Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?

Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?

Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?

“FA AHOANA kay no nahaizan’i Dada an’izany?” Efa niteny an’izany taminao angamba ny zanakao lahy. Mety ho nirehareha kely erỳ ianao tamin’izay. Azo antoka anefa fa vao mainka faly be ianao raha nankatoaviny ny torohevitra nomenao azy ary nandray soa tamin’izany izy. *Ohabolana 23:15, 24.

Mbola hoatran’ny taloha ihany ve anefa ny fiheveran’ny zanakao lahy anao izao? Sa niova izany nony nihalehibebe izy? Inona no hanampy anareo hifandray tsara foana na dia mihalehibe aza izy? Andeha aloha isika handinika olana sasantsasany hatrehin’ny ray.

Olana telo mpitranga matetika

1. TSY MANAM-POTOANA: Any amin’ny tany maro, dia ny ray no tena mampidi-bola ao an-tokantrano. Matetika àry izy ireo no tsy ao an-trano mihitsy mandritra ny andro, noho ny asany. Zara raha miaraka amin’ny zanany ny ray any amin’ny tany sasany. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Frantsa, ohatra, fa latsaky ny 12 minitra isan’andro ny fotoana iarahan’ny ray amin’ny zanany.

SAINTSAINO IZAO: Adiny firy eo ho eo no iarahanao amin’ny zanakao lahy? Mandritra ny herinandro na tapa-bolana ho avy, dia soraty ny fotoana laninao iarahana aminy. Mety tsy hampino anao ny zavatra hosoratanao.

2. TSY NISY NANOME MODELY: Tsy dia nifandray tamin’ny lehilahy sasany ny rainy taloha. Hoy, ohatra, i Jean-Marie, any Frantsa: “Tsy dia niaraka tamiko ny raiko.” Inona no vokatr’izany taminy? Hoy izy: “Niteraka olana tsy nampoiziko mihitsy izany. Lasa sarotra amiko, ohatra, izao ny miresaka zavatra mahaliana amin’ireo zanako lahy.” Misy indray mba mahafantatra tsara ny rainy ihany, saingy tsy mifandray tsara aminy intsony. Hoy i Philippe, 43 taona: “Tsy mba naneho fitiavana tamiko mihitsy i Dada taloha, ka lasa sarotra be amiko koa izao ny maneho fitiavana amin’ny zanako lahy.”

SAINTSAINO IZAO: Misy vokany eo amin’ny fifandraisanao amin’ny zanakao lahy ve ny fifandraisan’ny rainao taminao? Ny toetra tsaran’ny dadanao ve no tahafinao sa ny toetra ratsiny?

3. TSY MBA MAHAY MANORO HEVITRA: Tsy heverina ho zava-dehibe ny andraikitry ny ray eo amin’ny fanabeazana ny zanany any amin’ny tany sasany. Hoy, ohatra, i Luca, izay lehibe tao amin’ny tany iray any Eoropa andrefana: “Olona maro, tany aminay, no nihevitra fa asan’ny reny ny mikarakara ny ankizy.” Amin’ny kolontsaina hafa indray, dia ampirisihina hasiaka sy hanao didy jadona fotsiny ny ray, dia izay. Hoy, ohatra, i George, izay lehibe tao amin’ny tany iray atsy Afrika: “Tsy mba miara-milalao amin’ny zanany izany ny ray any aminay. Mety hampihen-danja ny fahefana ananany, hono, izany. Lasa tsy mba mahay miaraka amin’ny zanako lahy mihitsy koa aho izao.”

SAINTSAINO IZAO: Inona no heverin’ny olona fa andraikitry ny ray any aminareo? Heverin’izy ireo ho asan’ny reny ihany ve ny fanabeazana? Ampirisihina haneho fitiavana amin’ny zanany lahy ve ny ray sa heverin’ny olona ho tsy azo atao izany?

Inona no azonao atao raha ray ianao ka manjo anao mihitsy ny iray na maromaro amin’ireo olana ireo? Diniho ireto soso-kevitra ireto:

Miaraha aminy dieny mbola kely izy

Efa faniriana ao anatin’ny zanaka lahy ny maka tahaka an-drainy. Hararaoty àry izany, dieny mbola kely izy. Ahoana no hanaovana an’izany ary rahoviana ianao no afaka miaraka aminy?

