Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy May Nefa Natsipy tao Anaty Lafaoro Mirehitra

Tsy May Nefa Natsipy tao Anaty Lafaoro Mirehitra

Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora:

Tsy May Nefa Natsipy tao Anaty Lafaoro Mirehitra

Toromarika: Tsara raha amin’ny toerana mangina ianao no mamaky ny andinin-teny eto ambany. Alao sary an-tsaina ilay tantara. Ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ka renao ny feo manodidina sy ny olona miteny, ary tsapanao ny fihetseham-pon’ireo olona asongadina ao.

Mpandray anjara: Sadraka, Mesaka, Abednego, ary Nebokadnezara

Famintinana: Nosedraina ny finoan’ireo hebreo telo lahy

1 ALAO SARY AN-TSAINA ILAY TANTARA.VAKIO NY DANIELA 3:1-30.

Mety ho hoatran’ny ahoana ny feo henonao rehefa mamaky ny andininy 3-7?

․․․․․

Mety ho hoatran’ny ahoana ilay lafaoro misy afo mivaivay? ․․․․․

Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Nebokadnezara tamin’izy nandidy hoe hafanao avo fito heny noho ny mahazatra ilay lafaoro? (Vakio indray ny andininy 19 sy 20.)

․․․․․

Mety ho hoatran’ny ahoana ny paozin’ilay lehilahy fahefatra tao anaty lafaoro? (Vakio indray ny andininy 24 sy 25.)

․․․․․

Inona no toetran’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego hitanao tamin’izy ireo niresaka tamin’i Nebokadnezara, araka ny andininy 16-18?

․․․․․

2 FAKAFAKAO ILAY TANTARA.

Manaova fikarohana ao amin’izay boky ara-baiboly anananao, ka fantaro hoe firy metatra ny iray hakiho. Kajio avy eo ny hangezan’ilay sarivongana nataon’i Nebokadnezara. (Vakio indray ny andininy 1.)

․․․․․

Ampitahao amin’ny andininy 28 sy 29 ny andininy 19 sy 20. Mety ho nanao ahoana ny toetran’i Nebokadnezara?

․․․․․

3 AMPIHARO IZAY NIANARANAO. SORATY ETO IZAY NIANARANAO MOMBA AN’IRETO...

Nahoana ianao no tokony hanaja ny olona manana fahefana? ․․․․․

Nahoana no zava-dehibe ny tsy mivadika amin’ny zavatra inoanao? ․․․․․

Ahoana no fomba hanampian’i Jehovah antsika rehefa misy fitsapana?

․․․․․

FAMPIHARANA HAFA.

Rahoviana ianao no mety hiharam-pitsapana?

․․․․․

Nahoana no manampy anao mba tsy hivadika mihitsy ny tantaran’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego?

․․․․․

4 INONA NO HITANAO HOE TENA MAHASOA ANAO AMIN’IO TANTARA IO? NAHOANA?

․․․․․

Tsy manana baiboly ve ianao? Mangataha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na vakio izany, ao amin’ny www.watchtower.org