Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Fitiavana i Abrahama

Be Fitiavana i Abrahama

Be Fitiavana i Abrahama

Mila tsy ho zakan’i Abrahama intsony ny alahelony. Maty mantsy i Saraha, ilay vady malalany. Nitamberina tao an-tsainy daholo ireo fotoana mamy niarahan’izy roa, tamin’izy nijery azy farany. Feno loatra ny fony, ka nitomany izy. (Genesisy 23:1, 2) Tsy hoe menatra na sadaikatra izy nitomany, fa tena nasehony tamin’izany ny iray amin’ny toetrany tsara indrindra, dia ny fitiavana.

INONA NO ATAO HOE FITIAVANA? Midika hoe firaiketam-po lalina amin’ny olona iray ny fitiavana. Raha be fitiavana ny olona iray dia asehony amin’ny atao ny fihetseham-pony, na dia mety hitaky sorona aza izany.

AHOANA NO NANEHOAN’I ABRAHAMA FITIAVANA? Nasehon’i Abrahama fa tiany ny fianakaviany. Azo antoka fa be atao izy, nefa tsy nataony an-tsirambina izay nilain’ny fianakaviany, na ara-pihetseham-po izany na ara-panahy. Fantatr’i Jehovah mihitsy aza fa nitarika ny fianakaviany teo amin’ny fanompoana azy i Abrahama. (Genesisy 18:19) Nilaza koa i Jehovah fa be fitiavana i Abrahama. Hoy mantsy izy rehefa niresaka taminy momba an’i Isaka: “Ilay lahitokanao izay tena tianao.”—Genesisy 22:2.

Hitantsika koa hoe be fitiavana i Abrahama, satria nigogogogo nitomany izy rehefa maty i Saraha. Tsy niahotra naneho ny alahelony izy na dia natanjaka sy be herim-po aza. Nasehon’i Abrahama àry hoe sady be herim-po izy no nangoraka.

Nasehon’i Abrahama fa tia an’Andriamanitra izy. Hita tamin’ny fiainany manontolo mihitsy izany. Mety hampahatsiahy antsika an’izao voalazan’ny 1 Jaona 5:3 izao izany: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” Tena ohatra niavaka tamin’izany fitiavana izany mihitsy i Abrahama.

Tonga dia nankatò foana i Abrahama isaky ny nanome didy azy i Jehovah. (Genesisy 12:4; 17:22, 23; 21:12-14; 22:1-3) Tsy nampaninona azy na mora izany na sarotra. Tsy zava-dehibe taminy koa, na fantany na tsia ny anton’ilay didy. Vonona foana izy hanao izay nasain’ilay Andriamaniny natao. Nihevitra i Abrahama fa ny fankatoavana ny didin’i Jehovah rehetra no nahafahany nanaporofo hoe tiany izy.

INONA AVY NO IANARANTSIKA AVY AMIN’IZANY? Manahaka an’i Abrahama isika raha tia ny olona rehetra, indrindra fa ny fianakaviantsika. Na sarotra aza ny fiainana, dia hiezaka foana isika hanokana fotoana ho an’ireo olona tiantsika.

Manahaka an’i Abrahama koa isika raha miezaka ny ho tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Misy vokany be eo amintsika io fitiavana io. Izy io, ohatra, no mandrisika antsika hanova ny toe-tsaintsika sy ny fitenintsika ary ny fitondran-tenantsika, mba hampifaliana an’Andriamanitra.—1 Petera 1:14-16.

Marina fa tsy mora foana ny mankatò ny didin’i Jehovah. Afaka matoky anefa isika fa hanampy antsika koa ilay nanampy an’i Abrahama, dia ilay niantso azy hoe “namako.” (Isaia 41:8) Mampanantena io Naman’i Abrahama tena natokisany io, ao amin’ny Teniny, fa ‘hanamafy orina antsika’ izy, ary ‘hampahatanjaka antsika.’ (1 Petera 5:10) Mampahery tokoa izany!

[Efajoro, pejy 11]

Tsy Tena Lehilahy ve ny Lehilahy Raha Mitomany?

Olona maro no hilaza hoe eny. Mety ho gaga anefa izy ireo raha mahafantatra fa tsy i Abrahama irery akory no nitomany rehefa nalahelo be. Resahin’ny Baiboly fa nisy lehilahy maro natanjaka koa nitomany. Anisan’izany i Josefa, Davida, ny apostoly Petera, ireo anti-panahin’ny fiangonana tany Efesosy, ary na i Jesosy aza. (Genesisy 50:1; 2 Samoela 18:33; Lioka 22:61, 62; Jaona 11:35; Asan’ny Apostoly 20:36-38) Tsy mampianatra àry ny Baiboly hoe tsy tena lehilahy ny lehilahy raha mitomany.