Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aza Miantehitra Amin’ny Fahaizanao”

“Aza Miantehitra Amin’ny Fahaizanao”

“Aza Miantehitra Amin’ny Fahaizanao”

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao.”—OHAB. 3:5.

1, 2. a) Inona avy ny olana mety hanjo antsika? b) Tokony hiantehitra amin’iza isika rehefa manahy, na mila mandray fanapahan-kevitra, na miady amin’ny fakam-panahy? Nahoana isika no manao izany?

NAKATONA ny ampahany amin’ny orinasa iasan’i Cynthia. * Maromaro ny mpiasa efa nesorina, ka manahy izy hoe izy indray no hesorina manaraka. Ahoana no hataony raha hesorina amin’ny asany izy? Ahoana no handoavany an’ireo vola tsy maintsy aloany? Olana hafa kosa ny an’i Ando. Te hanitatra faritany izy, nefa sahirana izy mieritreritra hoe handeha sa tsia. Manana olana koa i Samy. Zatra nijery sary vetaveta izy tamin’ny mbola kely, ary maniry mafy hanao an’izany indray izy amin’izao izy 20 taona mahery izao. Ahoana no handreseny an’izany fakam-panahy izany?

2 Ahoana no ataonao rehefa manahy ianao, na mila mandray fanapahan-kevitra lehibe, na miady amin’ny fakam-panahy? Moa ve ianao miantehitra amin’ny fahaizanao, sa ‘mametraka izay manavesatra anao amin’i Jehovah’? (Sal. 55:22) Mahasoa ny miantehitra amin’i Jehovah, satria milaza ny Baiboly hoe: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny antso vonjy ataon’izy ireo.” (Sal. 34:15) Mila matoky an’i Jehovah amin’ny fo manontolo àry isika, fa tsy miantehitra amin’ny fahaizantsika.—Ohab. 3:5.

3. a) Ahoana no ampisehoantsika hoe matoky an’i Jehovah isika? b) Inona no mety hahatonga ny olona sasany hiantehitra amin’ny fahaizany?

3 Hita hoe matoky an’i Jehovah isika, raha manao zavatra araka ny sitrapony, mivavaka tsy tapaka aminy, ary mangataka tari-dalana aminy. Sarotra amin’ny olona maro anefa ny hoe miantehitra tanteraka amin’i Jehovah. Hoy ny anabavy iray atao hoe Lynn: “Sarotra amiko ny hoe matoky tanteraka an’i Jehovah. Tsy nifandray tamiko mihitsy mantsy i Dada. Tsy nikarakara ahy mihitsy koa i Neny, ary tsy nanampy ahy rehefa nanana olana ara-pihetseham-po aho. Mbola kely àry aho dia efa nitondra samirery ny fiainako.” Tsy mora matoky olona i Lynn, noho ny zavatra niainany. Misy indray lasa matoky tena, satria mahay izy na nahomby tamin’izay nataony. Mety hiantehitra amin’ny traikefa ananany, ohatra, ny anti-panahy, ka tsy hivavaka amin’i Jehovah, rehefa hanao ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana.

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Tian’i Jehovah hiezaka mafy isika mba hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika sy hanao ny sitrapony. Ahoana anefa izany hoe sady mila apetrakao amin’i Jehovah ny zavatra mampanahy anao, nefa koa hoe mila miezaka ianao hamaha ny olana mahazo anao? Inona no tokony hotandremantsika rehefa mandray fanapahan-kevitra isika? Nahoana no ilaina ny mivavaka mba handresena fakam-panahy? Handinika ohatra ao amin’ny Baiboly isika, mba hahitana ny valin’ireo.

Ahoana no atao rehefa manahy?

5, 6. Ahoana no nataon’i Hezekia, rehefa natahotra ny mpanjakan’i Asyria izy?

5 Hoy ny Baiboly momba an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda: “Nifikitra tamin’i Jehovah foana izy, ary nanaraka azy foana. Notandremany foana ireo didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.” I Jehovah Andriamanitry ny Israely no nitokisany. (2 Mpanj. 18:5, 6) Hita izany rehefa nitady hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, ka nandefa miaramila be dia be sy solontena maromaro, anisan’izany i Rabsake. Avy nandresy tanàna mimanda maromaro tao Joda io tafika mahery io tamin’izay, ary te haka an’i Jerosalema indray izao. Ahoana no hataon’i Hezekia? Nankao an-tranon’i Jehovah izy, ary nivavaka hoe: “Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo eo an-tanany izahay, mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”—2 Mpanj. 19:14-19.

