Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Herim-po i Abrahama

Be Herim-po i Abrahama

Be Herim-po i Abrahama

Ho any Kanana i Abrahama sy ny fianakaviany ary ny mpanompony, ka mandinika azy ireo miomankomana izy. (Genesisy 12:1-5) Takatr’i Abrahama fa tena lehibe ny andraikiny, satria izy no ianteheran’ireo olona rehetra ireo hamelona azy ireo. Ahoana tokoa izao no hanomezany izay ilain’izy ireo any amin’io tany tsy fantatra io? Tsy aleo ihany ve mijanona any Ora, ilay tanàna manankarena sady misy kijana midadasika sy tany lonaka ary rano ampy tsara? Ary raha marary na maty any amin’io tany tsy fantatra io izy, iza no hikarakara ny fianakaviany? Mety ho nanana an’ireo fanahiana ireo i Abrahama, nefa tsy navelany hanakana azy izany. Tapa-kevitra ny hankatò ny didin’Andriamanitra izy, na inona na inona hitranga. Hita amin’izany fa be herim-po izy.

INONA NO ATAO HOE HERIM-PO? Sahy sy tapa-kevitra ny olona be herim-po, fa tsy mba kanosa. Tsy hoe tsy matahotra mihitsy anefa izy. Manao zavatra kosa ny olona omen’Andriamanitra herim-po na dia matahotra aza.

AHOANA NO NANEHOAN’I ABRAHAMA HERIM-PO? Tsy mba nanaraka izay nataon’ny besinimaro fotsiny i Abrahama. Nivavaka tamin’andriamanitra maro sy nanompo sampy ny mpiara-monina taminy. Nanao izay tsara foana anefa izy, fa tsy natahotra izay hoeritreretin’ny olona. Be herim-po i Abrahama ka tsy nanara-drian-drano fotsiny. Nifidy ny hivavaka tamin’Andriamanitra tokana kosa izy, dia i Jehovah ilay “Andriamanitra Avo Indrindra.”—Genesisy 14:21, 22.

Ny fanompoana an’ilay tena Andriamanitra no zava-dehibe tamin’i Abrahama noho ny harena. Niadana be izy tany Ora, kanefa vonona ny hiala tany mba ho any an-tany efitra. Natoky tanteraka mantsy izy fa i Jehovah no hanome azy izay rehetra ilainy. Marina fa mety ho nahatsiaro ny fiainany tany Ora ihany i Abrahama, rehefa nandeha ny fotoana. Azony antoka anefa fa hikarakara azy sy ny fianakaviany foana i Jehovah. Niantehitra tamin’i Jehovah i Abrahama satria izy no sarobidy indrindra taminy. Lasa nahazo herim-po hankatoavana ny didiny àry izy.

INONA AVY NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IZANY? Manahaka an’i Abrahama isika raha be herim-po ka mankatò an’i Jehovah foana, na dia tsy manao an’izany aza ny hafa. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa mety henjehina ireo mifidy ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra. Mety ho ny namany na ny havany mitady izay hahasoa azy no hanao izany. (Jaona 15:20) Raha resy lahatra anefa isika fa marina izay nianarantsika momba an’i Jehovah, dia hiaro ny finoantsika isika ary hanaja olona rehefa manao izany.—1 Petera 3:15.

Tokony hatoky koa isika fa hitana ny teniny Andriamanitra ka hanome izay ilain’ireo mino azy. Hanana herim-po hanompoana azy isika amin’izay, ka izany no ho zava-dehibe amintsika noho ny harena. (Matio 6:33) Izany no nataon’i Doug sy Becky.

Manan-janaka roa lahy kely izy ireo, nefa te ho any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa mba hitory ny vaovao tsara. Nanao fikarohana tsara sy nivavaka mafy aloha izy ireo, ary notanterahiny ny faniriany avy eo. Hoy i Doug: “Nitaky herim-po aloha ilay hoe nifindra niaraka tamin’ireo ankizy e! Tsy fantatray akory mantsy izay mbola hitranga aminay. Nandinika ny ohatr’i Abrahama sy Saraha anefa izahay tamin’ny vao nieritreritra hifindra. Tena nanampy anay ny nisaintsaina hoe niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo ka tsy nafoiny mihitsy.”

