Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitondra Fitahiana ho An’ny Rehetra Ireo Mpanjaka Sady Mpisorona

Hitondra Fitahiana ho An’ny Rehetra Ireo Mpanjaka Sady Mpisorona

‘Ianareo dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.” ’—1 PET. 2:9.

1. Nahoana no antsoina hoe Fahatsiarovana ny “sakafo harivan’ny Tompo”, ary inona no tsarovana amin’izy io?

NY ALIN’NY 14 Nisana taona 33, no niara-nankalaza farany ny Paska Jiosy i Jesosy sy ny apostoliny 12. Nasain’i Jesosy niala teo i Jodasy Iskariota avy eo, ary nanomboka fankalazana hafa izy. Nantsoina hoe “sakafo harivan’ny Tompo” izy io tatỳ aoriana. (1 Kor. 11:20) Antsoina koa hoe Fahatsiarovana izy io, satria indroa i Jesosy tamin’iny alina iny no nilaza hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Natao ho fahatsiarovana an’i Kristy izy io, indrindra fa ny nahafatesany. (1 Kor. 11:24, 25) Mankatò an’io didy io ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, ka mankalaza ny Fahatsiarovana isan-taona. Manomboka amin’ny alakamisy 5 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny 14 Nisana amin’ity taona ity.

2. Inona no nolazain’i Jesosy momba an’ireo mofo sy divay natolony an’ireo mpianany?

2 Nofintinin’i Lioka toy izao ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’ilay fankalazana: ‘Nandray mofo izy ary nisaotra an’Andriamanitra. Ary notapahiny ilay mofo, ka nomeny azy ireo, sady hoy izy: “Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Toy izany koa no nataony tamin’ny kaopy, rehefa avy nihinana ny sakafo hariva izy ireo. Dia hoy izy: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.” ’ (Lioka 22:19, 20) Ahoana no fahazoan’ny apostoly an’ireo teny ireo?

3. Inona no takatry ny apostoly rehefa niresaka momba ny vatany sy ny rany i Jesosy?

3 Jiosy ireo apostoly ka nahalala tsara momba an’ireo sorona biby nataon’ny mpisorona, tao amin’ny tempoly. Fantany fa natao hahazoana sitraka amin’i Jehovah ireny sorona ireny, ary natao hahazoana famelan-keloka ny ankamaroany. (Lev. 1:4; 22:17-29) Rehefa nilaza àry i Jesosy hoe ‘hanome ny vatany sy handatsaka ny rany ho azy ireo’, dia takatr’izy ireo fa hanao sorona ny ainy lavorary i Jesosy. Sarobidy lavitra noho ny sorona biby io sorona io.

4. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako”?

4 Ahoana indray ilay tenin’i Jesosy hoe “ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako”? Azon’ireo apostoly ilay hoe fifanekena vaovao, satria efa nisy resaka momba azy io ao amin’ny Jeremia 31:31-33. (Vakio.) Hitan’izy ireo tamin’ilay tenin’i Jesosy àry fa nanao an’ilay fifanekena vaovao i Jesosy rehefa niteny an’ireo teny ireo. Izy io no solon’ny fifaneken’ny Lalàna, izay nataon’i Jehovah tamin’ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy. Nifandray ve ireo fifanekena roa ireo?

5. Inona no tombontsoa mety ho azon’ny Israelita, noho ny fifaneken’ny Lalàna?

5 Mitovy ny tanjon’ireo fifanekena ireo. Hoy i Jehovah rehefa nanao an’ilay fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israelita: “Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo, satria ahy ny tany manontolo. Ary ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho ahy ianareo.” (Eks. 19:5, 6) Ahoana no fahazoan’ny Israelita an’ireo teny ireo?

FAMPANANTENANA HOE HO MPANJAKA SADY MPISORONA

6. Inona no fampanantenana tian’i Jehovah hotanterahina tamin’ny alalan’ny fifaneken’ny Lalàna?

6 Takatry ny Israelita ny dikan’ilay teny hoe “fifanekena”, satria nanao fifanekena tamin’i Noa sy Abrahama razamben’izy ireo i Jehovah. (Gen. 6:18; 9:8-17; 15:18; 17:1-9) Anisan’ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Abrahama, ohatra, ilay fampanantenana hoe: ‘Hanao izay hahazoana fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’ (Gen. 22:18) Nanao ny fifaneken’ny Lalàna i Jehovah mba hanatanterahana an’io fampanantenany io. Afaka ny ho lasa ‘fananan’i Jehovah manokana, fidiny avy amin’ny firenena hafa rehetra’ ny Israelita, noho io fifanekena io. Nahoana izy ireo no tian’i Jehovah ho fananany manokana? Mba hahatonga azy ireo ho lasa ‘fanjaka-mpisorona ho Azy.’

