Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

INONA no nampiova ny lehilahy iray mpiloka sady mpangalatra? Aleo izy no hitantara.

‘Tena tiako ny hazakaza-tsoavaly.’ —RICHARD STEWART

TERAKA: 1965

FIRENENA: JAMAIKA

FIAINANY TALOHA: MPILOKA SY MPANAO HELOKA BEVAVA

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tao amin’ny faritra nahantra sy be mponina tao Kingston, renivohitr’i Jamaika aho. Maro no tsy an’asa, ary nihanaka ny heloka bevava. Nampihorohoro ny olona ny andian-jiolahy. Saiky ho isan’andro aho no nandre poa-basy.

Niasa mafy i Neny mba hikarakarana ahy sy ny zandriko mianadahy. Nataony izay hahazoanay fampianarana tsara. Tsy dia tia nianatra aho, fa tena tia hazakaza-tsoavaly. Matetika aho no ningitrika ka nankany amin’ny kianja fanaovana hazakaza-tsoavaly. Nitaingina an’ireo soavaly mihitsy aza aho.

Tsy ela aho dia lasa mpiloka tamin’ny hazakaza-tsoavaly. Naloto fitondran-tena aho, ary lasa zatra nanao firaisana tamin’ny vehivavy be dia be. Nifoka rongony koa aho, ary nangalatra mba hahazoako vola hanaovako ny fiainako. Nanana basy be dia be aho. Soa ihany anefa fa tsy nisy maty mihitsy tamin’ireo fandrobana nataonay.

Tratran’ny polisy aho tamin’ny farany, ary nigadra. Rehefa nafahana anefa aho dia mbola nanohy ny fanaoko taloha ihany, ary vao mainka aza loza. Hoatran’ny tsy olon-dratsy erỳ aho raha jerena ivelany, kanefa mafy loha sy mora tezitra ary ratsy fanahy be raha ny marina. Tsy nisy noraharahaiko afa-tsy ny tenako.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nandritra izany, dia nianatra Baiboly i Neny ary lasa Vavolombelon’i Jehovah. Voamariko fa niova ny toetrany, ka nahaliana ahy izany. Tiako ho fantatra hoe inona no nampiova azy, ka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona aho.

Hitako fa tsy toy ny an’ireo fivavahana hafa ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifanaraka tamin’ny Baiboly ny zava-drehetra nampianarin’izy ireo. Izy ireo ihany no fantatro hoe mitory isan-trano, toy ny nataon’ny Kristianina voalohany. (Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 20:20) Nanjary resy lahatra aho fa nahita ny fivavahana marina, rehefa nahita fa tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah.—Jaona 13:35.

Rehefa nianatra Baiboly aho dia hitako fa nila nanao fiovana be. Fantatro fa halan’i Jehovah Andriamanitra ny fijangajangana, ka raha te hampifaly azy aho, dia nila niala tamin’ireo fanao nandoto ny vatako. (2 Korintianina 7:1; Hebreo 13:4) Nampihetsi-po be ahy ny nahafantatra hoe hay mety hampalahelo na hampifaly an’i Jehovah ny zavatra ataoko. (Ohabolana 27:11) Tapa-kevitra àry aho fa tsy hifoka rongony sy tsy hampiasa basy intsony, ary hiezaka hanatsara ny toetrako. Anisan’ny sarotra indrindra ny niala tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny filokana.

Tsy tiako ho fantatry ny namako mihitsy, tamin’ny voalohany, hoe nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona aho. Niova anefa izany rehefa namaky ny Matio 10:33 aho. Hoy i Jesosy ao: ‘Izay mandà ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko koa eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra.’ Izany no nandrisika ahy hilaza tamin’ireo namako hoe mianatra Baiboly aho. Tezitra be ry zareo. Tsy nino izy ireo hoe olona hoatr’ahy ve dia mba te ho lasa Kristianina. Nilazako anefa ry zareo hoe tsy tiako intsony ny fiainako taloha.

NY SOA NORAISIKO: Faly be i Neny rehefa nahita fa nanomboka nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly aho. Tsy mitaintaina intsony izy izao hoe inona indray no ratsy hataoko. Samy tia an’i Jehovah izahay ka momba an’izany indray izao no resahinay. Mitodika ny lasa aho indraindray, ka tsy mino mihitsy hoe nahavita fiovana be noho ny fanampian’Andriamanitra. Tsy ratsy fitondran-tena sy tsy tia vola toy ny taloha intsony aho.

Efa maty aho hoatr’izay, na nigadra, raha tsy nianatra Baiboly. Sambatra anefa izao ny tokantranoko. Faly be aho manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny vadiko izay manohana ahy sy ny zanako vavy izay mankatò ahy. Misaotra an’i Jehovah aho fa navelany ho anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina izay be fitiavana. Tena isaorako koa ilay olona niezaka nampianatra ahy ny fahamarinana. Sarobidy amiko ny manampy ny hafa hianatra Baiboly. I Jehovah no tena isaorako satria tsara fanahy sy be fitiavana tamiko izy, ka nitaona ahy hanatona azy.

[Teny notsongaina, pejy 11]

‘Lasa fantatro hoe hay mety hampalahelo na hampifaly an’i Jehovah ny zavatra ataoko’

[Sary, pejy 11]

Miaraka amin’ny vadiko sy ny zanakay vavy

[Sary, pejy 11]

Voamariko fa niova ny toetran’i Neny