Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?

Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?

Mahasoa ve ny Fialam-boly Ataonao?

“Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—EFES. 5:10.

1, 2. a) Ahoana no ilazan’ny Baiboly fa tian’i Jehovah hankafy fiainana isika? b) Koa satria “fanomezana avy amin’Andriamanitra” ny fialam-boly, inona no tokony hataontsika?

MILAZA ny Baiboly fa tian’i Jehovah hankafy fiainana isika, fa tsy hoe ho velona fotsiny. Milaza, ohatra, ny Salamo 104:14, 15 fa i Jehovah no mahatonga ny “tany hamokatra sakafo sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty.” Izy koa no manome ‘menaka mba hampahamandimandina ny tarehin’ny olona’, sy ‘mofo mba ho tohan’aina.’ I Jehovah tokoa no mampaniry ny zavamaniry mba hahazoantsika voa sy menaka ary divay. Marina fa tsy tena ilaina mba hahavelona ny divay, kanefa ‘mampifalifaly ny fo.’ (Mpito. 9:7; 10:19) Tian’i Jehovah ho ‘faly’ àry ny fontsika.—Asa. 14:16, 17.

2 Tsy tokony hanamelo-tena isika, rehefa maka fotoana kely handinihana ny “voro-manidina” sy ny “lisy any an-tsaha”, na manao zavatra hafa mahafinaritra sy mamelombelona antsika. (Mat. 6:26, 28; Sal. 8:3, 4) “Fanomezana avy amin’Andriamanitra” ny fifaliana hitantsika eo amin’ny fiainana. (Mpito. 3:12, 13) Anisan’izany fanomezana izany ny fialam-boly, ka tokony hanao izay hampifaliana an’Andriamanitra isika rehefa miala voly.

Mahaiza mifidy fialam-boly

3. Nahoana no afaka manao izay fialam-boly tiany ny tsirairay?

3 Raha mahay mandanjalanja isika, dia fantatsika fa afaka mifidy izay fialam-boly tiany hatao ny tsirairay, ary ekentsika fa tsy hoe mety daholo rehefa fialam-boly. Fa nahoana tokoa no tsy mitovy ny fialam-boly fidin’ny olona? Eritrereto ange ny sakafo e. Ny sakafo tian’ny olona any amin’ny tany iray, mety tsy ho tian’ny olona any an-tany hafa. Toy izany koa fa ny fialam-boly tian’ny Kristianina any amin’ny tany iray, mety tsy ho tian’ny Kristianina any amin’ny tany hafa. Ary na dia ny Kristianina monina ao amin’ny faritra iray aza, mety tsy hitovy zavatra tiana. Misy, ohatra, mahita fa mahafinaritra ny mamaky boky, ny hafa indray mihevitra fa mankaleo be izany. Misy koa mahita fa mahafinaritra ny mandehandeha amin’ny bisikileta, ny hafa indray mihevitra fa mandreraka be izany. Maro karazana ny fialam-boly, ary samy manana ny tiantsika isika, ka samy afaka mifidy izay tiany hatao.—Rom. 14:2-4.

4. Nahoana isika no mila mahay mifidy fialam-boly? Hazavao amin’ny ohatra.

4 Marina fa afaka mifidy izay fialam-boly tiantsika isika. Tsy midika anefa izany hoe tokony hataontsika daholo izay tiantsika. Eritrereto ilay ohatra momba ny sakafo. Mety ho tia mihinana sakafo isan-karazany isika, kanefa tsy hoe hihinana sakafo simba. Olona tsy misaina tsara no manao izany, sady mety hankarary ilay sakafo. Toy izany koa fa mety ho tia manao fialam-boly isan-karazany isika, kanefa tsy tokony hifidy fialam-boly mampidi-doza, na mahery setra, na manimba fitondran-tena. Mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly izany, sady mampidi-doza ny fahasalamantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mila mahay mifidy fialam-boly àry isika. Mila fantarintsika mialoha raha tena tsara ny fialam-boly mahafinaritra antsika. (Efes. 5:10) Ahoana no hanaovantsika izany?