7. Inona no dikan’ilay hoe “fanjaka-mpisorona”?

7 Efa zatra nanana mpanjaka sy mpisorona ny Israelita, kanefa i Melkizedeka ihany no neken’i Jehovah ho mpanjaka sady mpisorona. (Gen. 14:18) Nomen’i Jehovah tombontsoa ho lasa “fanjaka-mpisorona” anefa ny firenen’Israely, rehefa nanao ny fifaneken’ny Lalàna izy. Nohazavain’ny Soratra Masina tatỳ aoriana fa ilay hoe “fanjaka-mpisorona” dia midika hoe sady mpanjaka no mpisorona.—1 Pet. 2:9.

8. Inona no ataon’ny mpisorona voatendrin’Andriamanitra?

8 Mitondra vahoaka no asan’ny mpanjaka. Fa inona kosa no asan’ny mpisorona? Hoy ny Hebreo 5:1: “Alaina avy amin’ny olona ny mpisoronabe rehetra ka tendrena hanompo an’Andriamanitra, hahasoa ny olona, mba hanolorany fanomezana sy sorona noho ny ota.” Misolo tena ny vahoaka eo anatrehan’i Jehovah àry ny mpisorona, ka manao sorona sady mitalaho amin’i Jehovah mba hamelana ny helok’izy ireo. Mifamadika amin’izany koa fa misolo tena an’i Jehovah eo anatrehan’ny vahoaka ny mpisorona, ka mampianatra azy ireo ny lalàn’Andriamanitra. (Lev. 10:8-11; Mal. 2:7) Mampihavana ny olona amin’Andriamanitra àry ny mpisorona voatendrin’i Jehovah.

9. a) Inona no tokony hataon’ny Israelita, raha te ho lasa “fanjaka-mpisorona” izy ireo? b) Nahoana i Jehovah no nanendry mpisorona teo amin’ny Israely? d) Nahoana ny firenen’Israely no tsy lasa “fanjaka-mpisorona”, raha mbola teo ambany Lalàna?

9 Noho ny fifaneken’ny Lalàna àry, dia afaka ny ho lasa fanjaka-mpisorona ny Israelita mba hitondra soa ho an’ny “firenena hafa rehetra.” Fanantenana tsara tokoa izany, kanefa nisy fepetra koa. Nila ‘nankatò an-tsakany sy an-davany ny tenin’i Jehovah’ izy ireo, ary nila ‘nanaja ny fifanekena nataon’i Jehovah’ taminy. Afaka ‘mankatò an-tsakany sy an-davany ny tenin’i Jehovah’ ve anefa ny Israelita? Eny, saingy tsy amin’ny fomba tonga lafatra. (Rom. 3:19, 20) Izany no nahatonga an’i Jehovah hanendry olona mba ho mpisorona teo amin’ny Israely, nefa ho mpisorona fotsiny fa tsy ho mpanjaka. Nanolotra sorona biby ny mpisorona mba hanaronana ny fahotan’ny vahoaka, anisan’izany ny fahotany. (Lev. 4:1–6:7; Heb. 5:1-3; 8:3) Neken’i Jehovah ireny sorona notakin’ny Lalàna ireny, kanefa tsy hoe nanala tanteraka ny fahotan’ny Israelita. Tsy tena afaka nampihavana azy ireo tamin’i Jehovah ny asan’ireny mpisorona ireny, eny fa na dia tso-po aza ilay Israelita. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy mahavita manaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy.” (Heb. 10:1-4) Tsy nankatò ny Lalàna koa ny Israelita, ka voaozona. (Gal. 3:10) Tsy afaka ny ho lasa fanjaka-mpisorona ho an’izao tontolo izao àry izy ireo.

10. Inona no tanjon’ny fifaneken’ny Lalàna?

10 Tsy midika akory izany hoe tsy hisy Israelita ho lasa anisan’ilay “fanjaka-mpisorona” nampanantenain’i Jehovah. Ho anisan’io fanjaka-mpisorona io izy ireo, raha tena miezaka mankatò. Tsy ho tanteraka anefa izany raha mbola eo ambany Lalàna izy ireo. Nahoana? (Vakio ny Galatianina 3:19-25.) Inona tokoa moa no tanjon’ny fifaneken’ny Lalàna? Niaro ny Israelita tamin’ny fivavahan-diso izy io, raha nankatò izy ireo. Ny Lalàna koa no nanampy azy ireo hahatakatra fa mpanota izy ireo, ary nila sorona lehibe lavitra noho izay nataon’ny mpisoronabe. Izy io koa no ‘nitaiza’ ny Israelita ka nitarika azy ireo ho amin’i Kristy na Mesia, izay midika hoe “Voahosotra.” Tsy nilaina intsony anefa ny fifaneken’ny Lalàna rehefa tonga ny Mesia. Nanao an’ilay fifanekena vaovao nolazain’i Jeremia mialoha izy. Lasa anisan’ilay fifanekena vaovao àry izay olona nanaiky an’i Kristy, ka lasa anisan’ny “fanjaka-mpisorona.” Andeha hojerentsika hoe ahoana no nahatanterahan’izany.