6 Nanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataony i Hezekia. Nandidy ny vahoaka mba tsy hamaly ny fanesoan’i Rabsake izy, talohan’ny nandehanany tany amin’ny tempoly mba hivavaka. Nandefa iraka tany amin’i Isaia mpaminany koa izy, mba hangataka torohevitra. (2 Mpanj. 18:36; 19:1, 2) Nety ny nataon’i Hezekia. Tsy nanao zavatra nifanohitra tamin’ny sitrapon’i Jehovah izy, ka hoe hangataka fanampiana tamin’i Ejipta na tamin’ny firenen-kafa. Tsy niantehitra tamin’ny fahaizany izy, fa natoky an’i Jehovah. Novonoin’ny anjelin’i Jehovah ny miaramilan’i Sankeriba 185 000 vokatr’izany, ka nandeha niverina tany Ninive i Sankeriba.—2 Mpanj. 19:35, 36.

7. Nahoana no mampahery antsika ny zavatra nitranga tamin’i Hana sy Jona?

7 Ohatra hafa koa i Hana, vadin’ilay Levita atao hoe Elkana. Niantehitra tamin’i Jehovah izy, rehefa kivy noho izy tsy afaka niteraka. (1 Sam. 1:9-11, 18) Niantehitra tamin’i Jehovah koa i Jona mpaminany. Diniho ny vavaka nataony, talohan’ny nanafahan’i Jehovah azy tao an-kibon’ilay trondro ngezabe. Hoy izy: “Tao anatin’ny fahoriako aho no niantso an’i Jehovah, dia namaly ahy izy. Tao an-kibon’ny Fasana aho no niantso vonjy, dia nandre ny feoko ianao.” (Jona 2:1, 2, 10) Mampahery tokoa ny mahalala hoe afaka “miantso vonjy” amin’i Jehovah isika, na mafy toy inona aza ny manjo antsika.—Vakio ny Salamo 28:2; 55:16.

8, 9. Inona no zava-dehibe tamin’i Hezekia sy Hana ary Jona rehefa nivavaka? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

8 Hitantsika avy amin’ny ohatr’i Hezekia sy Hana ary Jona koa anefa, fa misy zavatra tsy tokony hohadinointsika, rehefa mivavaka momba ny olana manjo antsika isika. Nahatsiaro ho nijaly izy ireo, kanefa hita tamin’ny vavaka nataony fa tsy ny tenany sy izay hahazoany fanamaivanana fotsiny no noeritreretiny. Hita kosa hoe ny anaran’Andriamanitra, sy ny fanompoana azy, ary ny fanaovana ny sitrapony no zava-dehibe indrindra tamin’izy ireo. Hita tao amin’ny vavak’i Hezekia, ohatra, hoe nalahelo izy satria nalam-baraka ny anaran’i Jehovah. I Hana indray nivoady hoe homeny mba hanompo an’i Jehovah ao amin’ny tranolay masina any Silo ilay zanakalahy tena iriny. I Jona kosa nilaza hoe: “Izay voady nataoko dia hefaiko.”—Jona 2:9.

9 Ilaina àry ny mandinika ny antony manosika antsika hivavaka. Izay hahazoana fanamaivanana ihany ve no ao an-tsaintsika? Sa isika mieritreritra momba an’i Jehovah sy ny fikasany? Mety tsy hieritreritra afa-tsy ny fahoriantsika isika rehefa manana olana, ka lasa tsy dia zava-dehibe amintsika ny fikasan’i Jehovah sy ny fanompoana azy. Tsy tokony hohadinointsika anefa ny mivavaka momba ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra sy ny fanamarinana ny zony hitondra. Hanampy antsika hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra izany, na dia tsy voavaha araka ny nieritreretantsika azy aza ilay olana. Mety ho valim-bavaka koa mantsy ny hoe ampian’i Jehovah hiaritra an’ilay olana isika.—Vakio ny Isaia 40:29; Filipianina 4:13.

Ahoana no handraisana fanapahan-kevitra?

10, 11. Inona no nataon’i Josafata, rehefa tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra sarotra izy?

10 Ahoana no ataonao rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe? Tonga dia manapa-kevitra ve ianao, ary avy eo mangataka amin’i Jehovah mba hanao izay hahombiazan’ilay fanapahan-kevitra? Diniho izay nataon’i Josafata, mpanjakan’ny Joda. Nivondrona mba hiady tamin’izy ireo ny tafika moabita sy amonita, ary tsy nanan-kery hanoherana azy ireo ny tafik’i Joda. Ahoana àry no hataon’i Josafata?