5. Ahoana no ahalalantsika raha mampifaly an’i Jehovah ny fialam-bolintsika na tsia?

5 Tokony hifanaraka amin’ny fitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fialam-boly ataontsika, raha tiantsika hahasoa antsika sy hampifaly an’i Jehovah. (Sal. 86:11) Manampy antsika hahay hanapa-kevitra ny fanaovana lisitra tsotra misy an’ireto fanontaniana ireto: Inona, rahoviana, ary iza. Hodinihintsika tsirairay ireo.

Inona no tafiditra amin’ilay fialam-boly?

6. Inona no fialam-boly tsy ataontsika mihitsy, ary nahoana?

6 Alohan’ny hanaovana fialam-boly iray, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Inona avy no atao amin’ilay izy?’ Tsara ny mitadidy fa mizara roa ny fialam-boly. Voalohany, ny fialam-boly tsy azontsika atao. Faharoa, ny fialam-boly mety ho azontsika atao. Hojerentsika ilay voalohany. Mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly na mandika ny lalàn’Andriamanitra ny ankamaroan’ny fialam-boly eto amin’ity tontolo ity. (1 Jaona 5:19) Tsy tokony hanao an’ireny fialam-boly ireny mihitsy ny tena Kristianina. Anisan’izy ireny ny fialam-boly misy herisetra, na fitondran-tena maloto, na firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, na sary vetaveta, na misy fifandraisana amin’ny demonia. (1 Kor. 6:9, 10; vakio ny Apokalypsy 21:8.) Tsy manao an’ireny fialam-boly ireny mihitsy isika, na rehefa miaraka amin’ny hafa na rehefa irery. Tiantsika haseho amin’i Jehovah mantsy fa ‘mankahala ny ratsy’ isika.—Rom. 12:9; 1 Jaona 1:5, 6.

7, 8. Inona no hanampy antsika hahay hifidy fialam-boly? Manomeza ohatra.

7 Ary ahoana ilay faharoa? Misy fialam-boly tsy raran’ny Tenin’Andriamanitra mivantana. Mila dinihintsika tsara àry sao mandika ny toro lalan’ny Baiboly ilay fialam-boly, ka tsy mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah. (Ohab. 4:10, 11) Mila mandray fanapahan-kevitra tsara isika avy eo, mba hadio foana ny feon’ny fieritreretantsika. (Gal. 6:5; 1 Tim. 1:19) Ahoana no hanaovantsika izany? Diniho indray ilay resaka sakafo. Rehefa misakafo any amin’ny hotely isika, ka te hanandrana sakafo vaovao, dia fantarintsika aloha hoe inona avy no natao tao anatiny. Toy izany koa fa mila fantarintsika hoe inona avy no tafiditra amin’ny fialam-boly iray, izay isika vao manapa-kevitra.—Efes. 5:17.

8 Aoka hatao hoe fanatanjahan-tena ilay fialam-boly tianao. Mahafinaritra sy mampientanentana ny fanatanjahan-tena. Mila mandinika anefa ianao. Ahoana raha tianao ilay fanatanjahan-tena satria misy fifaninanana be sy herisetra, na mampidi-doza, na be olona maratra, na manindrahindra tanindrazana, na misy lanonana tsy voafehy? Rehefa avy mandinika tsara ianao, dia hitanao fa tsy mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ilay fanatanjahan-tena. Hitanao koa fa mifanohitra amin’ilay hafatra torintsika ilay izy, satria isika mampirisika ny olona hihavana sy hifankatia. (Isaia 61:1; Gal. 5:19-21) Raha mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah anefa ny zavatra rehetra atao amin’ny fialam-boly fidinao, dia tena hahasoa sy hamelombelona anao izany.—Gal. 5:22, 23; vakio ny Filipianina 4:8.

Rahoviana aho no hiala voly?

