Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Milaza ny Hoavy ve ny Baiboly?

Milaza ny Hoavy ve ny Baiboly?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Milaza ny hoavy amin’ny an-tsipiriany ve ny Baiboly?

Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no afaka milaza izay hitranga amin’ny hoavy amin’ny an-tsipiriany. (Amosa 3:7) Efa taloha ela be, ohatra, izy no nilaza fa ho avy ny Mesia na Kristy. Ho taranak’ilay lehilahy atao hoe Abrahama izy io. Ho mpanjaka izy, ary hataony izay hahatonga ny olona mankatò hanana fiainana tonga lafatra ka tsy harary intsony. (Genesisy 22:18; Isaia 53:4, 5) Ho teraka any Betlehema izy.—Vakio ny Mika 5:2.

Efa 700 taona mahery mialoha ny Baiboly no nilaza fa hateraky ny virjiny ny Mesia ary hisy hanao tsinontsinona. Hanao sorona ny ainy noho ny fahotan’ny olombelona izy, ary halevina miaraka amin’ny mpanankarena. (Isaia 7:14; 53:3, 9, 12) Efa 500 taona mahery mialoha koa ny Baiboly no nilaza fa hitaingina ampondra izy rehefa hiditra ao Jerosalema, ary hisy hamadika amin’ny sekely volafotsy 30. Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany tamin’i Jesosy daholo izany, ka niharihary fa izy no Mesia.—Vakio ny Zakaria 9:9; 11:12.

2. Lazain’Andriamanitra mialoha ve ny daty hitrangan’ny zavatra iray?

Efa 500 taona mahery mialoha ny Baiboly no nilaza ny taona voafaritra hahatongavan’ny Mesia. Voalaza ao fa avy eo amin’ny fotoana hanamboaran’i Nehemia an’i Jerosalema ka mandra-pahatongan’ny Mesia, dia hisy 7 herinandro sy 62 herinandro, izany hoe 69 herinandro. Tsy herinandro ara-bakiteny anefa ireo, fa ny herinandro iray maharitra fito taona. Haharitra 483 taona àry ilay 69 herinandro. Oviana anefa i Nehemia no nanomboka nanamboatra an’i Jerosalema? Araka ny tantaran’ny Persianina dia tamin’ny taona 455 T.K. (Nehemia 2:1-5) Midika izany fa afaka 483 taona aorian’io, no ho tonga ny Mesia. Tanteraka tokoa izany satria natao batisa sy lasa Mesia i Jesosy 483 taona katroka tatỳ aoriana, tamin’ny taona 29.—Vakio ny Daniela 9:25.

3. Misy faminanian’ny Baiboly tanteraka ve amin’izao andro izao?

Naminany i Jesosy fa hisy zavatra lehibe hitranga amin’izao androntsika izao, anisan’izany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io no hanafoana an’ity tontolo ratsy ity sy ny fijalian’ireo olona tia an’Andriamanitra eran-tany.—Vakio ny Matio 24:14, 21, 22.

Milaza mialoha amin’ny an-tsipiriany ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity koa ny Baiboly. Hanantena fandrosoana ny olona kanefa voalaza ao fa hanimba ny tany izy ireo. Hitombo ny fijaliana vokatry ny ady, mosary, horohoron-tany, ary valanaretina. (Lioka 21:11; Apokalypsy 11:18) Hiharatsy fitondran-tena koa ny olona. Hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny firenena rehetra ny mpanara-dia an’i Jesosy, mandritra izany.—Vakio ny Matio 24:3, 7, 8; 2 Timoty 3:1-5.

4. Hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona?

Hanome zava-tsoa ho an’izay tsy mivadika aminy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Hanjaka amin’ny tany avy any an-danitra i Jesosy Kristy, ilay Mesia, sy ireo voafidiny. Izy ireo no ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanjaka 1 000 taona. Hatsangana ny maty ary hotsaraina ka ho afaka hiaina mandrakizay. Hanasitrana ny olon-drehetra koa io Fanjakana io amin’izany. Tsy hisy intsony ny aretina sy ny fahafatesana.—Vakio ny Apokalypsy 5:10; 20:6, 12; 21:4, 5.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 23-25 sy 197-201, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.