Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efao ny Adidinao Amin’Andriamanitra

Efao ny Adidinao Amin’Andriamanitra

Manatòna An’Andriamanitra

Efao ny Adidinao Amin’Andriamanitra

EFA nieritreritra ve ianao hoe: ‘Mba inona re no antony ahavelomako e?’ Tsy hoe nomen’i Jehovah saina mba hanontany an’izany fotsiny isika fa nataony tao anatintsika koa ny faniriana hahalala ny valin’izany. Soa ihany fa be fitiavana izy ka avelany hahita ny valiny isika. Ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, no misy an’izany. Diniho ny tenin’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Mpitoriteny 12:13.

I Solomona no tena tsara toerana hilaza hoe inona no mahasambatra sy mampisy dikany ny fiainana. Niavaka mantsy ny zavatra niainany. Nomena fahendrena lehibe sy harem-be izy ary mpanjaka, ka afaka nandinika an’izay rehetra katsahin’ny olombelona, anisan’izany ny harena sy laza. (Mpitoriteny 2:4-9; 4:4) Nilaza ny vokatry ny fandinihana nataony izy rehefa nahazo fanahy masina. Hoy izy: “Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.” Hita amin’ireo ny zavatra mahasoa sy tsara indrindra tokony hataon’ny olombelona.

“Matahora an’Andriamanitra.” Mety tsy hanaitra aloha izany hoe matahotra an’Andriamanitra izany e! Tsy mampitebiteby anefa izany fa mahasoa. Tsy toy ny mpiasa matahotra ny hampahatezitra mpampiasa masiaka be akory izany, fa toy ny ankizy maniry hampifaly ny rainy be fitiavana. Milaza ny boky iray fa ny tahotra an’Andriamanitra, dia “toe-tsaina feno fanajana lalina asehon’ny mpanompony aminy, satria tia azy izy ireo sady miaiky ny heriny sy ny fahalehibeazany.” Mandrisika antsika hanao ny sitrapon’Andriamanitra izany toe-tsaina izany, satria tia azy isika ary fantatsika fa tia antsika izy. Tsy fihetseham-po fotsiny anefa izany fa hita amin’ny atao koa. Ahoana izany?

“Tandremo ny didiny.” Lasa te hankatò an’Andriamanitra isika raha matahotra azy. Tena tokony hanao an’izany isika, satria izy no Mpamorona antsika. Fantany ny fomba fiaina tsara indrindra ho antsika, toy ny mpanamboatra fitaovana iray izay mahalala tsara ny fomba ampiasana an’ilay fitaovana. Mitady izay hahasoa antsika foana koa i Jehovah. Tiany ho sambatra isika, ary nataony hahasoa antsika ny didiny. (Isaia 48:17) Hoy ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Ny fankatoavantsika an’Andriamanitra àry no anaporofoantsika fa tia azy isika, ary ny didiny kosa no anaporofoany fa tia antsika izy.

“Izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.” Hita avy amin’io ny antony lehibe tokony hatahorana an’Andriamanitra sy hankatoavana azy. Adidintsika izany. I Jehovah no Mpamorona, ka noho izy no mahavelona antsika. (Salamo 36:9) Tokony hankatò azy àry isika. Manefa ny adidintsika aminy isika rehefa miaina mifanaraka amin’izay takiny.

Inona àry no antony ahavelomantsika? Raha tsorina dia izao: Velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Izany no mahafa-po indrindra eo amin’ny fiainana. Nahoana àry raha mianatra bebe kokoa ny sitrapon’i Jehovah sy ny fomba hampiharanao an’izany eo amin’ny fiainanao? Ho faly hanampy anao amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Famakiana Baiboly Amin’ny Novambra:

Ohabolana 22-31; Mpitoriteny 1-12Tononkiran’i Solomona 1-8