Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe ve Izay Lazain’ny Baiboly?

Zava-dehibe ve Izay Lazain’ny Baiboly?

Zava-dehibe ve Izay Lazain’ny Baiboly?

“Vao folo taona aho dia efa nampiaraka. Nifampitantana sy nifanoroka fotsiny izahay tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa izahay dia nifanafosafo ny faritra miafina amin’ny vatana ary nanao zavatra vetaveta samihafa. Nanomboka niasa aho tamin’izaho 15 taona, ary nanatonkatona ahy ireo lehilahy mpiara-miasa tamiko izay tsy nieritreritra afa-tsy ny hanao firaisana. Te hiseho hoe sahisahy aho ka nanao izay nataon’ny mpiara-miasa tamiko. Te hana-namana aho ka vao mainka izany nahatonga ahy hanao firaisana foana.”—SARAH, * AOSTRALIA.

HO GAGA angamba ianao raha ilazana fa mpivavaka be ny fianakavian’i Sarah. Niezaka mafy ny ray aman-dreniny nitaiza azy mba hanarahany ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Mbola naditra ihany anefa izy.

Maro no manao toa an’i Sarah. Mihevitra izy ireo fa efa lany andro ny fampianaran’ny Baiboly momba ny firaisana. Ny hafa indray mihevitra fa tsy maninona raha sady mafana fo amin’ny fivavahana no manaram-po manao firaisana amin’ny olona samihafa.

Tena zava-dehibe àry ve ny hahafantarana izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana sy hankatoavana an’izany? “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” ny Baiboly, “ary mahasoa mba hampianarana.” (2 Timoty 3:16) Raha inoanao àry hoe Andriamanitra no namorona ny olombelona ary Teniny ny Baiboly, dia tokony ho fantatrao izay lazainy momba ny firaisana.

Mampalahelo anefa fa maro no tsy mahafantatra tsara izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisana. Mifanohitra koa ny zavatra ampianarin’ny mpitondra fivavahana, nefa izy ireo milaza fa mampianatra izay lazain’ny Baiboly. Mampisara-bazana ny ankamaroan’ny fivavahana lehibe mihitsy aza, raha ny marina, ny resaka firaisana.

Tsy aleo àry ve manokana fotoana handinihana izay lazain’ny Baiboly, toy izay mianina fotsiny amin’izay lazain’ny olona? Hiresaka fanontaniana folo fametraky ny olona ny lahatsoratra manaraka. Ho hitanao ao izay tena ampianarin’ny Baiboly momba ny firaisana. Ilay lahatsoratra fahatelo kosa hiresaka hoe nahoana no tena zava-dehibe ny safidy ataonao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.