9. Inona no hita avy amin’ilay fanontaniana hoe rahoviana ianao no hiala voly?

9 Mampiseho izay tena ao am-ponao ny valin’ilay fanontaniana hoe: ‘Inona no tafiditra amin’ilay fialam-boly?’ Hita avy amin’io hoe inona no zavatra heverinao hoe mety sy tsy mety. Tokony hoeritreretinao koa anefa hoe rahoviana ianao no hiala voly? Hoatran’ny ahoana ny fotoana holaninao amin’ilay izy? Ny valin’io no ahitanao izay loha laharana aminao, izany hoe izay heverinao ho zava-dehibe. Ahoana àry no hamantaranao raha mety ny fotoana hialanao voly?

10, 11. Nahoana ny Matio 6:33 no manampy antsika hamaritra ny fotoana ialantsika voly?

10 Hoy i Jesosy Kristy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Asehontsika hoe i Jehovah no tiantsika indrindra, raha manaraka an’ity tenin’i Jesosy ity isika: ‘Katsaho foana aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.’ (Mat. 6:33) Manampy antsika io andininy io hahita hoe rahoviana isika no hiala voly ary hoatran’ny ahoana ny fotoana tokony hatokantsika amin’ilay izy.

11 Nilaza i Jesosy hoe ‘katsaho aloha ilay fanjakana’, fa tsy hoe ‘ilay fanjakana ihany katsahina.’ Nahoana? Satria fantany fa mila mitady zavatra hafa isika. Mila trano sy sakafo ary fitafiana isika, ary mila mianatra, miasa, miala voly, sy ny sisa. Misy zavatra iray tokony hataontsika loha laharana anefa, dia ilay Fanjakana. (1 Kor. 7:29-31) Tokony hataontsika aorian’io ny zavatra hafa rehetra, anisan’izany ny fialam-boly. Raha manao izany isika sady tsy ataontsika be loatra ny fialam-boly, dia tena handray soa isika.

12. Ahoana no azontsika ampiharana ny Lioka 14:28 eo amin’ny fialam-boly?

12 Mila mipetraka mandinika izay ho lany àry isika alohan’ny hialana voly. (Lioka 14:28) Fantaro ny fotoana ho lany amin’ny fialam-boly tianao hatao. Mila manapa-kevitra ianao avy eo hoe tena mety ve raha ampiasaina amin’ilay fialam-boly ny fotoananao. Raha toa ny fialam-boly iray, mahatonga antsika tsy hahavita an’ireo zavatra lehibe tokony hatao, dia tsy mety ilay izy. Tsy mety raha tsy ho vitantsika ny fianarana samirery, Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, fanatrehana fivoriana, ary ny fitoriana. (Mar. 8:36) Raha, ohatra, anefa ny fialam-boly ataontsika ka mamelombelona antsika, ary ahafahantsika mikatsaka foana an’ilay Fanjakana, dia mety tsara ny fotoana natokantsika hanaovana an’ilay izy.

Iza no tiako hiaraka amiko?

13. Nahoana no mila fidintsika tsara ny olona iarahantsika miala voly?

13 Ny fanontaniana fahatelo mila saintsainina, dia hoe: ‘Iza no tiako hiara-miala voly amiko?’ Zava-dehibe ny handinihana izany, satria miankina be amin’ny olona iarahantsika no hahatonga ny fialam-boly ataontsika hahafinaritra na tsia. Mahafinaritra kokoa ny misakafo rehefa miaraka amin’olona. Toy izany koa fa mahafinaritra kokoa ny miala voly rehefa miaraka amin’ny namana. Tsy mahagaga àry raha tia miala voly miaraka amin’ny hafa ny ankamaroantsika, indrindra fa ny tanora. Raha tiantsika hahasoa antsika anefa ilay fialam-boly, dia mila fantarintsika mialoha hoe olona hoatran’ny ahoana no tokony hiarahana ary hoatran’ny ahoana no tsy tokony hiarahana.—2 Tan. 19:2; vakio ny Ohabolana 13:20; Jak. 4:4.