Ampandraiso anjara amin’izay zavatra ataonao ny zanakao lahy, raha mbola azo atao. Raha manao raharaha, ohatra, ianao dia asaivo manampy anao izy. Omeo kifafa kely izy raha mamafa trano ianao, na angady kely raha manao zaridaina ianao. Azo antoka fa ho faly erỳ izy miara-miasa amin’ilay modeliny. Mety ho elaela ilay zavatra ataonao vao ho vita, kanefa lasa hifandray kokoa ianareo. Ho afaka hampianatra azy hitondra tena tsara koa ianao amin’izay. Fahiny, dia nampirisihin’ny Baiboly ny ray mba hanasa ny zanany hiara-manao izay zavatra fanaon’izy ireo andavanandro, ka hanararaotra an’izany hiresahana sy hampianarana azy ireo. (Deoteronomia 6:6-9) Mbola mahasoa foana izany torohevitra izany ankehitriny.

Ankoatra izany, dia manokàna fotoana hiarahana milalao amin’ny zanakao. Tsy hoe mba hahitana fahafinaretana fotsiny anefa no antony ilalaovana. Asehon’ny fikarohana fa lasa tsy matahotahotra sy tia miana-java-baovao ny ankizy raha miara-milalao aminy ny rainy.

Mbola tsara noho izany aza ny vokany raha miara-milalao amin’ny zanany ny ray. Hoy i Michel Fize, mpikaroka: “Miresaka tsara amin’ny rainy ny zazalahy rehefa miara-milalao izy ireo.” Afaka maneho fitiavana an’ilay zanany amin’ny teny sy ny atao ny ray mandritra izany. Mampianatra ny zanany haneho fitiavana koa izy amin’izany. Hoy i André, any Alemaina: “Niara-nilalao foana izaho sy ny zanako lahy tamin’izy mbola kely. Nofihiniko izy ka mba nianatra nampiseho fitiavana ahy koa.”

Afaka manamafy ny fifandraisany amin’ny zanany lahy koa ny ray, alohan’ny hatorian’izy ireo. Amakio tantara foana, ohatra, izy. Henoy koa izy rehefa mitantara ny hafaliany na ny zava-nanahirana azy nandritra ny andro. Raha manao izany ianao, dia hiresaka aminao foana izy na dia mihalehibe aza.

Miaraha foana manao zavatra tianareo

Tsy te hiresaka ny ankizilahy sasany na dia miezaka miresaka aminy aza ny rainy. Raha manontany azy, ohatra, ianao ka hoatran’ny mialaala izy, dia aza tonga dia mihevitra hoe tsy hiresaka mihitsy izy. Mety hisokatra kokoa izy raha ovanao ny fomba iresahanao aminy.

Hitan’i Jacques, any Frantsa, fa sarotra indraindray ny miresaka amin’i Jérôme, zanany lahy. Tsy notereny hiresaka anefa izy fa novany ny fomba nanatonany azy, ka niara-nilalao baolina taminy izy. Hoy i Jacques: “Niara-nipetrapetraka sy naka aina teo amin’ny bozaka izahay rehefa avy nilalao. Nilaza izay tao am-pony ny zanako tamin’ireny fotoana ireny. Fantany mantsy, araka ny hevitro, fa azy irery aho tamin’ireny fotoana ireny. Izany no tena nampifandray be anay.”

Ahoana raha tsy tia fanatanjahan-tena ny zanakao? Tsaroan’i André foana ny fotoana niarahan’izy sy ny zanany nandinika ny kintana. Hoy izy: “Fanaonay ny nipetrapetraka teo amin’ny seza tany an-tokotany tamin’ny alina nangatsiaka. Nanao nafana tsara izahay sady nisotro dite sy nandinika ny lanitra. Niresaka momba an’ilay Mpamorona ny kintana izahay. Niresaka momba ny fiainanay manokana koa izahay. Saiky ny zava-drehetra mihitsy no nifampiresahanay.”—Isaia 40:25, 26.

