Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana Isika no Tsy Tokony Hatoritory Mihitsy?

Rahoviana Isika no Tsy Tokony Hatoritory Mihitsy?

Ampianaro ny Zanakao:

Rahoviana Isika no Tsy Tokony Hatoritory Mihitsy?

EKENAO angamba fa tsy tokony hatoritory mihitsy ianao rehefa any am-pianarana, raha te hahay. Ankizy maro anefa no te hatory rehefa ao am-pianarana. Betsaka koa no te hatory rehefa mianatra Baiboly any am-pivoriana.

Araka ny hevitrao, ahoana no atao mba tsy hatory rehefa any?... * Azo atao ny matory aloha kokoa amin’ny alina. Mety ho tsara koa ny matory antoandro kely. Andeha isika handinika ny tantaran’ny ankizilahy iray ary haka lesona avy amin’izany. Tafatory izy tamin’ny apostoly Paoly nanao lahateny, satria efa misasakalina tamin’izay. Jereo ny Asan’ny Apostoly toko faha-20 andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-12.

Nitsidika fiangonana tany Troasy, tanàna misy seranan-tsambo, i Paoly. Milaza ny Baiboly fa handeha izy ny “ampitson’iny”, ka nohalavainy “hatramin’ny misasakalina ny lahateniny.” “Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ary resin-tory tanteraka izy raha mbola nanao ny lahateniny i Paoly.” Inona no nitranga avy eo?...

“Nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa” avy teo am-baravarankely i Eotyka. Nidina haingankaingana i Paoly sy ny olon-kafa. Maty nivalampatra teo amin’ny tany i Eotyka. Hoatran’ny ahoana, hoy ianao, ny alahelon’izy ireo?... Milaza ny Baiboly fa nitrotro an’i Eotyka i Paoly ary nisakambina azy. Faly be izy avy eo ka niteny hoe: ‘Aza matahotra fa tsy maninona izy ka!’ Novelomin’Andriamanitra indray i Eotyka.

Inona àry no ianarantsika momba an’Andriamanitra?... Afaka manangana ny maty i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, ary anisan’izany ny ankizy. Mahafantatra anao sady tia anao mihoatra noho ny ray aman-dreninao izy. Nampahafantarin’i Jesosy tamin’izy teto an-tany hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah. Nitrotro sy nitso-drano ny ankizikely izy. Nanangana ankizy tamin’ny maty koa izy, anisan’izany ny ankizivavy iray 12 taona.

Fantatrao àry izao fa tia anao ilay Raintsika any an-danitra. Manao ahoana ny fihetseham-ponao mahafantatra an’izany?... Tokony ho tia an’i Jehovah koa ianao ary hankatò izay lazainy. Ahoana àry no hampisehoantsika fa tia azy isika?... Azontsika lazaina aminy fa tia azy isika. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Tiako ny Ray.” Tsy izay ihany anefa fa nasehony tamin’ny zavatra nataony koa izany.

Nankatò an’Andriamanitra i Jesosy. Hoy izy: “Manao izay sitrany foana aho.” Raha manao toy izany isika, izany hoe miezaka mampifaly an’i Jehovah sy Jesosy Zanany, dia tsy hatory mihitsy rehefa tsy tokony hatory.

Vakio ny

Asan’ny Apostoly 20:7-12

Lioka 8:49-56

Jaona 8:29; 14:31

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hamporisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io