14, 15. a) Inona no ohatra navelan’i Jesosy eo amin’ny fifidianana namana? b) Inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika rehefa mifidy namana?

14 Hahay hifidy namana isika, raha manahaka an’i Jesosy. Vao noforonina ny olombelona dia efa tiany. (Ohab. 8:31) Tena niahy sy tia ny olon-drehetra koa izy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Mat. 15:29-37) Na dia tsara fanahy tamin’ny olon-drehetra aza anefa izy, dia tsy ny olona rehetra no nataony namana akaiky. Hoy izy tamin’ireo apostoliny 11 tsy nivadika: ‘Ianareo no namako, raha manao araka ny nandidiako anareo ianareo.’ (Jaona 15:14; jereo koa ny Jaona 13:27, 30.) Ireo olona nanara-dia azy sy nanompo an’i Jehovah ihany àry no nofidin’i Jesosy ho namana.

15 Tadidio foana io tenin’i Jesosy io, rehefa hifidy namana akaiky ianao. Saintsaino ireto fanontaniana ireto: ‘Hita amin’ny teniny sy ny ataony ve fa mankatò ny didin’i Jehovah sy Jesosy izy? Manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena ve izy? Hampirisika ahy tsy hivadika amin’i Jehovah sy hanao loha laharana an’ilay Fanjakana ve ny fiarahako aminy?’ Raha eny daholo ny valin’ireo, dia nahita namana tsara iarahana miala voly ianao.—Vakio ny Salamo 119:63; 2 Kor. 6:14; 2 Tim. 2:22.

Mety ve ilay fialam-boly fidiko?

16. Inona no tokony hosaintsainintsika rehefa hifidy fialam-boly?

16 Nandinika fanontaniana telo isika teo, dia ny hoe: Inona, rahoviana, ary iza. Tokony hifanaraka tsara amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny valin’ireo, raha tiantsika hahasoa antsika ilay fialam-boly fidintsika. Rehefa misy fialam-boly eritreretinao hatao àry, dia saintsaino ilay hoe inona: ‘Inona no tafiditra amin’ilay izy? Mahasoa ilay izy sa manimba?’ (Ohab. 4:20-27) Eritrereto koa ilay hoe rahoviana: ‘Hoatran’ny ahoana ny fotoana ho laniko amin’ilay izy? Antonony sa tsia ilay fotoana lany?’ (1 Tim. 4:8) Ary farany, diniho ilay hoe iza: ‘Iza no hiara-miala voly amiko? Namana tsara sa ratsy ilay izy?’—Mpito. 9:18; 1 Kor. 15:33.

17, 18. a) Ahoana no ahafantaranao raha mety ny fialam-boly fidinao? b) Inona no fanapahan-kevitra raisinao momba ny fialam-boly?

17 Tsy mety ny fialam-boly fidintsika, raha misy tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana telo ireo. Raha mifanaraka amin’ny Baiboly daholo kosa ny valin’izy ireo, dia hahasoa antsika ilay fialam-boly ataontsika, sady hanome voninahitra an’i Jehovah.—Sal. 119:33-35.

18 Aoka àry isika hifidy fialam-boly tsara, hanao an’ilay izy amin’ny fotoana mety tsara, ary hifidy namana tsara. Ary enga anie isika rehetra hankatò an’ity torohevitry ny Baiboly ity: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Kor. 10:31.

Hainao Hazavaina Ve?

Ahoana no hampiharanao an’ireto andinin-teny ireto rehefa hifidy fialam-boly:

Filipianina 4:8?

Matio 6:33?

Ohabolana 13:20?

[Fanontaniana]

[Kisary, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

Inona?

[Kisary, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

Rahoviana?

[Kisary, pejy 12]

(Jereo ny gazety)

Iza?

[Sary, pejy 10]

Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy rehefa hifidy namana sy fialam-boly?