11 “Natahotra i Josafata ka tapa-kevitra ny hitady an’i Jehovah.” Nasainy nifady hanina ny mponina tao Joda, ary novoriny mba “hanontany an’i Jehovah.” Rehefa tafavory izy ireo, dia nitsangana teo anivon’ny fiangonan’i Joda sy Jerosalema izy, ary nivavaka hoe: “Tsy hampihatra ny didim-pitsaranao amin’izy ireo ve ianao, ry Andriamanitray ô? Fa tsy manan-kery izahay eo anatrehan’io vahoaka be manafika anay io, ary tsy fantatray izay tokony hatao, ka ianao no andrandrainay.” Nihaino an’i Josafata i Jehovah, ary namonjy azy ireo tamin’ny fomba mahagaga. (2 Tan. 20:3-12, 17) Tokony hiantehitra amin’i Jehovah àry isika fa tsy hiantehitra amin’ny fahaizantsika, rehefa handray fanapahan-kevitra, indrindra fa raha misy vokany eo amin’ny fifandraisantsika aminy ilay izy.

12, 13. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Davida Mpanjaka?

12 Ahoana indray raha hitantsika fa mora vahana ny olana manjo antsika, angamba satria olana efa nodiavintsika ilay izy? Mampisaintsaina ny zava-nitranga tamin’i Davida Mpanjaka. Nalain’ny Amalekita ny vady aman-janak’i Davida sy ny vady aman-janak’ireo miaramilany, rehefa nanafika ny tanànan’i Ziklaga izy ireo. Nanontany an’i Jehovah i Davida tamin’izay hoe: “Hanenjika an’ireo mpandroba ve aho?” Namaly i Jehovah hoe: “Mandehana, enjeho, fa tsy maintsy ho tratranao ry zareo, ary hanafaka tokoa ianao.” Nankatò i Davida, ka azony daholo “izay nalain’ny Amalekita.”—1 Sam. 30:7-9, 18-20.

13 Ny Filistinina indray no nanafika ny Israelita taorian’izay. Nanontany an’i Jehovah indray i Davida, ary nahazo valiny mazava tsara. Hoy i Jehovah: “Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.” (2 Sam. 5:18, 19) Niverina nanafika indray anefa ny Filistinina tsy ela taorian’izay. Ahoana àry no hataon’i Davida? Hitady tari-dalana amin’i Jehovah ve izy, sa nieritreritra hoe: ‘Efa indroa ny Filistinina no nanafika anay, ka haiko tsara ny tokony hatao. Hiady amin’ireo fahavalon’Andriamanitra ireo izahay, toy ny efa nataonay teo aloha.’ Tsy nieritreritra i Davida hoe ho voavahany samirery ilay olana satria hoe olana efa nanjo azy ilay izy. Nivavaka tamin’i Jehovah indray izy, ary azo antoka fa faly izy hoe nanao izany. Tena tsy nitovy tamin’ny teo aloha mantsy ny toromarika nomen’i Jehovah. (2 Sam. 5:22, 23) Mila mitandrina àry isika rehefa misy olana efa nodiavintsika taloha. Tsy tokony hieritreritra isika hoe ho vitantsika samirery ny hiatrika an’ilay izy.—Vakio ny Jeremia 10:23.

14. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Josoa sy ny anti-panahin’ny Israely?

14 Tsy lavorary isika rehetra, ka tsy tokony hanadino hangataka tari-dalana amin’i Jehovah rehefa hanapa-kevitra. Tokony hanao izany na dia ny anti-panahy za-draharaha aza. Diniho izay nataon’i Josoa sy ireo anti-panahin’ny Israely. Tonga tany aminy ireo Gibeonita mody nanao akanjo tonta, ary nilaza fa avy lavitra be. Avy hatrany dia nanaiky hanao fifanekem-pihavanana tamin’izy ireo i Josoa sy ny namany, fa tsy nanontany an’i Jehovah. Marina fa neken’i Jehovah ilay fifanekena. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly anefa hoe tsy nangataka tari-dalana taminy i Josoa sy ny namany, mba handraisantsika lesona.—Josoa 9:3-6, 14, 15.

Ahoana no hanoherana fakam-panahy?

15. Nahoana no tena ilaina ny vavaka rehefa misy fakam-panahy?

15 Efa ao amintsika ny “lalàn’ny ota”, ka mila miady mafy amin’ny fanirian-dratsy isika. (Rom. 7:21-25) Afaka mandresy anefa isika. Amin’ny fomba ahoana? Nilaza i Jesosy fa tena ilaina ny mivavaka mba hanoherana fakam-panahy. (Vakio ny Lioka 22:40.) Ahoana anefa raha mbola tsy afaka ny fanirian-dratsy na ny eritreri-dratsy ao amintsika, rehefa avy mivavaka isika? Tokony mbola hivavaka foana isika, ka “tsy hitsahatra hangataka” fahendrena amin’Andriamanitra mba hiatrehana an’ilay izy. “Malala-tanana amin’ny rehetra” mantsy i Jehovah “sady tsy manome tsiny.” (Jak. 1:5) Manampy antsika koa ny torohevitr’i Jakoba hoe: “Misy marary [ara-panahy] ve aminareo? Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana.”—Jak. 5:14, 15.