Ahoana anefa raha tsy tianao ny zavatra sasany mahaliana ny zanakao? Mila mandefitra ianao raha izany. (Filipianina 2:4) Hoy i Ian, any Afrika Atsimo: “Tena tia fanatanjahan-tena aho nefa i Vaughan zanako tsy hoatran’izany. Fiaramanidina sy ordinatera no nahaliana azy. Niezaka ny ho liana tamin’ireo koa àry aho. Nentiko nijery fampisehoana mitondra fiaramanidina izy. Niara-nanao kilalao mitondra fiaramanidina tamin’ny ordinatera koa izahay. Lasa nisokatra tsara tamiko ny zanako rehefa miresaka, noho ireny zavatra nahafinaritra niarahanay ireny.”

Ampio hatoky tena izy

“Jereo ange ity ry Dada e!” Efa nilaza an’izany taminao ve ny zanakao lahikely, rehefa nisy zava-baovao hainy? Mbola mitady fankasitrahana avy aminao toy izany ve izy izao raha efa tanora? Tsy manao an’izany intsony angamba izy, kanefa tena ilainy izany raha tianao ho lasa olon-dehibe matotra izy.

Diniho ange ny fomba nifandraisan’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny zanany iray e! Hanomboka hanao ny zavatra miavaka indrindra teo amin’ny fiainany teto an-tany i Jesosy tamin’izay. Hoy i Jehovah taminy: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:17; 5:48) Marina fa tokony hanafay sy hampianatra ny zanakao ianao. (Efesianina 6:4) Mba mankasitraka ny zavatra tsara lazainy sy ataony koa ve anefa ianao?

Sarotra amin’ny lehilahy sasany ny mankasitraka sy maneho fitiavana an-janany. Mety ho zatra nanakiana foana mantsy ny ray aman-dreniny taloha fa tsy mba nidera azy. Raha izany no niainanao, dia mila miezaka mafy ianao mba hanampy ny zanakao hatoky tena. Amin’ny fomba ahoana? Miara-manao raharaha foana i Luca, voaresaka tetsy aloha, sy Manuel, zanany lahy 15 taona. Hoy i Luca: “Indraindray dia asaiko manao raharaha irery aloha i Manuel, ary ilazako izy fa hanampy azy aho raha ilainy. Matetika no vitany irery ilay izy ary afa-po sy matoky tena erỳ izy. Deraiko izy rehefa mety ny nataony. Rehefa tsy araka ny nantenainy anefa no nitranga ka tsy vitany tsara ilay izy, dia mbola ampahafantariko azy ihany hoe ankasitrahako ny ezaka nataony.”

Afaka manampy ny zanakao hatoky tena koa ianao raha manampy azy hanatratra tanjona lehibe. Ahoana anefa raha tsy tratrany haingana araka ny eritreretinao ilay tanjona? Ary ahoana raha tsy araka ilay tianao ny tanjona nofidiny, na dia tsy ratsy aza? Mila mandefitra ianao amin’izay. Hoy i Jacques, voaresaka tetsy aloha: “Miezaka manampy ny zanako hanana tanjona azo tratrarina aho. Ataoko azo antoka koa anefa fa tanjony ilay izy fa tsy tanjoko. Tadidiko foana avy eo fa mila miezaka manatratra an’ilay tanjona arak’izay fahaizany izy.” Manampy ny zanakao hanatratra ny tanjony ianao raha mihaino ny heviny sy midera ny zavatra tsara vitany ary mampirisika azy handresy olana.

Mety hisy olana ihany aloha ny fifandraisanareo e! Lasa ho tian’ny zanakao anefa ny hiaraka aminao rehefa ela ny ela. Sady iza koa moa no tsy te hiaraka amin’ny olona manampy azy hahomby eo amin’ny fiainana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny fifandraisan’ny ray sy ny zanany lahy no tena resahina ato amin’ity lahatsoratra ity. Mihatra amin’ny ray sy ny zanany vavy koa anefa ny toro lalana resahina ato.