafy izy. Niditra tao an-tokotany izy mba hahafahany mahatazana an’i Ahasoerosy teo amin’ny seza fiandrianany. Angamba i Estera namantatra tamin’ny endriny raha faly izy na tsia. Olioly sy voakarakara tsara ny volon’ilay mpanjaka, ary misy volombava voahety mahitsizoro tsara koa izy. Hoatran’ny ela be tamin’i Estera angamba ny niandry, raha nasaina niandry izy. Hitan’ny mpanjaka ihany izy. Gaga izy io nefa nihatony avy eo. Notondroiny tamin’ny tehiny volamena i Estera.—Estera 5:1, 2.

Nihaino an’i Estera ny mpanjaka. Niaro ny fireneny sy ny anaran’ny Andriamaniny izy, ka ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra tatỳ aoriana. Mbola vao fiandohan’ny zavatra nataony anefa izany. Ahoana no handreseny lahatra ny mpanjaka fa tena ratsy fanahy i Hamana, ilay mpanolo-tsainy natokisany indrindra? Ahoana no hanavotany ny fireneny? Ho hitantsika amin’ny manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Olona maro no mihevitra fa i Ahasoerosy ihany no Ksersesy I, izay mpanjaka persianina tany am-piandohan’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.).

^ feh. 24 Anisan’ireo Amalekita farany indrindra angamba i Hamana, satria efa ringana tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka ny “sisa” tamin’ny Amalekita.—1 Tantara 4:43.

^ feh. 25 Nanolotra talenta volafotsy 10 000 i Hamana. Ana hetsiny tapitrisa ariary eo ho eo izany ankehitriny. Raha i Ksersesy I ihany no Ahasoerosy, dia mety ho vao mainka nahaliana azy izany vola be izany. Efa ela mantsy izy no nikasa hiady tamin’i Gresy, ka nila nanangona vola be mba hahavitany izany.

^ feh. 28 Fantatra ho mora niova hevitra sy nahery setra i Ksersesy I. Nanoratra momba ny adin’i Ksersesy tamin’i Gresy i Hérodote mpahay tantara grika. Nandidy ny hanamboarana tetezana mitsinkafona teo amin’ny andilan-dranomasin’i Hellespont i Ksersesy, ka sambo no hanamboarana an’izany. Simban’ny rivo-mahery ilay tetezana, ka nasain’i Ksersesy notapahin-doha ireo injenierany. Nasainy “nanasazy” ny ranon’i Hellespont mihitsy aza ny mpanompony, ka sady nokapohina ilay rano no nisy teny fanozonana novakina mafy. Tamin’io ady io ihany, dia niangavy taminy ny lehilahy nanan-karena iray mba tsy halefa any an’ady ny zanany lahy. Nasain’i Ksersesy nozaraina roa ilay zanany, ary naseho vahoaka ny fatiny mba ho fampitandremana.

[Sary, pejy 19]

Nanana antony ireharehana momba an’i Estera i Mordekay

[Sary, pejy 20]

Fantatr’i Estera fa sarobidy lavitra noho ny hatsaran-tarehy ny fanetren-tena sy ny fahendrena

[Sary, pejy 22, 23]

Nanao vivery ny ainy i Estera mba hiarovana ny vahoakan’Andriamanitra