16, 17. Rahoviana no fotoana tsara indrindra hivavahana, raha te hahatohitra fakam-panahy isika?

16 Ilaina ny mivavaka mba hanoherana fakam-panahy, nefa tokony ho fantatsika koa hoe rahoviana no fotoana tsara indrindra hivavahana. Diniho izay lazain’ny Ohabolana 7:6-23 momba ny tovolahy iray. Nandeha tamin’ny lalana iray izy indray hariva, nefa efa fantany hoe misy tranona vehivavy ratsy fitondran-tena eo amin’ilay lalana. Babon’ny teny malefaka nataon’ilay vehivavy ilay tovolahy, ary voafitaky ny fahaizany mandresy lahatra, ka nanaraka azy toy ny omby entina hovonoina. Nahoana ilay tovolahy no nandeha teny amin’io lalana io? Satria “tsy ampy saina” izy, hoy ny Baiboly. Mbola tsy ampy fahendrena izy, ka tsy voafehiny ny fanirian-dratsiny. (Ohab. 7:7) Afaka nandresy fakam-panahy anefa izy raha nivavaka. Oviana anefa izy no tena tokony hivavaka? Marina fa nahasoa azy ny vavaka, raha nivavaka izy nandritra ny fotoana nihaonany tamin’ilay vehivavy. Ny tena tsara indrindra anefa, dia tamin’izy vao nieritreritra handeha tamin’ilay lalana mivily any amin’ny tranon’ilay vehivavy.

17 Mety hisy toe-javatra toy izany koa ankehitriny. Miezaka mafy angamba ny lehilahy iray mba tsy hijery sary vetaveta. Ahoana anefa raha efa fantany hoe hisy sary maloto ao amin’ny boky, na filma ao amin’ny tele, na ny zavatra hojereny ao amin’ny Internet, nefa mbola mijery an’ilay izy ihany izy? Tsy mitovy amin’ilay tovolahy resahin’ny Ohabolana ve izy amin’izany? Toy ny hoe mandeha amin’ny lalana mampidi-doza izy, raha manao izany. Hahatohitra ny fakam-panahy hijery sary vetaveta isika, raha mivavaka sy mangataka fanampiana amin’i Jehovah, alohan’ny hieritreretantsika hijery na hanokatra zavatra misy sary vetaveta.

18, 19. a) Nahoana no sarotra ny manohitra fakam-panahy, nefa inona no azontsika atao mba hahavitana izany? b) Inona no fanapahan-kevitra raisinao, rehefa avy nianatra an’iny lahatsoratra iny?

18 Tsy mora ny manohitra fakam-panahy sy miala amin’ny fahazaran-dratsy. ‘Manohitra ny fanahy mantsy ny nofo sy ny faniriany, ary manohitra ny nofo ny fanahy.’ Izany no mahatonga antsika tsy hahavita ‘an’izay tiantsika hatao.’ (Gal. 5:17) Mba handresena fakam-panahy àry, dia tokony hivavaka mafy isika amin’ilay fotoana ipoiran’ny eritreri-dratsy iny. Mila manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka koa isika. Tadidio fa ‘tsy misy fakam-panahy mihatra amintsika, afa-tsy izay mpahazo ny olona.’ Hahavita tsy hivadika isika, noho ny fanampian’i Jehovah.—1 Kor. 10:13.

19 Nomen’i Jehovah fanomezana sarobidy isika mba hanampiana antsika hiatrika fanahiana, handray fanapahan-kevitra lehibe, ary hanohitra fakam-panahy. Ny vavaka io fanomezana io. Hita hoe miantehitra amin’i Jehovah isika, rehefa mivavaka aminy. Tsy tokony hitsahatra hangataka ny fanahy masina koa isika, satria mitari-dalana antsika izy io sady manome hery antsika. (Lioka 11:9-13) Koa enga anie isika hatoky an’i Jehovah, fa tsy hiantehitra amin’ny fahaizantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Novana ireo anarana.

Tadidinao Ve?

• Inona no nianaranao avy tamin’i Hezekia sy Hana ary Jona momba ny fatokisana an’i Jehovah?

• Rehefa dinihina ny nataon’i Davida sy Josoa, inona no tokony hotandremana rehefa hanapa-kevitra?

• Rahoviana isika no tena tokony hivavaka, raha te hahatohitra fakam-panahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Rahoviana isika no tena tokony hivavaka, raha te hahatohitra fakam-panahy?