Hoy koa i Doug: “Tena nahazo fitahiana be dia be mihitsy izahay. Tsotra kokoa ny fiainanay, ka lasa betsaka kokoa ny fotoana iarahanay. Ohatra hoe miara-mitory, mifampiresaka, ary miara-milalao amin’ny ankizy. Faly izahay fa afaka manao an’izany rehetra izany.”

Marina aloha fa tsy ny rehetra no afaka manao an’izany fiovana be izany e! Afaka manahaka an’i Abrahama anefa isika rehetra, ka ny fanompoana an’Andriamanitra no ataontsika loha laharana. Hatoky koa isika fa ho eo foana izy hanohana antsika. “Be herim-po” isika raha manao izany, ary toy ny milaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”—Hebreo 13:5, 6.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Manao zavatra ny olona omen’Andriamanitra herim-po na dia matahotra aza

[Efajoro/Sary, pejy 8]

Sady Tia An’Andriamanitra Izy no Vady Tsara Toetra

Nanana finoana matanjaka i Abrahama. Ohatra tsara sy tena niavaka koa anefa i Saraha vadiny, satria tia an’Andriamanitra. Mampiseho azy ho toy ny ohatra tsara hotahafin’ny vehivavy kristianina ny Baiboly, ary intelo mihitsy izy no tononiny amin’ny anarany. (Isaia 51:1, 2; Hebreo 11:11; 1 Petera 3:3-6) Tsy dia miresaka momba azy ny Soratra Masina, kanefa ahitana ny toetra tsarany ao.

Eritrereto fotsiny, ohatra, ny fihetsik’i Saraha raha vao nolazain’i Abrahama taminy fa nasain’Andriamanitra niala tao Ora izy ireo. Marina fa mety ho nieritreritra izy hoe ho aiza izy ireo ary nahoana izy ireo no handeha. Mety ho nanahy ny amin’izay zavatra ilain’izy ireo koa izy. Mety ho nalahelo koa izy, satria handao ny namany sy ny havany sady tsy fantany akory hoe rahoviana indray izy ireo no hihaona, raha hihaona aza. Vonona ny handeha anefa izy ary natoky fa hitahy azy i Jehovah noho izy mankatò.—Asan’ny Apostoly 7:2, 3.

Vady tena faran’izay tsara toetra koa i Saraha. Tsy mba nifaninana tamin’ny vadiny ny amin’izay fomba hitantanana tokantrano izy, fa nanaja azy tamin’ny fo manontolo kosa. Nanohana tamim-pitiavana ny fitarihan’ny vadiny ny fianakaviany izy. Toy ny hoe nampihaingo ny tenany tamin’ireo toetra tsara be dia be nananany izy tamin’izany.—1 Petera 3:1-6.

Mety hahasoa ny vehivavy manambady ankehitriny koa ve ireo toetra ireo? Hoy i Jill, izay sambatra am-panambadiana efa 30 taona mahery izao: “Nianarako avy tamin’ny ohatr’i Saraha fa tsy tokony hihafahafa mihitsy aho hilaza ny hevitro amin’ny vadiko. Ataoko an-tsaina koa anefa fa ny vadiko no loham-pianakaviana ka izy no tompon-teny farany. Rehefa avy mandray fanapahan-kevitra àry izy, dia izay hahombiazan’izany sisa no anjarako.”

Izao angamba no lesona tsara indrindra ianarantsika avy amin’i Saraha: Tsy mba nirehareha mihitsy izy na dia tena tsara tarehy aza. (Genesisy 12:10-13) Nanetry tena kosa izy ka nanohana foana an’i Abrahama, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Azo antoka fa samy tsy nivadika sy nanetry tena ary be fitiavana i Abrahama sy Saraha, ka samy nandray soa tamin’izany izy ireo.