Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hampianatra ny Zanany Momba ny Firaisana ve ny Ray Aman-dreny?

Tokony Hampianatra ny Zanany Momba ny Firaisana ve ny Ray Aman-dreny?

Manontany ny Mpamaky

Tokony Hampianatra ny Zanany Momba ny Firaisana ve ny Ray Aman-dreny?

▪ Ray aman-dreny maro no miezaka mafy mba hiaro ny zanany tsy ho voan’ny aretina mampidi-doza. Mila miezaka mafy toy izany koa izy ireo mba hiaro ny zanany amin’ny fitondran-tena mety hanimba azy. Manao an’izany àry izy ireo raha mampianatra ny zanany zavatra momba ny firaisana, mifanaraka amin’ny taonany. (Ohabolana 5:3-23) Tena mila ampianarina an’izany ny ankizy, satria mihamitombo foana ny sary vetaveta amin’ny tele, Internet, boky, ary tantara mampihomehy.

Hoy i Diane Levin, mpanoratra sady manam-pahaizana momba ny fampianarana: “Tsy olana mihitsy ny hoe mahalala zavatra momba ny firaisana ny zanatsika. Ny olana dia hoe inona momba ny firaisana no fantany, firy taona izy, ary iza no mampianatra azy. Lasa mahalala zavatra momba ny firaisana ny ankizy noho ny zavatra amidin’ny mpivarotra sy ny olona ifaneraserany. Tena misy vokany ratsy anefa ny zavatra fantany avy amin’izany.”

Manana fomba fisainana voaolana sy vetaveta izay tena manimba, ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka tokony hiaro ny zanany amin’izany ny ray aman-dreny. (Ohabolana 5:1; Efesianina 6:4) Mila hain’ny ankizy àry ny asan’ny faritra sasany amin’ny vatany sy ny fikarakarana an’izany ary ny fomba iarovan-tena amin’ny mpametaveta. Tokony ho fantatry ny ankizivavy ny fiovana hiseho amin’ny vatany, toy ny hoe ahoana rehefa tonga fotoana ary nahoana izany no mitranga. Tokony ho fantatry ny ankizilahy mialoha koa fa hisy tsirinaina hivoaka aminy, ohatra hoe rehefa manonofy amin’ny alina. Tokony hampahafantarina azy ireo izany alohan’ny hisehoan’ireo famantarana hoe efa mihalehibe izy ireo. Dieny mbola kely koa izy ireo dia azo ampianarina ny tena anaran’ny faritra sasany amin’ny vatany. Tia ny zanany ny ray aman-dreny raha mampianatra fa: 1) Faritra manokana izy ireny, 2) tsy azo resahina amin’ny fomba ratsy, ary 3) tsy azo kitikitihin’olon-kafa na aderadera. Rehefa lehibebe izy ireo, dia tokony hojeren’ny ray aman-dreny izay fotoana mety hampianarana azy ireo hoe ahoana no mahatonga ny vehivavy ho bevohoka. *

Rahoviana àry ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hampianatra ny zanany? Dieny izy ireo mbola kely. Mety ho 10 taona na latsak’izay mantsy dia efa tonga fotoana ny ankizivavy. Mety ho 11 na 12 taona koa ny ankizilahy dia efa misy tsirinaina mivoaka. Mety hikorontan-tsaina be izy ireo raha tsy mahafantatra ny anton’ireny fiovana ireny. Mila omena toky mialoha àry izy ireo hoe tsy maninona ireny fa voajanahary. Tokony hampianarina azy koa fa tena zava-dehibe sy mahasoa ny manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Tsy mba mampianatra an’izany mantsy ny tele sy ny boky ary ny Internet.—Ohabolana 6:27-35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mety hanampy ny ray aman-dreny ireto lahatsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto: “Efa Noresahinao Tamin’ny Zanakao Vavy ve ny Momba ny Fadimbolana?” ao amin’ny Mifohaza! Mey 2006, pejy 10-13, sy ny hoe “Fa Maninona àry Aho?” ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, toko faha-6, ary ny hoe “Iresaho Momba ny Firaisana ny Zanakao” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2010, pejy 12-14.