Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

“Izaho Jehovah Andriamanitrao no Mitantana Anao Amin’ny Tananao Ankavanana”

“Izaho Jehovah Andriamanitrao no Mitantana Anao Amin’ny Tananao Ankavanana”

IZAO matetika no lazain’ny ray amin’ny zanany rehefa hiampita arabe izy ireo: “Avia tantanako!” Fihinin’ny dadany amin’ny tanany matanjaka be ny tanan-kelin’ilay zaza, ka tsy manana ahiahy erỳ izy. Efa mba naniry an’izany hoe misy mpitantana izany ve ianao mba hanampy anao hamakivaky ny fiainana? Raha izany àry, dia mety hampahery anao ny Isaia 41:10, 13. (Vakio.)

Tamin’ny Israely i Isaia no nilaza an’ireo teny ireo. Marina fa noraisin’Andriamanitra ho ‘fananany manokana’ izy ireo, kanefa mbola nanana fahavalo be dia be ihany. (Eksodosy 19:5) Tsy nila natahotra anefa izy ireo. Naniraka an’i Isaia mantsy i Jehovah mba hampita an’io hafatra mampahery io tamin’izy ireo. Mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa anefa ireo teniny ireo. Andeha àry hodinihintsika izany.—Romanina 15:4.

Hoy i Jehovah: “Aza matahotra.” (Andininy 10) Tsy mampiresaka fotsiny akory izy amin’izany. Milaza izy fa “momba” an’ireo vahoakany ka tsy tokony hatahotra izy ireo. Tsy lavitra be akory izy ka hoe rehefa mila fanampiana izy ireo izay vao mampanantena izy hoe ho avy. Tiany ho fantatry ny vahoakany fa momba azy ireo izy, izany hoe eo akaikin’izy ireo mihitsy, ary vonona hanampy na rahoviana na rahoviana. Tsy mampahery ve izany?

Hoy koa i Jehovah avy eo: “Aza miherikerika noho ny tahotra.” (Andininy 10) Manondro olona kaodikaody ka “mitoditodika etsy sy eroa sao misy zavatra mety hampidi-doza azy” ilay teny hebreo nakana an’ireo teny ireo. Milaza i Jehovah fa tsy tokony hatahotra izy ireo ka hiherikerika, satria ‘izy no Andriamanitr’izy ireo.’ Misy hoatr’izany indray ve? “Avo Indrindra” sady “Mahery Indrindra” mantsy i Jehovah. (Salamo 91:1) Raha mahery indrindra toy izany àry ny Andriamanitr’izy ireo, dia inona intsony no tokony hatahoran’izy ireo?

Inona àry no azon’ny vahoakan’i Jehovah antenaina? Hoy izy: “Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Andininy 10) Hoy koa izy: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana.” (Andininy 13) Inona no tonga ao an-tsainao amin’izany? Milaza toy izao ny boky iray: ‘Raha dinihina ireo andininy roa ireo, dia ray miaraka amin’ny zanany no azo sary an-tsaina. Tsy hoe mitazan-davitra fotsiny ilay ray ka rehefa misy loza vao tonga miaro an’ilay zaza, fa miaraka aminy mihitsy ary tsy havelany hisaraka aminy izy.’ Toy izany koa i Jehovah. Tsy havelany ho tafasaraka aminy mihitsy ny vahoakany, na dia ao anatin’ny fotoana faran’izay mangidy aza izy ireo.—Hebreo 13:5, 6.

Tena mampahery antsika vahoakan’i Jehovah ankehitriny ireo teny ao amin’i Isaia ireo. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” mantsy isika, ka mety hanavesatra antsika indraindray ny olana eo amin’ny fiainana. (2 Timoty 3:1) Tsy voatery hiady irery anefa isika. Vonona hanakatra ny tanantsika mihitsy i Jehovah mba hitantana antsika. Afaka mamikitra foana amin’ny tanana matanjak’i Jehovah isika, toy ny zaza matoky ny rainy. Hatoky isika fa hitarika antsika any amin’ny lalana tokony halehantsika izy, ary hanampy rehefa mila fanampiana isika.—Salamo 63:7, 8.

Famakiana Baiboly Amin’ny Janoary:

Isaia 24-42