LASA MPANJAKA SADY MPISORONA IREO ANISAN’NY FIFANEKENA VAOVAO

11. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy ho lasa anisan’ilay fanjaka-mpisorona?

11 Tamin’ny taona 29 i Jesosy no lasa Mesia, tamin’izy 30 taona teo ho eo. Natao batisa izy tamin’izay, mba hampisehoana fa vonona izy hanao ny asa manokana nampanaovin’i Jehovah azy. Nampahafantarin’i Jehovah tamin’izay hoe i Jesosy no ‘Zanany malalany.’ Nanosotra an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina koa izy, fa tsy tamin’ny menaka. (Mat. 3:13-17; Asa. 10:38) Midika izany fa lasa Mpisoronabe ho an’ny olon-drehetra mino azy i Jesosy nanomboka teo, ary ho Mpanjaka amin’ny hoavy. (Heb. 1:8, 9; 5:5, 6) I Jesosy no voalohany lasa anisan’ilay fanjaka-mpisorona.

12. Inona no vokatry ny sorona nataon’i Jesosy?

12 Nandova ota ny olombelona, ka amin’ny maha Mpisoronabe an’i Jesosy, inona no sorona hataony mba ho voavela tanteraka ny fahotan’ireo olona mino azy? Nasehony tamin’ilay fotoana nanombohany ny Fahatsiarovana ny nahafatesany, fa ny ainy lavorary no hataony sorona. (Vakio ny Hebreo 9:11, 12.) Niatrika fitsapana sy nahazo fampiofanana i Jesosy, taorian’ny batisany ka hatramin’ny fotoana nahafatesany. (Heb. 4:15; 5:7-10) Niakatra tany an-danitra izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nanolotra tamin’i Jehovah ny vidin’ny sorona nataony. (Heb. 9:24) Nanomboka tamin’izay, dia afaka ‘niangavy’ tamin’i Jehovah izy, mba hamela ny fahotan’ireo olona mino ny sorona nataony. Afaka manampy an’ireo olona ireo koa izy, mba hanompo an’Andriamanitra ka hanantena hahazo fiainana mandrakizay. (Heb. 7:25) Nampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao koa ny sorona nataony.—Heb. 8:6; 9:15.

13. Inona no fanantenan’ireo anisan’ny fifanekena vaovao?

13 Tsy maintsy hosorana amin’ny fanahy masina toa an’i Jesosy, ireo olona anisan’ilay fifanekena vaovao. (2 Kor. 1:21) Ny Jiosy tsy nivadika aloha, ary avy eo ny hafa firenena. (Efes. 3:5, 6) Inona no fanantenan’ireo anisan’ny fifanekena vaovao? Voalohany, ho voavela tanteraka ny helok’izy ireo. Nilaza i Jehovah hoe: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Faharoa, rehefa voafafa tanteraka ny helok’izy ireo, dia afaka ny ho lasa “fanjaka-mpisorona” izy ireo. Hoy i Petera tamin’ireo voahosotra: ‘Ianareo dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay” niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ (1 Pet. 2:9) Naverin’i Petera tamin’io andininy io ny tenin’i Jehovah tamin’izy nanome Lalàna ny Israelita. Nilaza i Petera fa tanteraka amin’ireo Kristianina anisan’ilay fifanekena vaovao ilay tenin’i Jehovah.—Eks. 19:5, 6.

MITONDRA FITAHIANA HO AN’NY REHETRA IREO MPANJAKA SADY MPISORONA

14. Aiza ireo olona anisan’ny fifanekena vaovao no manao ny asany?

14 Aiza ireo anisan’ilay fifanekena vaovao no manao ny asany? Voalohany, eto an-tany. Manao ny asan’ny mpisorona izy ireo amin’ny fitambarany, rehefa misolo tena an’i Jehovah eo anatrehan’ny olona, ka ‘manambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetrany’ ary manome sakafo ara-panahy. (Mat. 24:45; 1 Pet. 2:4, 5) Faharoa, hiara-manompo amin’i Kristy any an-danitra izy ireo, aorian’ny fitsanganany amin’ny maty, ka sady ho mpanjaka no ho mpisorona. (Lioka 22:29; 1 Pet. 1:3-5; Apok. 1:6) Manamarina izany ny fahitana azon’ny apostoly Jaona, rehefa nahita an’ireo zavaboary ara-panahy teo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah izy. Nanao “hira vaovao” ho an’ny “Zanak’ondry” izy ireo, nanao hoe: “Ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Apok. 5:8-10) Nahazo fahitana momba an’ireo mpanjaka ireo i Jaona tatỳ aoriana, ka nilaza hoe: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Apok. 20:6) Izy ireo, miaraka amin’i Kristy, no ho ‘mpanjaka sady mpisorona’ hitondra fitahiana ho an’ny olombelona rehetra.

15, 16. Inona no fitahiana hoentin’ireo mpanjaka sady mpisorona?

15 Inona no fitahiana hoentin’ireo 144 000 ho an’ny olona eto an-tany? Oharina amin’ny tanàna iray any an-danitra izy ireo ao amin’ny Apokalypsy toko faha-21, ary antsoina hoe Jerosalema Vaovao. Antsoina koa hoe “vadin’ny Zanak’ondry” izy ireo. (Apok. 21:9) Hoy ny andininy faha-2 ka hatramin’ny faha-4: “Hitako koa ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ ” Fitahiana miavaka tokoa izany! Ho foana ny fahafatesana, izay tena mahatonga ny ranomaso, ny alahelo, ny fitarainana, ary ny fanaintainana. Midika izany fa ho lasa lavorary ny olombelona, ary hihavana tanteraka amin’Andriamanitra.

16 Miresaka momba ny fitahiana hoentin’ireo mpanjaka sady mpisorona koa ny Apokalypsy 22:1, 2. Hoy izy io: ‘Nampiseho ahy reniranon’ny ranon’aina izy. Mangalahala toy ny vato kristaly izy io ary nikoriana avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, teo afovoan’ny lalamben’i Jerosalema Vaovao. Ary nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo sady namoa isam-bolana, teo amin’ny andaniny roa amin’ilay renirano. Ary ny ravin’ireo hazo dia ho fanasitranana ny firenena.’ ‘Hanasitrana’ izany hoe hanala ny tsy fahalavorariana nolovana tamin’i Adama ilay ranon’aina sy hazon’aina an’ohatra. Ho lavorary ny “firenena” rehetra, izany hoe ny fianakaviana rehetra eto an-tany. Ho lasa tokoa ny “zavatra taloha” amin’izay!

HAHAVITA NY ASANY IREO MPANJAKA SADY MPISORONA

17. Inona no ho vitan’ireo mpanjaka sady mpisorona amin’ny faran’ny 1 000 taona?

17 Ho vitan’ireo ‘mpanjaka sady mpisorona’ ny hamerina ny olombelona ho lasa lavorary, rehefa tapitra ny 1 000 taona. Homen’ilay Mpisoronabe an’i Jehovah ny olombelona lavorary aorian’izany. (Vakio ny 1 Korintianina 15:22-26.) Ho vita tanteraka amin’izay ny asan’ireo mpanjaka sady mpisorona.

18. Inona no asain’i Jehovah hataon’ireo mpiara-miasa amin’i Kristy, rehefa tapitra ny 1 000 taona?

18 Ary aorian’izay? Inona no asain’i Jehovah hataon’ireo mpanjaka sady mpisorona niara-niasa tamin’i Kristy? Hoy ny Apokalypsy 22:5: “Hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo.” Hanjaka amin’iza? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Ny fantatsika dia hoe afaka ny ho mpanjaka mandrakizay izy ireo mba hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah, satria tsy mety maty izy ireo, tsy mety lo ny vatany, ary efa manana traikefa izy ireo tamin’ny fanampiana ny olombelona tsy lavorary.

19. Inona no hotadidintsika rehefa hanatrika ny Fahatsiarovana?

19 Hotadidintsika ity fianarana ity, rehefa hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy isika, amin’ny alakamisy 5 Aprily 2012. Hihinana amin’ny mofo tsy misy lalivay sy hisotro amin’ny divay mena ireo voahosotra mbola eto an-tany, mba hampisehoany fa anisan’ilay fifanekena vaovao izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo dia hahatadidy ny tombontsoa sy andraikiny, mifandray amin’ny fikasan’i Jehovah mandrakizay. Enga anie isika rehetra, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana, mba hampiseho fa tena ankasitrahantsika ireo mpanjaka sady mpisorona. Nofidin’i Jehovah hitondra fitahiana ho an’ny olombelona rehetra izy ireo.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona ireo mpanjaka sady mpisorona